ny fahitako ny serasera

1. sitlo ( 26/10/2007 07:01)
Saika nataoko hafatra ho an'i hery ity dia navoakako eto indray. Somary mivantana ny resaka kanefa tsy manenjika olona na iray aza. Niezaka ny tsy hanao sariteny mihitsy koa aho.

Voaloha aloha dia hitako somary perso loatra ilay serasera. Ohatra ny olona efa mpifankahalala mivantana no tena mpiresaka. (dinausore hozy aho ndray mpande fa tsy nisy kopy). Vokatr'izay dia somary mirona mankany foana ny dinika matetika. Ianareo ao France, Italy sy ny manodidina no tena mpifankafantatra. Dia ampian'ireo vitsivitsy avy any Dago. Manao fety sy fihaonana sns. Tsara ny mifankatia sy ny mihavana.
Fa saingy ny hava-tiana tsy iaraha-monina. Izay tianareo moa io, mba teny atsipy ny ahy.
Tsy fantatro anefa ny nitranga tany fa dia tsy nifanaraka ianareo. Tsy iray na roa ihany fa mizara antokotoko mihitsy. Ao ny tsy tia miady sy tsy tia ady dia mangina. Ao ny tsy manaiky dia mifamaly sy mifanenjika. Ao ny tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany.
Na lalAna inona no atao eto na lalAna inona, rehefa tsy mifanaraka ianareo dia na ny resaka tsotra aza ahitana olana.

pause aloha
novalian'i BOZYLOVE ny 05/11/2007 17:40
2. sitlo ( 26/10/2007 07:22)
faharoa: momba ny admin

Tsy admin aho fa mba milaza ny hevitro. Raha mangidy aloavy.
Ny admin amiko dia tsy tokony handray anjara mihitsy. Raha tia handray anjara izy dia tokony mampiasa ps hafa. Matetika contact fotsiny no ahitana ny admin. Dia rehefa misy fepetra noraisiny dia tsy misy fanazavana eo imason'olona fa mandefa ref momba ny lalAna mifehy fotsiny dia izay.
Ny eto anefa dia hitako somary mirona ireo admin sasany. Andramo kianina be ohatra ange ny fivavahana katolika eh. Tonga dia tsy mitovy hevitra amin'i hery ianao amin'izay, dia lasa ohatra ny tsy mazoto intsony hitafa satria i hery no admin. Eo koa ireo admin hafa. Tsaroako aho ohatra ilay tsy nitovy hevitra tamin'ny admin tao amin'ny resa-behivavy momba ny vehivavy tsy manambady dia nanaovana sariteny ny ps-ko.
Ny admin amiko dia manao izay hampadeha ny kojakoja, sy arofanina amin'ireo mihoa-pefy. Fa tsy tokony hanome morale ny mpikamana. Tsy tolony hanana position mihitsy izy amin'ny olona iray. (a tout moment). Izay no lazaiko hoe tokony tsy ho fantatra akory ny ps-ny.

pause ndray
3. sonwin ( 26/10/2007 07:58)
tohizo amin'izay ry 'se a
4. Ralay ( 26/10/2007 08:11)
Marina fa manana andraikitra ny admin nefa amiko dia namana toy ny namana rehetra ihany izy ireo eto ka afaka maneho ny heviny mazava fa tsy misy hidiran'ny maha admin azy @ famaliana hevitra.
Afaka tsy mitovy hevitra aminao na @ olonkafa koa ny admin satria adihevitra no atao ary afaka tsy mamaly koa anefa na dia admin ao @ilay dinika aza fa manaramaso fotsiny.
Na hanana ps manokana @ maha mpidinika azy aza izy dia ho fantatra foana ka amiko tsy dia ilaina ny fananany ps hafa.

Miandry ny hevitry ny hafa
5. sitlo ( 26/10/2007 08:47)
:-D tairo ary.
fahatelo: momba ny ps, ny xxx, ny IP ary ilay olona manokana

Amiko dia tsara raha manana zo hanana ps aman-jatony ny olona iray. Tsy hoe tsy ho voafehy no antony, fa zo tahaka ny zo hanana email be dia be.
Nefa kosa dia tokony raisina amin\'izay ps ampiasainy eo izy. Tsy haiko fa raha misy afaka manazava amiko dia tonga soa, ny antony ampiasana saina hoe iza no ao ambadiky ny ps iray. Hevitra no hifampitana eto. Raha ps be dia be no hitany hahatafitana ny heviny dia inona moa no olana. Hampihetsika ny volomasonao moa ve izany? Tahaka ny hoe: manana email telo ny olona iray dia andefasany email ny iray, dia valiany indray. Tsy misy tokony hahasorena ny hafa mihitsy izany.
Ny xxx saika tsy nidirako fa efa disika goaka. Raha toa ka fantatra hoe mbola mandray anjara amin\'ny dinika ny admin, dia tsy hitako mihitsy antony ilavana ny xxx. Tahaka ny manisy antoko roa ny mpidinika fotsiny ilay izy hoe ireto olona ireto mahazo mahalala ny aretinao :-D, fa ny ambiny tsy mahazo.
Ny IP dia tokony tsy misy mahalala na iza na iza hafa tsy ny admin ihany. Ary tokony ampiasaina io amin\'ny fanakanana ny mihoa-pefy.
Ny olona indray dia tokony hanana zo hilaza ny momba azy raha tiany izany. Raha manome ny mot de passe-ny ho an\'olon-kafa izy dia izy no mitaty ny vokany fa tsy ny admin no menomenomana. Tahaka izany koa ny sary. Izay sary asehonao eo dia fantaro fa afaka alaina foana. skyrock hoy ianareo tsy mety anaovana click droite. Ataovy click droite nge iny dia tapeo rapida ny touche entrer dia ho hitanao eo e. Madanight: jereo amin\'ny notepad nge iny raha tsy ao ny lien\'ilay sary e. prtsc moa dia efa nolazaina foana. Ka izay mamoaka sary ho hitan\'ny olona eo dia aza gaga mihitsy raha any indray andro ka lasa minisitra ianao dia mivoaka amin\'ny page web any ho any iny sary iny. Vidin-kaja, vidim-boninahitra, tsy haratsiana sy fialonana no ilazan\'ny namana hoe mba jereo ihany ny intimité fa malama maina ny tany. Ohatra akaiky miss New Jersey.

pause, rahaveo ny farany.
6. kally ( 26/10/2007 08:48)
Izaho koa mitovy hevitra amin-dRalay.Malalaka ny tsirairay haneho ny heviny angamba, hevitra sy adihevitra no eto ka rehefa aseho amim-panajana ny tsy fitovian-kevitra na iza na iza no hiantefany tsy hitako ny olana.
Tsy hoe i Hery no tompon'ny baolina dia tsy avela milalao satria manjary mody tsy mamono baolina any mihitsy ny ekipa ankilany. Rehefa tsy mifamely sy tsy mifampikapa ranjo fa baolina no lalaovina,dia izay e!
7. lanto ( 26/10/2007 09:20)

Amiko dia tsara raha manana zo hanana ps aman-jatony ny olona iray. Tsy hoe tsy ho voafehy no antony, fa zo tahaka ny zo hanana email be dia be.
Nefa kosa dia tokony raisina amin\'izay ps ampiasainy eo izy. Tsy haiko fa raha misy afaka manazava amiko dia tonga soa, ny antony ampiasana saina hoe iza no ao ambadiky ny ps iray. Hevitra no hifampitana eto. Raha ps be dia be no hitany hahatafitana ny heviny dia inona moa no olana. Hampihetsika ny volomasonao moa ve izany? Tahaka ny hoe: manana email telo ny olona iray dia andefasany email ny iray, dia valiany indray.


Fa tsy efa izany moa ?

Ny xxx saika tsy nidirako fa efa disika goaka. Raha toa ka fantatra hoe mbola mandray anjara amin\'ny dinika ny admin, dia tsy hitako mihitsy antony ilavana ny xxx. Tahaka ny manisy antoko roa ny mpidinika fotsiny ilay izy hoe ireto olona ireto mahazo mahalala ny aretinao :-D, fa ny ambiny tsy mahazo.


Misy resaka momba an'io ao am dinaka napetraky fijo ato amin'ity lohahevitra ity ihany.

Ny IP dia tokony tsy misy mahalala na iza na iza hafa tsy ny admin ihany. Ary tokony ampiasaina io amin\'ny fanakanana ny mihoa-pefy.


Ka tsy efa izany koa moa ? :roll: (ampiako hoe tsy ny admin rehetra aza)

Ny olona indray dia tokony hanana zo hilaza ny momba azy raha tiany izany. Raha manome ny mot de passe-ny ho an\'olon-kafa izy dia izy no mitaty ny vokany fa tsy ny admin no menomenomana..


Efa izay ka! :-)

Tahaka izany koa ny sary.Izay sary asehonao eo dia fantaro fa afaka alaina foana. skyrock hoy ianareo tsy mety anaovana click droite. Ataovy click droite nge iny dia tapeo rapida ny touche entrer dia ho hitanao eo e. Madanight: jereo amin\'ny notepad nge iny raha tsy ao ny lien\'ilay sary e. prtsc moa dia efa nolazaina foana. Ka izay mamoaka sary ho hitan\'ny olona eo dia aza gaga mihitsy raha any indray andro ka lasa minisitra ianao dia mivoaka amin\'ny page web any ho any iny sary iny. Vidin-kaja, vidim-boninahitra, tsy haratsiana sy fialonana no ilazan\'ny namana hoe mba jereo ihany ny intimité fa malama maina ny tany. Ohatra akaiky miss New Jersey..


Izay zany ;-)

Enga anie tsy lany ranomainty fotsiny sitlo an :-)

8. xxx ( 26/10/2007 09:30)
sitlo:


Voaloha aloha dia hitako somary perso loatra ilay serasera. Ohatra ny olona efa mpifankahalala mivantana no tena mpiresaka. (dinausore hozy aho ndray mpande fa tsy nisy kopy). Vokatr'izay dia somary mirona mankany foana ny dinika matetika. Ianareo ao France, Italy sy ny manodidina no tena mpifankafantatra. Dia ampian'ireo vitsivitsy avy any Dago. Manao fety sy fihaonana sns. Tsara ny mifankatia sy ny mihavana.
Fa saingy ny hava-tiana tsy iaraha-monina. Izay tianareo moa io, mba teny atsipy ny ahy.
Tsy fantatro anefa ny nitranga tany fa dia tsy nifanaraka ianareo. Tsy iray na roa ihany fa mizara antokotoko mihitsy. Ao ny tsy tia miady sy tsy tia ady dia mangina. Ao ny tsy manaiky dia mifamaly sy mifanenjika. Ao ny tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany.
Na lalAna inona no atao eto na lalAna inona, rehefa tsy mifanaraka ianareo dia na ny resaka tsotra aza ahitana olana.



chat sy forum dia ahitana io tokoa.
Mba indramiko kely ny volazan'i Lanto:

Tsy efa izany tokoa moa? :wink:


9. hery ( 26/10/2007 09:35)
:-)
10. salmo1 ( 26/10/2007 09:50)
hery:
1. Malalaka be ny serasera. Misy gropy miforona rehefa te hamorona. Jereo ao amin'ny lisitry ny namana dia jereo amin'ireo tranainy be ao hoe gropy aiza izy.

oh: ps enric ;-)
11. lanto ( 26/10/2007 09:51)
hery:

7. Mba antsoy zah fa vao nasiako sonnerie vaovao ny tel dia tiako haneno eny ambony taxi-be. :-)


Mi-biper-va rehefa eny ambony taxi-be. Fa 7s ihany an!


12. Tetakely ( 26/10/2007 10:17)
firy ary ilay num ho biper-na e!:P

[quote=hery]
:-)
13. sasa ( 26/10/2007 10:25)
lanto kely loatra kosa akia fa mba atovy lavalava an!:-D:-D:-D:-D:-D le 7s io an!=))=))
mitovy hevitra am Ralay koa za am le izy, avelao ny namana haneho ny heviny na iza izy na iza, fianakaviana kely 10 antrano aza misy miady sy tsy mitovy hevitra nefa mifankahita isan'andro, maika moa fa isika izay misy firy isa, no sady tsy mifanakaiky no tsy mifankafantatra akory, io indray aloha tsy atao mahagaga fa fomban-javatra io.
14. lo ( 26/10/2007 10:26)
d'efa malalaka zany ko inona indray moa? sa hoterena ve???
15. lanto ( 26/10/2007 10:38)
sasa:

lanto kely loatra kosa akia fa mba atovy lavalava an!:-D:-D:-D:-D:-D le 7s io an!=))=))


Zarany aza mahita an'izany kou! ny ahy ange mi payer à la seconde le tel e! Tsy hitany insony ngamba ity sa tsisy kredi ny havana, na mety tsy te hantsoiko :-p mba andefaso sms izy ry sasa a! :)
16. tess ( 26/10/2007 12:00)
amevo marina aloha lay numero n'i hery zany:-P:-D
17. ari.malala ( 26/10/2007 12:21)
sitlo:
Voaloha aloha dia hitako somary perso loatra ilay serasera. Ohatra ny olona efa mpifankahalala mivantana no tena mpiresaka. (dinausore hozy aho ndray mpande fa tsy nisy kopy). Vokatr'izay dia somary mirona mankany foana ny dinika matetika. Ianareo ao France, Italy sy ny manodidina no tena mpifankafantatra. Dia ampian'ireo vitsivitsy avy any Dago. Manao fety sy fihaonana sns. Tsara ny mifankatia sy ny mihavana.


tsy marina! za zao tsy mbola nahita tava an'i lanto sy ftma, tywa68, mbaliana sy ny namana hafa mpifananiany amiko ary tsy mahafantatra azy ireo personnellement;) nefa miresaka tsara izahay ao am forum,

hery:
7. Mba antsoy zah fa vao nasiako sonnerie vaovao ny tel dia tiako haneno eny ambony taxi-be.
voray v le sms teo e:-D:-D:-Dd naneno le tel?:-D:-D:-D:-D
18. wooda ( 26/10/2007 12:38)
Mbola miandry ny tohin'ilay tantara, raha mbola misy ny jiro!
19. tess ( 26/10/2007 12:53)
sitlo: fantako tsara mitsy fa azo alaina ny sary any am blogy na désacitvé aza ny klik dorit kan! fa mba hamono lolo ny oul no mody ilazàko azy tany ho any amzay tsy misy maka ny sary vô mahita an'iny soratra iny:-D :-P
20. Kwasi ( 26/10/2007 13:59)
sitlo:
pause, rahaveo ny farany.

Miandry le farany ooo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.5611