ny fahitako ny serasera

21. sonwin ( 26/10/2007 14:02)
tairo amin'izay ry zandry ilay farany fa tonga ny week end a
22. sitlo ( 26/10/2007 14:04)
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Endormi/zzzzz-9758.gif[/IMG] :-D

Mr bean kely aho teo. Ilay nanao korsa dia tonga voalohany. Dia hanokatra amin'ilay lakile amn'izay dia [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Endormi/zzzzz-9758.gif[/IMG] ndray. :-D
23. avylavitra ( 26/10/2007 14:06)
zah aloha rehefa tsy mahita lazaina , na sendra ny resaka tsy dia amin'ny patiko dia mitazana soratra miakatra fotsiny ny ataoko e. Tsy mitady lagy izany mihitsy. Sady atao inona koa moa ny hanana ps vraky be zany e? Ny roa na telo aza mety hanahirana ny mi-gerer azy. Ny tsara dia ny hoe Tsy misy toy ny mahay mifanaja fotsiny rehefa midinika. Ary tokony ho tsaroana mandrakariva fa na dia virtuel aza no fandraisantsika azy ity, dia tokony ho menatra ny tenanao ihany ianao izay tsy manaja ny hafa eto hoe, dray 'ty toatrake, kanosa be aho izany fa aty ambadiky ny ecran sy clavier no mba mitatatata ,fa mba manao ahoana re raha mifanatrika mivantana miady hevitra e? Heveriko fa isan'ny antony iray nifanantonana mba hifankahita tava ny toy izany, fa tsy hoe finiavana hamorona clas kely be dia be. Raha izaho manokana izao dia sady misy ahy ato amin'ny serasera, no misy ahy any amin'ny hafa. Sady misy tia ahy nareo ato no misy mankahala koa angamba (enga anie mba ho vitsy) ,nefa tsy ataoko ho olana izany fa rehefa miserasera aho dia miserasera, ary rehefa tsy tioakop ny ^resaka mandeha dia iry nolazaiko iry ny position raisiko: mijery soratra miakatra dia vita. Raha tsy izany dia harary fo eo aho fa ho sahirana ny namako sy ny havako. hihihi
24. tess ( 26/10/2007 14:27)
avylavitra: eka ouzzzz!
25. sitlo ( 26/10/2007 15:03)
Tsy dia lava ny farany ka. Momba ny famalin\'ny mpidinika. Somary polemika kely.

Efa nolazain\'i Hery teto foana ilay izy. Rehefa tsy mandika ny fitsipika dia ekena.
Raha tsy mitovy hevitra aminy ianao dia valio amin\'ny fomba tsotra izy fa aza iadivana sy anaovana xxx, na farateny na morale: mahagaga ny toetran\'ny sasany eh, vendrana eh, maninona no dia manao ohatra izany eh, tsy i anona ihany ve no anona eh, ampahafiriny eh, manantona psy eh sy ny sisa tsy voatanisa.
Betsaka ny tsy mitovy amin\'ny mahazatra (controversial) eto. Tsy tia hilaza ps aho fa manjary mitongilana. Raha manebaka ny malagasy izy indraindray, inona no tokony ahasorena amin\'izay. Izaho izao nifanala tamin\'ny cubanina izay. Raha miady i Madagasikara sy Cuba dia iza no ho resy. Vava fotsiny ny ahy, fa fantatro hoe i Madagasikara izany tsy mamely ara-tafika. Tsy ny tafika ihany fa maro. Koa maninona raha misy gasy manebaka ny malagasy no lazaina fa: ianao angaha tsy gasy, avoahy ny vahaolana fa aza mahay vava, miverena any Dago raha mafy be sns. Raha navela hidinika eto ny vahiny, mino aho fa tena betsaka kiana tsy zaka eto.
Manaraka:
Raha tsy misy fotony (aminao) ny tenenin\'ny olona iray, ahoana no ananao zo hilaza hoe ny anao no marina. Indraindray lasa ilay ps indray no valiana. Nefa tsy zaranareo aza ve misy olona tsy mitovy fijery aminareo?
Ho an\'ireo voakiana: raha miteny anao hoe vendrana (ohatra) ny olona: mahatezitra ilay izy, tsy lavina. Fa lasa vendrana tokoa ve ianao? Jereo hoe inona no soa mety azonao avy amin\'ilay teny. Mety hahasoa anao izany rehefa mitarika dinika any amin\'ny asa aman-draharaha any. Raha eto no tsy mahataty kiana, ahoana izany raha ohatra ka eo afovoan\'ny terrain ianao no misy mananihany? Raha mifikitra amin\'ny hevitrao ianao fa tsy hay dohiana, ahoana rehefa tonga ny \"travail en groupe\", famadihana, fivoriam-pianakams sns.
Sehatra tokony ahitana soa ilay izy, lasa ohatra ny mifampitsaratsara sy mifanebatebaka izany.
Raha resaka ompa, na mivantana io na ompa razana sns dia mandika ny lalAna izany dia reporteo any amin\'ny admin avy hatrany. Mba asiana fiarahamiasa fa tsy ny admin foana no kianina hoe ahoana io sns. Rehefa tsy nofafain\'ny admin ilay izy avy eo dia tsy mandika lalAna izay dia valio tsotra.

Dinika voafafa: misy dinika tena mahaliana tokoa. Ohatra an\'io resaka any Liban io ohatra. Afaka atao ve ny tsy hamafana ny dinika tahaka ireny mba hanovozam-pahalalana rehefa kamokamo iny? Tsy hoe tsy misy mamaly intsony ilay izy dia tsy interessant intsony. Mameno memoara, fantatro tsara fa mba misy ireo dinika tena mahasoa na ho an\'ny anio na ho an\'ny any aoriana. Afaka mba asiana takelaka ve hoe archive forum dia izay hita fa ilaina atao archive ihany no ao?

tapitra
26. Aino ( 26/10/2007 15:21)
Izay sary asehonao eo dia fantaro fa afaka alaina foana. skyrock hoy ianareo tsy mety anaovana click droite. Ataovy click droite nge iny dia tapeo rapida ny touche entrer dia ho hitanao eo e.
raha io resaka io aloha de nataoko fananiana natao na dia efa fatatro fa na @ fomba ahoana na @ fomba ahoana dia afaka alaina faona ny sary sns, ka tsy de misy antony firy ny nanaovako any iny dinika iny.



18. Mpandefa : tess [ Valio ] 26-10-2007 14:53:45
Lohateny : Re : ny fahitako ny serasera
sitlo: fantako tsara mitsy fa azo alaina ny sary any am blogy na désacitvé aza ny klik dorit kan! fa mba hamono lolo ny oul no mody ilazàko azy tany ho any amzay tsy misy maka ny sary vô mahita an'iny soratra iny
hihihihi lol kay koa njy efanilaza;)
27. Aino ( 26/10/2007 15:24)
Hoy i sitlo:


Voaloha aloha dia hitako somary perso loatra ilay serasera. Ohatra ny olona efa mpifankahalala mivantana no tena mpiresaka.
io anie rehefa tiana hiresaka tsara tahaka ny olona mifankahalala na dia mbola tsy nifakahita aza dia afaka atao ny miresak toy ny olona efa niaraniaina hatr@ izay eh!!
28. sitlo ( 26/10/2007 15:27)
lanto
Fa tsy efa izany moa ?

Misy resaka momba an'io ao am dinaka napetraky fijo ato amin'ity lohahevitra ity ihany.

Ka tsy efa izany koa moa ? (ampiako hoe tsy ny admin rehetra aza)

Efa izay ka!

Izay zany

Enga anie tsy lany ranomainty fotsiny sitlo an


rehefa tsy azonao ilay tiako tenenina dia vakio fanindroany aloha vao mikiakiana. Jamba angaha aho no tsy ahita ny dinika vao napetrak'i fijo. Eto no amaliako azy ka na lany ranomainty aho, anao angaha izany?
Valiteniko amin'ny fanontaniana maro efa nipetraka teto ireo. Izaho tsy momba ny fanovana lalAna matetika no tsy nanomezako ny hevitro tamin'ireny. Tsy ny an'i fijo ihany fa maro. Ny dinika napetrak'i Soanja koa ohatra, ny valitenin'i simplex, ireo no ps tadidiko, atao ahoana fa tsy dia mahatadidy ps firy. Fa efa betsaka ny sasi-kevitra efa nandeha teny dia valiako bamba iray.
Tsy olona iray no iresahako amin'ity dinika ity.
29. sitlo ( 26/10/2007 15:52)
xxx:
chat sy forum dia ahitana io tokoa.
Mba indramiko kely ny volazan'i Lanto:

Tsy efa izany tokoa moa?

de
30. sitlo ( 26/10/2007 16:20)
Ralay, kally, sasa> resaka admin mandray anjara

Ralay> tsy haiko na izaho no tsy mahalala fa sarotra amiko no ahalalana hoe i admin anona io ps vaovao io.

Hevitra no ampiadina. Ny admin amiko tokony ho tahaka ny robot. Mijery fotsiny hoe, ireto no lalAna, execution.
Raha sosokevitra momba ny lalAna dia ilaina tokoa ny fandraisany anjara.
Mpandrindra ny forum izy ireo, fa tsy mpandrindra ny mpikambana. Azavaiko misimisy. Tsy mandrindra ny fomba fitenin'ny olona. Tsy mandrindra ny fomba fisainany. Tsy mandrindra ny eritreritry ny olona.
Ka na tsy manao an'izany aza izy ireo, raha vao tsy mifanojo amin'ny tenin'ny mpikambana ny teniny dia lasa ohatra ny [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Content/w%E9w%E9-158.gif[/IMG] mitongilana ilay adihevitra.

Jery ambony ny ahy fa ny an'i Salmo tonga dia notsoriny.

kally> ewa, baolina no lalaovina fa mba hampisy ny fair play. Raha haka ohatra ny myspace aho, tsy fantatra ange hoe iza avy no admin ao eh. Ra-Tom nefa mety mandray anjara ao ihany fa tsy kobo hoe iza no ps-ny.

Tsy haiko aloha fa mba hevitra ny ahy.
31. sitlo ( 26/10/2007 16:27)
non, tsy ilay valitenin'i salmo eto fa ilay tary amin'ny eritreritra mandalo an :-D
32. mirabela ( 26/10/2007 17:12)
tsy mety lany lé sitlo, efa lava b zay vita zay:-P
za klou zé tiko eo iany no atoko ato e! refa ts miteny ratsy sns, d ok, ny olona mamorona groupe sns, ts kôpy za, donk tsis oulana.:wink:
33. sitlo ( 26/10/2007 17:35)
[quote=hery]
:-)
34. sitlo ( 26/10/2007 18:01)
lany ny ranomainty

ari.malala> izaho tsy manda ny contre-exemple iray na roa na folo, fa mba diniho nge ny source ny olana tato ho ato.

lo tess aino mirabela> Raha lava loatra mahakamo, dia aleofaranana. Tsy hoe avona
35. simplex ( 26/10/2007 18:24)

** lavalava fa relax tsara aloha vao mamaky an

Voalohany indrindra aloha ho antsika mpamaky rehetra, indrindra ny admin, dia tokony ho tsapantsika fa matoa i sitlo miteny izao dia misy zavatra tsapany fa tsy mety ao ary tokony harenina. Tsy hoe mikihana ny admin izy, le hoe manangan'ady no tiako tenenina, fa kosa milaza hoe izao no hitako fa lesoka.

=> aza dia tonga dia defensive be.

Faharoa, hoan'i sitlo, maro ny hitovizantsika hevitra, ny ankamaroan'ny zavatra nolazain'la moa dia manafy ny efa mipetraka, na ihany koa efa voazavan'ny admin tsara ny momba izany...
Nde hataoko hoe, somary decu ihany nga ela @ ankapobeny ary izay no antony. Tsara izany satria ny filazana ny tsy mety dia efa dingana lehibe ho @ fitadiavana vahaolana.
Ny zavatra, haiko fa hain'la, fa tiako haverina fotsiny dia hoe, forum ity. Aza mandray zavatra ho personnel be loatra. Na @ fiainana andavan'andro aza nge tsy voatery hanaraka ny hetahetam-pontsika foana no mitranga e. "Take it easy" ;-)
Hampiova in firy @ fiainanao tokoa moa izay olona mifamaly aminao @ forum?? na tsy impartial aza ny admin, za tsy milaza hoe zay no izy an, d manin anefa e. Ekeko fa somary tsy mitovy ihany ny toerana misy sy ny influence an'ny namana mpandray anjara sy ny admin fa "so be it", ampiadio ny hevitra. Ra manao teny manindry ny admin, manapitraotra ny ambo-po, diniho fotsiny hoe hitondra hoaiza na ny admin na ianao (mitady hanao zavatra, tsy mety hitanao nataony, aminy) anefa izany? samia mahatsapa tena fotsiny e.

ps: mikasika ilay Cuba, kopy ah ;-) saingy hoe diso cible toi fa mety tsy mamaky an'ity ry zareo :roll::°):)

Resaka admin:
Ity no tena hevitra ngoza indrindra nampitain'i sitlo araka ny fahitako azy:
sitlo:
Tsy admin aho fa mba milaza ny hevitro. Raha mangidy aloavy.
Ny admin amiko dia tsy tokony handray anjara mihitsy. Raha tia handray anjara izy dia tokony mampiasa ps hafa. Matetika contact fotsiny no ahitana ny admin. Dia rehefa misy fepetra noraisiny dia tsy misy fanazavana eo imason'olona fa mandefa ref momba ny lalAna mifehy fotsiny dia izay... Ny admin amiko dia manao izay hampadeha ny kojakoja, sy arofanina amin'ireo mihoa-pefy. Fa tsy tokony hanome morale ny mpikamana. Tsy tolony hanana position mihitsy izy amin'ny olona iray. (a tout moment). Izay no lazaiko hoe tokony tsy ho fantatra akory ny ps-ny... Ny admin amiko tokony ho tahaka ny robot. Mijery fotsiny hoe, ireto no lalAna, execution.
Raha sosokevitra momba ny lalAna dia ilaina tokoa ny fandraisany anjara.
Mpandrindra ny forum izy ireo, fa tsy mpandrindra ny mpikambana. Azavaiko misimisy. Tsy mandrindra ny fomba fitenin'ny olona. Tsy mandrindra ny fomba fisainany. Tsy mandrindra ny eritreritry ny olona.
Ka na tsy manao an'izany aza izy ireo, raha vao tsy mifanojo amin'ny tenin'ny mpikambana ny teniny dia lasa ohatra ny mitongilana ilay adihevitra.
za mahita fa mitombina io, @ lafiny 1, satria manome ny "image"-n'ilay site ihany koa ny admin en qlq sorte.
Izany hoe, ra vao mateti-pitranga ilay intervention "miandany" @ hevitra iray ataon'ny admin, dia mivarina hoe ny mpankato izay hevitra izay ihany no tonga soa @ ilay site, eny fa na milaza aza ny admin hoe tsy izany fa site hoan'ny rehetra.
Ekena fa tsy site personelle le izy kanefa meteza @ toeran'ny olona tsotra (tsy admin) fa tahaka ny hoe vahiny ihany izy miditra ao ilay site. Izany hoe tsy hi-impose be @ izay heviny fa hi-observe izay tendance no hataony voalohany. Normale doly izany, ary nahoana tokoa moa no tsy hanana zo hanana ny heviny ny admin? kanefa araka ilay lazaiko hoe misy "effet multiplicateur" ilay izy, tsy mitovy ny influence an'ny namana tsotra (vaovao) sy ilay admin izay fanta-poko fantam-pirenena. D hoy ilay namana hoe, tsy afaka miady hevitra izany fa izay tsy mitovy hevitra amin'io dia mangina fotsiny no mety. En fin de compte lasa site perso ihany ilay izy, eo @ fironana. Aza raisina mot a mot an :)

Ralay:
Marina fa manana andraikitra ny admin nefa amiko dia namana toy ny namana rehetra ihany izy ireo eto ka afaka maneho ny heviny mazava fa tsy misy hidiran'ny maha admin azy @ famaliana hevitra.
Afaka tsy mitovy hevitra aminao na @ olonkafa koa ny admin satria adihevitra no atao ary afaka tsy mamaly koa anefa na dia admin ao @ilay dinika aza fa manaramaso fotsiny.
Na hanana ps manokana @ maha mpidinika azy aza izy dia ho fantatra foana ka amiko tsy dia ilaina ny fananany ps hafa.


hery:
4. Ny Admin? Malalaka ny admin. Mpiserasera tahaka antsika ihany izy ireny 2 na 3 taona lasa tany. Hita hoe mavitrika sy vonona hiara-miasa dia nantsoina hanampy. I sitlo zao mety ho hiangaviana any aoriana any. Noho izany tsy voatery hampiasa ps hafa izy vao hiserasera. Ary tsy voatery haka ps hafa hoentiny ho admin. Manana zo hirona izy raha misy hevitra tiany havoaka... Ny ataony dia ny mampifanaraka ny takelaka amin'ny fitsipika fa tsy amin'ny heviny. Ilazao izy raha tsy izany no ataony (na izaho aza).

marina ary tsy azo kihanina kanefa tadidio ihany koa fa ny olona mahita ny statut "admin" anao alohan'ny ahitany hoe mpinamana tsotra mamaly dinika anao izy. Ary tadidio fa hevitra no ampiadiana fa tsy ps. Izay mintsy ilay votoatin'ilay resak'lery hoe tsy tokony ny ps no hitondrana ny adihevitra. Ka na ps hafa aza no eo moa tsy ianao ihany va no mamaly sy manoratra eo? :P Tsy tokony entina hanaovana poids eo ambony ilay ps zany e :)

Ny tena marina nge na ny admin aza tsy manao expres hoe hanome valin-teny hampa-sadaikatra ny olona tsy mitovy firehin-kevitra aminy ny namana tsotra izy e. Izy mahita hoe mety ny ataony kanefa ireo olona maka recul ety ivelany no mahita fa mety somary nivilana kely ilay izy. Izay no mety mahatsara ilay hoe mampiasa ps hafa izy rehefa hanao namana tsotra. Sady @ zay kou, lasa mieritreritra tsara izy rehefa ampiasa ilay ps admin, mahatsapa hoe aty amiko doly ny mason'ny ol @ zao (hery: cf concept of "sudo")

Zany hoe misy fahamarinana ihany koa ilay hoe tsy vahaolana ilay manao ps vaovao fa ho fantatra ihany oe iza io.
Valiteny hoan'i sitlo,
yeah, tsy haiko ra mbola tsy tsapan'la fa vevavy ny ankamaroan'ny mpidinika ary dia miparitaka tahak'izany ihany koa ny zava-mitranga/vaovao. question de tps fotsiny io fa vao misy mahafantatra dia ho fanta-poko fanta-pirenena e ;-)

K zao

soso-kevitra:
ra tena tsy mety @ admin ilay milaza ny heviny tsy mampiasa ilay ps-admin-ny. Tsy mety nga ra asiana options hoan'ny admin manisy an'ilay etiquette kely hoe admin: toy ilay any @ hafatra ireny rehefa mampiasa ny attribution maha admin azy ny admin. Ary tsy asiana ilay etiquette kely rehefa hoe ilay admin en tant q mpidinika tsotra no mamaly hevitra. Tsy mampiova zavatra firy zay a priori, kanefa kosa azo ampahafantarina ny namana rehetra hoe rehefa misy an'iny admin iny dia ilay admin izay no miteny, rehefa tsisy dia ilay namana tsotra izay. Mety hampihena ny influence @ ilay hoe siten'ny zao sy zao, mpanao zanaky kala hafa... izay. Ary ihany koa manome signe an'ilay namana mety hamaly azy hoe tsy koi nge na mifamaly @ i admin aza rehefa tsy misy an'ilay etiquette e. Cela va de soi hoe mila manaraka fitsipika alou fa tonga voafafa avy hatrany ra vao manao fika tsy milay na dia hoe mifamaly @ "tsy admin" aza e. Manao ny asa maha admin azy izy @ zay, toy ny hoe misy namana tsotra mampilaza azy momba ny tsy fanarahana fitsipika eny retra eny.

** tsy kihana io, tsy mi-attaky ny admin io fa hevitra misy ho tsakotsakoina


36. Ralay ( 26/10/2007 18:59)
simplex: Tsy ratsy aloha ilay sosokevitr'ise io fa eo @ lafiny ara-teknika no tsy haiko raha mety ho vita mora na tsia.
37. cutie ( 26/10/2007 19:04)
Mpandefa : sitlo [ Valio ] 26-10-2007 16:04:32
Lohateny : Re : ny fahitako ny serasera


Mr bean kely aho teo. Ilay nanao korsa dia tonga voalohany. Dia hanokatra amin'ilay lakile amn'izay dia ndray.

rat race =))=))=))=))=))=))
38. simplex ( 26/10/2007 19:23)

Ralay,
sefo no mahita azy tsara :)
ilay options hisafidianana "ps" sy "tsy lazaina" io ambony io fotsiny no ampiana 1 dia efa ao :P
39. fijo ( 26/10/2007 20:14)
stilo,fanamarihana kely.

nilaza i stilo hoe raha mamely katolika dia tsy mitovy hevitra amin'i hery ka tsy hazoto hitafa.
za no ohatra akaiky.

izahay sy ry hery taloha efa mpiserasera be tao amin'ny finoana ary za dia efa mpilaza izay tsapako tokoa momba ny katolika,na tsara io na ratsy.fa tsy nahatsapa hoe navahana na nankahalana na ahoana.
raha toa kosa hoe hanenjika katolika fotsiny,izay misy manao tokoa ao,mety ahasorena,nefa aza dia mbola ao tsara ry zalahy ,ary mbola mafana tsara ny tarogna ao
40. soanja ( 27/10/2007 20:56)
sitlo:

faharoa: momba ny admin

Tsy admin aho fa mba milaza ny hevitro. Raha mangidy aloavy.
Ny admin amiko dia tsy tokony handray anjara mihitsy. Raha tia handray anjara izy dia tokony mampiasa ps hafa. Matetika contact fotsiny no ahitana ny admin. Dia rehefa misy fepetra noraisiny dia tsy misy fanazavana eo imason'olona fa mandefa ref momba ny lalAna mifehy fotsiny dia izay.
Ny eto anefa dia hitako somary mirona ireo admin sasany. Andramo kianina be ohatra ange ny fivavahana katolika eh. Tonga dia tsy mitovy hevitra amin'i hery ianao amin'izay, dia lasa ohatra ny tsy mazoto intsony hitafa satria i hery no admin. Eo koa ireo admin hafa. Tsaroako aho ohatra ilay tsy nitovy hevitra tamin'ny admin tao amin'ny resa-behivavy momba ny vehivavy tsy manambady dia nanaovana sariteny ny ps-ko.
Ny admin amiko dia manao izay hampadeha ny kojakoja, sy arofanina amin'ireo mihoa-pefy. Fa tsy tokony hanome morale ny mpikamana. Tsy tolony hanana position mihitsy izy amin'ny olona iray. (a tout moment). Izay no lazaiko hoe tokony tsy ho fantatra akory ny ps-ny.

pause ndray



Eto aho dia manohana ny hevitr'i Sitlo satria rehefa dinihina mantsy dia miankina amin'ny tsirairay na psikolojika-ny no ampalalaka ny sain'ny tsirairay amin'ny famaliana na tsia ny hevitry ny Admin.
Amiko aloha tsy manana izany olana izany aho fa ny hafa tokoa mety hanana.

Ny tsara eritreretiko hoe mety anefa dia tsy ny hoe ny Admin tsy tokony hamaly fa hoe ny Admin mihitsy no tsy tokony ho fantatra anarana.
Hazavaiko ny hevitro,
Raha toa ka fantatro hoe iza avy ny Admin:
- dia mety hisy ny endrika fisolelahana na fanohanana na dia hita fa tsy mitombina ny zavatra ataon'ny Admin ohatra.
- Ny fahatorana
- Ny fisalasalana sns
- Ary ny fitiavana te halala hoe nahoana ny namana iray lasa Admin ary nahoana ny iray no tsy lasa. Zany hoe raha tena Demokratika ny resaka moa fa fantatro fa tsy karamaintsika na mandoa vola akory isika eto hoe tokony hapetraka mazava tsara ny antony hahaAdmin ny olona/ namana iray.

Fa raha tsy misy kosa ny fahaizana ny anaran'olona hoe Admin dia mety tsy hipetraka ireo. Satria izay samy izy any mahalala hoe iza no Admin dia ny mifandray aminao dia araka ilay resahin'i Sitlo io hoe "Admin". Io anefa dia mitaky hoe toerana iray no ifaharan'ny mailn'ny mpitaraina na mpanontany zavatra tsy hay na zavatra hafa mifandraika amin'ny asan'i Admin. Dia asa ry zareo no miaramiasa mandamina an'izany any. Mitaky commitment tokoa io nefa mitondra fandaminan-tsaina koa eo amin'ny samy mpisera.

Mbola hitohy,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0816