Andriana reraka sy lohan'Andevo. Inona no tsy hitoviany?

1. Jeankely ( 26/10/2007 02:42)
Eo amin'ny sehatra iraisampirenena no hitondrako ny resaka fa tsy i Madagasikara irery. Ny firenena rehetra taloha dia samy nandalo ny fotoanan'ny Andriamanjaka ary misy aza firenena maro mbola manohy izany hatramin'izao. Raha mandray ny zava-bitan'ny Mpanjaka Mongole sy ny Mpitari-tafika Mongole dia hanovozana fahalalana ny fomba nataony nifehezana sy nadreseny firenena maro. Raha ny an'i Madagasikara dia mipetraka sy hianarana ve ny fomba sy fisainan'Andriana teo aloha? Lasa vazaha ary lasa manaraka ny fiainambazaha eo amin'ny lafiny rehetra ve sa mitana ny maha-izy azy ny taranak'Andriana? Raha nianatra sy lasa vazaha dia mazava fa tsy naho,by izany ny fomba fisainana sy fitantanana (Management) ka nosoloana ny an'ny vazaha. Ny lohan'Andevo indray na ny Sinoa tsy misy mainty ireo aza dia milaza hoe iretsy taranak'olona tsy mivoatra sy ambany. Samy vizana sa ahoana ny Andriana reraka sy lohan'Andevo?
2. Herimiafina ( 26/10/2007 03:11)
Jeankely:
Raha ny an'i Madagasikara dia mipetraka sy hianarana ve ny fomba sy fisainan'Andriana teo aloha? Lasa vazaha ary lasa manaraka ny fiainambazaha eo amin'ny lafiny rehetra ve sa mitana ny maha-izy azy ny taranak'Andriana? Raha nianatra sy lasa vazaha dia mazava fa tsy nahomby izany ny fomba fisainana sy fitantanana (Management) ka nosoloana ny an'ny vazaha.

Miezaka mitana ny maha-izy azy izy na dia noezahina nopotehina foana aza izany hatramin'ny 1895. Noezahina nopotehina sy noesorina tanteraka tao antsain'ireo taranaka, ho fiarovana sy fitandrovana ny firaisampirenena teo ambany fifehezana colonialy. :@
3. Jeankely ( 26/10/2007 04:34)
Inona no ankanjo anaovanao rehefa mihaingo? Ankanjon'Andriana taloha sa ny fitafy mihaja ny vazaha? Fa naninona ny sinoa ny Indonesian, ny Malaysian, ny Iraninan, ny Palestinian sy ny sisa manana ny fitafy mampiavaka azy ary maneho izany ny Mpanjakany sy ny Andrianiny nefa aiza ny anao izao? Misy sa tsia? Iza no reraka sy voatsindry mafy ary very isiaka Malagasy rehetra sa ny vitsy?
4. Herimiafina ( 26/10/2007 04:42)
Lafo be retsy ilay akanjo fahiny moa ilana vola koa ny fanarahana atsakany sy andavany ilay fomba, izay angamba no mety tsy dia hanarahana azy intsony izao.
raha misy ozinina textila gasy dia mety ho tafavoaka ihany, toy ny an'ny paki sy ny karana, fa na dia izany aza ny andry zareo tena zandiana be sy safolanelina loatra ilay akanjo ka tsy mahasarika, hany ka na ny tanorany aza lasa miakanjo boyz bandy daholo ihany. :-D
5. Jeankely ( 26/10/2007 10:21)
Hafa ny andavanandro fa rehefa misy fankalazana na zavatra manakaja aminy dia tsy maintsy mitafy @'ny fombany ireo fa tsy ny an'ny vazaha mihintsy. Raha ny fijery Malagasy dia tena ratsy sy sahala ny soga tokoa ny sasany fa tsy ahoany izany. Ny fijery Malagasy efa voahova tanteraka ary tsy misy tia hamerina azy akory fa milaza fotsiny hoe manana ny anao ve ianao dia tapitra eo iny rehefa voavaly. Samy manompo vazaha nefa ny sasany milaza ho manana ny mahaizy azy. Ny fijery vazaha no maha Malagasy azy angamba=))=))=))
6. Mael ( 26/10/2007 12:32)
Or'i Jeankely a!, fa ianareo ve no ilay Andriana reraka sa ilay mpanao lohan'Andevo é?, tokony ho azavainareo tsara hoe inona no tianareo atongavana amin'ilay foto-dresaka satria toa lasa any amin'ny fomba fitafy sns .. le izy. Ny marina nefa dia hoe: mbola mitana izay sata maha Andriana izay ve ireo olona taranak'Andriana teo aloha sa tsia, ary ireo olona manao lohan'Andevo araky ny filazanao azy ahoana ny fomba amaritanao izany?! Ireo aloha no fanontaniana tokony ho adiadianao vao miteniteny foana ianao ! marina é!!.

Sotra!.
7. tess ( 26/10/2007 14:21)
fa angah mbola misy foana ny resaka andriana sy andevo amizao andro efa miratra be zao e!:roll:
8. lamie ( 26/10/2007 15:15)
JK:inona marina moa ny tena tianao aseho @ ity dinika ity?izahay taranak'Andriana,mipetraka sy miasa aty andafy,tsy mbola nanaraka ny fomba vazaha, ny taranaka rehetra dia manaavo ny fomba malagasy hatrany, tsy ny fomba fiakanjona no midika fa andriana na andevo ianao akory,mafana ny andro: mitafy manifinify , mangatsiaka: tsy maintsy miaro ny tenanao ianao sao marary,ka tsy mitombona ny hevitry JK fa mitady hanabaty ny malagasy,mbola misy tokoa ny Andriana sy ny andevo,ny fanahy no maha olona nefa ny fahaizana tsy maha-andriana na maha-andevo,ny fombafomba dia mbola misy tokoa ary voatazona hatramin'izao,any dago no resahina,@ fanambadiana ohatra,raha mandranto fianarana aty andafy tsy midika hoe manadino ny fomba malagasy,ahirato ny maso sy ny saina e!
9. Jeankely ( 27/10/2007 02:42)
Ny hivoahan'ireo manana solon'anarana nanazava tasy @'ny lohan'Andevo no tiako hiaviana voalohany. Izaho Malagasy ary tsy taranak'Andriana fa taranak'Andevo =))=)). Tsy ianao no niteny fa izaho ka ataoko fa tsy ianao indray angamba no ho tezitra. Ny tiako hatongavana faharoa dia Ny maha-Malagasy sy ny fihetsiky ny Malagasy rehefa tafavoaka ivelany. Anisan'izany ny tenako manoratra satria tsy any antanidrazana koa aho. Ny tsapako dia mianatra ny rehetra ny Malagasy ary tsy dia hitako firy ny fiparotahan'ny fomba Malagasy eo amin'ny lafiny rehetra ka ny resaka fitafy no nalaiko ohatra. Ohatra ny kavin'orona na lehilahy mikavina dia fantatrao hoe avy aiza no tena misy izany nefa narahan'ny European avy eo ahitan'ny Mpanaradia endrika tsara. Ny soratroratra @ vatana tsy ny European mihintsy no namorona izany fa rehefa manao ry zareo dia avy koa isiaka mpanaradia. Raha eo @ fomba fitondrana firenena koa dia anjaranao no manohy azy fa ny ataon'ny avy aiza no hianarana sy ampiharina. Raha atambatro izany dia hoe mpanaradia ary tsy misy tena maha-izy azy ny Malagasy ve?
10. Herimiafina ( 27/10/2007 04:49)
Ka atao ahoana retsy fa tsy misy prof de fomba malagasy any ampianarana, Trimofoloalina no nampianarina anay dia ireny Andavakombarika ireny dia ireny hoe Bina ireny kou fa tsy nisy nampianatra mihintsy hoe manaova malabary rehefa andeha hianatra ohatra, hihihihi:-D
Fa zah kosa aloha ry jeankely tsy mba nikavin'ila fa andraso eom koa i paoly raha hiverina hanao salaka aho, na hitandefona, efa voararan'ny làlana ny fanaovana izany izao. =))
11. Jeankely ( 27/10/2007 07:19)
Izaho anie tsy miteny hoe miverena misalaka na hoe ratsy ny fomba vazaha fa ny tiako havoitra dia hoe isiaka dia mpanaradia ary zavatra ataon'ny olona no mety amintsika fa ny antsiaka tsy nisy Malaza sahala ireo voasoratra ireo arahin'ny olona. Izay no nilazako hoe samy tonga saina satria tsy manana "influence" fa manaraka ny an'olona. Mipetraka manokana izany hoe tsisy mivanaingana satria mahamenatra. Izaho izao anisany voa tany India nilazaindreo hoe alefa samy manao ny fitafiny. Fanina aho satria ny hitako dia tsy tena miavaka hoe Malagasy ireo anaovana isan'andro. Ny rehetra anefa samy maneho ny azy tsisy olana. Mipoitra ny Bouthan, ny Malay, , Sinoa, ny Indian, ny Iran, ny Eritrea, ny Saoudi Arabia, sns ary ny Afrikanina nanana fa rehefa nipoitra aho dia nangasiasy tamin'izay andro izay.
12. mbaliana ( 27/10/2007 18:53)
ny fomba fitafy aloha tsy misy ny maha andriana sy maha andevo e... raha fomba fitafy gasy dia tsarovy fa au moins misy tribus 18 any dago dia samy manana ny fomba fitafiny: ny any amorontsiraka somary manifinify ny akanjo na salovana lambahoany dia efa basy, ny afovoantany somary salobolobona zany ohatra ny an'ny betsileo, ny malabary sy ny pataloha ecc... dia ianao no misafidy hoe iza no tokony arahina na hoe anaraka ny fomban'ny faritra niavianao ianao... na ireo tany afrika koa aza anie samy manana ny fombany samihafa ...
13. lamie ( 27/10/2007 19:39)
maro mihitsy isika malagasy aty andafy nefa tsy misy aloha hitako nitafy ny avy @ fiaviany e!ny tanora moa dia manaraka ny toetr'andro araky ny filaza azy,tsy misy maha diso anefa ireo amiko satria ny fanahy mitoetra,mino an'izany aho,avela izany ny fomba fitafy,ao antokatrano anefa misy tokoa ny manao lambahoany,amin'ny maha-olona indray dia izahay(tsy fiamboana ty)manafatra ny taranaka tsy hanao ratsy ary tsy hanaovan-dratsy,tsy manafina aho fa ny fiavianay avy any avaradrano,mitandrina tokoa @ fiainana, izahay ihany dia mahita ny valiny,ka tsy azoko ny fieritreretana hoe misy ny andriana reraka sy ny lohan'andevo,tsy misy reraka ary tsy misy manao lohan'ny tsy fantatra fa samy malagasy ary olombelona daholo.tsy tezitra aho ry zandry fa variana e!
14. Jeankely ( 28/10/2007 07:02)
Tsy misy akanao tezitra izany fa ny reraka no tsy maharaka dia ny hatezerana no entina miady hevitra=))=))=))
15. lamie ( 28/10/2007 07:47)
tsy misy fahatezerana ry JK fa fanazavana no omena!tsy hiadian-kevitra koa io fahatezerana io fa mahafohy andro iainana ka!
16. tess ( 28/10/2007 08:14)
lamie:

mbola misy tokoa ny Andriana sy ny andevo,ny fanahy no maha olona nefa ny fahaizana tsy maha-andriana na maha-andevo,ny fombafomba dia mbola misy tokoa ary voatazona hatramin'izao,any dago no resahina,@ fanambadiana ohatra,



hay va re eh! .......tsy hitako taratra mantsy izany any fa mba afaka manome ohatra ve lamie ahafantarana hoe toa iza no andevo toa iza ny andriana....


17. Jeankely ( 29/10/2007 06:46)
Raha araka ny tena izy dia taranak'Andriana no misy fa tsy Andriana intsony satria tsy mpisy Mpanjaka tsisy vahoaka izany. Ny Andevo koa tsy misy intsony satria tsy Andriana no hiasany fa Mpampiasa. Ny firazanana kosa aloha dia tsy azo atao ny mamorona fa tena misy ny taranak'izay razam-beny. Raha mijery ny tany mbola misy Mpanjaka dia tsy azon'iza n'iza kitihana ny Mpanjaka. Ny Praiministra no azo anaovana resaka fa ny Mpanjaka avy dia maty raha mitapy. Ny hitako amin'ny toerana misy ahy na vahiny avy aiza na avy aiza tsy afaka mikitikitika Mpanjaka izany. Ny an'i Madagasikara kosa tsy misy fanavahana na "influence" manokana ho an'ny Andriana tsisy fanjakana izany angamba. Nampiditra ny hoe RERAKA aho satria anarana sisa io. Azafady ho an'izay mbola manana Andevo e=))=))=))
18. lamie ( 29/10/2007 07:03)
ny andevo ange ry JK ka anarana nomena ireo mpanompo taloha e,taty aoriana nifanambady ny fotsy sy mainty dia nanome taranaka ireo, ny andriana dia taranaka mpanjaka, marina fa tsy misy intsony ireo mpanjaka ao andrenivohotra, any anidratany mbola misy izany,fa ny taranaka mbola misy dia misy tokoa,tsy midika fahamboniana anefa izany fa ny fomba no mbola mitoetra,t@ andronay nisy mihitsy ny hoe tsy mampakatra andevo ny andriana, loza be io,@ izao fotoana izao dia misy ireo andriana mivady na @ andevo na @ tanindrana, tsy misy olana intsony izany,ny avy any avaratra anefa no mbola mitazona io fomba io , mbola betsaka ny ray amandreny moa ka sarontiny ry zareo @ io,mandà kosa aho @ teny hoe "reraka" .
19. Jeankely ( 29/10/2007 07:54)
Oh ry lamie a! io resaka fotsy sy mainty io dia niteraka resaka lavabe tao aloha tao ka aza afangaro @'ny resaka Andriana sy Andevo io. Andriana daholo ve ireo mpivarotra charbon fotsibe ireo aminao e? Ary anao ihany no milaza hoe mbola misy izany any anindran-tany koa fotsy angaha ny Ampanjaka any sa malama volo? Tsy dia izany moa no tiako resahina ary tsy Antananarivo irery na Madagasikara no resahiko manokana astria tsy i Madagasikara ihany no nisy izany rafitra izany. Misy marary fo mantsy dia terena ho resaka Andriana rerak'i Madagasikara foana ilay resaka.
20. lamie ( 29/10/2007 09:36)
dia aleo marary fo oe izay tsy mahazaka ny dinika fa tsy misy maha-ambony na maha-ambany ny andriana sy ny andevo fa samy olombelona ary samy malagasy,izahay aloha mbola mitazona ny fanambadiana samy andriana, notezaina t@ izany ny tena ka tsy dia hivalampatra @ io aho,ny resaka fotsy sy mainty indray dia diso izay manisy olana @ izany,samy manaja ny fomban'ny faritra tsirairay dia mifankahazo ny malagasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3782