Andriana reraka sy lohan'Andevo. Inona no tsy hitoviany?

21. xxx ( 29/10/2007 09:50)
lamie: dia tena tsy maintsy hoe samy andrina zany no mifampivady na hatramin'izao aza???
tsy izany fa profo fotsiny an! ny zandriko faravavy, ny vadiny avy any ambohimalaza, izay milaza sy ho miambo ho taran'ankandriana kanefa izahay dia olona tsotra tsy andrina dia ahoana izany?????
raha resaka fiodirana iindray dia tsy ho vaotery fotsy endrika sy malama volo daholo ny lazaina fa taran'akandriana....
ary tsy voatery tsy haka vady ny hafa fa ny anabavin'io razaodahy andriana io aza manambady vazaha any ivelany any.....ka amiko tsy mitazona tsony ny fomba sy ny foto-pisainanan'ny andriana taloha.....
22. lamie ( 29/10/2007 12:05)
mazava ho azy fa tsy nanadino ny fomba izy ireny,safidy koa io,izahay aloha dia mbola mitazona ny fomba rehetra,any aoriana any mety hisy ny handingana dia tsara tsodrano ho azy ireo,marina ny anao fa misy andriana mainty fiodirana, fa izahay aloha momba ny foto-pisainan'ny andriana hatrizao,tsy manambady raha tsy samy andriana, manafatra ny taranako aho satria izany no nitezana ahy,ny avy any ambohimalaza tsy dia fantatro loatra oviana no nisy nandingana ny fomba nefa ireo tena sarotiny mihitsy taloha,fa izany rehetra izany tsy midika fahamboniana sy fahambaniana akory,samy malagasy ary samy olombelona.
23. Jeankely ( 30/10/2007 09:53)
Terenareo ho resaka Andriana sy Andevo ao Madagasikara foana ilay izy. Ny zavatra tiako hatongavana dia ny fampioharana ny samy toerana misy ny milaza ho andriana na ara-tantara na ara-pomba. Amiko tsy misy olana mihintsy rehefa tsy manambady tsy andriana izy nefa mbola manamporofo ihany fa rehefa vazaha izany dia ambony nohon'ny Andriana Malagasy matoa sady manaraka ny revy vazaha no manaiky vadimbazaha izy. Ny vazaha no no nanaisotra ny fahefany ka dia mety ho rariny raha mandohalika sy manaiky ny vazaha. Ny amin'ny toerana misy ahy averiko ihany fa tsy misy vazaha mahazo taranak'ireo izany. Ny olona taranaky ny vizana no azon'ny vazaha satria mahatsapa fa mahasongona ny hafa rehefa vadimbazaha. Tsy mitovy mihintsy ny fomba fijery. Tsy Andriana reraka na Andriana tsy mitondra, na Andriana anarana moa ireo fa mbola tena ao anatin'ny Fahefany ka samy hafa tokoa. Fa iza moa no voadona mafy ny Andevo tafakatra sa ny Andriana reraka?=))=))=))=))
24. lamie ( 31/10/2007 18:53)
mampalahelo ty JK fa tena voatsindrin'ny vazaha!tsy mahazaka vhv gasy dia mitaraina mitsombadika ery,ary ianao no tena andevo reraka fa amboary kely ny fisainana e!maninona no tsy afaka miditra ao anaty rovan'Ambohimanga raha tsy andriana ry JK?ary ny rova ao andrenivohitra izany ny toa anao no namboatra azy?tsy tezitra aminao aho sanatria fa malahelo anao a!mazotoa razandry a!:-*:-*:-*
25. mbaliana ( 31/10/2007 20:33)
ary i JK raha hanao io resaka andriana andevo io...nefa tsy hay hoe inn no tena tianao lazaina.. ohatry ny provocation fotsiny... ianao gasy no manontany amin'ny gasy hafa .. tsy mahagaga raha ny zavamisy teto Madagasikara no tenenin'ny olona...

rehefa vazaha izany dia ambony nohon'ny Andriana Malagasy


ambony amin'ny inn?... amin'izao fotoana izao tsy miteny intsony ny hoe andriana sa andevo na hoe vazaha sa gasy fa ny tena manjaka amin'izao dia hoe ny vola no maha rangahy...ny vola no hozatry ny fiainana...
26. mbaliana ( 31/10/2007 20:48)
Ny vazaha no no nanaisotra ny fahefany ka dia mety ho rariny raha mandohalika sy manaiky ny vazaha.
ny taranaky ny andriana ve no tianao lazaina? tara be zany mentalité... misy olona 2 mifanaraka rehefa mitovy ny tadidokanga... Aminao zany raha vazaha no iarahana dia midika hoe mandohalika amin'ny vazaha... aza manao toetsaina lomorona be fa efa mivoatra daholo zao ny olona...

Ny amin'ny toerana misy ahy averiko ihany fa tsy misy vazaha mahazo taranak'ireo izany.
inn no tianao lazaina amin'io ??

Tsy Andriana reraka na Andriana tsy mitondra, na Andriana anarana moa ireo fa mbola tena ao anatin'ny Fahefany ka samy hafa tokoa.


te hanompa ny taranaka andriana ve ianao amin'io sa inn no tianao lazaina?
27. Jeankely ( 02/11/2007 03:55)
Inona no ompa @'izany sa rehefa miteny ny zava-misy eran'izao tontolo izao dia ompa. Tsy izany ve no tia hanakana ny filazana ny zava-misy. Mbola eo ampelatanany ny fahefana ho an'ireo tany mbola misy Andriamanjaka ary tsy misy afaka mikasika na ravin-taratasy iray aminy aza. Ny Praiministra hoy aho no azo resahina sy anovana resabe. Ary ny resaka Andriana Malagasy ve sahala izany? Aiza no ompa?
28. mbaliana ( 02/11/2007 19:43)
za anga niteny hoe ompa zany? fa inn no tianao lazaina wa... te hanompa an'le andriana tsy mitondra fahefana intsony fa mitondra anarana fotsiny ve...sa te handatsa sa inn... mbola nampianao koa mantsy ilay teninao hoe iza no voadona mafy ecc...na tsy niteny mazava aza ange ianao...hita taratra fa andriana avy any dago no tianao resahina e...
29. xxx ( 02/11/2007 20:07)
jk dia olona voadona mafy, manodina resaka sy be wawawawawawawawa an!
30. Jeankely ( 06/11/2007 09:51)
Voadona avy ao ambony sa nitsivalana sa avy ao ambany hono? Ny fantatro dia ny Andriamanjaka fa tsy haiko ny andria-tsisy fanjakana na andria-reraka. Ny zanak'Andriana hitako @ toerako hafa fa tsy sahla ilay noazavaina ireo ambony ireo. Manaiky aho fa voadona ary tsisy ny Andria tsisy fahefana.
31. bilakarenjy ( 08/11/2007 14:21)
Samy manana ny fombany daholo ny andriana eran\'izao tontolo izao ,fa tsy misy mitovy .Ary samy manana ny sata mitondra sy mifehy azy avy .
Tsy midika akory hoe : ny andriana de ho ambony sy mpibaiko ny andevo foana .Tsy izay mihitsy no niaingan\'ny andriana sy ny andevo raha ny teto dago , fa toy ireny mpirahalahy mian\'ala ireny izy roa ireo ,ny iray tokiny ary ny iray atokisany .
Mifanavotra sy mifanampy ary mifamonjy ny andriana sy ny andevo ary izany no nampisy sy nahamafy orina ny firaisankina sy ny fihavanana teo @ malagasy taloha .
Mahamenatra zany hoe : andriana tsy mahavita zavatra sy tsy manao zavatra izany .Ny andevo tsy hoe tsy manao fa manampy sy manovana ary manosika ho mafy orina izay vita ary afaka mitsikera ny efa vita aza .
Fa nony tsikaritr\'ireo mpanjanaka izany fifampitondrana teo @ andriana sy andevo izany de nodrokidrokiany sy nampanantenainy vola sy fahefana ary voninahitra ireo andriana azony nahodina t@ izany de lasa niova be ny fandehan\'ny tantaran\'andriana sy andevo nony taty aoriana .De io izy lasa mampalahelo be io fa de tsy niova hiverina t@ voalohany intsony .Raha ny eto dago no lazaiko de zay no fandehany ,fa ny ankoatr\'izay tsy haiko ,fa za gasy .
32. Jeankely ( 13/11/2007 10:49)
Inona izany gasy izany? Tsy manaiky ho mpirahalahy @'Andevo ny Andriana aloha raha ny marina ary mbola averin'ny taranak'Andriana ireo ambony ireo fa tsy manambady Andevo izy. Tsy misy maharatsy izany fa mapiomehy kosa raha Andriana tsy manambady Andevo indray no BAIKON'NY ANDEVO. Dia inona izay reraka sa inona, sa aiza ny hasina sy ny anarana?
33. bilakarenjy ( 16/11/2007 07:38)
Jeankely > raha fantatrao fa malagasy ianao de voavalinao io fanontaniana napetrakao io ,fa tsy tokony ianao malagasy no hametraka io fanontaniana io .
Raha ny fahazahoako ny resakao eto mantsy de tena ratsy be izany andevo izany sy tsy manana ny maha-izy azy mihitsy .
Mampalahelo be le fisainanao ry Jeankely ary teny efa manakaiky @ tsy tokony ho izy .
Za miresaka aminao izao de andriana ray ,andriana reny .Manana namana andevo bdb mihitsy za izay manaja ahy sy hajaiko koa .
Saingy eo @ fomba sy fisehoana vao miseho ny mahaandriana ny andriana sy ny mahaandevo ny andevo saingy tsy misy maharatsy izany mihitsy .
Rehefa @ fifaliana dia misy ny fomban'andriana , de toy izany koa ny fomban'ny andevo .
De rehefa @ fahoriana koa de toy izany koa .
Fa ny andrian-dreraka kosa de ireo tsy de tena andriana loatra fa mametraka ny tenany ho andriana de faly mibaiko fotsiny nefa tsy mahavita akory .
34. Jeankely ( 16/11/2007 14:19)
Izaho tsy Andriana mety Andevo angamba=))=))=))fa tsy haiko aloha ny fisian'izany fomban'Andevo izany. Kay ve nanana fomba ny olona very zo t@'izany andro izany. Misaotra nanoro.
35. bilakarenjy ( 16/11/2007 17:45)
tsy misy milaza aminao mihitsy hoe andriana ianao na andevo ,fa ilay fisainanao no hafahafa be sady tsy mazava .
samy manana ny fombany daholo ireo saranga rehetra ary samy manana ny maha izy azy .
Ohatra anao io zao mipetraka any an-tanin'olona any de manaraka ny fomban'ny olona zay mifanerasera aminao any nefa nyu fombanao tsy azonao avela .
Izy moa no teneninao hoe very zo .f'angaha moa fantatrao hoe very zo ilay olona .Mahagaga izany .
36. Jeankely ( 19/11/2007 09:28)
Ny fantantro ary tsy azon'iza n'iza disoina dia tsy nanana ZO izany slave, esclave na andevo izany. Ianao indray no manome lesona vaovao ka dia vao hisainana. Ny Andriamanjaka hoy aho no misy ary mbola hita amin'ny tany hafa fa ny Andria-tsisy fitondrana naman'ny tsy misy satria ny tantara mipetraka fa tsy hiainana.
37. bilakarenjy ( 19/11/2007 19:27)
Ho ahy aloha de tsy afaka ny hametraka olono ho toy izany mihitsy za na dia inona aza ny nataony ,satria tsy maintsy mbola misy zavatra lehibe ho takiana @ io olona lazaina ,fa andevo very zo io indray andro any ary tena @ andro maha-ory mihitsy no hilana azy .

Ary ny Andriamanjaka de teo @ fitondrana ary na aty dago aza dia mbola misy izany fa hafa no filaza azy ,fa misy foana ny Andriana na de tsy eo @ fitondrana aza ary mbola hisy na dia efa mifangaro koa aza .Hita @ fitondran-tenany sy ny fomba fisainany eo e!.

ihaino aloha le izy de ho hitanao ry Jeankely ,fa aza tonga de manombana any ambadika any fotsiny sy miaina @ soratra hitanao etsy sy eroa e!.Film hafa mihitsy io zavatra io fa tsy vitan'ny honohono .
38. Jeankely ( 20/11/2007 10:55)
Nandalo Madagasikara aho ary gaga tokoa fa misy Lohan-tenina Tantara mandeha isan-katoandro ao amin'ny RNM hoe ANDRIANA RERAKA. Kay va re ka tantara soratan'ny mpanoratra Malagasy aza misy anio.
39. bilakarenjy ( 20/11/2007 12:48)
misy mihitsy ny andriana reraka saingy efa le aty aoriana daholo ny akamaroany ,fa tsy ilay mitondra ny tena foto-kevitry ny andriana taloha intsony ,araka ny fanazavan'ireo zoky ray aman-dreny mahalala izany tamiko an!.Enjehina be koa mantsy ny saranga andriana aty dago ,fa manome endrika hafa eo @ fiaraha-monina hono .:-@:-@:-@:-@:-@:-@:-@:-@:-w:-w:-w:-w:-w
40. Jeankely ( 21/11/2007 10:56)
Na avy aiza na avy @'ny inona tsy hitako ny hifanenjehina fa samy manao izay hisondrotany. Izay mivanaka no hitan'ny havany fa tsy ny hivoaran'ny firenena ve no zahavina e? Izay no nahatonga ilay hoe fihevitra ahoana ary izany mifanenjika izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4481