Tena kivy tanteraka aho!!!!!!!

1. niryna ( 25/10/2007 17:34)
Valo mirahavavy izahay no mpiray tampo.Nanao izay nampanaovin'ireo rahavaviko ahy aho ary taty aoriana aho nanda ka lasa tsy nifampiresaka tamiko ny rahavaviko.Marary izy izao,ary samy toerana iray ihany ny department misy anay .Afaka manome azy ny fotoana fialan-tsasatra aho saingy tsy adinoko mihitsy ny nanaovan'izy ireo ahy.Narary aho tsy mba nisy nitsabo na nanatitra sakafo ho ahy.Nisara-bady aho ,tsy mba nisy nampahery fa naneso no nataony,tsy mba nisy fotoana nanateran'izy ireo na dia tapa-mofo ho an'ny zanako akory.Manankarena,tafita daholo izy rehetra,izaho ny ho aniko anio tadiaviko.
Ny fanontaniana dia hoe hianareo koa ve mba voa toa io vehivavy io eny fa mety tsy mitovy ilay tantara fa hafa?
Tsy te-hamela fa mbola te-hamaly faty foana?
Inona no tombotsoa mety ho azo amin'izany mamaly faty izany?
Misaotra betsaka.
Niryna
répondu par niryna le 02/11/2007 05:29
2. xxx ( 25/10/2007 17:45)
na te hamaly faty aza tsy tafanao an'zany refa tojo olana ohtran'io we marary zany le oul :)
3. tywa68 ( 25/10/2007 17:47)
Gaga be aho hoe i niryna ve no tratran'io !!
Enao moa miankina @ i Tompo ka tokony hahita hery hamela andry zareo na eo aza ilay zava-bita tsy mety adino. Miresaha d teneno azy ny alahelonao, fa tsy hoafaka ny mpiray tampo nareo ary kristiana avant tout. Aza kivy fa tsy misy mendrika isika ! mivavaka ho anao :-*
4. xxx ( 25/10/2007 17:48)
aiza aza ny Fanahy Masina @zao ry niryna :)
5. lanto ( 25/10/2007 18:21)
tywa> zah koa nihevitra hoe mba namoka sizé "tena" mikasika azy niryna ;-)
6. xxx ( 25/10/2007 19:08)
niryna:

Valo mirahavavy izahay no mpiray tampo.Nanao izay nampanaovin'ireo rahavaviko ahy aho ary taty aoriana aho nanda ka lasa tsy nifampiresaka tamiko ny rahavaviko.Marary izy izao,ary samy toerana iray ihany ny department misy anay .Afaka manome azy ny fotoana fialan-tsasatra aho saingy tsy adinoko mihitsy ny nanaovan'izy ireo ahy.Narary aho tsy mba nisy nitsabo na nanatitra sakafo ho ahy.Nisara-bady aho ,tsy mba nisy nampahery fa naneso no nataony,tsy mba nisy fotoana nanateran'izy ireo na dia tapa-mofo ho an'ny zanako akory.Manankarena,tafita daholo izy rehetra,izaho ny ho aniko anio tadiaviko.
Ny fanontaniana dia hoe hianareo koa ve mba voa toa io vehivavy io eny fa mety tsy mitovy ilay tantara fa hafa?
Tsy te-hamela fa mbola te-hamaly faty foana?
Inona no tombotsoa mety ho azo amin'izany mamaly faty izany?
Misaotra betsaka.
Niryna


Ny tombotsoan'ny valy faty dia mipetraka kokoa amin'ilay olona ny fahatongavantsaina hoe tsy nety ny nataony. Raha avela amin'izao mantsy izy dia fantany ihany hoe tsy nety ny nataony saingy tsy fantany tsara ny hamafin'ny vokatry ny zavatra nataony, izao izy mahafantatra tsara.

7. ikaretsaka ( 25/10/2007 19:43)
za koa ry lanto nanatena hoe sujet "tena" mikasika azy ity..kanjo:roll:8):-/

sehatra nosedraiko tokoa io ary olona tsy nampoiziko hanao ahy izany mihitsy no nanao ahy izany! Nanao izay nampanaovin'ilay olona iray izay ahy aho ary nataoko t@ fo tokoa izany, nony ela anefa ny ela ka tsy tsapany izany dia tsy nanao loatra intsony aho, nisy fotoana mba voa mafy aho ary nila azy, dia izy farak'izay nantenaina indray no tsy nipoitra :cry: sy nanary :

Tsy haiko anefa ..fa izay aza no nahatonga saina ahy hoe rangahy tsy mpino, namako ary filaharana faramparany ary @ izay tsy nampoiziko hanampy ahy mihitsy ( i Fijo) no tonga nanampy ahy! (misaotra letsy e)

Sipa kely tsy nampoiziko ho serieuse sy be herim-po, fa nataoko hivanitika fotsiny, tsy matotra sns... ohatran'izany no nanome ahy teny fanairana sy herim-pony rehetra, ( fantatrao ianao...misaotra e:-*)

Bandy namana fe namana fotsiny. mpiara manao baolina sy mpandehandeha ato an-trano... mitovy point de vue no mpitsikanikany ary mivantana fiteny izay no nanampy koa, (misaotra Rasily an)

Fa nony sitrana aho ka nanao remise en question an'ny fiainako, dia teo no nahitako izany samaritanina tsara fanahy sy hoe ireo izay miteny ho kristianina, matotra sns... no ....!
Tsy nanary ny finoako anefa aho na fantatra fa menatra ihany sy ni douter hoe mba izao ihany ve de? ... fakoa lasa tonga saina fotsiny hoe hmmm hafahafa izy izany!

na izany aza, i forgive , never forget...
mamela aho ..fa tsy manadino!
8. fijo ( 25/10/2007 20:22)
raha za aloha ilay olona,dia samy any e.misy fameriny ny vola,ary misy takalony koa ny vita.
9. mbaliana ( 25/10/2007 20:40)
raha mbola azo atao dia aoka hifamela foana na tsy vita eo no hoe aza izany dia ezahina tsikelikely ...
ny valy faty tsy hitondra n'aiza n'aiza na dia eo koa aza ny toetsaina hoe aleo mba hahatsapa...indrindra moa raha olona ohatra ahy be fo ary be ambimpo lozantany...ny finoana sy fivavahana no manampy amin'izany rehetra zany...
10. fijo ( 25/10/2007 20:45)
ilaina ny valifaty raha toa ka izay no ahafahan mampahafantatra amin'ilay havana,fa tsy nety ny nataony.
11. ikaretsaka ( 25/10/2007 20:53)
atao amin'ny fomba hafa ka.. atao amin'ilay tsapany sy hitany fa tsy hoe maso solon'ny maso.. fa atao hitany hoe voa ny masonao dia rehefa voa ny orony dia jerena izy de tonga saina hoe za ty vaky orona de zao, ..de eo koa izy no tonga saina hoe aaa t@ lery vaky maso kay zao ny nataoko dia ...zay no tsy anaovany izao!
12. fijo ( 25/10/2007 20:57)
misy olona tsy mahatsapa izany ,indrisy.aminy ny fandraisany azy di ahoe olona azo atao izay tiana ity rah atoa ka tsy mahavaly azy.betsaka ary hiainana io izao
13. ikaretsaka ( 25/10/2007 21:19)
misy koa aloha izay hoe tsy tsapany izay mihitsy e:oops:
14. fijo ( 25/10/2007 21:26)
vao niainako io ka sahiko lazaina.
olona tsy dia nifankahazo loatra tamiko,no namoy ny reniny tamin'ny 2006.de tonga aho namangy azy,fa io tsy misy idiran'ny tsy fankazahoana.
vao tsy ela no nihantra tamiko ilay vohina,dia naheno aho hoe ,rehefa tsy mifankahazo dia tsy mila mifampitonatonana.
basy zay baba
15. cutie ( 26/10/2007 01:03)
lasa fijoroana vavolombelona izy ty :)
16. lehilahytsyresy ( 26/10/2007 02:42)
Tsy tokony hisalasala ianao hamaly faty.
Raha ireto hafa mantsy no teo amin' ny toerany, dia tsy ho nisalasala mihitsy ireo nanao ratsy azy.
17. niryna ( 26/10/2007 04:34)
xxx:

na te hamaly faty aza tsy tafanao an'zany refa tojo olana ohtran'io we marary zany le oul :)




:-o ie,valiana amin'ny soa ny ratsy.
LIOKA 6

30 Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.

31 Ary araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.

32 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.

35 Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy.[/b]
18. niryna ( 26/10/2007 04:37)
tywa68:

Gaga be aho hoe i niryna ve no tratran'io !!
Enao moa miankina @ i Tompo ka tokony hahita hery hamela andry zareo na eo aza ilay zava-bita tsy mety adino. Miresaha d teneno azy ny alahelonao, fa tsy hoafaka ny mpiray tampo nareo ary kristiana avant tout. Aza kivy fa tsy misy mendrika isika ! mivavaka ho anao :-*

Misaotra betsaka,tsy izaho io ka.Tsy namaky tsara ilay tantara hianao.Ahoana hianao no gaga raha sanatria ka izaho no tratran'io? Ao anatin'ny mafy no ahitana ny mamy.Mety mandalo fisedrana daholo isika,ary maro ny olona mety mandalo io vehivavy io.Ohatra iray ao anatin'ny alinalina maro ireo.

19. niryna ( 26/10/2007 04:48)
xxx:

aiza aza ny Fanahy Masina @zao ry niryna :)

Misaotra xxx a,ny FM miaraka amiko andro aman'alina ka.Izaho tsy matahotra intsony na dia ny fahafatesana aza ka.Vehivavy hafa io fa tsy izaho,raha hianao no tratra toa io inona no ataonao?
Romana 12
12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
Io ny fanantenan'izay manana an'i kristy.



17 [i]Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.

18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).

20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).

21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Tsy mahazo mamaly ratsy ny ratsy isika,resena amin'ny zavatra tsara izay ratsy ataony.

Ahoana izany" hanambatra vainafo eo an-dohany" izany ry ireto?
Misaotra nampahery na dia tsy izaho aza ilay izy,mino aho fa misy olona manana tantara mitovy amin'io any.
20. niryna ( 26/10/2007 05:08)
xxx:

niryna:

Valo mirahavavy izahay no mpiray tampo.Nanao izay nampanaovin'ireo rahavaviko ahy aho ary taty aoriana aho nanda ka lasa tsy nifampiresaka tamiko ny rahavaviko.Marary izy izao,ary samy toerana iray ihany ny department misy anay .Afaka manome azy ny fotoana fialan-tsasatra aho saingy tsy adinoko mihitsy ny nanaovan'izy ireo ahy.Narary aho tsy mba nisy nitsabo na nanatitra sakafo ho ahy.Nisara-bady aho ,tsy mba nisy nampahery fa naneso no nataony,tsy mba nisy fotoana nanateran'izy ireo na dia tapa-mofo ho an'ny zanako akory.Manankarena,tafita daholo izy rehetra,izaho ny ho aniko anio tadiaviko.
Ny fanontaniana dia hoe hianareo koa ve mba voa toa io vehivavy io eny fa mety tsy mitovy ilay tantara fa hafa?
Tsy te-hamela fa mbola te-hamaly faty foana?
Inona no tombotsoa mety ho azo amin'izany mamaly faty izany?
Misaotra betsaka.
Niryna


Ny tombotsoan'ny valy faty dia mipetraka kokoa amin'ilay olona ny fahatongavantsaina hoe tsy nety ny nataony. Raha avela amin'izao mantsy izy dia fantany ihany hoe tsy nety ny nataony saingy tsy fantany tsara ny hamafin'ny vokatry ny zavatra nataony, izao izy mahafantatra tsara.





misy fahamarinany izany.Hoy ilay pasitera izay nanazava hoe alain'ny satana daholo hono ny momba antsika rehetra dia rehefa misy fiainana tsaratsara tsy misy olana iny dia iny izy avy amin'ny angady sy ny harona.Klikeny ilay video dia miverina daholo ny fitadidiana rehetra.Angaha adinoko ny nanaovan'iny ahy toy izao,sakory izay,nahita tsara sns.kanefa ny tena marina dia tsy mahazo tombotsoa mihitsy izay mamaly ratsy ny ratsy.
Romana 12
14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.

16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1769