Tena kivy tanteraka aho!!!!!!!

21. niryna ( 26/10/2007 05:20)
ikaretsaka:

za koa ry lanto nanatena hoe sujet "tena" mikasika azy ity..kanjo:roll:8):-/

sehatra nosedraiko tokoa io ary olona tsy nampoiziko hanao ahy izany mihitsy no nanao ahy izany! Nanao izay nampanaovin'ilay olona iray izay ahy aho ary nataoko t@ fo tokoa izany, nony ela anefa ny ela ka tsy tsapany izany dia tsy nanao loatra intsony aho, nisy fotoana mba voa mafy aho ary nila azy, dia izy farak'izay nantenaina indray no tsy nipoitra :cry: sy nanary :

Tsy haiko anefa ..fa izay aza no nahatonga saina ahy hoe rangahy tsy mpino, namako ary filaharana faramparany ary @ izay tsy nampoiziko hanampy ahy mihitsy ( i Fijo) no tonga nanampy ahy! (misaotra letsy e)

Sipa kely tsy nampoiziko ho serieuse sy be herim-po, fa nataoko hivanitika fotsiny, tsy matotra sns... ohatran'izany no nanome ahy teny fanairana sy herim-pony rehetra, ( fantatrao ianao...misaotra e:-*)

Bandy namana fe namana fotsiny. mpiara manao baolina sy mpandehandeha ato an-trano... mitovy point de vue no mpitsikanikany ary mivantana fiteny izay no nanampy koa, (misaotra Rasily an)

Fa nony sitrana aho ka nanao remise en question an'ny fiainako, dia teo no nahitako izany samaritanina tsara fanahy sy hoe ireo izay miteny ho kristianina, matotra sns... no ....!
Tsy nanary ny finoako anefa aho na fantatra fa menatra ihany sy ni douter hoe mba izao ihany ve de? ... fakoa lasa tonga saina fotsiny hoe hmmm hafahafa izy izany!

na izany aza, i forgive , never forget...
mamela aho ..fa tsy manadino!

Tsy mamela ny Ray satria tsy mamala aho
Lohateny : Tsy mamela ny Ray satria tsy mamela aho!
Tsy mamela ny Ray satria tsy mamela ny fahavaloko aho(na ny olona manana ady amiko,na ny namana nivadika tamiko,na ny olona nandratra ny foko,na ny hafa nanao toetra tsy zaka,sns)

..Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo,dia mba hamela ny anareo koa ny Rainareo izay any an-danitra. Mat 6:14

Ary raha mitsangana mivavaka hianareo,ka misy olona ananareo alahelo,dia mamela ny helony,mba havelan'ny Rainareo izay any an-danitra koa ny helokareo Marka 11:25-26.

Ahoana ny hevitrao? Tsy ho voavelan'Atra izany ny heloka raha tsy mamela ny hafa na mangataka famelan-keloka avy any amin'ny hafa aloha.
niryna
22. niryna ( 26/10/2007 05:25)
lanto:

tywa> zah koa nihevitra hoe mba namoka sizé "tena" mikasika azy niryna ;-)

Zavatra nitranga hoy aho io ary vao omaly ilay izy ka izany no hizarako anareo ilay olana nisy nomen'ny olona ahy!
Romana 12
17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.

18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

Ikor 10:24
24 Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
23. niryna ( 26/10/2007 05:30)
fijo:

raha za aloha ilay olona,dia samy any e.misy fameriny ny vola,ary misy takalony koa ny vita.

Tsy afaka mamaly ratsy ry fijo a.Misy miteny hoe mianatra lesona izy izay.
Galatiana 6
9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.

10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.

Na tsy mpino aza dia afaka mampiantra io teny io.

Nitombo kely fotsiny hoe indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana,satria angamba ilay tenin'i kristy hoe mifankatiava hianareo fa izany no halalan'ny olona hoe mpianatro hianareo.:-o
24. niryna ( 26/10/2007 05:39)
mbaliana:

raha mbola azo atao dia aoka hifamela foana na tsy vita eo no hoe aza izany dia ezahina tsikelikely ...
ny valy faty tsy hitondra n'aiza n'aiza na dia eo koa aza ny toetsaina hoe aleo mba hahatsapa...indrindra moa raha olona ohatra ahy be fo ary be ambimpo lozantany...ny finoana sy fivavahana no manampy amin'izany rehetra zany...

Tena tsy ahitana tombotsoa tokoa hoy aho.Iza no tsy ho tezitra,fa rehefa mieritreritra kely dia miova ny hevitra?
Io ilay resaka hoe FM !Izy no mampahatsiahy antsika amin'ny toetra ratsy izay tsy mety,izy no mampianatra antsika ny handefitra sy mahay mamela.
Ny fiainantsika izany dia misy hery roa misintona,ny iray mandrirotra any amin'ny ratsy ary ny iray mamerina andeha any amin'ny tsara.

IPETERA 2

13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,

14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.

15 Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa;


25. niryna ( 26/10/2007 05:43)
fijo:

ilaina ny valifaty raha toa ka izay no ahafahan mampahafantatra amin'ilay havana,fa tsy nety ny nataony.

Mba afaka ny manazava ve i fijo.Ataonao ahoana ilay olona?Raha niantso vonjy izany ity vhvvy fa tsy manana andro tsy hiasana intsony izy ka dia mba omeo na herinandro amin'ny anao fotsiny ihany aza.Ilay mitaraina anefa hono manana andro marobe (solona vakansy io a).Tsy omeko ny ahy hoy izy fa narary aho tsy norarahiany ka izao izy kay mba mila ahy ihany?
Dia ho sahinao ve ny tsy hanome na indray andro fotsiny ihany aza?


26. niryna ( 26/10/2007 05:47)
ikaretsaka:

atao amin'ny fomba hafa ka.. atao amin'ilay tsapany sy hitany fa tsy hoe maso solon'ny maso.. fa atao hitany hoe voa ny masonao dia rehefa voa ny orony dia jerena izy de tonga saina hoe za ty vaky orona de zao, ..de eo koa izy no tonga saina hoe aaa t@ lery vaky maso kay zao ny nataoko dia ...zay no tsy anaovany izao!

Ka na miala eo aza ny nifiny tsy ho tonga saina izany izy ka.Hianareo ve mino fa misy olona hono tsy mahafantatra ny ratsy ataony indraindray?
Hianao tezitra aminy kanefa raha averina aminy ilay nataony mody lazainy fa tsy tadidiko niteny izany aho na nahatsiaro hoe tany amin'ny hopitaly hianao dia tsy nojereko?Tsy mahatadidy hono anie ity rahavaviny e? Mody adala hoy izy ilay rahavaviko.

27. niryna ( 26/10/2007 05:50)
fijo:

vao niainako io ka sahiko lazaina.
olona tsy dia nifankahazo loatra tamiko,no namoy ny reniny tamin'ny 2006.de tonga aho namangy azy,fa io tsy misy idiran'ny tsy fankazahoana.
vao tsy ela no nihantra tamiko ilay vohina,dia naheno aho hoe ,rehefa tsy mifankahazo dia tsy mila mifampitonatonana.
basy zay baba

lasa valifatin'ilay fo menarana izany i fijo?
Dia inona no nitranga avy eo,falifaly ve hianao tsy namangy na tsy nandevina ilay reniny sa hoe ....?

28. lanto ( 26/10/2007 05:52)
Ka efa vonona tao ihany ange le valiny e! ;-)
29. niryna ( 26/10/2007 05:57)
cutie:

lasa fijoroana vavolombelona izy ty :)

Tsy maninona ka,olombelona isika,mahazo tezitra hono fa tsy mahazo manota.
! Pet 3

17 Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.

Indraindray isika arakaraky ny hanaovantsika soa aman'olona no hanararaotany.Raha manao zavatra amin'ny hafa ka misy mahita iny dia tapitra mangataka daholo ny olona,raha tsy manome isika dia tsy menatra izy ny miteny hoe i ranona nomenareo ka na dia kely fotsiny ihany aza.Hiteny ny tena hoe tsy manana toa mandainga,tsy hiteny ny tena toa be loatra :-o
Ny fanaovana soa hono indraindry dia mitondra antsika amin'ny fahoriana,fiharetana,fandeferana.

Tsy misy na ho tomombana anefa izany raha tsy miaraka amin'Atra isika.Fanampiana avy amin'Atra izany no mety ahavitantsika ilay tsy famaliana ny ratsy,ilay tsy mitsahatra manao soa olona.
30. niryna ( 26/10/2007 06:03)
lehilahytsyresy:

Tsy tokony hisalasala ianao hamaly faty.
Raha ireto hafa mantsy no teo amin' ny toerany, dia tsy ho nisalasala mihitsy ireo nanao ratsy azy.

ka tsy niraharaha azy hono ireo taloha,ankehitriny izy efa nihova.Hatramin'izy mbola kely anie dia efa lalan-kafa no nitondran'ny renin-keliny azy e.Maty ny reniny vao roa taona izy(efa nalefako ilay tantara),nampianarin'ity reninkeliny nivavaka tamin'ny reniny efa maty izy,ny androny manontolo izany dia nino an'izany.Rehefa nifanerasera ny namana maro izy dia naseho azy ny teny ao anaty baiboly dia nino sy resy lahatra izy fa tsy afaka miresaka ny maty izany isika.Mbola ao ihany kosa ny fo te-hamaly faty na hanao ratsy indraindray fa rehefa tsy voatarik'ilay fakam-panahy ka mahatohitra dia mijanona kely aloha mandinika.Dia izay ilay izy.

31. Rasiligaoma ( 26/10/2007 06:20)
taitra aho ry niryna , noheveriko fa ianao io lazainao io ka niontana kely ihany ny foko:oops:
32. niryna ( 26/10/2007 06:31)
Rasiligaoma:

taitra aho ry niryna , noheveriko fa ianao io lazainao io ka niontana kely ihany ny foko:oops:

misaotra betsaka amin'ny fitiava-namana.Misaotra anareo rehetra aho amin'izany fa zava-dehibe amiko izany hoe misy namana mifanampy raha sendra misy mahazo.
Zavatra hiainana io hoy aho ary maro ny olona manana fo tsy mamela,tsy moramora ny mamela olona ka izany no angatahina mafy amin'Atra mba omeny fo hamela sy tsy hamali-faty satria Izy efa niteny hoe tsy antsika ny famaliana fa Azy.
Averiko indray ho an'izay manana alahelo aman'olona,hampiaro amin'ny fiainana andavanandro ny fivavahana fa ahita tombotsoa tokoa hianao.Mangataha amin'Atra mba hanomezany anao ny FM hampianatra sy hitarika anao andeha amin'ny tokony ho izy,mivava ilay nanao ratsy aminao,mianara mamela,raha manoro voana anao ny devoly ka hiteny aminao mifanohitra ny FM dia afaka mandroaka an'izany hianao amin'ny anaran'i Jesosy.

Vakio anie ity raha tsy mahatonga saina e.

IJAONA 3

16 Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.

17 Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?


:idea::idea:
33. fijo ( 26/10/2007 21:23)
niryna ,za anie namangy fa izy no tsy namangy ahy e.ary raha misy ny manaraka dia samy tsara e.
34. niryna ( 26/10/2007 22:52)
lanto:

Ka efa vonona tao ihany ange le valiny e! ;-)

Hevitro ireo ka,ny an'ny hafa no tsy fantatro.:-*

35. niryna ( 26/10/2007 22:54)
fijo:

niryna ,za anie namangy fa izy no tsy namangy ahy e.ary raha misy ny manaraka dia samy tsara e.


Hay ve ,nataoko fa hianao aza no tsy nandeha.=D
ahoana izany hoe hanangana vainafo eo an-tampon-dohan'ilay olona manao ratsy ny fanaovana soa azy hatrany?
36. ikaretsaka ( 27/10/2007 15:59)
ary raha atao ilay hoe domina eo @ ilay marary azy sy le rehefa misy ny fotoana hitadiavany anao iny koa, raha hoe tsy valifaty mihitsy no tanjonao ? fa ny hahatonga azy ho tonga saina ?
37. tywa68 ( 27/10/2007 20:35)
Ika : ny tanjona anie @ ilay vali-faty ny handratra e ! ka d mitovy² ihany ny saina nieritreri-dratsy sy ny tanana nipetaka totondry ! efa samy meloka satria tsy nahay nandefitra :lol: (tsra raha maha-contrôle aloha fa tsy hilako lava eo e) :-D:-D
38. ikaretsaka ( 27/10/2007 21:59)
nahay nandefitra ko.. fa misy ange le olona nanao ratsy ry tywa tena tsy conscient mihitsy hoe nanao ratsy izy raha tsy tairina e
39. niryna ( 28/10/2007 06:09)
ikaretsaka:

ary raha atao ilay hoe domina eo @ ilay marary azy sy le rehefa misy ny fotoana hitadiavany anao iny koa, raha hoe tsy valifaty mihitsy no tanjonao ? fa ny hahatonga azy ho tonga saina ?


miova ilay teny hoe tsy valifaty kanefa ilay endriny mbola valifaty ihany ka.
"Ahy ny famaliana hoy ny Tompo"
Raha vao manana endrika "revenge" izany dia ie,ie .Elao fa loza :D
40. niryna ( 28/10/2007 06:10)
tywa68:

Ika : ny tanjona anie @ ilay vali-faty ny handratra e ! ka d mitovy² ihany ny saina nieritreri-dratsy sy ny tanana nipetaka totondry ! efa samy meloka satria tsy nahay nandefitra :lol: (tsra raha maha-contrôle aloha fa tsy hilako lava eo e) :-D:-D



=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0733