Inona no asan'ny Fanahy Masina @Fiainana an-davanandro?

1. niryna ( 23/10/2007 06:37)
Miresaka Fanahy Masina foana isika.Inona tokoa ny asan'ny Fanahy Masina ato anatintsika ary ahoana no ahafantarana fa miaraka amintsika Izy isan'andro?
novalian'i niryna ny 03/11/2007 03:46
2. olives ( 23/10/2007 07:37)
:DAraka ny efa mba fantatro dia ny Fanahy Masina dia manoro antsika olona ny mety sy ny tsimety atao @ fiainana andavanandro.Misaotra betsaka
Olives
3. bozyboleta ( 23/10/2007 08:52)
Angatahina isan’andro ny Fanahy Masina mba hanolo-tsaina sy hanoro @ zay ataonao tontolon’ny andro.
Tena miasa tokoa ny Fanahy Masina, mampianatra ary misakana anao tsy hanaotao foana. Indray mandeha tany ampiasana nisy olana tena goavana be izay niankinan-javatra maro. Narary mitsy ny andoha fa niketrika teo efa ho ora maro. Tsy nitsahatra nivavaka aho ary nangataka ny Fanahy Masina hanoro zay tokony atao. Tsy hoe fahagagana fa tsapako tokoa fa nanampy ahy Izy ka hita ihany ny fototr’ilay olana ary toa mora tsisy inona akory ny nitady le vahaolana.
Tsy tokony adino ihany koa ny misaotra ny Fanahy Masina refa avy mangataka.
4. diamondra27 ( 23/10/2007 08:55)
Ny FM dia tena mitari-dalana , manampy, manazava, manolo-tsaina... rehefa manaiky iasany, pratika io fa tsy teoria fotsiny fa rehefa indraindray entin'ny fo maha-olombelona de lasa ilay nofo no mibaiko dia manaonao foana.
Dia rehefa mahatsiaro fa nisintaka ianao dia mifona haingana mba tsy hitombohan'ny fahotana ao anaty.
Ny ota iray manko dia miteraka ota be dia be.
5. ikaretsaka ( 23/10/2007 13:39)
Sarotsarotra ihany aloha ilay Fanahy masina:noho izy ilay tsy hita:

fa ny principe-ko:
1) raha mino fa anisan'ny elements 3 amin'ny maha Andriamanitra (trinitology) ny Fanahy Masina..

2)ary raha mino fa mandray ny Fanahy Masina ianao sy nitoerany ( t@ alalan'ny batemy,Fanavaozana ny toky nomena t@ batemy,konfirmation) dia misy Andriamanitra foana ao aminao.

3)Ny Fanahy Masina amiko rehefa nandray azy sy nidinany dia mitoetra izy fa tsy hoe tonga dia lasa...

4)dia ny asanao rehetra izany asan'Andriamanitra vokatr'ilay Fanahy ao aminao..

Izay ilay hoe "tadiavo @ zavatra rehetra Andriamanitra dia ho fantatrao fa ao anatinao izy:"
AMDG
6. niryna ( 23/10/2007 17:35)
olives:

:DAraka ny efa mba fantatro dia ny Fanahy Masina dia manoro antsika olona ny mety sy ny tsimety atao @ fiainana andavanandro.Misaotra betsaka
Olives


Marina tanteraka izany,raha tsy mino Azy ve afaka miaraka aminy ilay FM?
7. niryna ( 23/10/2007 17:36)
bozyboleta:

Angatahina isan’andro ny Fanahy Masina mba hanolo-tsaina sy hanoro @ zay ataonao tontolon’ny andro.
Tena miasa tokoa ny Fanahy Masina, mampianatra ary misakana anao tsy hanaotao foana. Indray mandeha tany ampiasana nisy olana tena goavana be izay niankinan-javatra maro. Narary mitsy ny andoha fa niketrika teo efa ho ora maro. Tsy nitsahatra nivavaka aho ary nangataka ny Fanahy Masina hanoro zay tokony atao. Tsy hoe fahagagana fa tsapako tokoa fa nanampy ahy Izy ka hita ihany ny fototr’ilay olana ary toa mora tsisy inona akory ny nitady le vahaolana.
Tsy tokony adino ihany koa ny misaotra ny Fanahy Masina refa avy mangataka.




=D^:^
8. niryna ( 23/10/2007 17:37)
diamondra27:

Ny FM dia tena mitari-dalana , manampy, manazava, manolo-tsaina... rehefa manaiky iasany, pratika io fa tsy teoria fotsiny fa rehefa indraindray entin'ny fo maha-olombelona de lasa ilay nofo no mibaiko dia manaonao foana.
Dia rehefa mahatsiaro fa nisintaka ianao dia mifona haingana mba tsy hitombohan'ny fahotana ao anaty.
Ny ota iray manko dia miteraka ota be dia be.


Marina tokoa izany,fa ilay hoe misaotra aminy no mbola tsy nataoko kosa aloha e,mangataka amin'Atra aho ny homeny FM hiaraka amiko.
9. niryna ( 23/10/2007 17:43)
ikaretsaka:

Sarotsarotra ihany aloha ilay Fanahy masina:noho izy ilay tsy hita:

Ika a,aiza ilay finoana tsy hita maso?
Ity tadidiana ccce
He corrects us
He cleans us
He confirms us
He equips us
Ireo ny asan'ny FM miampy ny mampianatra antsika,mibaiko antsika andeha amin'ny lalan'ny marina,mananatra antsika tsy hanao ratsy,mitondra antsika ho any amin'ny fahamarinan,mpianatra antsika ny hibebaka sy hamela olona.FM dia maka toetran'olombelona ary io no nalefan'Atra ho antsika hiara-dia ho an'izay rehetra mino an'i Kristy.Io ihany koa no mampahatsiahy antsika fa kristy no loharano velona.


10. ikaretsaka ( 23/10/2007 17:51)
but we don't see "he"
do we? (trinitology 101):wink:
11. fijo ( 23/10/2007 20:53)
sao dia ny sainaihany ary no miasa fa tsy izany fanahy masina izany
12. niryna ( 24/10/2007 04:31)
ikaretsaka:

but we don't see "he"
do we? (trinitology 101):wink:

He is the Spirit of Jesus.
Tsy mahita Azy isika fa fantatro hoe miaraka amiko andro aman'alina Izy.

JAONA 14

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.


Kristy efa nanome antsika toky fa hangataka ny Ray handefa ny FM hiaraka amintsika ho mandrakizay.
Ny tokony ataontsika izany dia ny mangataka Aminy any amin'ny Ray.
Hebreo 3
7 Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo

Ny FM izany manampy antsika ety an-tany ary Kristy kosa manampy antsika any an-danitra miresaka ny Ray izay tadiavintsika.
13. niryna ( 24/10/2007 04:36)
fijo:

sao dia ny sainaihany ary no miasa fa tsy izany fanahy masina izany


Mitana toerana lehibe amin'ny fiainantsika ny FM tao aorian'ny nahalasanan'i kristy any an-danitra.
Kristy no nangataka ny Ray handefa ny FM hiaraka amin'ny olona izay manatona an'Atra ,hiaraka aminy ho mandrakizay.
Izy no manazavana ny tenin'Atra amin'ny olona.Na manampahaizana tahaka ny inona ary ilay olona rehefa tsy misy FM hanazava ny tenin'Atra aminy dia tsy ho azony ary ho toheriny foana.
Ny FM ihany koa no manitsy ny dia izay alehan'ireo zanak'Atra ary tena maheno feo mihitsy aza hianao miteny hoe aza manao an'izany na hoe please,don't do that sns.Io FM io ihany koa no manitsy ny lalana rehefa mitady ho solafaka .Raha misy fahoriana ka mangataka fivavahana dia ny FM ihany koa no manome hery ny namana hampahery anao.
14. Rasiligaoma ( 24/10/2007 04:58)
ka sarotra aloha ilay hoe zavatra tsy hita nefa manao asa e!
Kristy koa manampy antsika eto an-tany ka. Raha samy Andriamanitra izy telo ry niryna, tsy ny anankiray ve tsy ny iray ihany?
15. bozyboleta ( 24/10/2007 05:24)
Ka tsisy hita ange na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina e. Sa???
Fa inoana ny fisiany ary inoana ny asany.
Avereno ny fanekem-pinoana ho an'ireo zay misalasala.
Asany lehibe: nahatorontoronina an’I Maria Virijiny ka niterahany an’I Jesoa.
16. prime ( 24/10/2007 12:59)
niryna:
Inona tokoa ny asan'ny Fanahy Masina ato anatintsika
... Maro dia maro fa ny tsapako indrindra dia ny famerenany mandrakariva ny atao, ny sainina, ny fo, ny eritreretina rehetra, ny fiainana manontolo any amin'ny sitrapon'Andriamanitra... dia Izy koa no mizara sy mamelona ary mampitombo ny fanomezam-pahasoavana rehetra an'ny tena... dia Izy koa no mamelona ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana hibanjina sy hifantoka mandrakariva ny famonjen'i Kristy... dia Izy koa no miaro sy mampiambina mandrakariva ny mpino amin'ny ataony rehetra...
niryna:
ahoana no ahafantarana fa miaraka amintsika Izy isan'andro

Raha fintinina dia raha tsy misy Azy ny mpino dia tsy mahefa na inona na inona eo amin'ny fanarahana dia an'i Kristy... Izy no mampiray ny mpino amin'i Jesosy Kristy...
17. ikaretsaka ( 24/10/2007 15:09)
Tsiponiko kely ity voalazan'i prime ity fa tsy aritro..miala tsiny:oops:
... Maro dia maro fa ny tsapako indrindra dia ny famerenany mandrakariva ny atao, ny sainina, ny fo, ny eritreretina rehetra, ny fiainana manontolo any amin'ny sitrapon'Andriamanitra... ..

dia i prime izany mihodikodim-poana ohatran'ny diska loaka? (azafady an)
raha tsy izany, azonao velabelarina ve hamakafakana azy?
18. fijo ( 24/10/2007 20:16)
de mba aiza koa ny anjaran'ny fisainana manokana eto fa tena hoatry ny very le maha olona ny tena?
19. cutie ( 24/10/2007 22:53)
de ahona ndray reny ratsy fanahy sy tsara fanahy reny.
Tsy manana ny FM ve ze ratsy fanahy :roll:
20. ikaretsaka ( 25/10/2007 03:39)

izay mihitsy no mahagaga amin-dry zalahy ireo !
dia ho'zy hoe aza mitsara...
avy eo izy miteny hoe ity no ratsy, ity no tsara (mitsara ry zalahy)

sa hoe "aza ny ataoko ny atao fa izay lazaiko tanterao?" :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0859