Inona no asan'ny Fanahy Masina @Fiainana an-davanandro?

41. fijo ( 25/10/2007 21:15)
niryna ,very ny fisainana manokana satria ny fanahy masina no lazainareo fa misahana ny rehetra ko
42. niryna ( 26/10/2007 06:11)
xxx:

ndraso alou za zany handeha handray an'i tompo :)

manandrama fa tsy misy nenina mihitsy.Mivavaha dia mangataha aminy hiditra ao am-ponao.

43. niryna ( 26/10/2007 06:16)
fijo:

niryna ,very ny fisainana manokana satria ny fanahy masina no lazainareo fa misahana ny rehetra ko

ie satria avy aminy no nahazoana ireo fahasoavana marobe ireo.


IKORINTIANA 12

8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,

9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,

10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.

11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.

Ary mbola misy foana ireo hatramin'izao.
44. niryna ( 26/10/2007 06:21)
Noho ny FM izay miaraka amintsika isan'andro dia mifaly izy rehefa misy tsy mpino iray nibebaka sy nanatona an'Atra.Mitomany izy rehefa manao zavatra tsy mifanaraka ny ataony isika.Hery roa izany no mitondra antsika amin'ny fiainana:ny iray ny FM izay mitady antsika hanao ny marina mandrakariva,ny iray ilay hery ratsy izay tsy mitsahatra ny handavo antsika.
Alaivo sary an'eritreritra hoe eo amin'ny sorokao iray ny anjelin'Atra ary eo amin'ny sorokao iray ny anjelin'ny satana.!!
IJAONA 2

1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;

2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
45. prime ( 26/10/2007 11:28)
ikaretsaka:
dia i prime izany mihodikodim-poana ohatran'ny diska loaka? (azafady an)
raha tsy izany, azonao velabelarina ve hamakafakana azy?
... raha izay no fahitanao azy dia izay angamba... fa ny tiako ambara mikasika ilay hoe famerenana dia tsy ilay hoe "répéter" na "se répéter" fa ny akaiky kokoa angamba (na dia tsy dia tena mahalaza azy aza) dia ny hoe "conseiller"...
Kristy moa dia milaza azy mihitsy ho Mpananatra, ilay tena velona sy avy amin'ny Ray... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy :

"fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]" Jaona 14:26

Ka ny hoe diska goaka dia asa re, fa ny fantatro dia tsy misy fiainana amin' ny fahabangan'ny Fanahy Masina ao amin'ny tena...

fijo:
de mba aiza koa ny anjaran'ny fisainana manokana eto fa tena hoatry ny very le maha olona ny tena?
... hoy tokoa ny tenin'Andriamanitra amin'ireo mpino efa manana an'i Kristy...

"Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo." I Korintiana 6:19
46. cutie ( 26/10/2007 13:08)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 25-10-2007 23:15:55
Lohateny : Re : Inona no asan'ny Fanahy Masina @Fiainana an-davanandro?
niryna ,very ny fisainana manokana satria ny fanahy masina no lazainareo fa misahana ny rehetra ko

ny Fanahy ry fijo fa tsy ny fanahy masina :)
47. fijo ( 26/10/2007 21:48)
cutie,io prime mbola mamerina fa fanahy masina
48. niryna ( 27/10/2007 00:48)
Nijery ilay fandaharana aho androany ary io koa izy fa manao fanazavana ilay FM sy ny ahoana no fomba hiainoana ny feon'Atra.

http://www.intouch.org
klikeo eo amin'ilay hoe knowing God's voice(ny fahafantarana ny teny avy amin'Atra )
49. fijo ( 01/11/2007 21:45)
resaka foronina ity ry niryna an
50. niryna ( 02/11/2007 05:31)
fijo:

resaka foronina ity ry niryna an

Foronina ahoana e.:roll:

51. niryna ( 03/11/2007 03:46)
fijo:

resaka foronina ity ry niryna an


Dia tena nahay namorona daholo kosa ry zalahy rehetra tao anaty baiboly ! Ary tonga nitranga daholo anefa izay voasoratra,mbola mitranga hatramin'izao ary hitranga rehefa tonga ilay kristy izay hinonay!

JAONA 16
7 Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.

8 Ary raha tonga Izy, dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;

9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;

10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;

11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.

12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.

13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.

14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.09