Inona no asan'ny Fanahy Masina @Fiainana an-davanandro?

21. niryna ( 25/10/2007 04:45)
Rasiligaoma:

ka sarotra aloha ilay hoe zavatra tsy hita nefa manao asa e!
Kristy koa manampy antsika eto an-tany ka. Raha samy Andriamanitra izy telo ry niryna, tsy ny anankiray ve tsy ny iray ihany?

Izao no fahazoako azy:Ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia iray ihany.Iny aloha dia tsy hiadiana varotra.Ny Ray dia nandefa ny Zanany ho ety an-tany ka naka endrika olombelona.Nisy toerana Ray sy Zanaka izany teo.Izany no nahatonga an'i Kristy niantso ny Rainy tamin'ny zavatra rehetra nataony,eny na dia efa teo ambavahaoanan'ny fahafatesana aza Izy kanefa dia niteny izy hoe ...esory amiko ity kapoaka mangidy ity ..kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny Anao.Nanana toerana ambony izany ny rainy eto.Rehefa maty indray Izy dia nilaza mialoha Izy fa angataka ny Rainy mba omeny ny FM hiaraka amintsika ho mandrakizay.

22. niryna ( 25/10/2007 04:53)
Rehefa maty izany Kristy dia niakatra any an-danitra,ary dia nipetraka eo @ tanana an-kavanan-dRay.Tao aorian'ny nahafatesany izany dia niseho voalohany ny FM tamin'ireo mpianany,tsy afaka nanao fahagagana ny mpianany raha tsy tao aorian'ny nilatsahan'ny FM (andro pentokosta). Ny FM izany no miaraka amintsika ety an-tany .Ny Fanahin'i Kristy kosa dia miaraka amin'izay mino Azy. Izy no manantanteraka izay vavaka ataontsika mampita azy any amin'ny Ray. Izay ilay teteza-mita ary tsy misy afaka mankany amin'ny ray raha tsy avy amin'ny alalany irery.
Kristy indray izany no mampita ny hafatra sy ny vavaka ataontsika amin'ny Ray,Izy no mitalaho,mitomany,mampahatsiahy an'ny Rainy fa efa voavidin'ny rany ilay olona .Izay no fahafantarako azy.Raha misy afaka manazava dia mba raisina an-tanandroa. misaotra betsaka
23. niryna ( 25/10/2007 05:01)
Ireto misy fanazavana amin'izany:
Jaona 14
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.

13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.

Eto kristy no milaza amin'izay mino fa afaka manao izay asa nataony koa rehefa mino Azy.
Milaza ihany koa Izy fa mankany amin'ny Ray
Raha mangataka zavatra isika ka amin'ny anarany fa tsy amin'ny hafa dia omeny tokoa raha mino Azy.
24. niryna ( 25/10/2007 05:09)
Jaona 14
15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.

18 Tsy hamela anareo ho kamboty Ahy; hankaty aminareo Aho.

19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo.

20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.

Eto indray i kristy milaza fa angataka amin'ny Ray ny Mpananatra (Ny FM) izay hiaraka amintsika ho mandrakizay.

Eto i kristy dia miteny fa miaraka amintsika Izy,ary Izy dia velona ato amintsika ,ary isika koa dia velona ao amin'i kristy.Ny Fanahiny izany no miaraka amintsika ato am-pontsika.
25. niryna ( 25/10/2007 05:16)
Jaona 14
21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?

23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray Izay naniraka Ahy.

25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;

Kristy izany dia monina ao amin'izay mino Azy fa tsy ny rehetra( izay manda Azy na tsy mino Azy).
26. niryna ( 25/10/2007 05:20)
Jaona 14
25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;

26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.

28 efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy hianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.

Io izany misy fanazava ilay FM miaraka amintsika sy Kristy mankany amin'ny Ray.
27. niryna ( 25/10/2007 05:27)
Jaona 16

25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro [ora] izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray.

26 Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako hanareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo;

Io kristy milaza fa izy no hangataka amin'ny Ray ho antsika.

IJAONA 2

1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;

2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.

3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
28. niryna ( 25/10/2007 05:33)
Rasiligaoma:

ka sarotra aloha ilay hoe zavatra tsy hita nefa manao asa e!
Kristy koa manampy antsika eto an-tany ka. Raha samy Andriamanitra izy telo ry niryna, tsy ny anankiray ve tsy ny iray ihany?

Tsy laviko izany,fa vakio ny Hebreo 11 dia ho hitanao hoe ahoana izany finoana tsy hita maso izany?
Tsy misy zavatra tokony ataontsika,izay averiko indray fa maro no manome toro-hevitra fa hoe tsy maintsy manaoa izao isika vao mahazo ny fanjakan'ny lanitra na ho voavonjy.Mino an'i Kristy irery ihany no famonjena iray velona.Tsy misy asa atao na fanaovana toy izao sy toy izao.Mino fotsiny ihany hoy ny teny dia ho voavonjy hianao.

29. niryna ( 25/10/2007 05:37)
bozyboleta:

Ka tsisy hita ange na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina e. Sa???
Fa inoana ny fisiany ary inoana ny asany.
Avereno ny fanekem-pinoana ho an'ireo zay misalasala.
Asany lehibe: nahatorontoronina an’I Maria Virijiny ka niterahany an’I Jesoa.

ie,sady jereo ny rivotra fa tsy hita maso kanefa ahoana no hitenenana hoe mandrivotra be izy izany.Avy aiza ilay rivotra? Inona no mahazo rehefa tsy misy rivotra ny trano? Voay aho fa sempotra,mamoha varavarankely?
Iza no namoha antsika amin'ny maraina? Ny famantaranandro.
Dia hiverina amin'ilay hoe Mino an'Atra indray izany isika e !
30. niryna ( 25/10/2007 05:40)
prime:

niryna:
Inona tokoa ny asan'ny Fanahy Masina ato anatintsika
... Maro dia maro fa ny tsapako indrindra dia ny famerenany mandrakariva ny atao, ny sainina, ny fo, ny eritreretina rehetra, ny fiainana manontolo any amin'ny sitrapon'Andriamanitra... dia Izy koa no mizara sy mamelona ary mampitombo ny fanomezam-pahasoavana rehetra an'ny tena... dia Izy koa no mamelona ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana hibanjina sy hifantoka mandrakariva ny famonjen'i Kristy... dia Izy koa no miaro sy mampiambina mandrakariva ny mpino amin'ny ataony rehetra...
niryna:
ahoana no ahafantarana fa miaraka amintsika Izy isan'andro

Raha fintinina dia raha tsy misy Azy ny mpino dia tsy mahefa na inona na inona eo amin'ny fanarahana dia an'i Kristy... Izy no mampiray ny mpino amin'i Jesosy Kristy...

Izany indrindra.Rehefa tena mino tokoa dia tena fantatrao fa miaraka aminao Izy.Na mamaky ny tenin'Atra fotsiny aza dia mila azy fa tsy ho fantatra izay lazaina ao .Eny fa na dia hoe teninin'ny tena aza.
31. niryna ( 25/10/2007 05:52)
ikaretsaka:

Tsiponiko kely ity voalazan'i prime ity fa tsy aritro..miala tsiny:oops:
... Maro dia maro fa ny tsapako indrindra dia ny famerenany mandrakariva ny atao, ny sainina, ny fo, ny eritreretina rehetra, ny fiainana manontolo any amin'ny sitrapon'Andriamanitra... ..

dia i prime izany mihodikodim-poana ohatran'ny diska loaka? (azafady an)
raha tsy izany, azonao velabelarina ve hamakafakana azy?

Miandry an'i prime io an.
Aleo aloha hitsimponako teny ika amin'io.

JAONA 15

26 Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
Izay teny notenen'i kristy an'ny mpianany izany dia mbola averin'ny FM izay antsoina hoe Mpananatra hampianatra ny mpino hitory ny tenin'i kristy ho an'ny hafa.

Jaona 16
13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.

14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

15 Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.

Io ika misy filazana fa ny FM na ny F Fahamarinana no mitarika antsika anao ny marina :-P
32. niryna ( 25/10/2007 05:53)
fijo:

de mba aiza koa ny anjaran'ny fisainana manokana eto fa tena hoatry ny very le maha olona ny tena?

very ahoana?Tsy azoko

33. niryna ( 25/10/2007 06:09)
cutie:

de ahona ndray reny ratsy fanahy sy tsara fanahy reny.
Tsy manana ny FM ve ze ratsy fanahy :roll:

cutie ,isika rehetra dia tsy misy marina fa mpanota daholo.Rehefa nandray an'i Kristy tato am-poko aho ohatra dia nibebaka taminy(nivavaka na niresaka taminy tao am-poko mangina irery, ary notantaraiko taminy daholo izay ratsy nataoko) ary dia mifona aminy(tsy anao an'iny intsony)dia voavelany ny fahotako.Izay ilay atao hoe lasa olom-baovao aho,tsy hiverina an'iny zavatra nataoko iny intsony ary nino fa namela ny heloko tokoa Izy.Manomboka tsy miantehatra amin'ny tenako irery intsony aho fa ankiniko amin'Atra daholo ny fiainako.Indraindray ohatra mbola miverina ihany ilay toetra ratsy ohatra na fahotana efa nivavahako taminy dia mifona indray aho.Satria isika nofy sy ra fa tsy Atra na anjely ary mbola velona ihany koa.Ny mahasamy hafa azy amin'ny izaho taloha sy ankehitriny ? Ny FM izay miaraka amiko ,io no mampahatsiahy ahy rehefa manao zavatra tsy tokony atao aho.Manenjika ahy izany ny eritreritro satria fantatro fa tsy mety iny ,dia mifona indray aho.Arakaraky ny hanaovana izany no hampiova tsikelikely ilay toetra ratsy ato amiko.
Arakaraky ny hamakiana ny tenin'Atra ihany koa no ahalalana hoe izao no tian'i Kristy tokony ataoko.
Ohatra:Ampihariko amin'ny fiainana amin'izay ilay tenin'Atra.Izay fihetsika na fiteny rehetra ataoko amin'ny olona dia mametraka jiro ho fanazavana ny manodidina aho na mandositra mankany amin'ny maizina.
Mahay mifandray aman'olona ve aho sa tia miady,tia mifosa,manana fankahalana,miantsaravelatsihy?
Satria aho efa mahalala fa tsy tian'i kristy izany toetra ratsy izany ny dikany dia miezaka aho mba tsy anao ireo toetra ireo ,mba ho jiro fahazavana ny manodidina,mba hanana toetra tsara,mba hianatra sy hijery izay ataoko ny manodidina ahy satria ny soa fianatra.
34. niryna ( 25/10/2007 06:18)
cutie:

de ahona ndray reny ratsy fanahy sy tsara fanahy reny.
Tsy manana ny FM ve ze ratsy fanahy :roll:

Ny hiteny hoe tsara fanahy sy ratsy fanahy izany dia arakaran'ny olona io.Ny manana ny FM na tsy manana no voasoratra ao anaty baiboly.Izay tsy mino an'i kristy izany dia tsy hitoetra ao aminy mihitsy ny FM.Izy no nangataka ny Ray mba handefa ny FM hiaraka amin'ireo mpino Azy.Raha tsy mpino an'i kristy izy ka naheno ny tenin'Atra ary dia nino ,amin'izay fotoana izay izy dia miaraka aminy ny FM.
Io FM io no mahatonga antsika ahafantatra izay teny nolazain'Atra ao anaty baiboly.Izany no mahatonga ny olona izay miantehatra ny sainy sy ny heriny handresy lahatra ny mpino avy amin'ny eritreriny.Tsy ho fantany mihitsy izay lazain'ny baiboly.Ao anaty baiboly koa izany a.
"Trust in the lord with all your heart,do not lean on your understanding.In everything you do,acknowldge him and he will guide your path" Nampianariny hino sy hiantehitra aminy izany isika fa tsy hiantehitra amin'ny fahalalantsika irery ihany.Amin'izay rehetra ataontsika izany dia mila mivavaka ary matoky tokoa fa hiaro sy homba antsika Izy ary izy ihany koa no hitantana ny diantsika.

35. niryna ( 25/10/2007 06:19)
ikaretsaka:

izay mihitsy no mahagaga amin-dry zalahy ireo !
dia ho'zy hoe aza mitsara...
avy eo izy miteny hoe ity no ratsy, ity no tsara (mitsara ry zalahy)

sa hoe "aza ny ataoko ny atao fa izay lazaiko tanterao?" :-D

Ahoana ko izany eritreritr'ika izany?
Jereo eo ambony eo ny teny ao amin'ny baiboly manambara ny FM
36. cutie ( 25/10/2007 12:39)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 25-10-2007 08:18:04
Lohateny : Re : Inona no asan'ny Fanahy Masina @Fiainana an-davanandro?
Hoy i cutie:

de ahona ndray reny ratsy fanahy sy tsara fanahy reny.
Tsy manana ny FM ve ze ratsy fanahy

Ny hiteny hoe tsara fanahy sy ratsy fanahy izany dia arakaran'ny olona io.Ny manana ny FM na tsy manana no voasoratra ao anaty baiboly.Izay tsy mino an'i kristy izany dia tsy hitoetra ao aminy mihitsy ny FM.Izy no nangataka ny Ray mba handefa ny FM hiaraka amin'ireo mpino Azy.Raha tsy mpino an'i kristy izy ka naheno ny tenin'Atra ary dia nino ,amin'izay fotoana izay izy dia miaraka aminy ny FM.
Io FM io no mahatonga antsika ahafantatra izay teny nolazain'Atra ao anaty baiboly.Izany no mahatonga ny olona izay miantehatra ny sainy sy ny heriny handresy lahatra ny mpino avy amin'ny eritreriny.Tsy ho fantany mihitsy izay lazain'ny baiboly.Ao anaty baiboly koa izany a.
"Trust in the lord with all your heart,do not lean on your understanding.In everything you do,acknowldge him and he will guide your path" Nampianariny hino sy hiantehitra aminy izany isika fa tsy hiantehitra amin'ny fahalalantsika irery ihany.Amin'izay rehetra ataontsika izany dia mila mivavaka ary matoky tokoa fa hiaro sy homba antsika Izy ary izy ihany koa no hitantana ny diantsika.

misaotra nanazava :)
37. niryna ( 25/10/2007 17:25)

tsy misy fisaorana ka ,ampiharo amin'ny fiainana ilay izy dia ho hitanao ny mahasamy hafa anao nandray an'i tompo sy ny fiainanao talohany nandraisana Azy.
misaotra nanazava :)

38. xxx ( 25/10/2007 17:44)
ndraso alou za zany handeha handray an'i tompo :)
39. kiranil ( 25/10/2007 18:26)
Miarahaba,

Misaotra an'i Niryna amin'ny fanazavana.

Ny anampiako azy angamba dia hoe:
1 - ny Fanahy Masina dia tsy hita, kanefa kosa miasa. Tsy ny tsy fahitana Azy akory no tsy mampisy Azy.

Ny rivotra ohatra. Tsy hita kanefa mahavita zavatra.

2 - ny vokany no ahalalana hoe Fanahy Masina ve no miasa ao amin'ny olona iray na tsia:

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. galatiana 5

3- Ny fitarihin'ny nofo dia manohitra amin'ny Fanahy masina. Ary mifanohitra ireo.

Ireto ny vokatry ny fitarihan'ny nofo:

Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Galatiana 5

4- Dia samia mametram-panontaniana amin'ny tenany hoe ny Fanahy Masina ve no mitarika ahy sa ny filan'ny nofo.

Misaotra.

40. cutie ( 25/10/2007 18:29)
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. galatiana 5
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085