Io teny frantsaifrantsay nareo io

61. rova30 ( 05/11/2007 18:12)
...maromaroa ny tahak'izao:D

Mahafinaritra be daholo ianareo(isika)"Malagasy mitafa"eto!!!....Tonga dia taratra avy hatrany fa...miezaka dia miezaka hatrany mihintsy ny hanatsara ihany ny malagasy (diam-peniny):}

TOHIZO FA TSARA E!:P

Ronaldo aotra sivy ity ,toa efa lasa any Moscou!:-P
62. niryna ( 06/11/2007 05:09)
yonikafopl:

Fa inona kay ilay tena olana amin'ny fitrnenana frantsay eee, ny ana ndrazy mahafinaritra ana rehefa maheno reny miteny frantsay amin'ny zanany, satria dia mampalahelo mihintsy ny mahita ireo tanora tsy mahay afa tsy mersi sy bonzour. Tsy mahavita tena ny malagasy fa tsy maintsy mifandray amin'ny vahiny foana, ka dia tena ilaina mihintsy ny fahaizana teny vahiny raha te ho tafita.

za zao de mba nizesita mihintsy fa mbola mahay teny gasy na dia efa ho 10 taona aza tsy taty Dago, nefa de mbola hahitan'ny olona tsikera ihany fa we tsy mahay teny gasy tsony hono fa hafahafa be, ka ozy za we aza de mitsaratsara kosa we be zesta ny sasany rehefa we tsy mahay teny gasy tsony eee, mety mahatsapa ho hafahafa ny fiteniny de aleony miteny we tsy mahay toy izay himemezan'ny olona eo.

Ny fahaizana teny vahiny no isan'ny fitarafana ny fandrosoana amiko, tsy midika akory izany fa ambaniana ny an'ny tena.



Hatraty io,sady misy olona mitsikera fotsiny fa tsy mba manitsy ilay teny diso :D
Amiko aloha mety tsy migesta ilay olona fa tena tsy feno intsony ny hilazana azy fa miha-sarotra ilay teny gasy rehefa ela no tsy nanoratra na niteny firy.Ataovy vary amin'anana rehefa izany fa tsy maninona.Teneno teny gasy ranofotsiny ny ankizy dia rehefa tsy fantany vao avadika teny vahiny.Tsy manenina mihitsy hianareo raha manan-janaka aty ivelany ka manao an'io.
63. xxx ( 06/11/2007 06:56)
tsy azonareo mihitsy ny tena tin'ny mpanokatra hevitra ambara:(, avereno vakina tsara nge e!
tsy mankahala ny teny frantsay izy fa ny fampiasàna azy entina hizestiavana sy hanaovana tsinontsinona ny maha-malagasy ny tena mampalahelo azy.
64. xxx ( 06/11/2007 12:50)
xxx:

tsy azonareo mihitsy ny tena tin'ny mpanokatra hevitra ambara:(, avereno vakina tsara nge e!
tsy mankahala ny teny frantsay izy fa ny fampiasàna azy entina hizestiavana sy hanaovana tsinontsinona ny maha-malagasy ny tena mampalahelo azy.


dia maninona no hoe izay miteny frantsay fotsiny no ratsy ?

Misy miteny teny anglisy koa anie , betsaka @ namana no any US dia mampiasa teny anglisy , ka nahoana no tsy nahazo hoe "mi geste" sy manao tsinontsinona ny maha malagasy ?
65. Ylly ( 06/11/2007 13:15)
izaho mba gaga!mba tsidio kely atsy @ dinika fivavahana sy finoana fa toa maha-vantana ny mpamaly ny fiteny anglisy!dia mi-zesta ve ry zareo @ io sy manao tsinontsinona ny maha-malagasy?
66. xxx ( 06/11/2007 13:49)
Ka teny frantsay nge no eto @ ty dinika ty aloha e, zay no nasandratry ny panokatra hevitra fa tsy oe teny anglisy

fa na teny frantsay na anglisy samy tsara daholo fa tsy natao hanambaniana ny an'ny tena!

Tsy haiko na hainareo ity fiteny ity oe

ANDRIANIKO NY TENIKO NY ANY HAFA FEHEZIKO
67. xxx ( 06/11/2007 14:54)
xxx:

Ka teny frantsay nge no eto @ ty dinika ty aloha e, zay no nasandratry ny panokatra hevitra fa tsy oe teny anglisy


Ka izahay tsy mahalala fa ny titre dia hoe io teny frantsaifrantsay io, ka mba hazavao anay hoe maninona no tsy teny anglisinglisy io no voalaza na io teniteny hafa io ?

xxx:

fa na teny frantsay na anglisy samy tsara daholo fa tsy natao hanambaniana ny an'ny tena!

Tsy haiko na hainareo ity fiteny ity oe

ANDRIANIKO NY TENIKO NY ANY HAFA FEHEZIKO


Mba hazavao lalindalina kokoa hoe ? Ahoana ny atao dans la pratique ? Manomeza ohatra hahafahako mifehy ny tenin'ny hafa tsy misy "application" ?
68. rova30 ( 06/11/2007 16:40)
XXX sy i xxx ary i XXX /

..."Io teny frantsaifrantsay nareo io" hoy ny mpanoratra etsy ambony,satria: Ny teny frantsay no teny vahiny , tena be mpampiasa ,HIRESAHAN'NY SAMY MALAGASY,AO MADAGASIKARA!:( mampalahelo raha isika samy isika Malagasy eo amin'ny tanindrazantsika no miresaka teny vahiny!)

Manaraka izay:

Tsara dia tsara raha maro ny teny vahiny hainao, saingy ratsy raha ireo teny vahiny hainao ireo no hanadinoanao ny tenin-drazanao.

:-*Raha Malagasy no olona iresahanao, dia andriano(asandrato) ny teny malagasy hiresahana aminy, raha azo atao!
:-*Raha kosa vahiny no iresahanao? ka tsy mahay teny gasy izy?... dia eo kosa no ampisanao ny teny vahiny izay hainao ka hifandraisanareo ,fanajana sady fahaizana mifanakalo ilay teny vahiny amin'izay!

69. rova30 ( 06/11/2007 16:58)
...ary zavatra iray mba tsikaritro,matetika, ary mila fivoarana ihany koa : mbola betsaka isika malagasy no mihomehy, raha sendra vahiny(vazaha) mihezaka miteny gasy ka misy diso ny fanononana ilay teny.
Raha diso ilay fiteny?... dia sady ahitsy amin'ny tokony hilazana azy, no tohizana ihany ny resaka!;-)
Mba mampiresaka e!:-P
70. fijo ( 06/11/2007 22:02)
tsy dia mazava amin'ny sasany ny tian'i ronaldo lazaina.
raha mijery ireo resaka nataon'i poupoule ianareo,dia io ohatra noraisiny io,io no tiana kihanna eto.
tsy misy milaza mihintsy hoe ratsy ny mahay teny vahiny,na frantsay na anglisy na inona.fa le mizesta sy manary ny an'ny tena no ratsy.

mak aohatra fotsiny ny arabo.mahay teny frantsay koa ireo,fa ny zanak'arabo di amahay ny teniny koa.
aza hadino ry zareo,fa rah aio kolontsaina io no very,amintsika di avita ny maha gasy.ka mino aho fa tsy misy manana io tanjona io isika eto.
71. xxx ( 06/11/2007 22:18)
Raha raisina ary izay lazain'i fijo , dia inona no mahatonga an'i ronaldo hiteny hoe :

ny teny Anglisy no teny tokony hahabe zesta fa tsy io frantsaifrantsay nareo io ary aty Eoropa tadidio fa ny teny Allemand no be mpampiasa indrindra fa tsy ny Frantsay
72. fijo ( 07/11/2007 00:53)
entina hilazana fotsiny io,fa le teny hizestiavana anie ka tsy teny mahahenika ny tany e.
73. xxx ( 07/11/2007 08:21)
toa hevitra 1 iany no vakiana sy dinihintsika ery ambony ery fa misy wa ny olona tô sarotra vo mahazo zavatra, mahazo resaka!

reny ngamba le nateraka mba hanakiana be fahatany fotsiny mety noho ny tsy fitiavany ilay olona mpanokatra hevitra ngambany na tsy tiny le olona mamaly hevitra de na de marina aza ilay voalaza eto de lazaina fa diso fôna, na de fotsy aza le loko de lazaina hoe mainty fôna (ohatra zany).

zay ndrindra no matonga anah manao xxx eto satri raha vao misy mahita eo ny ps-ko de hidingin-drambo ireo tsy ti hamaly be fahatany tsy ampiheverana.

Samia maka zay tandrify azy e, io efa nataoko menamena be io le izy na teny frantsay io na tsy izy.
averiko ndray le teniko teo oe Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa feheziko
74. xxx ( 07/11/2007 08:31)
fijo:

entina hilazana fotsiny io,fa le teny hizestiavana anie ka tsy teny mahahenika ny tany e.


tsy azo hi zestiavana angaha raha tsy mahahenika ny tany ?

Safidy ry reto io a, hajao ny safidin'ny hafa, raha te hizesta @ teny frantsay izy dia avelao hi zesta @ teny frantsay, raha teny hafa hi zestiavana dia avelao izy fa safidy io
75. xxx ( 07/11/2007 08:43)
xxx:

toa hevitra 1 iany no vakiana sy dinihintsika ery ambony ery fa misy wa ny olona tô sarotra vo mahazo zavatra, mahazo resaka!


Tsy hoe tsy mahazo resaka ka, ny mametraka sujet koa mety tsy mazava . Na dia ilay filazàna frantsaifrantsay aza dia efa misy connotation négative avy hatrany

xxx:

reny ngamba le nateraka mba hanakiana be fahatany fotsiny mety noho ny tsy fitiavany ilay olona mpanokatra hevitra ngambany na tsy tiny le olona mamaly hevitra de na de marina aza ilay voalaza eto de lazaina fa diso fôna, na de fotsy aza le loko de lazaina hoe mainty fôna (ohatra zany).



Aza dia mora mitsara olona hoe "nateraka hanakiana be fahatany" fa tsy mety izany

Tsy nateraka hanakiana be fahatany fa mandanjalanja. Izaho manoratra aloha tsy mahalala manokana an'i ronaldo09 na namana hafa, tsy mankafia manokana ny teny frantsay ihany koa

Azo raisina ho manakiana be fahatany koa ny mamorona ny sujet raha toa ka fiteny iray ihany no kianiny eto, araka ny voalaza teo aloha anefa dia misimisy ihany koa ny mampiasa teny anglisy ka nahoana no tsy voakina.

Hajao ny safidin'ny hafa hoy aho etsy ambony, raha ny teny frantsy no tiany hi zestiavana dia avelao izy hanao izy tiany e , raha teny gasy na teny anglisy no tianareo hi zestiavana dia ataovy fa tsy misy bedy
76. Ylly ( 07/11/2007 12:55)
voalaza teo>>>>>>>>>Hajao ny safidin'ny hafa hoy aho etsy ambony, raha ny teny frantsy no tiany hi zestiavana dia avelao izy hanao izy tiany e , raha teny gasy na teny anglisy no tianareo hi zestiavana dia ataovy fa tsy misy bedy
77. xxx ( 07/11/2007 13:53)
ronaldo:
Ny tsy fantatrareo izay dedaka ireo anefa fa tsy misy lanjany ny teny fantsay aty ivelany ...ny teny Anglisy no teny tokony hahabe zesta fa tsy io frantsaifrantsay nareo io ary aty Eoropa tadidio fa ny teny Allemand no be mpampiasa indrindra fa tsy ny Frantsay ,


fijo:
tsy dia mazava amin'ny sasany ny tian'i ronaldo lazaina.
...
tsy misy milaza mihintsy hoe ratsy ny mahay teny vahiny,na frantsay na anglisy na inona.fa le mizesta sy manary ny an'ny tena no ratsy.


Io no voasorany dia tsy midika fanaratsiana ve izany ? :^):^):^):^)
Izy ihany aza no tena mizesta fa mahay teny 4
odoie !
tsy io olona io ihany moa ilay nanokatra dinika indray mandeha izay milaza fa makorelina daholo ny vhv gasy monina any ivelany ? Eishy aho we e kala ronaldo aotra sivy e !

ary nankaia moa izy teo e ? nirifatra nitsoaka aiza ?
78. sarobidy ( 07/11/2007 14:13)
Tsita i ronaldo :roll:
79. fijo ( 07/11/2007 21:02)
xxx?hi hi i aotra sivy ngaha?
80. xxx ( 08/11/2007 09:24)
fijo:

xxx?hi hi i aotra sivy ngaha?


an an an zero nine , na O nine :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1924