Io teny frantsaifrantsay nareo io

41. fijo ( 31/10/2007 21:17)
rova an,ny tarehimarika sy ny anarana dia tsy misy azo hanovana azy,fa aza diso ndry.
sarkozy ohatra ts misy hoe inoan no hiantsoana azy amin'ny teny gasy,fa izay io.ny 2 koa dia 2 ihany na gasy na vazaha na agilisy na zamerika.fa ny tiana resahina eto ,de le firesaka sy fampiasana le teny frantsay;
ohatra hoe misy ankizy vao 2 taona no tonga eto frantsa dia milaza fa tsy mahay teny gays firy intson,y.io dia henatra be toa ny vay an kandrina ,satria ny teny sy ny bisikileta rehefa hay tsy hadino intsony
42. rova30 ( 31/10/2007 22:07)
Fijo! Mba vazivazy ilay anarana tamin'i Ronaldo iny, fa i fijo ve tsy mba mitsiky mihintsy e!?

Mandehana i Fijo manatitra vola any amin'ny banky,(ao mada) dia ataovy soratra teny gasy, ilay lelavola, dia ho hitan'i Fijo eo izay holazain'ny mpiasa ao!
2=roa=two=deux=zwei...?=?=?
Efa sendra sehatra maromaro anie aho matoa miteny izany e!
Amin'izao fotoana izao ;dia efa mba misy ny "internet" sy ny telefona ka moramora ny miresaka amin'ny teny gasy!
Fa raha irery ny olona , ka tsy mifanerasera ami'ny Gasy toa azy , dia sadaikatra ihany aloha vao mihazatra tsikelikely indray rehefa mihaona amin'ny havana.Izaho tsy manda hoe adino tanteraka akory ilay fiteny, saingy mila fotoana kely mba ahazarana tsara ny fomba fiteny, fa raha roa taona kosa aloha? toa mbola vetivety loatra e!;-)
43. fijo ( 01/11/2007 20:07)
rova ,za mpitsiky be ka.tsy mbola mahay ahy ndry

ny fanoratra ny 2 no tiako lazaina ka.

rova an,za tamin'ny 1985 no niala tany mahajanga,aty tsy misy olona avy any hiresahako(le fiteny any)fa hatramin'izao tsy very le izy.
44. xxx ( 01/11/2007 21:24)
izany aza eo ihany fa ny ahy no tena nampiomehy ahy, misy sipa efa lehibe teto madà teto, efa mihoatra ny roapolo taona any izy vao lasa nipetraka any la reunion, nifanena izahay tamin'ity taona ity dia hoe:...mikikika be izy fa matahotra lalitra hono...nefa vao dimy taona na efa-taona tany no nipetraka tany la reuion:-D:-D:-D:-D
any la reunion anefa mitovy eto dago ihany ny toetr'andro , rehefa mafàna dia be lalitra, any europe aza be lalitra refa mafàna ny andro8O
zesita daholo izany:-D
45. fijo ( 01/11/2007 21:56)
za vao naika hiteny hoe la reunion ve de tsy misy lalitra??izay le hoe mba nivoaka e
46. sarobidy ( 03/11/2007 06:21)
:-D lalitra kosany v????, tafahôtra kosa zany
47. poupoule ( 03/11/2007 07:29)
Mba ahalalao kosa ny saina e, tena tsy lasa mihitsy ilay toe tsaina mieritreritra fona hoe itony koa mizesta rehefa mba miteny frantsay ny olona sasany.Dia inona nefa no anaovana olana be amzany e, mba hainy ary ilay izy koa, aleo izy hivalampatra am fahaizany rehefa izay no mba mahafinaritra azy.Fiainana efa sarotra sy be olana lava ity ve, dia izay teny frantsay no hankarariana fo, raha toa ka io no mahavantana ny sokajin'olona sasantsasany, ary raha atao ary hoe mifono "zesta" ny fampiasany azy, aleo rangaha izy mba hizesta raha izay no mampetipety ny sainy sy ny fiainany a, ento mora ho'aho ny fiainana fa anisan'ny tosika mampandroso koa ny fahalalan tsaina.Izaho gasy an, fa au contraire faly aho raha mahita gasy tena mahay miteny frantsay be...ny ao an tsaiko amzay fotoana izay dia hoe tray tena mahay miteny frantsay tsara kosa ity olona ity koa!!! ary tsy hieritreritra mihitsy aho na 1sec aza hoe mbo be zesta koa itony nefa tsa mahay teny anglisy akory sns....compliqué lotra izany fomba fisainana zany dia aza alefa lavitra be otrotrzay foana le "ressenti" e, mba mifalia rehefa tafa ny sasany na am teny frantsay ary...mankasitra ka anareo.


48. poupoule ( 03/11/2007 07:40)
mbola izaho ihany ity, misy zavatra tsaroako tampoka.Efa tsapanareo angamba fa izaho tsy radicalement contre anreo olona mahay teny frantsay ary miteniteny frantsay lava.Fa nisy zavatra mba nanafitohina ny tenako kosa indray mandeha izay.Tamin'ny taona 1999 no nitranga ity zavatra ity.Nianatra tao paris aho tamin'izay ary nisy ankizivavy gasy anankiray niray lakilasy tamiko.Marihiko fa tonga tao lafrantsa teo am 3 taona talohako teo ho eo izy io.Nahay teny frantsay tsara izy, ohatran'ny vazaha mihitsy aza ny "accent" ny dia finaritra aho mihaino azy rehefa tafiaraka izahay.Nandeha teny ny volana maromaro dia nanomboka tsikaritro fa manary ny kolontsaina maha malagasy azy be mihitsy ikala.Safidiny izay ary na nampalahelo ahy aza dia tsy nentiko ho sakana tam fifandraisanay.Indray mandeha anefa nifanena tanaty mpivarotra lehibe dia lehibe tao paris izahay roa, izaho taminio niaraka tamina sipa anamako gasy anankiroa.Dia no présentéko moa izany ny andaniny sy ny ankilany.Hoy ilay namako anankiray mantsy ity mpiray lakilasy amiko ary: dia manahoana ny fianankaviana any dago?....hoy izy namaly: heu c'est quoi fianankavineuh???...lol kosa fa fanahiniana be fa à 24 ans ve enao dia tsy hatadidy hoe in dikan'ny fianankaviana nefa vao 5 taona no nahatongavanao tany lafrantsa.Fehiny: tsy maninona mihitsy le mahay teny frantsay be, ilay mizesta miteny frantsay...fa le mody tsy mahay teny gasy atao fananina kosa tsy lasa e :lol:
49. koffman ( 03/11/2007 15:48)
tsy maninona mihitsy le mahay teny frantsay be, ilay mizesta miteny frantsay...fa le mody tsy mahay teny gasy atao fananina kosa tsy lasa e

=D=D=D
zay no tokony hilazan'ny ronaldo09 azy fa tsy mitratrevatreva be ôhatr'io tsy mety,
feno b eio tenin'i poupoule io, tsy le teny frantsay no ratsy,.....
50. Papoose ( 04/11/2007 14:51)
Za kosa aloha raha any dago ka gasy be zao no miresaka amiko dia tsy tiako raha teny frantsay no iresahana e!na but mizesta ny azy io na tsia !

ny zvt hitako le rehefa any @bank (bank mitovy fa ny sy siege no samihafa) ndray dia misy an'ilay tsy haiko, receptionist angamba iny manampy olona mameno taratasy sns eo, dia ny olona nilahatra teo tambanivohitra no betsaka t@zay, dia ny manaraka rehetra eo mihaino zay lazain'ilay ramatoa @le andeha hameno, dia gaga aho fa anaovan'ilay ramatoa mot a mot teny frantsay be ilay olona dia hitako sahirana fa tsy azony mihitsy ny tokony hatao. Dia raha vao diso nefa dia mila mameno ttsy vaovao dia ilay ramatoa ndray no kizitina...

Ny hitako fotsiny dia hoe tokony jerena ihany ilay olona hiresana raha mba afaka micomprendre na tsia aloahn'ny hoe mispeak be. Tsy haiko koa ny an'ilay ramatoa na te hizesta izy na fahazarana!:roll:
51. sitlo ( 04/11/2007 15:57)

...
Fa misy ny loko
Tsy mety hifangaro
Misy harena tsy ihavanana

Ny mitsitokotoko
Miala amin'ny maro
Ireo fotsy sy ny manana

lalala

Mahaleo
52. poupoule ( 04/11/2007 16:29)
marina nenao ka, eka ouz
53. Angie ( 04/11/2007 19:22)
Izaho aloha raha eto @ aterneto, karajia, dinika sns dia miezaka hatrany ny mampiasa ny teny malagasy

Nefa kosa misy fotoana izahay miaraka @ namana malagasy aty na @ fikambananay dia voatery miteny vahiny satria na samy miteny malagasy izahay tsy mifankahazo satria tsy mahay fitenim-poko daholo akory.

Matetika zahay rehefa miresaka zavatra hafa ka sendra misy vahiny zay vao mampiasa teny malagasy fa tenim-paritra samihafa fa dia atao zay hifankahazoana.

Amin'izay lafiny izay dia ataoko fa tsy zesta mihintsy lay izy fa tena fiteny iraisana.

54. sarobidy ( 05/11/2007 08:52)
Angie: zavatra hafa mitsy nge zany eee

poupoule: =D =D
55. Ylly ( 05/11/2007 14:34)
fa hono wa? nianarana hatramin'zay io teny frantsay io ka nahoana no tsy hampiasaina?sa niarana dia ampirimina fotsiny?tsy hitako mihintsy aloha hoe aiza ny olana hitenenana an'io é!rehefa tsy tiana dia tsy hianarana dia tsy hiresahana koa é!
56. xxx ( 05/11/2007 14:45)
Ylly:

fa hono wa? nianarana hatramin'zay io teny frantsay io ka nahoana no tsy hampiasaina?sa niarana dia ampirimina fotsiny?tsy hitako mihintsy aloha hoe aiza ny olana hitenenana an'io é!rehefa tsy tiana dia tsy hianarana dia tsy hiresahana koa é!



izaho dia gaga ry Ylly, tsy azoko ilay fankahalàna teny frantsay tampoka ... satria nahita teny anglisy na teny hafa ny sasantsasany amintsika ?

Tsy hitako mihintsy ilay hoe hahavery ny teny gasy raha toa ka misy olona vitsivitsy na maromaro aza mampiasa teny frantsay any M/car . Fa olona firy ao M/car no "mi-geste miteny frantsay " araky ny voalaza ka hahavery ny teny gasy ?

Ny tena hitako hahavery haingana ny teny gasy izao dia ity style SMS sy fomba fanoratra vaovao @ forum ity .
57. yonikafopl ( 05/11/2007 15:17)
Fa inona kay ilay tena olana amin'ny fitrnenana frantsay eee, ny ana ndrazy mahafinaritra ana rehefa maheno reny miteny frantsay amin'ny zanany, satria dia mampalahelo mihintsy ny mahita ireo tanora tsy mahay afa tsy mersi sy bonzour. Tsy mahavita tena ny malagasy fa tsy maintsy mifandray amin'ny vahiny foana, ka dia tena ilaina mihintsy ny fahaizana teny vahiny raha te ho tafita.

za zao de mba nizesita mihintsy fa mbola mahay teny gasy na dia efa ho 10 taona aza tsy taty Dago, nefa de mbola hahitan'ny olona tsikera ihany fa we tsy mahay teny gasy tsony hono fa hafahafa be, ka ozy za we aza de mitsaratsara kosa we be zesta ny sasany rehefa we tsy mahay teny gasy tsony eee, mety mahatsapa ho hafahafa ny fiteniny de aleony miteny we tsy mahay toy izay himemezan'ny olona eo.

Ny fahaizana teny vahiny no isan'ny fitarafana ny fandrosoana amiko, tsy midika akory izany fa ambaniana ny an'ny tena.
58. Ylly ( 05/11/2007 15:50)
zany anié wa é!marina ny anao ry yonikafopl sy ilay tsy misy solon'anarana!zaho zao izany hafaliako mahita ny zanako kely mahay miresaka @ teny frantsay sady mahay miresaka @ teny gasy!
fa ianareo ireo izay milaza fa mi-zesta ny gasy miteny frantsay,mba nianaranareo koa ve io teny frantsay io?dia mbola tsy niteny frantsay mihintsy ve ianareo ireo no lazaina fa mi-zesta ny hafa raha miteny frantsay?tena tsy azoko marina mafy é!iza no sahy milaza eto fa tsy nianatra an'io teny frantsay io tany am-pianarana?iza no sahy milaza fa mbola tsy niteny frantsay hatramin'izay?
hoy yonikafopl>>>>Ny fahaizana teny vahiny no isan'ny fitarafana ny fandrosoana amiko, tsy midika akory izany fa ambaniana ny an'ny tena.
59. sitlo ( 05/11/2007 16:29)
Tsy mifankahazo ny resaka.

Ilay miseho ho tsy mahay teny gasy no tsy mety fa tsy ny hoe mahay teny vahiny.
Iza moa no tsy faly raha misy namany mahay teny isan-karazany. Fa raha ny teniny kosa no isehoana tsy hay nefa hita hoe hainy ihany taloha.

Faly ary ve Ylly raha atao hoe verrroma.
verrroma :-D
60. Ylly ( 05/11/2007 17:00)
o ry sitlo a!tsy novakianao kosa angamba ny zavatra nolazain'ny olona etsy ambony é?
vloummmmm sitlo:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4162