Io teny frantsaifrantsay nareo io

21. xxx ( 25/10/2007 13:28)
16. dontcry : 07/05/2007 22:14an an an marupilamy tu conais pas:45
:-D:-D:-D
22. xxx ( 25/10/2007 20:01)
sarobidy:

methode: fa le izy kosa nge tonga d fantatra sy hita mibaribary oe ZESITA fa hafa ny hoe olona mianatra ny mizatra ity ee!

Le mizesta anie tsy ratsy mihintsy, amporisihina mihintsy aza ny ankizy hi-zesta fa mahatsara ny fitomboan'ny sainy ireny. :-D

23. fijo ( 25/10/2007 22:31)
ny mianatra tsara arytsy misy manakana azy.ilain ako any fahazarana miteny.fa miavaka be ny te hizatra sy ny mizesta.io tsy miafina fa mivandravandra
24. soanja ( 26/10/2007 01:46)
Misaotra an'i Ronaldo namoaka hevitra momba ny teny vahiny.
Marina tokoa ny teninao hoe tsy tsara ny mizesta amin'ny teny vahiny fa ny anao no ataovy tsara raha hainao.
Fa ny indro kely fotsiny dia ny fiarahamonina hatramin'izay taloha no nanome vahana io fomba fisainana hoe izay mahay teny baiko dia maranitra tokoa. Sarotra be anefa ny manitsy izany satria efa mipetaka ao an-tsain'i Gasy ilay izy ary sarotra akifika be.
Misy tokoa mantsy amin'ny filan'olombelona ny fitiavana mba ho raisin'ny namana sy mba omen'ny namana fanajana. Ka matetika dia mahatsapa ny zatovo fa amin'izao fotoana fa izay mahay an'io mahazo izany na antsoina hoe "cool". Te ho cool daholo ny zatovo amn'izao. Tys misy maharatsy azy izany ka!

Ao koa anefa ireo izay nolebiazina mihitsy tao anaty teny vahiny ka sahirana izy raha hiteny Gasy satria tsy mahazatra azy izany. Betsaka izany amin'ireo zanaka gasy nahitahita tamin'izany andro izany, tody aty US ka milaza fa tsy mahay teny Gasy. Tsy mitsara avy hatrany anefa fa ny azonao handraisana azy dia ny miteny hoe vonona ve ianao hiteny gasy rehefa miresaka amiko? dia hita eo izay havaliny. Betsaka ny tonga dia manaiky satria izay no fahandrena aloha raha samy aty an-dafy, tsy ankiteny Frantsay ilay toeran mantsy satria na teny gasy na teny Anglisy.

Ny finiavana hiezaka hiteny ny tenintsika no zavadehibe fa tsy ny fahaizan'ny hafa teny hafa no tokony hasiana tsindry. Samy manana ny mahazavadehibe ny fiainany tokoa mantsy e.

Ny hitako mampalahelo fotsiny ka mampatahotra dia mety maty tokoa ny teny iray ka raha tsy hazonina dia matetika mirona amin'izany fahafatesana izany avokoa.
Ohatra lehibe amin'izany dia i Mexico sy ny firenena be dia be miteny Espaniola aty Amerika Latina. Nanana ny teniny tokoa ireo firenana ireo saingy very nohon'ny fanjanahana nahazo azy. Betsaka amin'ireo mba te hitady ny identite hoe zah teraka foko indianina izao sy izao. De refa anontaniana hoe ahoana ny fiteny hoe zao any amin'izany foko izao dia gina tsy mahalala satria very ilay izy.

Koa raha tianao ny firenanao dia tsinjovy koa ny teniny satria io no hampiavaka azy amin'ny rehetra.

Tsetsetra tsy aritra fotsiny dia hoe raha misy accent ny teny Anglisinao aty aminay dia "cool" ianao izay! :-*:-*:-*
25. ikaretsaka ( 26/10/2007 02:16)
namaste soanja
26. LazaDaddy ( 26/10/2007 04:11)
Raonalidao_aotra_sivy> zany teny angilisy sy teny kaominista (Russie) izany moa ataon'ny Gasy inona fa Paris sy Marseille izao no vedette e!
27. methode ( 26/10/2007 12:28)
Ireny avy any amorontsiraka ireny koa zany izao mizesta satria tsy maintsy mifangaro ny teny frantsay sy gasy ho andry zareo, indrindra moa ny avy any Sainte Marie.
28. fijo ( 27/10/2007 04:25)
St marie indray tsy zesta fa tena izay mihintsy ny fiteniny.ny olona ao dia tena efa very raha azo lazaina io teny io.
29. soanja ( 28/10/2007 01:23)
Ika> Namaste Ranadahy!
Fijo> Izay indrindra.
30. ikaretsaka ( 28/10/2007 01:48)
kiii de ahoana anay tony zany?
ay le ankizy mba ela ihany izay nifindra monina izay fa tsary mety hafaka le teny vakinankaratra an..
ny sasany 2 volana tany Farantsa de hoa tsary mahay teny gasy tsotry
31. malalaka ( 28/10/2007 01:56)
Ika. oviana le deparrrrrrt nao?:-D
32. soanja ( 28/10/2007 11:19)
Ary ahoana kosa hoe diso ve ilay olona raha tsy mahay teny Frantsay ohatra dia mila miezaka be tokoa dia io fitenanana azy isa-minitra no mampiraikitra azy ao an-tsainy rah avao tonga ao Frantsa izy.
Amiko mantsy ny teny tsy hay tsara raha tsy tarognina.
33. sarobidy ( 30/10/2007 15:05)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 25-10-2007 13:26:26
Lohateny : Re : Io teny frantsaifrantsay nareo io
Hoy i sarobidy:

methode: fa le izy kosa nge tonga d fantatra sy hita mibaribary oe ZESITA fa hafa ny hoe olona mianatra ny mizatra ity ee!
ka aiza ny olanao @ zany é?fa maninona no lazaina fa mizesita ny olona é?fa maninona koa no mihaino izay zavatra lazainy any @ telefoniny any?




xxx: ôtry ny oln marary saina no fiheverako anao, manararaotra ôtry ny banga mimé alina @ ty xxx ity, misehoa raha sahy fa hevitra nge no aseho eto tsy oe inona ny olako sy ny tsy olako amzany eee! Misy vo kely ngah ty!!!

Sahala am oln tsy mbô nandi fenarana izato fomba firesakao @ rehetra, manantona psy fa misy tsy norma ao aminao
34. sakaizakely ( 30/10/2007 15:39)
raha vao resaka frantsay dia be ny mihivingivitra, ohatra ny hoe misy tsy ariny mihintsy ao 8O8O8O8O8O

Marina ny an'i ronaldo hoe ilaina ny mahalala fiteny hafa, ary ny angilisy no tena teny iraisampirenena voalohany. Na hiasa eto Frantsa aza dia ireo mahay miteny angilisy sy fiteny hafa no mahazo vahana kokoa. Vao mivoaka ny taniny koa, na dia Communauté européenne ihany aza dia tsy miasa intsony ny teny frantsay.

Azo tenenina moramora izany fa tsy mila mivatravatra hoatry ny rottweiler rehefa mamoaka hevitra.

Ny hoe gasy be zesta indray dia tsy mahagaga fa fomban'ny siny tsy feno io mitobaka io, ary betsaka tokoa ny manao toetsaina siny. Eto am serasera dia efa mahita an le be mitratrevatreva ireny. Tsy ny fitenenana frantsay ihany, fa ilay mihevitena ho faratampony dia mitsingatongatotra isaky ny miteny. Mahatsapa ny tenany izay rangah vehivavy izay :-D:-D
35. fijo ( 30/10/2007 21:07)
moramora isika e
36. rova30 ( 30/10/2007 23:24)
Misy marina ihany ny tenin' i Ronaldo!

(Inona kay no dikan' ilay solon'anarana hoe Ronaldo amin'ny teny Malagasy raha tsy mahadiso?!);-)

...tsetra tsy aritra ihany iny, fa ny fomba niainan-tsika sy nitaizana ary nampianarana antsika Malagasy no tena mbola voabahana ihany mandrak' izao amin'ilay teny frantsay!
Mbola betsaka no tsy ampy hamoahana hevitra ny tenin-tsika malagasy ,ka voatery mindrana ilay teny frantsay mba ahafahana mampita ilay hevitra (satria io fiteny vahiny iray io no mbola be mahay kokoa nohon'ny fanjanahan'ny Frantsay antsika fahiny.(Aza adino ny tantara!)

Ohatra fotsiny:...rehefa mametraka vola any amin'ny banky ianao, na dia efa ariary aza ny vola miasa, dia mbola voatery atao frantsay ny soratra milaza ilay lela-vola!
Tsy mety raha atao hoe DIMY ARIVO ARIARY ohatra ny 5000ariary! indrisy!Mahatra aho ry taniko!
Na ny filoha sy ny ambara-tongany aza voatery miala-tsiny lava izao rehefa mikabary hamelabelatra ny heviny.
Sehatra tsy azo anoharana ireny, saingy ny mampalahelo matetika, dia ireo izay "nahita fianarana", hita mazava izao fa afaka dia afaka tokoa ny hametraka sy hamela-belatra ny heviny amin'ny teny malagasy ,nefa dia toa miezaka hatrany ny manao vary amin'anana (araka izay azo atao)!!!!!!Mila hiteniteny foana mihintsy ny tena eo ampamakiana ny soratra indraindray. ETO AMIN'NY TAFA SY DINIKA IHANY DIA AHITANA IO TRANGA IO!
Mitohy anefa ilay resaka, dia mazava eny ihany fa tsy dia misy olana ny hanoratany Malagasy be dia be tokoa!
Asio ezaka ihany ry zareo a!Aza atao valalan' amboa!
37. sarobidy ( 31/10/2007 08:13)
De mampaninona zao raha maneho hevitra otry ny rehetra ôtrzao fa tsy mifampiteny² teny hafahafa ôtrzany e!
Eto am serasera dia efa mahita an le be mitratrevatreva ireny. Tsy ny fitenenana frantsay ihany, fa ilay mihevitena ho faratampony dia mitsingatongatotra isaky ny miteny. Mahatsapa ny tenany izay rangah vehivavy izay

sakaizakely: zay ndray le manao teny hafa², fa izy io ve tsy mety raha tsy mifamantsifantsy ny hafa ôtran'io e, nefa mo rehefa izay no mahazatra d akory atao! :-* fôna²

38. kallie ( 31/10/2007 08:36)
:?::lol: in kay zany marupilamy rouge et bleu zany? :-D:-D:-D
39. ronaldo09 ( 31/10/2007 08:39)
rova30:


(Inona kay no dikan' ilay solon'anarana hoe Ronaldo amin'ny teny Malagasy raha tsy mahadiso?!);-)

...

Le ronaldo akia mpilalao baolina kitra Bresiliana ary milalao ao amin'i Milana izy amizao de za zany le mpanakafy de zay ny dikan'io solon'anarana io!


40. rova30 ( 31/10/2007 20:46)
...dia eny ary koa!!!!!!!Ankafizo, ankafizo,raha izay no mampamirapiratra ny masoandron'i Ronaldo09.

Rakotondrabe:)
Andrianantenaina8)
Solofondramiasa:°)
Tsirinandimby:roll:
Nirinatafita:-w
Tojosoa:P
Baolina kitra:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0963