Kristiana te hamonjy havana tsy mpino,ahoana?

1. niryna ( 19/10/2007 06:20)
Tsy mpino ity vehivavy ary taty aorina izy nivadika ho kristiana.
Inona no ataoko ho izy mba hamonjeko ny havako izay sisa tsy maty sy ny vadiko izay tsy mino an'Atra?
Samy milaza ny azy ho marina daholo izy ireo hoy izy ary samy tsy manaiky ho resy lahatra.

Mahita hevitra ve hianareo ?
novalian'i niryna ny 02/11/2007 05:53
2. diamondra27 ( 19/10/2007 06:40)
mivavaka ho azy ireo aloha
de aveo refa afaka mitory de mitory le famonjena azo.
De refa aveo avelao ny Tompo no hiasa fa enao efa namboly.
De mahareta @ fivavahana fa izaho dia naharitra 10 ans nivavaka ho an'ilay namako vavy tsy foiko izay; depuis 1982 jusqu'à 1992 avant mon départ france izy no nanolo-tena ho an'i Tompo.
3. sarobidy ( 19/10/2007 06:58)
niryna: fa izy efa nofidiany tao anatin'ny maro mba hizara le famonjena, d matoa izy nofidiany d satri tsy misy tiany ho very ry zareo rehetra(fianakaviana 1 manontolo), fa ny hampaherezanao azy d ilay fahazavana efa azony, mino a fa hihanaka ka hahazo ny anjarany daholo ny fianakaviany, raha tena mino sy mivavaka @ FONY izy:D
4. Jeankely ( 19/10/2007 08:41)
Jereo ny antony tsy hinoany dia ao ianao no afaka mahita hevitra. Raha tena tsisy hevitra moa dia azy ny azy. Na hivavaka eo aza ianao raha tena masaka ao andohany ny tsy finoana dia sarotra. Voadona izy vao mahalala
5. bosista ( 19/10/2007 09:40)
fangah isika rehefa mpino kristianina de hanary havana tsy mbola mpino?!!!
de aiza izany ny fihavanana izay nampalaza antsika malagasy hatry ny ela izay???
ny fifaneraserana amin'olona izany de ahoana? fa aiza aloha izao no ahitana tanana manana mpino kristianina zato isanjato eto ambonin'ny tany? ka tsy misy jentilisa ao aminy?
6. Kwasi ( 19/10/2007 10:59)
Tsy misy hevitra hitako afa-tsy ny mivavaka ho an'ireo fianakaviany ireo.
Ampitao any aminy fa raha tena ao anatin'ny finoana sy fitiavana [fa tsy tahotra sy fisalasalana] no anaovany ny vavaka dia tsy maintsy hisy hiova tahaka azy ihany ireo fianakaviany ireo.
Dia mahereza hono hoe.
7. mandrindra ( 19/10/2007 11:36)
safidy malalaka ny ho an'ireo tsy mpino ka avelao izy hijanona amin'ny tsy finoany. mba eken'ny mpino ve raha izaho tsy mino no handeha hiantso anareo hoe andao aza mino intsony fa mampalahelo ahy ianareo????
8. majesty ( 19/10/2007 12:12)
niryna:afafazo foana hono ny voa na amin'ny maraina na amin'ny hariva na eny amoron-dalana na aiza na aiza dia mivavaha ho azy :D
9. diamondra27 ( 19/10/2007 13:42)
majesty:

niryna:afafazo foana hono ny voa na amin'ny maraina na amin'ny hariva na eny amoron-dalana na aiza na aiza dia mivavaha ho azy :D


_________________________

zay ndrindra , 100% d'ac

niryna : averiko fa za zao mahalala tsara we: tokony hitsfy le fiadiana aho , nefa raha tsy miambina na de 1 segondra aza de mety ho lavo , de teo indrindra no tonga le dinikan-dry we misikina , fiadiana tsara ...


10. ikaretsaka ( 19/10/2007 15:02)
mivavaka ho azy dia mampahafantatra azy!

na hoe Izy aza no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana,
Tsy hay izay nomeny lalana sy fahamarinana sy fiainana any amnkoatra any an!

esory ilay fisainana hoe "rehefa tsy izahay dia tsy izy" na ilay hoe"izahay ihany"

(Raha mila fijoroana vavolombelona:wink: dia tsotra;
Izaho sy i Fijo hatramin'ny nisian'ny serasera no efa mpinamana be, Izy fantatrareo fa tsy mino, izhao mpino, izy mahafantatra ny inoako moa za mahafantatra ny tsy inoany, jifampizara eto zahay roalahy na tsy mitovy firehana aza! fa any aoriana any, iza no mahalala raha mety ho hitako any an-danitra izy na any @ izay alehako rahatrizay any?:roll: mety fomba hafa ilay tsy nosainiko mihitsy no nahatongavany tany)
11. pissoa ( 19/10/2007 15:12)
:-D:-D:-D
12. ikaretsaka ( 19/10/2007 15:20)
mety nahazo passe special tany @ i Jesoa tany lery ohatra..
miaraka @ escortes et tout et tout!...
isika le mbola milahatra be ireny (cf.Ivato)
13. niryna ( 19/10/2007 18:17)
diamondra27:

mivavaka ho azy ireo aloha
de aveo refa afaka mitory de mitory le famonjena azo.
De refa aveo avelao ny Tompo no hiasa fa enao efa namboly.
De mahareta @ fivavahana fa izaho dia naharitra 10 ans nivavaka ho an'ilay namako vavy tsy foiko izay; depuis 1982 jusqu'à 1992 avant mon départ france izy no nanolo-tena ho an'i Tompo.

misaotra betsaka.Misy tokoa ny vavaka emergency na tonga dia mivaly eo noho eo,misy ny hoe miandrasa,misy ny hoe tsia.Tsy maintsy mamaly foana Atra rehefa mino azy isika

14. niryna ( 19/10/2007 18:20)
sarobidy:

niryna: fa izy efa nofidiany tao anatin'ny maro mba hizara le famonjena, d matoa izy nofidiany d satri tsy misy tiany ho very ry zareo rehetra(fianakaviana 1 manontolo), fa ny hampaherezanao azy d ilay fahazavana efa azony, mino a fa hihanaka ka hahazo ny anjarany daholo ny fianakaviany, raha tena mino sy mivavaka @ FONY izy:D

Ny olana aminy hono dia samy milaza ny marina daholo izy ireo.Izaho aloha niteny hoe mivavaka ho azy ireo aloha ary misaotra an'Atra fa izy tokoa no nanapaka ilay tadin'ny fanangejana ny tsy finoana an'Atra.Manana responsability na andraikitra isika tsirairay avy amin'izany,saingy raha sendra ny olona mafy loha dia ahoana hoy izy?

15. niryna ( 19/10/2007 18:22)
Jeankely:

Jereo ny antony tsy hinoany dia ao ianao no afaka mahita hevitra. Raha tena tsisy hevitra moa dia azy ny azy. Na hivavaka eo aza ianao raha tena masaka ao andohany ny tsy finoana dia sarotra. Voadona izy vao mahalala

Izany tokoa angaha,ary ilay hoe efa nofidin'Atra isika? Raha tsy nofidiany izany ilay olona dia tsy hino mihitsy?

16. niryna ( 19/10/2007 18:24)
bosista:

fangah isika rehefa mpino kristianina de hanary havana tsy mbola mpino?!!!
de aiza izany ny fihavanana izay nampalaza antsika malagasy hatry ny ela izay???
ny fifaneraserana amin'olona izany de ahoana? fa aiza aloha izao no ahitana tanana manana mpino kristianina zato isanjato eto ambonin'ny tany? ka tsy misy jentilisa ao aminy?

Tsy mahazo manary indrindra fa efa tafiditra ao anatin'ny fanambadiana hianao.Hiara-maty anay:D
Raha ilay olona tsy mpino no miala dia voasoratra ao anaty baiboly fa mahazo mandeha izy,raha mijangajanga koa dia mahazo misaraka na mamono manimba ny tempolin'Atra dia mahazo mandeha koa:roll: .Ankoatrizay dia lamban'akoho ny fanambadiana.

17. niryna ( 19/10/2007 18:27)
bosista:

fangah isika rehefa mpino kristianina de hanary havana tsy mbola mpino?!!!
de aiza izany ny fihavanana izay nampalaza antsika malagasy hatry ny ela izay???
ny fifaneraserana amin'olona izany de ahoana? fa aiza aloha izao no ahitana tanana manana mpino kristianina zato isanjato eto ambonin'ny tany? ka tsy misy jentilisa ao aminy?

Tsy hisy raha tsy efa tonga i kristy ,saingy misy jiro iray mety hanazava ny manodidina ary iny no apetraka eo amin'ny latabatra mba ahazo hazavana daholo ny manodidina rehetra:D Jiro iray ihany an.Iray kanefa mazava be ,mahazo fahazavana sy mitady iny fahazavana iny daholo izay mahafantatra fa ao anaty maizina,raha tiany moa ny hitsilopilopy sy hijanona ao dia azy indray iny :wink:

18. niryna ( 19/10/2007 18:30)
Kwasi:

Tsy misy hevitra hitako afa-tsy ny mivavaka ho an'ireo fianakaviany ireo.
Ampitao any aminy fa raha tena ao anatin'ny finoana sy fitiavana [fa tsy tahotra sy fisalasalana] no anaovany ny vavaka dia tsy maintsy hisy hiova tahaka azy ihany ireo fianakaviany ireo.
Dia mahereza hono hoe.


Izay koa no hitako sy natoroko azy ireo.Nisy iray koa mantsy mba te-hiaraka hamaky baiboly aminay hono izy rehefa amin'ny fotoana fakana sasatra iny izahay,saingy matahotra hono izy fa sao tenenina amin'ny marina.Toa tsy any ny olana satria sarotra be ny tonga dia mitsara sady tsy anjarantsika izany.Nahita fihovana tamin'ilay namany hono izy ka mba maniry koa sy mitady izany fifaliana izany.
19. niryna ( 19/10/2007 18:33)
mandrindra:

safidy malalaka ny ho an'ireo tsy mpino ka avelao izy hijanona amin'ny tsy finoany. mba eken'ny mpino ve raha izaho tsy mino no handeha hiantso anareo hoe andao aza mino intsony fa mampalahelo ahy ianareo????


ok mba heken'ny sainao ve raha ho anay mpino fa rehefa tonga ny farany dia iny izahay mandeha miakatra miaraka an'i kristy,dia io ny zanakay na ny vadinay na ny havanay mipitrapitra? io no olana amin'ny mahaolona an'ilay ramatoa miteny.
20. niryna ( 19/10/2007 18:34)
majesty:

niryna:afafazo foana hono ny voa na amin'ny maraina na amin'ny hariva na eny amoron-dalana na aiza na aiza dia mivavaha ho azy :D


marina izany ka izany no tsy mba mahakivy ahy,tsy maintsy misy maniry na androany na rahampitso na afaka rahoviana,ny fantatra sy azoko antoka dia tsy maintsy maniry:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1807