Manaiky an'ity ve ianareo?

1. xxx ( 18/10/2007 07:56)

Manaiky an'ity ve ianareo ?
Ho an'ny kristiann hona raha misy ny fisaraham-panambadiana dia izay manana ny marina no diso .
répondu par fijo le 07/11/2007 22:18
2. LazaDaddy ( 18/10/2007 08:46)
1) Ho an'ny Kristianina (raha samy Kristianina izy mivady) dia tsy misy ny fisaraham-panambadiana.

2) Raha Kristianina mino sy mankatoa ny Teny voasoratra dia tsy amdeha hanambady tsy Kristianina.

3) Raha samy tsy Kristianina izy mivady talohan'ny fanambadiany, saingy lasa Kristianina ny iray taorian'ny fanambadiany dia tranga hafa no miseho araka ny voasoratra ihany.

:)

3. cutie ( 18/10/2007 11:13)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 18-10-2007 10:46:02
Lohateny : Re : Manaiky an'ity ve ianareo?
1) Ho an'ny Kristianina (raha samy Kristianina izy mivady) dia tsy misy ny fisaraham-panambadiana.

2) Raha Kristianina mino sy mankatoa ny Teny voasoratra dia tsy amdeha hanambady tsy Kristianina.

hafahafa ndray zany
4. rabilabila ( 18/10/2007 11:27)
Ka ao amin'ilay teny voasoratra indrindra no tena misy mànana vady bedabe kou!!

sationany:IITantara 11:21 Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). IITANTARA 11

Izay izany!!!
5. cutie ( 18/10/2007 11:28)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
6. prime ( 18/10/2007 11:55)
Mitombina avokoa ireo fanamarihan'i LD ireo...

rabilabila> ka taiza ho aiza Kristy sy ny apostoly no nananatra sy nampianatra momba ny fanambadiana "kristiana"... tany amin'ny TT sa TV...?
7. cutie ( 18/10/2007 11:57)
misy de mamorona fotsiny ny sasany :-D
8. prime ( 18/10/2007 11:59)
Mitombina avokoa ireo fanamarihan'i LD ireo...

rabilabila> ka taiza ho aiza Kristy sy ny apostoly no nananatra sy nampianatra momba ny fanambadiana "kristiana"... tany amin'ny TT sa TV...?
9. cutie ( 18/10/2007 12:00)
Mpandefa : prime [ Valio ] 18-10-2007 13:59:25
Lohateny : Re : Manaiky an'ity ve ianareo?
Mitombina avokoa ireo fanamarihan'i LD ireo...

efa nandalo tao nga prime no we mitombina daholo:-D
10. xxx ( 18/10/2007 12:14)
rabilabila> ka taiza ho aiza Kristy sy ny apostoly no nananatra sy nampianatra momba ny fanambadiana "kristiana"... tany amin'ny TT sa TV...?
11. prime ( 18/10/2007 12:17)
cutie> izaho manambady (tokana) aman-janaka ary mametraka ny ankohonako ho amin'ny fanarahana dia an'i Kristy...:)

Ny lazaiko hoe mitombina ny lazain'i LD dia : ny kristiana samy kristiana mpivady dia tsy misy fisaham-panambadiana intsony... ny kristiana mankato ny tenin'Andriamanitra dia tsy manambady tsy kristiana... ary raha kristiana niova fo taorian'ny fanambadiana ny iray nefa ny iray nijanona tsy mino dia misy lalana nambaran'izany ao amin'ny soratra masina...:)

Mitombina ara-tsoratra masina ireo voambarany ireo...
12. cutie ( 18/10/2007 12:20)
Mpandefa : prime [ Valio ] 18-10-2007 14:17:21
Lohateny : Re : Manaiky an'ity ve ianareo?
cutie> izaho manambady (tokana) aman-janaka ary mametraka ny ankohonako ho amin'ny fanarahana dia an'i Kristy...

tsara zany :)
ny kristiana mankato ny tenin'Andriamanitra dia tsy manambady tsy kristiana... ary raha kristiana niova fo taorian'ny fanambadiana ny iray nefa

fanavakavahana tsotra zao zany
13. prime ( 18/10/2007 12:48)
cutie> fanavakavahana ve ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra? moa na ny tenin'Andriamanitra aza tsy manao fanoharana maro ny amin'ny fanjakàn'Andriamanitra mikasika ny vary sy ny tsiparifary?
14. cutie ( 18/10/2007 12:54)
12. Mpandefa : prime [ Valio ] 18-10-2007 14:48:27
Lohateny : Re : Manaiky an'ity ve ianareo?
cutie> fanavakavahana ve ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra? moa na ny tenin'Andriamanitra aza tsy manao fanoharana maro ny amin'ny fanjakàn'Andriamanitra mikasika ny vary sy ny tsiparifary?

fanavakavahana ny filazana we za tsy hanambady an'iny fa iny tsy kristiana.
Zay ny tiako ahatongavana :lol:
15. prime ( 18/10/2007 13:07)
cutie> mialoha ny iresahanao amin'"iny" dia fitaizana ara-tsoratra masina mihitsy ny tsy ifaneraseràna akory amin'"iny"... raha fanambadiana no itondràna ny resaka...

Ny mpino kristiana rehefa mitady vady dia misy lalana itondran'Andriamanitra azy manokana mihitsy... (tsy fantatr'i cutie angaha moa izany?) fa tsy hoe iny misy tsara tarehy, tsara asa, tsara firazanana, tsara (araka ny fijery azy) ka na kristiana na tsia dia alefao aloha dia ho hita eo...
16. cutie ( 18/10/2007 13:09)

tsy mahalala an'zany alou za ry prime :)
17. xxx ( 18/10/2007 13:21)
ny kristiana mankato ny tenin\'Andriamanitra dia tsy manambady tsy kristiana...

Diso, tena diso, ary hamafisiko fa diso.

Raha ny soratra masina no jerena ilazana ny mahadiso an\'io dia izao: Raha ohatra ka tsy manambady afatsy Kristiana ihany ny kristiana dia tsy ho nanoratra izay nambarany ao amin\'ny 1Cor7, 12-14 i Paoly. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=7&andininy=1-25&dika=

Raha amin\'ny maha olona indray dia izao: Zovy no afaka hamehy ny fitiavany ka hilaza hoe: izao ihany no ho tiaviko?

Miombon-kevitra amin\'i cutie aho amin\'io resaka iray iray io.
18. rabilabila ( 18/10/2007 13:34)
Discrimination positive ry cutie a!!:-D:-D

Na hiodina havia ianao ry prime , na hiodina havanana dia tsy afaka hiala amin'ny testamenta taloha ( izay fototra hijoroan'ny monothéisme 3 ) .Moa va tsy avy ao ny "didy folo " ? Sa izay mahadiavolana ihany no raisina ?

Ary ahoana indray amin'ity fampianaran'i kristy ity ?
Hoy i Jesosy tamin'ny apostoliny :matio io an!!
34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;

36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.

Ka raha izany no votoatim-pahatongavany ,inona no hiraharahiany an'izay fanambadiana any ?:-D:-D:-D
19. xxx ( 18/10/2007 13:42)
rabilabila: Aza adino fa nohavaozin'i Kristy ny testamenta taloha. Raha resaka vady dia vakio ny Evanjely dia ho hitanao raha momba ny fampirafesana sy ny fisaraham-panambadiana izy na tsia.
20. bosista ( 18/10/2007 13:42)
miombon-kevitra amin'i xxx koa!
question:efa simba sahady ve ny maha-kristianina an'ireny kristianina manao divorce @tribonaly ireny sa tsia ?
-moa ve ny fiangonana mahaleo manmbatra ny olona mba tsy hisaraka na koa manao effort mba tsy hisian'ny fisarahana? ,na koa hoe mi-garantie mba tsy hisian'ny fisarahana? sa tsia?
sa kosa misy ny hoe zavatra tsy azo anoharana,ka tsy misy moyen hafa raha tsy divorce!
indraindray manko zavatra tsy maintsy misy io divorce io satria matoa misy izy io misy olana ao fa tsy hay arenina,indray2 aza tsaratsara ny divorce....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109