ny finoana sy ny beaute mifanipaka ve?

1. bosista ( 18/10/2007 07:44)
azafady zaho mba manontany raha misy afaka manome fanazavana na valiny,indrindra izany raha misy advantista eto vao mainka tsara,fa tsy azoko ny antony andavan'ny finoana advantista ny vehivavy tsy hanao kavina,firavaka(ankoatran'ny famantaran'andro),peratra( afa-tsy peratra mariazy), ny rouge a levre ary ny beaute isankarazany sns ...e! ,fa maninona kay?
voalaza ao amin'ny testamenta taloha ve izy io sa ahoana?
novalian'i cutie ny 09/11/2007 04:47
2. xxx ( 18/10/2007 08:05)
amiko tsia : endrik'Andriamanitra isika ka raha toa ka avelantsika ho ratsy ny endritsika dia ilay endrik'Andriamanitra izany no avelantsika ho ratsy

fa izao nefa relatif ilay hoe tsara sy ratsy ka eo no olana . Raha toa ka ny natoraly no ataonao hoe tsara dia raisinao hoe ratsy ny mihaingo , dia ny mifamadika @ izay koa marina
3. xxx ( 18/10/2007 12:20)

Tsy ny advantista ihany no tsy mankasitraka an'io fa ny Daoda koa (raha tsy diso aho dia ireo no Jesosy mamonjy sa mpamonjy amin'izao fotoana izao).

Izay tena antony mahatonga an-dry zareo manao an'izany dia tsy dia fantatro loatra, fa ny hany mba fanamarihana azo omena kosa dia hoe: tsara ny mikolokolo ny vatana amin'ny lafiny rehetra, nefa aoka tsy ho lasa sampy ny tena ny vatana ka hanadinoana an'Andriamanitra sy ny hafa.

4. cutie ( 18/10/2007 12:25)
tsara ny mikolokolo ny vatana amin'ny lafiny rehetra, nefa aoka tsy ho lasa sampy ny tena ny vatana ka hanadinoana an'Andriamanitra sy ny hafa.

:lol::lol::lol::lol::lol::lol:
5. prime ( 18/10/2007 12:59)
bosista> ny tenin'Andriamanitra dia mananatra mafy ny mpino ny amin'ny fijejojejoana mba tsy hihoatra ny fitiavana an'Andriamanitra...

"Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;" I Petera 4:3

Tsara ny fikojakojana ny tena, ilay vohary tsara noharian'Andriamanitra, manana ny endriny rahateo fa Andriamanitra dia mametraka ambony ny fikojakojàna ny tena anaty noho ny ivelany...

"Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]" I Timoty 2:9
6. jemimah ( 18/10/2007 13:22)
io ambony io ny valitena marina sy ny toko sy andininy aoka ny firavakareo ao anaty fa tsy ety ivelany ho ny soratra masina
7. booboo ( 18/10/2007 13:42)
fa naninona an'i Timoty aza ny volamena sy vatosoa sy ny tariny no nitenenany an'io ? nefa ange reny ka tsara ê ! :°)
Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]" I Timoty 2:9
8. bosista ( 18/10/2007 13:51)
ary raha tsara fitondrantena ary ilay vehivavy,mendrika no sady maotina no sady miravaka volamena de ahoana?
sa iza no afaka milaza fa izay miravaka volamena avokoa dia tsy maotina? fa izay tsy miravaka no maotina?
9. ikaretsaka ( 18/10/2007 15:53)
mety misy antony 1 koa io .. misy ilay mpiangona tsy mivakl loatra ny akanjo entiny any fa amin'izao fotsiny saingy madio.

fa ny sasany , anaovana aby izao ravaka rehetra izao.. akanjo tsara sy lafo rehetra izao
10. xxx ( 18/10/2007 19:50)
Matoa ianao handeha hivavaka dia hiresaka amin'Andriamanitra zay fa tsy hampiseho lamody sy harena, ny sasany zany moa sady efa tara no mbola hampanenona mafy ihany ny talon kiraro ka dia mitodika doly ny mpiangona rehatra.
11. cutie ( 18/10/2007 19:51)
moramora ery no tonga de mitsara ety ivelany a :lol::lol::lol::lol::lol:
mahagaga :roll:
12. cutie ( 18/10/2007 19:52)
Mpandefa : bosista [ Valio ] 18-10-2007 15:51:50
Lohateny : Re : ny finoana sy ny beaute mifanipaka ve?
ary raha tsara fitondrantena ary ilay vehivavy,mendrika no sady maotina no sady miravaka volamena de ahoana?
sa iza no afaka milaza fa izay miravaka volamena avokoa dia tsy maotina? fa izay tsy miravaka no maotina?

ny right wing freako kristian :-D
13. ikaretsaka ( 18/10/2007 20:06)
misy aloha manao fisainana an'izay hoe hivavaka=hihaingo izay e, indrindra ilay alahady voalohan'ny volana iny.
fa ny alahady sisa izy tsy hita mihitsy an
14. steeeel ( 18/10/2007 20:09)
Mety resaka fankampanahy angamba no handrarana azy ireny, toy ireny Ku Klux Klan miakanjo mainty ireny ihany.
15. tynah ( 18/10/2007 20:14)
amin'izay tsy misy mifampijerijery sa samy mifantoka tsara doly
16. steeeel ( 18/10/2007 20:17)
amin'izay tsy misy "m'as-tu vu" na hoe "hitanao ve zah", rehefa manjelanjelatra be mandeha eny andalambe. Mazava mantsy fa tena mahafinaritra be iny le mampitodika ny loha rehetra iny, misy marary mihintsy rehefa tsy tsikaritry ny olona.
17. cutie ( 18/10/2007 20:18)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 18-10-2007 22:06:59
Lohateny : Re : ny finoana sy ny beaute mifanipaka ve?
misy aloha manao fisainana an'izay hoe hivavaka=hihaingo izay e, indrindra ilay alahady voalohan'ny volana iny.
fa ny alahady sisa izy tsy hita mihitsy an

mba mahatsikaritra koa i Ika zany :-D:-D:-D:-D
18. fijo ( 18/10/2007 20:30)
hoy ilay rangahy portugais izay,"la religion,c'est prendre du plaisir dans la vie"olona tsotra io tamina fandaharana.ka raha io finoan aio no manakana anao tsy ahazo hanoa izao na zary,hialao fa gadra
19. steeeel ( 18/10/2007 23:23)
ary raha manakana ahy tsy hamono olona ilay finoako ry fijo dia ahoana, hialana koa ve izany?
taridresaka iny fa ny tena marina matetika ny finoana dia mifandraika amina lalàna maoraly izay miankina amin'ny tany itoerany.
raha any Arabie saodita ianao dia tsy azo atao na ny mitondra magazine misy sarina vehivavy manao maillot de bain, sns.
eken'ny rehetra ny io satria izay no safidin'ilay fiaraha-monina misy na tian'ny amerikana na tsy tiany, izay foana no efa niainany teo.
tonga any Iran ny feminista avy eo hampahiratra ireto vehivavy iraniana hono hoe tsy mety ny ataon'ny lehilahy aminareo fa aza misaromboaly, mitondrà fiara, manana zo hiasa ny vehivavy, etc. tsy ny lehilahy mihintsy anefa no mitsipaka andry zareo feminista avy eo fa le vehivavy tiany ho taritina ihany, expulsé sady deporté no interdit de territoire amin'izay avy eo.
20. ikaretsaka ( 19/10/2007 01:12)
cutie:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 18-10-2007 22:06:59
Lohateny : Re : ny finoana sy ny beaute mifanipaka ve?
misy aloha manao fisainana an'izay hoe hivavaka=hihaingo izay e, indrindra ilay alahady voalohan'ny volana iny.
fa ny alahady sisa izy tsy hita mihitsy an

mba mahatsikaritra koa i Ika zany :-D:-D:-D:-D

ko zavatra miharihary be ve de


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0374