Mormonism inona izany? Misy olana lehibe ao @ finoana io !

1. niryna ( 18/10/2007 05:41)
Nihaino toriteny aho androany dia nisy olona izay mormonism hono izy no niala.Ka toy izao no fitantarany:
Ny mormonims na mormon hono dia :
- Mino ny fanambadiana maro (polygamy-polygamie) kanefa voarara ao anatin'ny baiboly izany.
Izany Joseph izay mpiratika fivavahana mormon izany fahiny hono nanana vady 35 ary nafenina ilay izy ka taty aoriana izy niteny hoe Abrahama koa nanana vadikely
-Dia ny famonjena dia tsy avy amin'ny finoana an'i Kristy irery fa avy amin'ny asa.Izay mifanohitra amin'ny finoana an'i kristy.
EFESIANA 2
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Tsy anasorana ,tsy analana,finoana an'i kristy fotsiny fa tsy misy resaka asa mihitsy.
-Tsy maintsy atao batisa mormon hono vao miditra ny fanjakan'ny lanitra ,izay rehetra vita batisa izany ka tsy mormona dia tsy miditra.
-Tsy maintsy ny finoana mormona ihany no hidirana any amin'ny paradisa.
-Ny Ray any an-danitra hono dia mbola manana Ray ihany koa izay efa tamin'ny voalohany ary dia mbola misy Ray hafa ihany koa ho avy amin'ny farany.Tena tsy azoko mihitsy aloha izany .
-Rehefa maty hono dia misy toerana manokana dia ny mpivavaka avy amin'ny mormone ihany no lasa any an-danitra,ny rehetra izany dia mandalo @ io toerana hafakely io.
-Avy amin'ny alalan'ny vadiny hono ny vehivavy no tonga any am-paradisa,ka asa izany izay tsy manambady raha lasa any na tsia.

Ahoana no eritreretinao io finoana io,ary finoana inona koa izany?
Raha misy mino io mormona io mba hazavao hoe fa nahavariana ahy androany ilay izy?
Raha hijery na hihaino ilay fanontaniana(forium) hianareo dia jereo fa tato no nahenoko ilay izy androany http://www.equip.org
misy mametraka fanontaniana toy ny antsika ato dia ireo no valiny nolazain'ilay olona niala tsy ho mormon intsony.
Misaotra
novalian'i niryna ny 02/11/2007 17:01
2. Rasiligaoma ( 18/10/2007 05:56)
raha olona avy any no anontanianao ny any dia izay fijeriny ny any foana matetika no lazainy anao.
maninona raha mankany @ mormons mihitsy aloha dia ianao io mihitsy no mijery any .
fatsy mionona fotsiny amin'ny hoe hoy ilay olona hoe... hoy ny izao hoe...
3. steeeel ( 18/10/2007 06:02)
Misy zavatra ampiako kely:
-i Joseph Smith no namorona azy tamin'ny voalohandohan'ny taonjato faha-19.
-ny anarany amin'izao dia ny Church of Jesus Christ of Latter-Day Saints, na ny Eglise de Jesus-Christ des Saints des Derniers jours.
-ny foibeny dia ao Salt Lake City -UTAH - USA.

Ny fototra ijoroany:
-milaza i Joseph Smith fa nanoratra Testamenta i Jesoa Kristy ka tany amerika no nalevina ireo testamenta ireo (vato anakiroa).
-ny amer-Indiana na ny peau-rouge dia taranaka jiosy nandositra ka nanori-mponenana tany amerika ary nitondra io testamenta io.
-i Joseph smith no nisehoan'ny anjely nanoro azy ny misy io vato misy teny arameana (hebreo fahiny) io ka nandika azy amin'ny teny anglisy rehefa notenenin'ny Fanahy Masina azy ny dikan'ny zavatra voasoratra teo amin'ny vato. Teo no niforonan'ny antsoina hoe LIVRE DES MORMONS, na ny MORMON's BOOK.

Ny fivelomany:
-fandoavana ampahafolonkarena rehefa vita batisa.
-ny fitaritana ny olona hanaraka.

Ny resaka vady maro na polygamie:
-Fanaon'ny maoromaona tamin'ny voalohany io manmbady maro io saingy noraran'ny lalàna (Utah state) nanomboka tamin'ny taona 1890 tany, ary noraran'ny eglizy mormons koa nanomboka teo.

Ny olana:
-Ny olana anefa dia maro ireo mpanaraka no tsy nanaiky io fandrarana io ka nisitaka aty namorona communautés manodidina ny etat an'i UTAH sy any avaratry ny Arizona iny, ary manohy ny Fanambadiana vehivavy maro izay efa tsy ataon'ny tena Eglizy ao Salt Lake City intsony.
-Ny dimes na ny ampahafolonkarena dia manoatra noho ny fandoavanketra amin'ny fanjakana satria mila vola ny fiangonana entina hanaovana mission.
-Ny antony lehibe mampiala ny olona dia io resabola io matetika.
-Mano ny tsy mety foana ireo maoromaona efa nisitaka tsy miaraka amin'ny eglizy foibe intsony ary maro no tratra noho ny fanolananjaza sy ny fananana vady maro ka ny eglizy foibe no voahenjiky ny tsy mahafantatra.
-Ilay resaka hoe jiosy ny amer-indiana dia betsaka no zavatra hita mandiso izany.

Ny soritra amin'ny ho avy:
-nametraka lalàna amin'ny Congresy ireo antoko FEMINISTA ny amin'ny famelana ny olona hanambady maro na ny polygamie sy ny polyandrie izany satria hono ny fanambadiana olontokana dia mahatonga fakampanahy ary manimba ny fahafahan'ny tsirairay.
-tsy sahy mandray fanampahankevitra ny amin'io ny Congress amerikana satria fantany fa handresy ny feminista raha ampian'ireo mormons polygames. Ny antony dia satria Lobby politika tena matanjaka tokoa ny moromons noho ny harenany. 8)
4. Rasiligaoma ( 18/10/2007 06:06)
samy manana ny mahatsara sy maharatsy azy izany.
rehefa tsy mamono olona sy manao indoctrination mivantana izy dia tsy maninona
5. tsiafoi1 ( 18/10/2007 08:43)
Nisy reportage tamin'ny média iray teto an-toerana mikasika an'io Eglise Mormon io. Tsara raha averina alefa izy izay de hazava amin'ny olon-drehetra ny tsiambaratelony.
6. ikaretsaka ( 18/10/2007 15:47)
a manokana aloha tsy dia tiatia ireny le vuen'ny mpanao reportage sy ny sisa ireny e.
ohatran'ny frantsay manao reportage momban'i Madagasikara ihany io. misy foana exageration be loatra, izay na positive le izy na negative be,
ny ahy ny fikako amin'ireny dia ny mampitovy fijery bedebe ihany manao comparative noho ilay mihaino feon-dakolosy tokana dia tonga dia maka point de vue.
tsy mormons aho fa katolika hiringiriny, fa raha te hahalala amiko dia mandeha eny antoerana mihitsy mijery na at least manao comparative d'opinions bedebe
7. niryna ( 18/10/2007 17:31)
Rasiligaoma:

raha olona avy any no anontanianao ny any dia izay fijeriny ny any foana matetika no lazainy anao.
maninona raha mankany @ mormons mihitsy aloha dia ianao io mihitsy no mijery any .
fatsy mionona fotsiny amin'ny hoe hoy ilay olona hoe... hoy ny izao hoe...


ka ilay toerana tsy ho voatery ho hita kou :D
8. niryna ( 18/10/2007 17:35)
steeeel:

Misy zavatra ampiako kely:
-i Joseph Smith no namorona azy tamin'ny voalohandohan'ny taonjato faha-19.
-ny anarany amin'izao dia ny Church of Jesus Christ of Latter-Day Saints, na ny Eglise de Jesus-Christ des Saints des Derniers jours.
-ny foibeny dia ao Salt Lake City -UTAH - USA.

Ny fototra ijoroany:
-milaza i Joseph Smith fa nanoratra Testamenta i Jesoa Kristy ka tany amerika no nalevina ireo testamenta ireo (vato anakiroa).
-ny amer-Indiana na ny peau-rouge dia taranaka jiosy nandositra ka nanori-mponenana tany amerika ary nitondra io testamenta io.
-i Joseph smith no nisehoan'ny anjely nanoro azy ny misy io vato misy teny arameana (hebreo fahiny) io ka nandika azy amin'ny teny anglisy rehefa notenenin'ny Fanahy Masina azy ny dikan'ny zavatra voasoratra teo amin'ny vato. Teo no niforonan'ny antsoina hoe LIVRE DES MORMONS, na ny MORMON's BOOK.

Ny fivelomany:
-fandoavana ampahafolonkarena rehefa vita batisa.
-ny fitaritana ny olona hanaraka.

Ny resaka vady maro na polygamie:
-Fanaon'ny maoromaona tamin'ny voalohany io manmbady maro io saingy noraran'ny lalàna (Utah state) nanomboka tamin'ny taona 1890 tany, ary noraran'ny eglizy mormons koa nanomboka teo.

Ny olana:
-Ny olana anefa dia maro ireo mpanaraka no tsy nanaiky io fandrarana io ka nisitaka aty namorona communautés manodidina ny etat an'i UTAH sy any avaratry ny Arizona iny, ary manohy ny Fanambadiana vehivavy maro izay efa tsy ataon'ny tena Eglizy ao Salt Lake City intsony.
-Ny dimes na ny ampahafolonkarena dia manoatra noho ny fandoavanketra amin'ny fanjakana satria mila vola ny fiangonana entina hanaovana mission.
-Ny antony lehibe mampiala ny olona dia io resabola io matetika.
-Mano ny tsy mety foana ireo maoromaona efa nisitaka tsy miaraka amin'ny eglizy foibe intsony ary maro no tratra noho ny fanolananjaza sy ny fananana vady maro ka ny eglizy foibe no voahenjiky ny tsy mahafantatra.
-Ilay resaka hoe jiosy ny amer-indiana dia betsaka no zavatra hita mandiso izany.

Ny soritra amin'ny ho avy:
-nametraka lalàna amin'ny Congresy ireo antoko FEMINISTA ny amin'ny famelana ny olona hanambady maro na ny polygamie sy ny polyandrie izany satria hono ny fanambadiana olontokana dia mahatonga fakampanahy ary manimba ny fahafahan'ny tsirairay.
-tsy sahy mandray fanampahankevitra ny amin'io ny Congress amerikana satria fantany fa handresy ny feminista raha ampian'ireo mormons polygames. Ny antony dia satria Lobby politika tena matanjaka tokoa ny moromons noho ny harenany. 8)



misaotra steeel a,ie io Joseph Smith io ilay nolazaiko fa tsy fantatro ny tena anarany.
dia mifanohitra ny ao anaty baiboly izany ireo izay nisitaka niala tao aminy?
Misy fahamarinana ve izany teny hoe tsy maintsy atao batisa mormon vao manaiky ry zareo fa tonga any an-danitra?
9. steeeel ( 18/10/2007 20:11)
tena tsy fantatro ny momba an'izay leisy fa ny hany zavatra haiko izao dia vao nisy roalahy voasambotra dia nigadra vao iray volana monja izay, ny iray resaka fananana vady maromaro moa ny iray resaka fanolanana zazavavy 14taona.
fa raha ny eglizy moromon dia manambara fa moromon efa nisitaka ireny.

ilay resaka batisa indray dia toa rehefa fiangonana dia miteny an'io daholo knou, rehefa vita batisa mantsy dia afaka mandoa saosy.
10. fijo ( 18/10/2007 20:36)
tsy hoe niala tamin'ny baiboly ry zareo,fa milaza kosa fa tsy ny baiboly irery no boky,fa eo koa ary mitovy lanja aminy ny bokin'ny mormon.ka asa fa dia safidy aby io.

rehefa mihaino resaka,dia io lazain'ika io,aza mihaino resaka tokana fa henoy aby
11. steeeel ( 18/10/2007 23:27)
fa ny ahy ity resaka amer-indiana hoe jiosy ity no tena tsy voako.
12. ikaretsaka ( 18/10/2007 23:57)
niryna:


raha olona avy any no anontanianao ny any dia izay fijeriny ny any foana matetika no lazainy anao.
maninona raha mankany @ mormons mihitsy aloha dia ianao io mihitsy no mijery any .
fatsy mionona fotsiny amin'ny hoe hoy ilay olona hoe... hoy ny izao hoe...


ka ilay toerana tsy ho voatery ho hita kou :D



azo atao hita ka..mandeha any Utah

azo atao koa ny manao comparative religion
13. niryna ( 19/10/2007 05:38)
steeeel:

tena tsy fantatro ny momba an'izay leisy fa ny hany zavatra haiko izao dia vao nisy roalahy voasambotra dia nigadra vao iray volana monja izay, ny iray resaka fananana vady maromaro moa ny iray resaka fanolanana zazavavy 14taona.
fa raha ny eglizy moromon dia manambara fa moromon efa nisitaka ireny.

ilay resaka batisa indray dia toa rehefa fiangonana dia miteny an'io daholo knou, rehefa vita batisa mantsy dia afaka mandoa saosy.
misaotra
Nisy vaovao nivoaka koa fa misy rangahy manambady be dia be izy ary ny zanany efa ho zato,misy zafikely mihitsy aza,dia vao teraka roa indray izy izao.Ireo vadiny ireo no mifampitaiza ny zanany,ary bus ngezabe no maka ny zanany vao maraina mandeha mianatra.Fantany daholo hono ny anaran'ireo zanany marobe .:roll:
Ireo olona ireo ve ilay tsy mampiasa electricite sy TV na radio ?

14. steeeel ( 19/10/2007 06:02)
Ilay tsy mampiasa TV sy radio na izay zavatra rehetra novokarin'ny teknolojia dia AMISH na ny communauté AMISH izay any amin'ny Etat WISCOUNSIN no mizy azy. tsy misy hifandraisany amin'ny mormons mihintsy. Tsy finoana ny amish fa tena fomba fiaina mihintsy toa ny any amin'ny Kiboutz jiosy.
15. fijo ( 19/10/2007 20:35)
steeeel ;za koa efa niady hevitra momba ity hoe jiosy no lasa amer indiana,de nanontany porofo.de nampiomehy be ny porofo.inona??
jereo hono ny "orony"fa ny orona indiana dia mbola mitana le pozina orona jiosy sy egyptianina le mifaingoka toa vavam boloky ireny.toran'ny hehy fotsiny aho tamin'izay.
16. niryna ( 20/10/2007 01:37)
steeeel:

Ilay tsy mampiasa TV sy radio na izay zavatra rehetra novokarin'ny teknolojia dia AMISH na ny communauté AMISH izay any amin'ny Etat WISCOUNSIN no mizy azy. tsy misy hifandraisany amin'ny mormons mihintsy. Tsy finoana ny amish fa tena fomba fiaina mihintsy toa ny any amin'ny Kiboutz jiosy.

Hay ireo ilay mipetraka ao pensylvania?

17. niryna ( 20/10/2007 01:38)
fijo:

steeeel ;za koa efa niady hevitra momba ity hoe jiosy no lasa amer indiana,de nanontany porofo.de nampiomehy be ny porofo.inona??
jereo hono ny "orony"fa ny orona indiana dia mbola mitana le pozina orona jiosy sy egyptianina le mifaingoka toa vavam boloky ireny.toran'ny hehy fotsiny aho tamin'izay.



:D
18. steeeel ( 20/10/2007 20:24)
nisy diso kely ny teniko fa mifandray amin'ny fivavahana koa kay ny Amish, niforona tany Europa dia nifindra monina tany amerika rehefa nisaraka tamin'ny Mennonita, dia tao pensylvania no nijoro voalohany saingy nifindrafindra rehefa hitany fa mitombo loatra ny mponina noho ny fihavian'ny mpiavy betsaka. I Wisconsin no etat misy communauté amish lehibe indrindra. ao ny milaza fa protestanta classika ry zareo fa ao kosa no mahita fa batista ry zareo.
19. ikaretsaka ( 20/10/2007 21:09)
oufff kay batista.. noheveriko fa basista!:roll:

fa ilay hoe jiosy sy ny amr Indianina... ankoatran'ny orny lazain'i fijo, dia ny fibangony ny volony koa.
ny jiosy misy an'iny volo kely mikirozaroza iny eo akaikin'ny sofina
di any peaux rouges koa alefa mankany @ sofina ny volo rehefa lava fa tsy fatorana any afara!

niryna> efa hoe any Wiscounsin ko.... sa WI ve ho PA aminao? :-D (laingako izany fa samy misy e, fa ny any PA no Batista
Fa ny mahafinaritra amin-dry zareo dia izy tsy manao proselytism
20. niryna ( 23/10/2007 06:01)
steeeel:

nisy diso kely ny teniko fa mifandray amin'ny fivavahana koa kay ny Amish, niforona tany Europa dia nifindra monina tany amerika rehefa nisaraka tamin'ny Mennonita, dia tao pensylvania no nijoro voalohany saingy nifindrafindra rehefa hitany fa mitombo loatra ny mponina noho ny fihavian'ny mpiavy betsaka. I Wisconsin no etat misy communauté amish lehibe indrindra. ao ny milaza fa protestanta classika ry zareo fa ao kosa no mahita fa batista ry zareo.


misaotra nanazava.:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3694