Mormonism inona izany? Misy olana lehibe ao @ finoana io !

21. niryna ( 23/10/2007 06:01)
ikaretsaka:

oufff kay batista.. noheveriko fa basista!:roll:

fa ilay hoe jiosy sy ny amr Indianina... ankoatran'ny orny lazain'i fijo, dia ny fibangony ny volony koa.
ny jiosy misy an'iny volo kely mikirozaroza iny eo akaikin'ny sofina
di any peaux rouges koa alefa mankany @ sofina ny volo rehefa lava fa tsy fatorana any afara!

niryna> efa hoe any Wiscounsin ko.... sa WI ve ho PA aminao? :-D (laingako izany fa samy misy e, fa ny any PA no Batista
Fa ny mahafinaritra amin-dry zareo dia izy tsy manao proselytism
:D

22. ikaretsaka ( 23/10/2007 13:45)
fa raha te hitondra ny fijery momban'ny mormonism na amish na inona na inona ,
Dia tsara kokoa sy credible kokoa ny miaraka amin-dry zareo ireny mihitsy, dia any no mamantatra azy sady manalalaka ny saina hahalala sy handray zavatra vaovao fa tsy tonga de hoe mankahala noho ilay mijery fijery tokana.
amin'izay fantatrao ny zavatra resahinao!
23. niryna ( 23/10/2007 17:20)

Hay ve e,tsy mba niteny izany aho fa hianao izany no mety manana saina mankahala :D
24. fijo ( 23/10/2007 22:17)
fa somary nampiomehy le resaka tamindry zalahy satria lasa profo fizika tsimponina no hanamarinany ilay zavatra lazainy.
za moa matetik amiresaka amindry zalahy ireo,satria izy tsy mba agressifa fa mihezaka mandresilahatra ampahatsorana;ny mahakamo kely dia indraindray enao mihazakazaka no sakanany.
25. ikaretsaka ( 24/10/2007 17:20)
niryna> tsy ianao fe ianao no ilazako an'io fa ny olona rehetra ka...

Fijo>
izahako moa tia io mamakafaka sy mifampidinika io:
mahafinaritra ahy ny miresaka amin-dry zalahy sy manontany andry zalahy ireo! fa ahitana zavatra tsy heverin'ialahy mihitsy, fa ilay ry zalahy tsy aggressif sy mpanozonozona kosa no hitiavako miresaka aminy io dia marina!
na samy manana ny fijeriny sy mitazona ny inoany aza dia ry zalahy open minded be mihitsy. Ny miresaka amin'olona bornE ange..
26. fijo ( 24/10/2007 20:52)
izay mihintsy,izy tsy mba manavaka be hoe ratsy iry,fa manazava ny azy.noresahako baiboly ireo,dia tsynanda.tsy manda ny baiboly izahay hozy,fa ny bokinay dia manampy ny fahamarinana voalazan'io baiboly io.
ary ry zalahy aza efa nilaza hoe "tsy maninona aminay ianao raha mino ny finoanao,nefa miaraka aminay"izany hoe amin alazonady no hiasany fa tsy le mivatravatra be ireny.ary raha ny fomba andavanandro koa aloha no jerena dia tsy mbola nahita mormon nanao fihetsiak mahakamo aho.mety misy,fa za tsy mbola nahita
27. steeeel ( 25/10/2007 00:04)
Tandremo ihany anefa ry zalahy fa strataka daholo irney ampiasainy ireny, expert amin'ny physionomie ireny bandy misionera ireny.
Ny azy mantsy ny fahitako azy izao misy ireny hoe cours d'anglais, cours de cuisine, BBQ party, sns ireny hisintomany ny tanora, dia inviter-ny any ianao dia mazoto be satria hoe tsy forcé hanaraka ilay finoana, fa mandeha ihany ny fitaritana tsimoramora avy eo.

Fa izy aloha pasifista tsara tsy misy taratra agressivité izany mihintsy, raha azo atao akama tsotra izy haninona moa, fa raha hoe tsy hanaraka azy ianao dia tsy raharahiany avy eo...izay no tsy matotra.
28. ikaretsaka ( 25/10/2007 00:12)
steeeel:

dia eo @ io physionomie io mihitsy no hamerana azy hoe rehefa mitady hibolisatra izy izany dia tsakina haingana ny frein..sy ny famehezana tena hoe hatreto ihany, fa atao tsara ny cours d'anglais sy ny BBQ, ny fampiasaina ireo fitaovana (gymnase sns..) an-dry zalahy, fa vao miditra hoe mitaritarika finoana de ialana moramora...
mila hay anefa io mametra hoe hatreto io ihany io:-D
29. steeeel ( 25/10/2007 00:34)
Tongava ary aty amin'ilay cours d'anglais-ko fa izao kosa, misy fotampivavahana tampoka eo anelanelany dia miditra kely ao amin'ny temple isika dia afaka adiny iray aty aoriana miverina ao amin'ny lakilasy.

Raha ohatr'izay foana no zava-mitranga isaky ny cours d'anglais dia ahoana? :-D
30. ikaretsaka ( 25/10/2007 03:37)
dia miala za hoe andraso aloha hipipi kely aho na hifoka sihara kely na haka rivotra kely .. dia any aho dia tsy hita aloha fa afaka adiny 1 za miverina!:-D
fa tsy atao imbetsaka ilay izy..
raha manao cours in 3 in 4 ve tsy efa mba mahay manao "i love you"?
31. steeeel ( 25/10/2007 03:48)
Omeny kely an'ireny misionera vehivavy sady taviny ny volony ireny, somary ampirehetiny kely ise ry Ika tonga dia tavela ao klé. :-D
32. ikaretsaka ( 25/10/2007 03:50)
tsy mbo za .. tsy mbo za... marina mafy raha mbo za:-D
efa teo no niala t@ taviny no volony!
33. niryna ( 25/10/2007 04:36)
steeeel:

Tandremo ihany anefa ry zalahy fa strataka daholo irney ampiasainy ireny, expert amin'ny physionomie ireny bandy misionera ireny.
Ny azy mantsy ny fahitako azy izao misy ireny hoe cours d'anglais, cours de cuisine, BBQ party, sns ireny hisintomany ny tanora, dia inviter-ny any ianao dia mazoto be satria hoe tsy forcé hanaraka ilay finoana, fa mandeha ihany ny fitaritana tsimoramora avy eo.

Fa izy aloha pasifista tsara tsy misy taratra agressivité izany mihintsy, raha azo atao akama tsotra izy haninona moa, fa raha hoe tsy hanaraka azy ianao dia tsy raharahiany avy eo...izay no tsy matotra.

Koa tsy maintsy lambolambony ny olona mety hanaraka azy ka.
Misy fiangonana maka olona maro ary izay mifanaraka ny toe-tany ihany no toriny satria izay ilay toritenin'ny sain'olombelona fa tsy avy amin'Atra.Mandratra,mankarary,mampalahelo ny tori-tenin'Atra kanefa mifono fahamarinana ilay izy.Matetika ary hoy ity pasitera iray hoe misy mandefa ttsy foana izy sady tonga dia miteny hoe fa maninona ny affaire-ko no lazainao ao am-piangonana?
Tsy ny pasitera mihitsy no hiditra amin'izany,mitory ny tenin'Atra fotsiny izy dia voatsindrona ilay olona,toa an'ny tena ilay nitoriany
34. fijo ( 25/10/2007 22:18)
steeeel efa nolazaiko io ambony hoe lazonady ny azy no ampiasainy.
io resaka "cours d'anglais"io,de notsaingohako kely ry zalahy hoe,ary maninona no ataonareo fitaovana ny fampianarana teny anglisy hisarihana ny olon ahanantona anareo.tsy toa ny mamitaka ve nareo.
valiny.raha tsy tian'ny mpianatra ny hiresahana finoana amin'ny cours dia hatsahatra.
ka ny mpianatra wa te hianatra de mody ekeny.
valiny ,tsy manao ny marina izy izany.tokony hilaza ny ao am pony.
ary maninona wa raha le ftaka no hatsahatra.
valiny,aminao io fitaka ,fa aminay io lalana.

izany hoe efa mahita avaly foana ry zalahy.ary tsy miakatra mihintsy ny feo fa de ampitsikiana foana.

nanontany ary aho hoe maninona ny arabo no tsy hanatonanareo.
valiny,izay hitanay fa mila fanampiana no hatoninay.
teo tsy namely le valiny
35. steeeel ( 25/10/2007 23:52)
Io anie strataka ampiasain'ny proselyta rehetra e! Ny arabo malaza efa mampandry adrisa ihany koa ka tsy andeha hitarika arabo mihintsy izy, torak'izany koa ny Témoin, missionera samihafa tsy miady vintana.
36. fijo ( 26/10/2007 22:23)
fa mahagaga tokoa fa tsy manantona arabo mihintsy ry lemontana an
37. niryna ( 28/10/2007 06:30)
fijo:

fa mahagaga tokoa fa tsy manantona arabo mihintsy ry lemontana an

ahatsiarovaka ity rangahy ao am-piasanay hianao miteny izany.Silamo izy a dia isaky ny mahita ahy na lavitra na akaiky dia izaho foana no fanontaniany hoe "Iza no lehibe Atra sa Jesosy? " Izaho tsy te-hifamaly satria samy manana ny Atra hinoany izahay.Fa ilay fofombavany mamo no tena tsy laitrako.Hoy ilay namako hoe tsy afaka hiresaka aminao aho raha tsy misotro jus hianao :roll:
o^o
38. ikaretsaka ( 29/10/2007 20:34)
za koa efa tratran'ny komorianina an'io dia nataoko hoe .. mahome tsy nipetraja any ankavanan'Atra fa mbola variana @ virijininy! dia nangina lery
39. fijo ( 01/11/2007 21:34)
hi hi hi ary raha izahay tsy mpino no manontany an'io?
40. niryna ( 02/11/2007 16:51)
ikaretsaka:

za koa efa tratran'ny komorianina an'io dia nataoko hoe .. mahome tsy nipetraja any ankavanan'Atra fa mbola variana @ virijininy! dia nangina lery

Tsy azoko izany teny gasinao hafahafa izany? Averona hazavaina hoe azafady.

Dia tonga nanatona indray ity rangahy silamo(tsy ny finoany no tiako ho resahina )fa ilay fihetsiny,lazainy mamaky fatritrana boky hono ny olona izay mamaky baiboly,lany andro amin'ny tsy misy dikany hono,Atra iray ihany hono.Kanefa tsy mitovy mihitsy ny Atra.Ny an'ny teny mandrara ny fampirafesana,ny azy manana vady maro sy mbola mitady sipa etsy sy ero.Ilay finoana hinoany dia miova ho fankahalana ny kristiana.Mampalahelo fa dia mila hivavahana izy mba ahafantatra an'Atra sy mba ho voavonjy indray andro any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0961