Vola aloha vao fitiavana
1. soanja
(
07/10/2007 00:33)
Mamaky ilay tohin'ny resaka voaresaka notarihan'i Taniko ery ambadika zah dia nihevitra fa aleo resahina manokana izy ity.
Misy ve ny olana raha toa ka misy sipa iray mahita fa manambola le olona sady tia azy. Nefa be de be ny tianle sipa (tsy mbola nahita anle tena tiany sady mino fa tsy ahita angamba) de mbola misafidfidy eo izy, de iny manambola iny no nofidiany ho vadiny de olana ve izany?
Tsy izany mantsy fa nisy sipa tsara tarehy be zay namanay tany Diego. De nanambady Japs izy. De gaga be aloha izahay rehetra satria zahay koa somary mbola kely tamin'io de gaga fa efa nanambady sahady izy. 16-18ans eo ho eo tamzay raha tsy diso aho.
De nanontaniana hoe fa ahoana no japs fa tsy vazaha fotsy na karana na sinoa na Gasy , zay manodidina anay eo.
De hozy izy hoe zah tena maro mihitsy lelah tia zah. Zah sahirana mifidy. Tsy mbola nahita ny tena tiako aho fa tiatiako fo izy jiaby. Tsy aleo ve zany ny be vola indrindra no hidirako?
Hatramin'izao anefa de salama tsara ny tokatranon-dry zareo ary milaza amiko izy fa sambatra eo anivon'izany.
Ny namako hafa nanambady vazaha koa de betsaka no toy izany. Be vola aloha avy eo be fitiavana fa tsy miova fa le lehilahy iray iny ihany.
Koa noho izany dia ahirato ny maso ry tovolahy Malagasy ary amboary ny saina. Tsy voatery hoe ny fitiavana foana no mandeha aloha amin'izy ity fa samy manana ny itiavany azy aby.
Aty aminay , azafady fa voaresaka matetika, dia misy ny atao hoe 'Trophy wife' , rehefa lasa celebrity na manan-karena be le rangahy vazaha dia manova vady amzay de le tsara eo imason'ny hafa , manjabe, somary mivoatra bebe satria namboarina eo anoloana ary tena toy ny anjely refa eo amin'ny tele saingy tsy anjely..... nofidiany.

novalian'i kofbay ny 09/11/2007 16:43
2. Jeankely
(
07/10/2007 05:27)
Tsy misy olana mihintsy izany ry namana a! Ny vola no hozatry ny fiainana. Rehefa samy tia ny iray manambola ny iray tsisy vola inona moa fa tavela eo izay tsy ampy saosy. Samy tia haka izay tiany fa rehefa kely ny ananana dia tsy manombana ny lafo vidy. Fiainana izany. Vao hitia ve ianao dia ny fahantrana no eriretretinao hodiavina. Izany tsy midika hoe tsy olona ny mahantra fa na ny mahantra aza mitady hevitra ny handrosoany fa tsy ny hijanona mahantra eo amin'ny fitiavany eo.
4. Fiffi
(
07/10/2007 06:50)
de ozy ity hira ity hoe:
Mahay mahandro izay manan-tsira
Ary ny manam-bola manirakira
'Zay manana ny ampy sahisahy
Ny tsy manan-katoraka tsy rangahy
Tsarovy anefa fa ny vola dia iri-mahaory
'Zay manam-be mazana tsy miadana akory
Marokoa ireo toa jerena ho mpanjato
Kinanjo mamiratra ihany
Tsy azo handraofana toa rano an-tanim-bato
Mamiratra raha tazanina
Marevaka ivelany ihany
Ny tokan-trano tsy vanombanona
Izany no maro eto an-tany

5. jajaf401
(
07/10/2007 07:39)
Mety jiaby io satria mitaky fanapahana ny retraretra; ka dia alefa aloha @ alalan'vola de manaraka oazy ny fitiavana à condition que misy ambiance ihany ao,
Tsy hifanomezan-tsiny zay.
Tsy hifanomezan-tsiny zay.
6. tsirinantenaina
(
07/10/2007 08:38)
raha otran'izany daholo ny ao an-tsain'ny b sy ny maro de ahoana no hiafaran'ny tsy manam_bola:?: mionona zany:roll:
7. kally
(
07/10/2007 08:56)
tsirinantenaina:
raha otran'izany daholo ny ao an-tsain'ny b sy ny maro de ahoana no hiafaran'ny tsy manam_bola:?: mionona zany:roll:
Ohatrinona aloha ilay vola?:lol:
vazivazy izany fa tsy ny olona rehetra no voafehin'ny herin'ny vola, misy ny te ho fehezin'ny herin'ny nofo dia ny lehilahy bebe nofo no atoniny, misy te ho fehezin'ny herin'ny saina dia ny lehilahy manan-tsaina no fidiany, raha tafaraka moa ny vola sy ny saina ary ny nofo vao mainka mety fa tsy maintsy mba tafiditra amin'ireo daholo kosa ny lehilahy tsirairay sa ahoana?
8. Samoana
(
07/10/2007 10:24)
naman'i soanja:
... Tsy mbola nahita ny tena tiako aho fa tiatiako fo izy jiaby. Tsy aleo ve zany ny be vola indrindra no hidirako? ...
Rehefa nahatsapa ilay namana fa tsy mbola nahita ilay fitiavana marina dia aleony naka antoka ara-materialy aloha izany fa tsy maharitra hikaroka intsony izy e
9. patrick2002
(
07/10/2007 12:47)
Ny ilaina eto an-tany dia ny ho sambatra ,tsy misy ny olana raha izay no heverinao fa hahasambatra anao ,fa ny olana dia mihevitra ny olona iray fa ny vola no zava-dehibe ,sahirana mikaroka andro aman'alina izy an'i ravola nefa toa diso fanantenana avy eo , Tsy haiko asa loatra :roll: mbola marefo ve ny experience an'izy ireo ,sa ny fahalalana .
11. sipagasy
(
07/10/2007 13:54)
Ny ahy indray dia izao ann, inona moa no katsahintsika ety an-tany, tsy ny fiadanana va? ka eo no mipetraka ny fanontaniana hoe: inona no maha sambatra, na hahasambatra ahy? ara-pitiavana ve? ara nofo ve? ara-materialy ve?, Raha ireo mantsy dia samy manana ny laharam-pahamehany ny tsirairay. Ka raha hamaly an'i soanja aho momba ilay namanao t@ taonany (16-18 taona) dia mamaly tahakan'i samoina hoe nofidiany ny hiadana ara-materialy, nefa kosa rehefa ao anatiny anie ka afaka manatombo @ ara-pitiavana e!
Ho ahy manokana kosa dia disoiko kely i soanja raha miteny hoe ...'Koa noho izany dia ahirato ny maso ry tovolahy Malagasy ary amboary ny saina. Tsy voatery hoe ny fitiavana foana no mandeha aloha amin'izy ity fa samy manana ny itiavany azy aby...', mety ho marina fa aleo aloha ny fitiavana sy ny fo no hitondra ny fiainana izay vao ny vola sa diso aho?, io tsinona, ny vola io, samy manana anie :oops: fa ny isany no tsy mitovy e! hihihih.
Azoko an-tsaina koa ilay tian'i soanja lazaina @ ilay hoe 'trophy wife' :lol: maro tokoa io,ary n'aiza n'aiza ngamba eto an-tany dia misy izany.Iny izany ilay vehivavy atao 'vitrine' @ fananan-drangahy,(Nicole Kidman ohatra, tahaka izoa moa ny fanoratra ny anarany miala tsiny raha diso), nefa akoa anie azo atao koa ny manatsara ny efa ananana e! hihihi;-)

12. soanja
(
07/10/2007 14:40)
sipagasy:

Tsia, Sipagasy tsy handiso ny tenako mihitsy aho raha hilaza izany satria ny fahitako ny toe-tsaina tovolahy Malagasy manoratra eto indraindray, ny sasany hoa, sy ny hafa mitovy amin'izay any Madagasikara any, izay mbola miaina ao anaty fihevitra nosoritan'ny hafa na heveriny fa tokony ho izay foana no tokony ho izy, dia mihevitra foana izy fa diso ny olona iray raha misafidy ny vola aloha vao fitiavana. Efa hitako ny fanomezantsiny teto na tany. Efa hitako ny fanambaniana an'ireny olona nisafdiy io lalana io ireny.
Nefa, tsy voatery ho filamatra ho an'olona iray izany fikatsahana fitiavana izany hataony vaindohan-draharaha amin'ny fiainany.
Mety manana ny fitsarany iny olona iny ny tsirairay saingy raha izaho Soanja dia tsy hitsara an'iny ho diso lalana na ahoana. Izay aminy izany no fahasambarana heveriny fa mety aminy.
Koa fanabeazana ny fanekena ny hafa amin'ny safidiny no nanoratako io lohateny io.
Indry moa milaza ery ambany hoe aleo ny fitiavana sy ny fo no mandeha aloha vao ny vola. Izay angamba no lafatra amindry sy ny amiko nefa tsy voatery izay ilay zavamisy raha dihiniko akaiky ny fiainana.
Misy an'izay film izay "Feast of Love" mandeha any. Raha mandinika an'io film io aho dia mihevitra fa ny fitiavana aza dia samy manana ny laharam-pamehany koa , ary ny fiasany eo amin'ny tsirairay dia tena mahavariana sy mahatalanjona ary mampitomany indraindray. Nefa io no katsahin'ny ankamaroantsika rehetra amin'ny voalohany dia io ihany koa no manafay ny fiainany indraindray.
Noho izany, mila jerentsika rehetra akaiky hoe tsy voatery ahita "ilay Fitiavan-dehibe" vao hoe sambatra. Tsy voatery hanambola be vao ho sambatra. Tsy voatery hanam-pahaizana be vao ho sambatra.
Fa kosa, afaka misaotra an'Andriamanitra izay miseho eo anoloanao aloha dia mitomboka amin'iny miakatra KA na harena io, na fahaizana na fitiavana dia azo itadiavana ilay Fahasambarana avokoa raha fantatrao ny tenanao.:-*:-*:-*:-*:-*
13. soanja
(
07/10/2007 15:00)
patrick2002:
Ny ilaina eto an-tany dia ny ho sambatra ,tsy misy ny olana raha izay no heverinao fa hahasambatra anao ,fa ny olana dia mihevitra ny olona iray fa ny vola no zava-dehibe ,sahirana mikaroka andro aman'alina izy an'i ravola nefa toa diso fanantenana avy eo , Tsy haiko asa loatra :roll: mbola marefo ve ny experience an'izy ireo ,sa ny fahalalana .
Hitan'i Patrick zany, misy ny olona nahita fitiavana de nihevitra an'iny ho goavana be ka nanao ny aina tsy ho zavatra nefa avy eo gaga izy fa tsy izay akory le izy fa niserana ny fahasambarany.
De efa misy ny naka fanapahan-kevitra amzao fa ny biby ompiana atao namana, ohatra alika no tsy mivadika n'inona n'inona aminao, fa raha mbola olombelona dia manalasala.
De toy izany koa ny vola angambany. Iny izy mety mihevitra fa tsy hanimba na hampijaly azy dia iny ny ataony lalamasaka.
14. sipagasy
(
07/10/2007 15:01)
Izao indray ary e! marina fa samy manana ny ataony ho vaindohan-draharaha eo @ fiainana, marina fa samy mikatsaka fahasambarana eto an-tany, marina ihany koa fa ny kolontsaintsika dia mbola marefo tsy mahatanty ilay tovovavy misafidy ny vola aloha vao ny fitiavana, (sa diso aho fa izaho no tara train??), ka eo no nametrahako ilay olana anie e!toa tsy mbola ekan'ny fiaraha monina malagasy mantsy ilay hoe 'fanajana safidin'ny tsirairay'!! toa matetika ny fiaraha monina na ny' fiangonana' izay saika mifangaro @ fanabeazana ny tanora, no mamaritra ny lalana tokony haleha.Ary marina ihany koa fa tsy voatery hahita ny fitiavan-dehibe vao ho tojo fahasambarana kann, tsy nandiso io kosa aho,fa afaka atao hoe ao anatiny vao manohy sy mameno izany ho tonga lafatra e!:-*
15. sipagasy
(
07/10/2007 15:08)
hoy i Fiffi hoe:'misy fetrany ny vola an!', ka izay mantsy rehefa tsy hanana hery hahafahana hahazo io vola io intsony izany ilay olona; nanao iny ho lala masaka; nanao io vola io ho vaindohan-draharaha teo @ fiainany, dia ho aiza izy avy eo???. Tsy aleo ve aloha lanjalanjaina hoe inona no maharitra?? raha tsy hoe angaha ka tena feno vola ny tranon'ilay olona na any @ bankiny, fa ataoko angamba fa tsy ny rehetra nikatsaka io ny hanana vola be mandra maty!:-*
16. soanja
(
07/10/2007 15:33)
sipagasy:
Izao indray ary e! marina fa samy manana ny ataony ho vaindohan-draharaha eo @ fiainana, marina fa samy mikatsaka fahasambarana eto an-tany, marina ihany koa fa ny kolontsaintsika dia mbola marefo tsy mahatanty ilay tovovavy misafidy ny vola aloha vao ny fitiavana, (sa diso aho fa izaho no tara train??), ka eo no nametrahako ilay olana anie e!toa tsy mbola ekan'ny fiaraha monina malagasy mantsy ilay hoe 'fanajana safidin'ny tsirairay'!! toa matetika ny fiaraha monina na ny' fiangonana' izay saika mifangaro @ fanabeazana ny tanora, no mamaritra ny lalana tokony haleha.Ary marina ihany koa fa tsy voatery hahita ny fitiavan-dehibe vao ho tojo fahasambarana kann, tsy nandiso io kosa aho,fa afaka atao hoe ao anatiny vao manohy sy mameno izany ho tonga lafatra e!:-*
Marina ny tenindry ry Sipagasy. :-*:-*
Izao angamba no tiako tenenina fa tsy mety tsy haiko ny namoaka azy hoe: Tsy izay novolavolain'ny fiaraha-monina Malagasy akory no marina ho an'ny tsirairay fa misy ankolafiny samihafa io fikatsahana Fahasambarana io ary izay lalana nofidian'ny tsirairay dia hajao fa izay ny aminy.
Tsy midika koa anefa fa raha mihevitra izy fa iny fahasambarana iny na ilay lalana nofidiany iny dia ahita anle izy tokoa izy??? io indray de riziky Baba! na hoe aleo hiasa ao aminao Andriamanitra na hoe ampiasao ny saina hanana fo mahatoky.
17. Samoana
(
07/10/2007 17:41)
sipagasy:
... marina ihany koa fa ny kolontsaintsika dia mbola marefo tsy mahatanty ilay tovovavy misafidy ny vola aloha vao ny fitiavana...
Azo iadian-kevitra io satria taloha maro ireo ray aman-dreny misafidy izay ho vinantony ka mibahan-toerana @ izany ny harena ( ankoatry ny fiaviana )
18. sipagasy
(
07/10/2007 18:16)
euhh, toa marina koa io fa nisy izany safidy iznay tokoa taloha, fa niova ve izany nohon'ny fidiran'ny kolotsaina vahiny?? ny mpanjanaka no tiako lazaina eto, nanova ny fomba sasany nisy teo amintsika manjary tsy tsara ankehitriny???
Toa ho lava ny resaka fa aleo aho aloha hangata-dalana e! hihihi:-*:-*, sady sao manjary mivaona @ loha hevitra naposaka!:oops:

19. pissoa
(
07/10/2007 20:43)
Amiko manokana, ny fitiavana dia amin'ny mifampikoty ihany no hoe "voalohany". Amin'ny dingana manaraka dia mitombo amin'izay ny "mpifaninana" aminy, ary maro no afaka misongona azy ... Ny "Vola" angamba no mpifaninana aminy isan'ny kely aina indrindra (na mety matanjaka noho izy aza), fa ao ohatra ny Ray aman-dreny/fianakams, ny finoana sns ! :-D:-D:-D
20. salmo1
(
07/10/2007 20:59)
Ny lohateniny fotsiny de efa tsy mamely!
Ny anah ndray d oe: endrika sy toetra alou vao fitiavana.
;-)