Vola aloha vao fitiavana

41. tywa68 ( 09/10/2007 09:36)
sitlo : choix dhl io e ka asakasak'izay te-ho jamba ! :lol:

42. Jeankely ( 09/10/2007 09:42)
Ny olombelona rehetra samy voavidin'ny vola ary ny lehilahy no tena voalohany. Adinonao angaha ilay mitetika ny lovan-drafotsibe 91 taona.
43. tsirinantenaina ( 09/10/2007 09:54)
kally:

tsirinantenaina:

raha otran'izany daholo ny ao an-tsain'ny b sy ny maro de ahoana no hiafaran'ny tsy manam_bola:?: mionona zany:roll:


Ohatrinona aloha ilay vola?:lol:
vazivazy izany fa tsy ny olona rehetra no voafehin'ny herin'ny vola, misy ny te ho fehezin'ny herin'ny nofo dia ny lehilahy bebe nofo no atoniny, misy te ho fehezin'ny herin'ny saina dia ny lehilahy manan-tsaina no fidiany, raha tafaraka moa ny vola sy ny saina ary ny nofo vao mainka mety fa tsy maintsy mba tafiditra amin'ireo daholo kosa ny lehilahy tsirairay sa ahoana?





herin'ny nofo, herin'ny vola, herin'ny saina8-) ary mba aiza kosa ny herin'ny fanahy:{ , ny fanahy manko hono no maha olona;-)
44. andryrabe ( 09/10/2007 10:20)
eeeeeee!!!
manahirana ny miaina raha toy izany ny eritreritry ny olona maro.
ny hevitro de tsotra, na am fomba ahoana na am fomba ahoana no nihaonana sy nifankatiavana de efa vita lamina efa elabe dooly izany rehetra izany e, fa aza mieritreritra hoe ianao tia vola na iry tia nofo na iry tia saina na ....sns e, fa aleo kokoa angamba misaina hoe ity no efa voalamina elabe.
mazotoa e.
45. naughtyboy ( 10/10/2007 16:39)
tsy ny olmbel rehetra akory de azo vidina @ vola tsy ekeko ary tsy voatery ho lhl mintsy no voalohany,adino sahady nga le tantara etsy ambony oe sipa 16-18 taona ary le japs alou ra tsy diso zokiny lavitra:-P
ny tsy manaiky izany de oul ampiasainy vola fa tsy hainy ny mifehy ny heriny vola @ tokony ho izy nefa tsisy tsiny,amaranako ny voalazako iarahamahalala fa fitiavana tsy voavidy vola zay alo fa @ manaraka ndray
46. Kwasi ( 11/10/2007 15:19)
Raha izaho aloha no be vola ka mahafantatra fa hoe noho ny volako no iarahan'ny sipa amiko dia tsy manana zo ny ho tezitra amiko izy raha mampirafy aho e. Mbo kozy e

Ary io no mahatonga ny sipa gasy mora jonoana @ daba.

Fa ilay izy moa efa ho lasa conscience collective eo @ fiaraha-monina ilay hoe ny vola no mandeha aloha ka tsy hita.

Tsy mila ahiratra ahoana ny mason'ny bandy gasy ry soanja fa efa fantany zany a. Fa zao kosa aza omena tsiny izy raha mba mampirafy, zony izany.
47. Mam ( 16/10/2007 09:31)
inty resaka vola inty no tena tiny de lazainy fa tia anao izy fa naoana???????
TENA MANONTANY OLONA AZY AHO FAMAHAGAGA AHY DIA NY OLONA REHETRA NANOTANIAKO DIA TIA VOLA AVOKOA (indrindra ny tenako) EO NO TENA MAHAGAGA hoe tokony tsy ho tezitra ve aho raha misy mangataka(sipa) vola.ra misy olona hafaka mamaly na manoro hevitra hay momba izany dia tiko be iz.:(:(:roll::roll::!::?:
48. soanja ( 20/10/2007 13:58)
Kwasi:

Raha izaho aloha no be vola ka mahafantatra fa hoe noho ny volako no iarahan'ny sipa amiko dia tsy manana zo ny ho tezitra amiko izy raha mampirafy aho e. Mbo kozy e

Ary io no mahatonga ny sipa gasy mora jonoana @ daba.

Fa ilay izy moa efa ho lasa conscience collective eo @ fiaraha-monina ilay hoe ny vola no mandeha aloha ka tsy hita.

Tsy mila ahiratra ahoana ny mason'ny bandy gasy ry soanja fa efa fantany zany a. Fa zao kosa aza omena tsiny izy raha mba mampirafy, zony izany.



Mihiratra marina ny masony ry Kwasi fa voan'ny masobe tsy mahita izireo matoa tsy afaka ny hanaiky fa izay no realite. Le hoe manaiky anie dia hoe hanamboatra saina fa isan-karazany ny fisehoan'ilay fanorenana tokatrano fa tsy voatery manomboka amin'ny fitiavana akory. Fa rehefa ao ny olon-droa dia afaka manatsara sy manisy hasina na value izay hampaharitra ny fanambadiana.

Le hoe aza mimenomenona indray raha mampirafy ny bandy de hozy aho hoe mbola tsy feno le fepetra ao an-tokatrano matoa misy ny fijangajangana ary misy ny fimenomenomana. Amiko izay miditra amin'io atao hoe tokatrano io dia tokony hisy foana ny resaka sy ny fifandaminana ary ny fifampitokisana mba hanampiana izay tsy feno na hanamafisana ny fiarahana fa tsy kilalao akory io ka idirana de avy eo ariana na atsipitsipy.

Tsy midika mihitsy mantsy hoe raha vola no nidirana voalohany tao de tsy hanjary ilay tokatrano. TSIA afaka manjary tsara mihitsy fa ny tsirairay no mandamina ny fiatrehana izany fanapahan-kevitra izany. :-*:-*:-*


49. ikaretsaka ( 21/10/2007 11:54)
tena raha hoe vola aloha dia ..fomban'ny lehilahy manambol any mampirafy ee..

iraisako hevitra i kwasi eto
Dia raha hay fa noho ny vola no nahazoana ilay sipa dia tsy tokony @ ilay bandy mihitsy izy no tezitra fa @ vola ko..
raha tena dinihina manko dia ilay vola no "nikaoty " sy nahazaka azy!
50. soanja ( 22/10/2007 05:42)
Mety hadinoko no namaritra ery ambony indrindra fa ILAY LEHILAHY TIA BE MATOA MANAMBADY AN'LE SIPA ARY IZY METY TSY HIOVA FA TIA BE FOANA satria novadiany na fantany aza fa vola no nanambadianle sipa azy. Fantany ny zavatra nidirany fa naka riska izy.

Donko amiko iny mety tsy mipetraka le olona fampirafesana sns amin'ny lehilahy. Asa anefa an. :lol::lol:

Raha lehilahy gasy indray, izay kolontsaina no resahiko eto dia mety efa fiainana zany mampirafy izany matoa izy manao eo foana. :evil: efa manjaka aminy le hoe soa ny manandroa sy ny arakaraky ny habetsaky ny vola ny habetsaky ny vady sns sns izay manjaka ao anaty fiarahmonintsika ao. Iza anefa no omena tsiny??? Ny Ntaolo sy ny lehilavaizo samy nanofokofoka nanao an'io aby! Nefa anie ka nisy baiboly teo anelanelany sa ve vao zaza/tanora maisto volo loatra ny baiboly raha oharina amin'ny fiarahamonina gasy?
51. Kwasi ( 22/10/2007 09:48)
cercle vicieux ny fahitako an'io ry zareo a:
vola-fitiavana-fampirafesana-vola.

Ny marina aloha dia tsy misy reny ka tsy maniry ny tsy hampetipety ny fiainan-janany (vavy). Dia any matetika no miainga ilay resabola. Raha mitady ny avenir ho an-janany izy dia ny vola EFA VONONA no akaiky indrindra @ sasany, indrindra moa @ izao efa fotoan-tsarotra izao, ka indraindray takona ny tena POTENTIEL n'ilay bandy. Nefa raha ny hevitro dia iny potentiel iny no tena zava-dehibe, raha hiresaka materialy ihany.

52. la ( 22/10/2007 10:29)
Ra ny tokony ho izy dia fitiavana aloha vo vola fa marina ihany le tenin'i Kwasi we "efa miha sarotra zao ny fiainana", ny olona koa anefa samy te ho tafita daholo de any amin'izay be vola aloha mande eee!!!! de lasa we refa misy ny vola de manaraka ho azy ny fitiavana, ka mety fona ze iainana eo refa misy ny vola. Mahagaga aloha le izy e!! satria nga refa mifankatia tsy afaka ny itady vola miaraka:?::?: asa aloha e:-w:-w:-w
53. diffordi ( 22/10/2007 10:59)
Tsy mety izany vola aloha zany fa ny fitiavana no voalohany dia azo oazy ny vola(l):*(l)
54. kofbay ( 09/11/2007 16:43)
ny sasantsany tamin'ireo post ireo no novakiako dia mba azoazoko ny votoatiny! Marina fa tsara ny fitiavana, fa ny fitiavana tsy misy vola koa aloha dia tsy dia tsara, saingy izao, efa mitovy izao ny lahy sy ny vavy, ka amiko tsy voatery ny lehilahy ihany no manambola vao hazaka sipa! Ny vola rehefa tsy mitovy ny masony dia mety ho tahakan'izay ihany ny fitiavana. Ry vehivavy mitady bandy be vola, mba mitadiava aloha vola dia ho hainareo ny manavaka ny hoe bandy manambola sy tsy manana fa aza dia ny fahantranareo no atao point de depart! Ireo vazaha izay mandray 1200 euro ireo ve no heverinareo fa manambola satria hoe rehefa kotiana vola gasy dia betsaka? any an-dafy anie izany mitovy amin'ny bandy mandray 1milllion et amin'ny tanana e! ny kolontsaina tsy mitovy toy izany koa ny fomba fiainana, ny vazaha akory tsy rehefa hoe manana daba, ortable, ordi TV dvd sns dia hoe laibany, diso be izany fa zavatra mandeha ho azy izany any, fa ianareo no mety tsy manana dia heverinareo fa laibany izay manana an'ireny! ny fanafodiny ataovy izay hanana dia avy eo afaka mitsara marina hoe ohatran'ny ahoana marina izany hoe bandy manambola! Raha marina ny hoe bandy manambola vao mazaka sipa, manin ireny vazaha ireny no tsy nazaka sipa tany aminy tany? satria ny notion-ny hoe manambola tsy fantatry ny sipa gasy! ary mba jereo anie ny sipa zakand-ry zalahy e? ny ankabetsahany dia sipa mafy ady na tsy nianatra no betsaka! io tsy misy hoe ny mahantra izany tsy hahazo sipa? Tsia betsaka akoa anie ny sipa mitovy masombola amin'ireny e! ny finiavana hiary sy hiezaka miaraka no safidy tsara,Ny harena mitsiky ho an'ny rehetra fa anjaran'ny tsirairay no miezaka mikatsaka izay betsaka indrindra azony! na bandy io na sipa, aza mitady partenaire hoe laibany be noho ianareo izany, ataovy mitovy ny masony dia miady ny domy! tsy hoe tapakabe le bandy koa anefa dia hoe lehilahy moaka io, na tapaka be noho ilay bandy ilay sipa dia hoe makorela io, fa ny fitiavana koa lakalaka rehefa izay no anjarany dia izay izany raha tsy izany dia rava ho azy eny foana io na ho ela na ho haingana, ka ilay tapaka be no tena mijabaka @ zay! Efa mitovy izao ny lahy sy ny vavy, ka aleo tsy mifakiana hoe bandy gasy tapaka dia tsy tian'ny sipa, satria koa izany ilay sipa tsy aninon tsy anin, raha sipa efa tafa ve dia hanisy blem @ izay resaka sosy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1515