ny mpino ve

41. fijo ( 05/10/2007 21:06)
petrakevitra ny siansa,ie,apetraka ny hevitra dia tadiavina ny porofo.fa ny baiboly ve efa tena marina?????????????
hoy mbaliana,iza no mahalala ny aorian'ny fahafatesana??tsy misy ny valiny,saingy ianareo matahotra dia ny vavaka no mody hialana pas.izahay tsy te ahalala izay any fa ny eto aloha.
ny anjaran'ny siansa diany manome fanazavana,ie,izy aza mba mihezaka manazava izay hita,fa tsy lany andro hanofy ny tsy misy.izay no mampiavaka antsika.ianareo matahotra hiatrika nyeo,de mody manofy mamisavisa ny tsy mbola hay.
42. andryrabe ( 05/10/2007 22:08)
misy ve ny matoatoa????
raha misy, voazava aratsiansa ve???
raha tsy misy, adala dooly zany ny olona tsindrianjavatra ireny???
43. rijadolly ( 06/10/2007 04:11)
mahagaga marina ry fijo fa misy ireo mpino sasany manaiky fa avy amin\'ny gindro marina ny olombelona.
Ity misy fanontaniana adaladala ho an\'izay mino io voambaran\'siansa io:afaka firy taonjato inrday ny taranany no hiova biby hafa ka hilaza fa avy amin\'ny biby hoe olombelona izany hono ny niaviany?Izy izany manaiky zao fa biby? Inoako fa tsy hanaiky i fijo fa biby an!satria raha izany dia tsy hiady hevitra amin\'sé intsony izahay.Raha marina io nofinofiko io dia anisany mpanao siansa tena mahery aho.Izany ô?
Ny lojika nambaran\'ny siansa no nahatonga ahy nanonofinofy tahaka io sao dia bedy eo aho an!.Amin\'izany andro izany zany dia misy biby olombelona ihany ô? ohatrizao iainantsika izao hoe misy gindro no sady misy olombelona avy amin\'gindro.
@ izao zany ny mpanao siansa mamandrika gindro izay voadininy fa ho manjabe atsy ho atsy ô?=))=))=))=))=))
Mba tsy ahatapatsinay antsika tahaka izao dia izao re ny marinà asatanan\'Andriamanitra daholo fa saingy miavaka ny olombelona. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=1&andininy=26-31&dika=
Ho atsika mpino aza manaiky,tena aza manaiky fa avy amin\'ny gindro ny olombelona.Lazao azy ny tena marina fa manjary manome heloka ny tsy mpino isika ka hanambany Ilay hinoantsika ho manana hendrika tahaka ny gindro izireo(l)(l)(l):-*
44. gasynamana ( 06/10/2007 10:33)
rabilabila:
Ary tsy misy afaka manaporofo ny fisiany koa ianareo .
Araky ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy olany izany ,tsy ny hanaporofo no tsy fisiany no mahatonga ny siansa .Ny mety hampalahelo azy fotsiny angamba ary iadiany mandrankariva dia ny fihizingizinanareo ho "mpitàna ny fahamarinana" nefa ny valim-pikarohana rehetra ( na arkeolojika , na paleontolojika , na cosmologie ,na biologie ,na anthropologie ) dia mifanipaka amin'ilay " livre revélé" .Sinon!!Bof!Bof!

1 - Fa ahoana ny famakinao ny baiboly? Ny zavatra marina tsy azo lavina ao dia ny hoe: Andriamanitra no niavian'ny zavatra rehetra. Tsy misy afaka manda an'io ny petra-kevitra rehetra, eny fa na dia ny bing bang aza.

2 - Raha ny resaka porofo amin'ny fisian'Andriamanitra dia izao: Tsy zavatra izy ka ilaina porofo ny fisiany. Andriamanitra izy ary mifandray amin'ny olona rehetra, izay te hifandray aminy. Io relation-ny tsirairay aminy io dia mampiseho fa Misy izy.

3 - Ny hoe izy no niavian'ny rehetra dia izao: Raha voafehin'ny lalan'ny natiora daholo ny zava-misy rehetra dia tsy ho nisy isika, satria tsy ho afaka nisy Izy (Andriamanitra).

4 - Ny resaka evolution dia hadala be. Izay ihany. Aleo izay manaiky izany no hanana razam-be gidro.

45. ikaretsaka ( 06/10/2007 12:23)
andryrabe:

misy ve ny matoatoa????
raha misy, voazava aratsiansa ve???
raha tsy misy, adala dooly zany ny olona tsindrianjavatra ireny???


efa voazava ara tsiansa ny momban'ny matoatoa ka... tsy hidirako lalina
http://www.torontoghosts.org/science/
46. rabilabila ( 06/10/2007 15:47)
1 - Fa ahoana ny famakinao ny baiboly? Ny zavatra marina tsy azo lavina ao dia ny hoe: Andriamanitra no niavian\'ny zavatra rehetra. Tsy misy afaka manda an\'io ny petra-kevitra rehetra, eny fa na dia ny bing bang aza.


Misy endrika maro tokoa ny fomba mety hamakiana ny baiboly .
Ireo efa voto-mpinoana , izay azo fintinina amin\'ny teny fohy ny toe-tsaina entiny mamaky azy : izay voasoratra ao anaty baiboly no FAHAMARINANA
ohatra :
-i Jehovah ( YHWH ) no namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra misy ao antiny nandritry ny 6 andro
-i Jehovah no nanajanona ny masoandro ( sy ny volana ) tsy hiodina nandritry ny iray andro manontolo ka nahafahan\'i Josoa nandringana tanteraka ireo fahavalony ( na lahy antitra izany na ny reni-mpianakaviana eny na dia ny zaza menavava mbamin\'ny ondry aman\'osy aza !
Ho an\'ireo olona ireo (jiosy , kristianina -indrindra fa ny protestanta - ary ny silamo raha ny testamenta taloha no jerena )dia i Jehovah ( izay andriamanitry ny foko Hebreo irery ihany tany am-bohalohany ary nifanina tamin\'ireo andriamanin-kafa notompoin\'ireo mponina nisy tany tamin\'izany fotoana izany )no nanoratra na nampanoratra ny baiboly.

Misy koa anefa ireo olona hafa ( historien , archéologue , siantifika samihafa ...) izay te ahafantatra ny tena mitombona ara-tantara ao anatin\'io boky io sy izay mety ho angano na zavatra noforon\'ireo mpanoratra fotsiny .
Ny vokatr\'izany fikarohana izany dia :

-misy ny mitombona ara-tantara : ny nandefasana ny Hebreo sesitany tany Babylona tamin\'ny taona -597 /-587 ( mitombona satria azo nampitahiana tamin\'ireo soratra nipetraka avy amin\'ny sivilizasiona hafa + nohamafisin\'ny fouilles archéologiques taty aoriana ...)

-misy ny tsy mitombona ara-tantara ka noforonina : ny fandresen\'i Josoa ireo mponina rehetra tao Kanana ( Jeriko sy ny rindriny nirodana tamin\'ny alalan\'ny feon\'anjomara , ny fandorana ny tanana\'ny Ay ...)izay voaporofo ara arkeolojika fa tànana efa rava tamin\'ny androny ;
raha te handalina ianao dia azonao vakiana ireto voka-mpikrohana ireto :
Studies in the Mesha inscription and Moab ( Derman , Atlanta 1989)
Bible archaelogy of archaeology of Palestine in the iron age ? A rejoinder ( Finkelstein in Levant 30 ).

-Maro dia maro koa kanefa ny angano :
ny masoandro ( sy ny volana ) miantona eny an-danitra
Adama sy Eva
Noe
ny ranomasina mena nisintona mba hiampitan\'ny Hebreo sy ny andripahana ny miaramilan\'i Farao ...etsetra

-ny tsy mitombona ara-tsiansa :
ny niforonan\'izao tontolo izao ( sy izay rehetra ao anatiny ) nandritry ny 6 andro ; raha mba sendra mandalina kely ianao , eny na dia amin\'ny alalan\'ny ordinaterana fotsiny aza dia ahita fa ...taona aman\'etsiny vao miforona ny ...kintana iray

tsy ny masoandro no mandeha eny an-danitra ka azo ahantona fa ny tany no mihodina manodidian azy ( saika nodoran\'ireo filohan\'ny Krisitianina tamin\'izany fotoana ireo olona sahy niteny an\'izany tamin\'ny fotoan\'androny : COPERNIC / GALILEE ); ka raha nitranga tokoa izany dia ...nidaboka nianjera tao anaty masoandro ny tany ...sy ny volana ...kanefa moa ho an\'ireo efa nankaton\'ny finoana sy ny fivavahana diso tafahotra ny saina dia ... ekeny sy ateliny avokoa tokoa na inona na inona voalaza ao .

Raha ny mikasika ny BIG BANG indray ( fa tsy bing bang akory ) dia tsy misy ifandraisany amin\'izay resaka andriamanitra akory ny saha-mpikarohany ;sahala amin\'ny fikarohana siantifika rehetra : tsy ny fisiana na tsy fisian\'andriamanitra ( na i Jehovah izany na i Allah na i Sarduk na i Baal na i Jesoa na i Vishnou ...) no imasoany fa ny fitadiavana kosa ny mety nipoiran\'izao tontolo izao ( cosmologie , chimie prébiotique ...) ny lalàna mifehy azy ( fizika , biolojia ...) ny fivoarany sy izay mety rehetra mitranga ao anatiny .

Ny honnêteté intellectuelle sy ny démarche siantifika dia tsy miala amin\'ny \"dogme\" izay zavatra ekena tsy misy alaharo,alaharo ka miezaka mampifanindry ny valim-pikarohana amin\'ilay \"efa voalaza \" ,ka rehefa tsy mifanaraka amin\'iny ny zavatra hita dia hafenina na anamboarana andriamanitra \"bouche-trou\" haingana,tamin\'ny andro taloha aza moa nodorana (Giordano Bruno ).


2 - Raha ny resaka porofo amin\'ny fisian\'Andriamanitra dia izao: Tsy zavatra izy ka ilaina porofo ny fisiany. Andriamanitra izy ary mifandray amin\'ny olona rehetra, izay te hifandray aminy. Io relation-ny tsirairay aminy io dia mampiseho


Exemple parfait d\'une \"preuve\" ontologique : Ce n\'est parce qu\'on a idée qu\'une chose existe ,que la chose existe .

3 - Ny hoe izy no niavian\'ny rehetra dia izao: Raha voafehin\'ny lalan\'ny natiora daholo ny zava-misy rehetra dia tsy ho nisy isika, satria tsy ho afaka nisy Izy (Andriamanitra
).

Efa novaliana tetsy ambony .

4 - Ny resaka evolution dia hadala be. Izay ihany. Aleo izay manaiky izany no hanana razam-be gidro.


Raha ilay resaka evolution aloha dia avereno jerena ny théorien\'i Darwin sy ry Buffon izay vao miteniteny foana fa mampalahelo raha ilay \"ignorance\" no atao porofo hanazavana ny fisian\'andriamanitra ???.
Ny hamintinako azy dia ity (Valinteny nidramiko ):

\"Has the rumor of the (Darwinist) row reached you? It was great fun--I had said that I could not see what difference it would make to my moral responsibility if I had an ape for a grandfather then, said I, the question is put to me would I rather have a miserable ape for a grandfather or a man highly endowed by nature and possessed of great means & influence & yet who employs those faculties & that influence for the mere purpose of introducing ridicule into a grave scientific discussion-I unhesitatingly affirm my preference for the ape.\"


Reponse d\'huxley au Revérend Wilberforce.

47. ikaretsaka ( 06/10/2007 17:42)
exemple parfait d'une "preuve" ontologique : Ce n'est parce qu'on a idée qu'une chose existe ,que la chose existe .

HS be mihitsy za fa mba tsetsatsetra fotsiny
Cognito ergo sum ho'zy Descartes izay
48. gasynamana ( 06/10/2007 18:02)
rabilabila: Misy tokoa ny fikarohana siantifika atao amin'ny baiboly ary maro. Tsy hitanisa izany aminao moa aho fa efa hainao angamba. Nefa raha ilaina dia ho avy aho hanazava azy amin'ny antsipirihany sy hanome bibliographie anao mba hahafahanao mandalina koa.

Ekeko fa ny fikarohana siantifika dia manala an'Andriamanitra amin'ny fikarohany, manala ny vérité révélée fa mionina amin'ny zavatra hitany ihany. Lazainao fa tsy misy ifandraisany amin'ny resaka Andriamanitra ny Bing Bang, nefa mba jereo kely fa io no ampiasan'ny sasany handavana ny fisian'Andriamanitra. Dia mba mangataka aminao ary aho hoe: mba hazavao kely eto hoe ny resaka bing Bang raha mba hainao tokoa na miteniteny foana koa ianao?

Ny resaka evolution dia averiko fa hadalana be. 3taona no niainarako sy nandinihako an'io, raha mila fanazavana mikasika an'io ianao dia afaka manome fanazava ampy ho anao aho. Raha ilainao koa ny bibliographie dia afaka omeko eto.

Tsipihako fotsiny fa tsy hifampidera fahaizana no atao eto, na ampianatra, nefa raha ilaina izany tsy maninona.


49. pissoa ( 06/10/2007 22:08)
:-D:-D:-D
50. ikaretsaka ( 06/10/2007 22:37)
kalma ihany gasy an kalma ihany:wink:
51. naughtyboy ( 07/10/2007 13:48)
ra ny fahazaoko io preuve ontologique io de hevitra toa manambara fa ny voafetra ny hita maso sy tsapaitanana ihany no azo ekena ny fisiany fa ny ankoatrzay de tsy misy fa forononiny saina zay mivaona manoloana ny tontolony fanahy(spiritual dimension)
tsy idea zany mintsy no hanaporofoana ny totolony fanahy fa fahatsapany oul Hery hafa miahy sy mitia azy zay iainany fa tsy voatery ho hita na porofoina aratsiansa,tsy hovoazava na rahovina aza ra ny sain\'olmbel tsotra izao,fahalalana lehibe noho ny rehetra tsy takatry ny saina , ny siansa de nanampy ny oul survive ny fiovana arapotoana sy ny fomba fiainany fa mbola betsaka ny tsy voavahany @ reo fanotaniana marobe mikasika ny olmbel fotsiny sy ny fiandohany,fehiny ny siansa sy ny atidohany olmbel de voafetra fa ny fanahy kosa de lehibe afaka mamantatra ny tsy takatry ny saina
52. rabilabila ( 08/10/2007 19:51)
gasynamana:

rabilabila: Misy tokoa ny fikarohana siantifika atao amin'ny baiboly ary maro. Tsy hitanisa izany aminao moa aho fa efa hainao angamba. Nefa raha ilaina dia ho avy aho hanazava azy amin'ny antsipirihany sy hanome bibliographie anao mba hahafahanao mandalina koa.

Ekeko fa ny fikarohana siantifika dia manala an'Andriamanitra amin'ny fikarohany, manala ny vérité révélée fa mionina amin'ny zavatra hitany ihany. Lazainao fa tsy misy ifandraisany amin'ny resaka Andriamanitra ny Bing Bang, nefa mba jereo kely fa io no ampiasan'ny sasany handavana ny fisian'Andriamanitra. Dia mba mangataka aminao ary aho hoe :mba hazavao kely eto hoe ny resaka bing Bang raha mba hainao tokoa na miteniteny foana koa ianao?
Ny resaka evolution dia averiko fa hadalana be. 3taona no niainarako sy nandinihako an'io, raha mila fanazavana mikasika an'io ianao dia afaka manome fanazava ampy ho anao aho. Raha ilainao koa ny bibliographie dia afaka omeko eto.

Tsipihako fotsiny fa tsy hifampidera fahaizana no atao eto, na ampianatra, nefa raha ilaina izany tsy maninona.






Inona ary ity "procès d'intention" n'i gasynamana ity ? Tsy manome arguments ny sasany amin'ny hevitra arosony dia lazainreo fa
manao affirmation tsy misy fanazavana
,rehefa manome fanazavàna kanefa toa lazainareo :
mba hazavao kely eto hoe ny resaka bing Bang raha mba hainao tokoa na miteniteny foana koa ianao?


Ilaina tokoa ve ny hamelabelaran-drabingobingo = rabilabila ny momba ny big bang? Raha toa ka heveriko ilaina izany ,hanazavàna bebe kokoa ny atao hoe "science " dia tsy mampaninona ahy mihitsy akory .
Maro mantsy ny olona mandika vilana ny atao hoe :valim-pikarohana toa ny olona manao raccorci amin'ilay hoe :Ny olona dia avy amin'ny ragidro .

Tsy sanatria akory ry gasynamana
fampiderana fahaizana
na
ampianatra
araky ny lazainao no iadiana hevitra eto (na ianao aza mino aho fa tsy specialiste es bible na réligion na foi),fa kosa fanomezana informations ho an'izay tia karokaroka na koa fanomezana arguments hi-appuyer-na nyhevitry ny tena . Ka noho izany ,ianao moa efa nianatra sy nandinika nandritry ny telo taona momba ny théorie de l'evolution ary mitsipaka azy ; ka raha mba azo atao re ,tompoko ,mba azonao hazavaina aminay ve ilay "contre-théorie de l'évolution ?

Misaotra mialoha fa mety hahaliana anay tokoa .
53. naughtyboy ( 08/10/2007 20:31)
o rabila an,fa ahona kosa ary no tsy valina ny fanotaniana gasynamana nipetraka voalohany oe azavao eto ary ny theory-ny bing bang zay tsy mampaninona anao akory ny anazava azy fa ilainay te ahalala zany zay mbola tsy naheno ny fanazavandrabila :°)
ny itako voalohany zao de ny proces d'intention nao manodina fanotaniana @ contre-theorie de l'evolution
nefa ny any gasy aza tsy voavaly,tandremo sao avadiky ny zv lazaina anao ny sehatra:D
54. tsimiandravola ( 08/10/2007 21:23)
:DMiala tsiny raha miditra amin'ny resakareo toy ny mandray tsy raisina ,tsy hanavotra an'i rabilabila aho akory,efa olon-dehibe sy vacciné izy.Nefa mba te hanome ny hevitro momba ny big bang fotsiny:
-Toa mahazo aina ery ny mpino (créationistes) rehefa big bang no resahina,satria angamba mifandraindraika amin'ny eritreretiny izy io ,dia ny amin'ny fisian'ny fiandohan'ny zava-drehetra(izany hoe hisy fiafarany koa=fin du monde araka ny sous entendu kristianna,fin ratsy ho an'ny hafa fa fin tsara ho azy ireny).Raha izany no dinihina dia toa misy finfandrindrany tokoa ny siansa sy ny finoana...
-Kanefa ,raha ny marina dia big bang iray no resahan'ny siansa,ary amin'ny toerana iray voafetra,ary koa amin'ny fotoana iray voafetra...hatreo no takatry ny théorie scientifique..Tsy milaza akory izany fa :satria hatreo no takatry ny siansa fa tsy lasa lavitra ,dia porofo izany fa tsimaintsy misy andriamanitra (encore moins Jehovah)satria tsy misy fanazavana hafa azo amenoana ny banga.
-En réalité (en tout cas à mon avis) dia mety efa nisy big bang maro,ary mbola hisy big bang maro....ary maro lavitra mihoatra izay takatry ny eritreritsika.
-Tsy voafetra mihitsy ny espace,toy izany koa ny fotoana,...noho izany dia tsy misy olona afaka (na siantifika aza) manana zo hiteny fa vao bib bang iray no nisy hatramin'izay naha hary saina ny olombelona izay.Na ny tsy fisian'ny olombelona na intelligence équivalente amin'ny an'ny olombelona any amin'ny toeran-kafa nohon'ny tany fotsiny aza dia efa tsy droit-tsika no miteny izany.Toy ny tsy maha-droit-n'izy ireny ny milaza fa isika dia tsy misy.

Raha resaka philosophie ,na spéculation toy izany no resahana dia ny an'ny tatsinanana no misy ho raisina kokoa ka milaza hoe:"Sachant que rien ne pouvait venir à l'existence à partir du néant,et rien ,pareillement ,de ce qui existe,ne peut s'anéantir,alors tout ce qui existe a toujours éxisté,et continuera à exister" (i Lavoisier nous nilaza izany amin'ny fomba hafa)
55. ikaretsaka ( 08/10/2007 21:58)
ny tsy azoko amin'ity resaka big bang ity dia hoe ..naninona no tampotampoka teo dia
big BAAAAAAAAANG?
iza no nanapotsitra ny gachette sy ny trigger, nanala ny goupille, sy nandrehitra ny tsipoapoaka, ny nanambatra ilay formule naha Big bang azy?
56. rabilabila ( 09/10/2007 01:15)
Ikaretsaka>>


ny tsy azoko amin'ity resaka big bang ity dia hoe ..naninona no tampotampoka teo dia
big BAAAAAAAAANG?
iza no nanapotsitra ny gachette sy ny trigger, nanala ny goupille, sy nandrehitra ny tsipoapoaka, ny nanambatra ilay formule naha Big bang azy?




-Tsara ny mampatsiahy fa ny nahatonga ny anarana hoe BIG BANG dia i Fred HOYLE , scientifique lehibe-mpikarohana tamin'ny astrophysique taloha ( 1945 tany ho any ) , izay tsy tia mainty ny fotokevitra vaovao natsangan'ireo scientifiques toa an-dry FRIEDMANN na GAMOW na indrindra i LEMAITRE ( izay marihako fa prêtra belge ) ; isaky ny mahita an'ireo mpikaroka ireo izy dia hoy izy : "manao ahoana ianareo BIG BANG ..." dia lasa raikitra an'io ny anaran'ny théorie vaovao nateraky ny RELATIVITE GENERALE ( Einstein ) sy ireo olona voalaza etsy ambony
dikany : tsy misy BIG BANG = ZAVA-NIPOAKA GOAVANA akory ao antin'io foto-kevitra io

- Tsara koa ny manamarika fa I F.HOYLE dia nifikitra tamin'ny TONTOLO TSY NIOVA TSY MIHETSIKA HATRAMIN'IZAY NISIANY ( raha toa ka nisy fiatombohany ) ka HATRAMIN'IZAY HIAFARANY ( raha toa ka misy fiafarany ) : io no antsoina hoe " modèle stationnaire " izay notohanan'ny EINSTEIN koa tamim-boalohany ( vokatry ny fanangarohany ny filosofia sy ny fikarohana siantifika ) kanjo soa ihany fa nanaiky ihany izy ny fahadisoana nataony 10 taona taty aoriana

azavao eto ary ny theory-ny bing bang zay tsy mampaninona anao akory ny anazava azy fa ilainay te ahalala zany zay mbola tsy naheno ny fanazavandrabila


Raha toa ka ilainao tokoa Andriamatoa naughtyboy ny fanazavako dia indro atolotro anao amin'ny ambangovangony ( raha mila fanazavàna fanampiny moa dia manasa anao aho hanampy izany amin'ny alàlan'ny solosaina ).Satria moa mazàva fa ny hamandrika ahy no anton-dianareo :" sao dia tsy mahay akory nefa miteniteny foana"

Inona no votoatin'ny BIB BANG ?
Lafiny vitsy ihany no tiako ho soritana eto :

1 ) Ny zava-dehibe voalohany dia ny nipoiran'ny BIG BANG dia ny RELATIVITE GENERALE izay natsangan'i EINSTEIN tamin'ny taona 1915
-ny vaha-olana voalohany tamin'ny EQUATIONS D'EINSTEIN ( izay mapifandray ny courbure-ny espace sy ny zavatra misy ao anatiny -energie/matière ) dia i Einstein ihany no nahita azy
Loza no nitranga : ny vaha olana hitany dia manaseho espace miova fa tsy mihetsika araky ny finoany >> somary novany ny EQUATIONS-NY ( nampihany terme iray nantsoiny hoe CONSTANTE COSMOLOGIQUE ) mba hanomezany SOLUTIONS STATIONNAIRES ( = tontolo tsy miova)

2 ) Eo ankilan'izany ireo mpikaroka siantifika toa an-dry FRIEDMANN ( 1922 ) na i LEMAITRE ( 1927 ) dia nahita VAHA-OLANA MITORY UNIVERS EN EXPANSION ( izay tsy midika mihitsy hoe BIG BANG = FIPOAHANA akory ry Ikaretsaka:wink:, tahaka ny fanesohana nataon'i HOYLE tetsy ambony nefa moa nijanona ilay anarana ; na i HOYLE aza taty aoriana dia voatery nampiasa an'io anarana io fa tsy naneso intsony )

3 ) Ny tena nampitombona ny BIG BANG dia ny VOKA -MPIJERENA ( astronomie observationnelle ) nataon'i HUBBLE ( 1929 ) izay nahita fa mifanalavitra isan-tsegondra ny galaxies samihafa ;TSY AZO NOLAVINA INTSONY NY THEORIE DE L'EXPANSION DE L'UNIVERS-NY LEMAITRE SY FRIEDMANN

4 ) Inona no nitranga taty aoriana ?
Mbola nitohy ny PREDICTIONS vokatry ny BIG BANG


-1948 : nilaza i GAMOW sy ALPHER fa tokony hisy HAZAVANA FOSILA mirefy 3-5 KELVIN eran'ny lanitra

-1964 : i PENZIAS sy WILSON no nahita fa nisy tokoa io FAHAZAVANA FOSILA io ka nandrefy ny hafananany ( 2,7 KELVIN no refiny ) >> nahazo PRIX NOBEL izy roalahy

5 ) HO FARANAKO
tsara ny mampahafantatra antsika rehetra -indrindra ireo izay miteny tsy ampiheverana ( nohon'ny tsy fahalalana sy nohon'ny tsy finiavana hikaroka ...) fa eny na ny PRIX NOBEL 2006 aza dia mbola ireo MPANAO FIKAROHANA AMIN'NY THEORIE NY BIG BANG ihany no nahazo azy : tsy iza izany fa ireo izay namorona ny satellite COBE izay mbola nanamafy ny PREDICTION-NY BIG BANG

FARANY DIA FARANY :
mbola soritako fa mety betsaka ny zavatra hita tsy voazavan'io THEORIE io ; izany no maha siansa ny siansa ; izany indrindra ny FANDROSOANY.


ny itako voalohany zao de ny proces d'intention nao manodina fanotaniana @ contre-theorie de l'evolution


Tsy izaho ,tompoko , no nilaza fa nianatra sy nandinika 3 taona........... ka miala tsiny indrindra .

Misaotra.


57. naughtyboy ( 09/10/2007 10:40)
magarahara ny fanazavana rabilabila fa misaotra ekena fa sampampikarohana momba ny nipoirany fiandohana fotsiny fa tsy azo iadina hevitra @ fisiny tontolo tsy hita sy ilay hery lehibe mitantana azy(na bouche trou aza no iantsonao azy),zonao no milaza fa intellectual dishonest manoloana ny siansa ny dogma ny mpino .Refa tsy voazavany saina kory tsy midika fa tsy misy ny hery tsy hita zay manodina ny tany avy aiza no nipoirany NRJ cosmique,solar sy ny sekondra mapisaraka reo galaxy samihafa sy mandrindra azy reny ..sns tsy votanisa
eo no mahasahirana ny olony siansa voafetra ny fahalalandraolmbel de miziriziry fotsiny oe miovaova araky ny vanimpotoana ny fisiany zao tontolo zao,ny mino de mahalala fa tao ny namorona aloha zao rehetra de avy mandrindra reny isan'andro isan'ora
58. rabilabila ( 09/10/2007 12:33)

naughtyboy>>

Refa tsy voazavany saina kory tsy midika fa tsy misy ny hery tsy hita zay manodina ny tany avy aiza no nipoirany NRJ cosmique,solar sy ny sekondra mapisaraka reo galaxy samihafa sy mandrindra azy reny ..sns tsy votanisa


Ary rehefa tsy voazavan'ny saina ankehitriny akory tsy voatery hoe tsy misy valiny ,fa mbola tsy hita fotsiny ny valiny ;izay ny maha-siansa ny siansa.

Hoy aho ery ambony ery:
sahala amin'ny fikarohana siantifika rehetra : tsy ny fisiana na tsy fisian'andriamanitra ( na i Jehovah izany na i Allah na i Sarduk na i Baal na i Jesoa na i Vishnou ...) no imasoany fa ny fitadiavana kosa ny mety nipoiran'izao tontolo izao ( cosmologie , chimie prébiotique ...) ny lalàna mifehy azy ( fizika , biolojia ...) ny fivoarany sy izay mety rehetra mitranga ao anatiny .

eo no mahasahirana ny olony siansa voafetra ny fahalalandraolmbel de miziriziry fotsiny oe miovaova araky ny vanimpotoana ny fisiany zao tontolo zao


Sahirana tokoa ny olon'ny siansa fa tsy araky ny fiheveranao azy .Sahirana izy satria te-handroso amin'ny saham-pikarohany ,Sahirana izy satria betsaka ny zavatra tsy voavaliny fa ezahany karohina ,izay no mampandroso ny siansa.

Voafetra ny fahalalàn-draolombelona ,hoy ianao ,aza adino fa ny fikarohana rehetra dia miankina amam-bola jiaby , ka raha ohatra hitan'ny firenena iray fa tel ou tel fikarohana mety hitondra vokantsoa ho azy ,na ara-bola izany (économique) ,na ahafahany mi-dominer ny hafa .......,dia ho hitany tokoa ny vahaolana.
Ny tiako lazaina dia voafetran'ny vola ny fahalalàna fa tsy voafetra en absolu .Betsaka ny mpikaroka voatery manajanona ny zavatra hitany satria tsy misy fiantraikany azo tsapai-tànana economiquement ilay izy ,na koa tsy misy fiantraikany amin'ny fanatsaràna ny fiainan'ny olona.C'est dommage pour la science et pour la connaissance .

Misaotra.

59. fijo ( 09/10/2007 21:39)
gasynamana,ahoana moa no ahafahan'ise milaza fa "marina tsy azo lavina"ny filazan'ny baiboly fa andriamanitra no nahary izao tontolo izao?????????izay fiheritreretana ny finoan'ny tena ho marina tsy azo lavina izay no tena ratsy amin'ny mpino.

rijadolly ,za dia manaiky fa isika olmbelona dia ao anatin'ny karazan'ny biby.
oh,nysaahona dia biby antsina hoe sahona,ny alika dia biby antsoina hoe alika ny olona dia biby antsoina hoe olona.
60. naughtyboy ( 10/10/2007 12:52)
tsetsa2 tsy aritra,zay liana @ theory big bang de ty ny version mitovy tsara @ voalaza teo alohahttp://www.youtube.com/watch?v=Qfe9UVdD6uA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.301