ny mpino ve

1. fijo ( 02/10/2007 23:05)
hono hoaho,ianreo mpino ve mino fa nisy ny dinosoro,ny neoandertaly, sns,sa dia tsy mino io vokatry ny asa fikarohana nataon'ny paleontology sy ny geology sns???
novalian'i fijo ny 10/10/2007 20:48
2. tsimiandravola ( 02/10/2007 23:18)
:D
Mianatra manadroadro mihitsy ilay fijo ity klé!
mora kokoa ny mino ary sambatra izay mino na tsy nahita aza,sa ahoana!
3. rabilabila ( 02/10/2007 23:57)
Betsaka ny mpino tsy afa-miala amin'ireo valim-pikarohana ireo intsony satria efa lany bala .
Vokany : Manangana fomba fiady hafa toa ny " Born again Christian " na koa ny " Intelligence design" ary ny "néo-créationnistes ".Ary betsaka ny olona no roboka ao amin'ny alàlan'ny arguments -n-jareo.

Raha voatsikaritrareo dia any amin'ny tàny mahantra (izay tsy tongan'ny fahalalàna sy ny aterineto..sy ireo cerveaux rendus disponibles pour vendre coca-cola)no miroborobo ny fivavahana monothéiste.Inona no antony ?

Ny arguments matetika dia ny fampiasàna ny paralogisme isankarazany ,ny filazàna hoe :feno siantifika ato aminay (matetika matématisiana sy injeniera fa tsy biolozista , na paléontologue )
Maro dia maro ny arguments-ny izay tokony ho hain'ireo manana auto-défense intellectuelle no mi-detecter azy mba tsy ho laitran'ny kobaka.

(:lol:Ary hono ho'aho ,nataon'i Noé taiza ny dinozoro sy ny trondro??)
4. ikaretsaka ( 03/10/2007 00:18)
amiko aloha misy ireo.. saingy lany tamingana fotsiny!
ohatran'ny biby rehetra ..
fa za tsy mino ilay hoe tanalahy nivadika trondro aloha e.
tsiboboka lasa sahoana dia ie
5. cutie ( 03/10/2007 01:58)
mino na tsy nahita aza :-D
6. miarina ( 03/10/2007 07:28)
i Fijo ve mino fa 1+1=2
7. felampaiso ( 03/10/2007 13:22)
Ny siansa no azavaina amin'ny alalan'ny baiboly FA TSY ny baiboly no azavaina amin'ny alalan'ny siansa, efa impiry naverimberin'ny namana teto izany mbola adinontsika foana ve ?
8. xxx ( 03/10/2007 13:51)
betsaka @ fanontaniana fandrika apetrak'i rabilabila no fanontaniana type , hita any anaty articles soratan'ny olona tsy mpino fanta-daza. Ny tiako lazaina dia tsy hevitra propre avy @ rabilabila ilay izy fa vakiana any ho any .

Tsy maninona aloha raha maha resy lahatra azy e , fa hitako hoe toa tsy manana intention hanazava ny sain'ny hafa izy fa toa hanapepo no tanjony
9. soanja ( 03/10/2007 14:06)
Fijo o, zah aloha dia mino hoe avy any Mongolia ny fiavin'ny razako taloha elabe elabe.
De toy izay koa ny hinoako ny fisian'ireo biby tsy hita rehetra ireo. Afatsy ny dragona an!:-*:-*

10. ikaretsaka ( 03/10/2007 15:13)
zahako aloha tsa mino hoe nivoatra avy amin'ny trondro sy ny dinozoro ny olombelona
fa de biby ireny de biby dia lany tamingana.

fa izhao kosa mampifandray ireny tantara ireny sy ny baiboly ka: ohatra hoe ny safo-drano dia ny nampitsonika ny ranomandry tany fa tratran'ny rechauffement de la terre.
za mino ny Global warming
11. rabilabila ( 03/10/2007 16:25)
xxx>>>
Izao fehezan-teny izao no iadivako mandran-kariva:

Ny tiako lazaina dia tsy hevitra propre avy @ rabilabila ilay izy fa vakiana any ho any .


Izao no atao hoe "attaque ad hominem"
Izany hoe : "ny hevitro tsipahina ,fa aza ny tenako no attaquer-na " Sinon ,lasa imposture iltellectuelle ilay izy ka tsy mampandroso ny fiadiana hevitra.Aza izaho no attaquer-na rehefa tsy fantatrao ny momba ahy : hatraiza ny fari-pahaizako , na taranja inona , na inona no mivohy ny fiainako,inona no tanjoko ......satria mino aho fa mbola tsy niara-niandry gisa teny an-tsaha isika sy ianao,ary raha niara-niandry gisa teny an-tsaha ary moa ;tsy eny aho no hitantara ny bibliothèque-ko eny an-tsaha fa mety ny hatsaran'ny natiora no noresahiko taminao teny (ny anao mety andriamanitra no nanao ny lanitra sy ny tany ,ny ahy mety tsy izay ,fa ny iarahantsika eny dia ny gisa andrasana ):wink:

Afaka mamaky ny bokin'ny mpino fanta-daza (na ny tsy mpino fanta-daza ) daholo ny olona rehetra fa miankina foana amin'ny capacité intellectuelle-ny hiteli-moka na hamàkafaka izay zavatra vakiany ny adhésion-ny na ny fitsipahany .


fa hitako hoe toa tsy manana intention hanazava ny sain'ny hafa izy fa toa hanapepo no tanjony


Tsy hitako hoe taiza aho no nanapepo ? Betska ireo mpino miady hevitra amiko eto ,ary matoa izy mbola miverina manontany dia na:
-misy tsy ekeny ny zavatra nolazaiko
-misy corriger-ny raha toa ka tsy ampy
-..................................
Fa tsy "maso" akory izy ka nopepoko dia mbola hiverina ihany !!!
Miala tsiny aminao aho raha toa nahatsiaro fa voapepo ianao ,tsy finiavana ny hanapepo akory , fa ny tsy fitovizan'ny tadin-dokanga fotsiny dia mivala ny hira .

Am-pitiavana !!! 'Zay fotsiny


soava tsarà.
12. pissoa ( 03/10/2007 17:13)
fijo:

hono hoaho,ianreo mpino ve mino fa nisy ny dinosoro,ny neoandertaly, sns,sa dia tsy mino io vokatry ny asa fikarohana nataon'ny paleontology sy ny geology sns???


Ny fahitako ny siansa amin'ny ankapobeny dia taranja miova, mivoatra ary indraindray mpivadi-dela :-D Izay lazain-drakoto fa marina androany, mety hodisoin-drasoa (hu hu hu) rahampitso ... mety ho i Rakoto ihany koa no hahatsiaro hoe nisy diso ny zavatra noteneniko kay. Ka amiko ny vokatry ny siansa dia tsy zavatra natao hoe inoana na tsia, fa araraotina fotsiny hampivoarana ny mahaolona izay azo araraotina :-P
13. rabilabila ( 03/10/2007 18:29)

pissoa>>>

Ka amiko ny vokatry ny siansa dia tsy zavatra natao hoe inoana na tsia, fa araraotina fotsiny hampivoarana ny mahaolona izay azo araraotina


Marina dia marina tokoa ireo fehezan-teny ireo saingy ny anampiako kely azy dia ny siansa dia tsy voatery ho izay ilaina ihany no hampiarana azy ,fa koa mety manampy amin'ny fahafantarana ny nipoiran'izao tontolo izao sy ny mponina eo aminy ,eny fa na izay mety ho mponina any an-koatra any aza( ilay an-koatra dia ny planeta na systèmes hafa fa tsy ny fiainana mandrakizay akory:wink:)

Ary ireo mpikaroka siantifika dia manaiky izany fiovahovana izany .
14. fijo ( 03/10/2007 21:00)
xxx tsy rabilabila aloh ano nametraka ny hevitra fa izahako fijo ,ka aza izy no atao resaka be.

miarina,ny 1+1 mety ho 2 mety ho 3.arakarany.
raha voasary iray ampiana iray dia 2,fa raha vavy ndry "1" de izaho lahy "1" no atambatra lasa 3 isika avy eo.alefa sa ahoan aio 1+1=3 io.:-P:-o

tsimiandravola an,tsy mananihany letsy fa mitday hoe mitombona ve ny mpino sa tsia na;raha mino ireo izy dia mahagaga ahy ny hinoany an'andriamanitra.raha tsy mino ireo izy dia mazava izany fa mino izay nampianarina azy fotsiny.maromaro ihany mantsy ny dian taolaba manamarina ny fihovana nisy teo amin'ny biby.
ekeko tokoa fa ny siansa dia mety hisy fihovana any ahoriana,fa izy dia mikaroka porofo ary maneho izany,fa tsy hoe bevohoka sy niteraka ,nefa tsy niray ary mbola virja????de rehefa hangatahana fanazavana di ahoe mino afa tsy takatry ny sainao izany????????tsy mandresy lahatra ahy io valinteny io


hoan'ny xxx tsy tamina boky no nakako io fanontanian aio,fa avy nijery fandaharana tamin'ny "arte" aho di anahalasa saina ahy le hevitra
15. pissoa ( 03/10/2007 21:26)
Rabilabila > izaho tsy manda an'izany rehetra izany ka ! :-*

Amiko manokana tsy ny fananana mofo dipaina be dia be sy heater arehitra rehefa frizy sns ihany no antsoina hoe fivelaran'ny mahaolona, fa ny fivelaran'ilay ampahany tsy voafehin'ny dimension 3 koa voarakitra ao daholo. Raha resaka hoe nipoiran'izao tontolo izao manokana dia tsy manana olana mamaky Big Bang Theory aho, na koa ny evolution vs creation sns. Fa amiko fotsiny dia :
1 - (efa nolazaiko teo) ny siansa tsy taranja natao hoe inoana na tsia !
2 - Mino an'Andriamanitra aho, ary ilay Andriamanitra inoako dia tsy Andriamanitra mpanao mazi mazi (na fahagagana fa sao misafoaka eo indray ry Kristianina isany :-D:-D:-D) fotsiny, fa afaka miasa tsara amin'ny zavatra tena takatry ny saiko, na zavatra heveriko fa obvious aza.

tsimiandravola an,tsy mananihany letsy fa mitday hoe mitombona ve ny mpino sa tsia na;raha mino ireo izy dia mahagaga ahy ny hinoany an'andriamanitra.raha tsy mino ireo izy dia mazava izany fa mino izay nampianarina azy fotsiny.maromaro ihany mantsy ny dian taolaba manamarina ny fihovana nisy teo amin'ny biby.

Fa inona no tokony hahagaga raha manaiky ny valin'ny fikarohana siantifika sasantsasany ny olona mino an'Andriamanitra ? Mora gaga loatra i Fijo izany, hany ka tsy mahagaga ahy raha tsy mino an'Andriamanitra :-D:-D:-D

ekeko tokoa fa ny siansa dia mety hisy fihovana any ahoriana,fa izy dia mikaroka porofo ary maneho izany,fa tsy hoe bevohoka sy niteraka ,nefa tsy niray ary mbola virja????de rehefa hangatahana fanazavana di ahoe mino afa tsy takatry ny sainao izany????????tsy mandresy lahatra ahy io valinteny io

Somary mampihomehy ahy i Fijo ! Mety miova tokoa ny siansa hoy ianao ... saingy maneho porofo :-D Dia mionona amin'ny porofo mety diso ve ianao ? Tsy mifankaiza amin'ny finoana lazainao fa vokatry ny "tsy fahalalana" anie izany ry Fijo e. Satria mbola tsisy nanao publication fotsiny hoe diso ilay porofo nomen'ny siansa dia manaiky an'iny i Fijo, sy ny olona betsaka moa mazava ho azy :-D:-D:-D
16. fijo ( 03/10/2007 21:30)
tsy azonao le resaka;maome porofo izy,miaraka amin'ny seho sy ny rehetra,ka io dia ekena,raha toa ka tsy misy mampiseho ny mifanohitra aminy.raha misy hevitra misy seho sy tranga azo hanehoan ahevitra hafa dia lasa aloha ny ady hevitra.fa tsy hoe "misia ny tany dia nisy hono????
17. pissoa ( 03/10/2007 21:35)
Tsy mampiova na inona na inona izany. Mbola namafisin'i Fijo indray aza ilay teniko hoe vokatry ny tsy fahalalana no mahatonga anao manaiky izay lazain'ny siansa ankehitriny. :-D:-D:-D
18. fijo ( 03/10/2007 21:41)
ka mikaroka anie izany e,efa misy le fikarohana.io tsy laviko.ary aza hadino koa ,fa vokatry ny tsy fahalalana ny aorian'ny fahafatesana,sy ny tahotra momba izay koa no hinoanareo.
19. pissoa ( 03/10/2007 21:50)
Diso ! Tsy izany mihitsy no hinoako an'Andriamanitra :-D:-D:-D

Dia io hevitry i Fijo mikasika ny Kristianina io anie efa ela be no fantatro teto e, ary tsy mi-defendre ny Kristianina mihitsy aho (na fantatro aza fa tsy voatery marina ny hevitrao) fa mba miteny an'i Fijo fotsiny foana hoe ianao rehefa ny mitsikera anay mpino dia zavatra ataonao ihany kay ilay izy ao amin'ny tontolo maha tsy mpino anao :-D
20. fijo ( 03/10/2007 21:57)
fa ianareo mpino ve tsy mahatanty tsikera????nefa mpanao izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3121