ny mpino ve

21. pissoa ( 03/10/2007 22:05)
Aiza izany tsy mahatanty izany ry Fijo ? :-D:-D:-D
22. fijo ( 03/10/2007 22:18)
ka enao ihany eo no miteny izany ko.ny sasany moa avy dia miakatra fa resahina ny finoany.
"miteny an'i Fijo fotsiny foana hoe ianao rehefa ny mitsikera anay mpino dia zavatra ataonao ihany kay ilay izy ao amin'ny tontolo maha tsy mpino anao "io le voalazandry teo
23. ikaretsaka ( 03/10/2007 22:32)
le mora miakatra ireny rehefa resahana ny finoany dia ireo tsy manana arguments matotra handeseny ny hevitr'ialahy rehefa miresaka ny finoany
24. rijadolly ( 04/10/2007 04:55)
fijo:

hono hoaho,ianreo mpino ve mino fa nisy ny dinosoro,ny neoandertaly, sns,sa dia tsy mino io vokatry ny asa fikarohana nataon'ny paleontology sy ny geology sns???



Vohamarina fa misy ny dinozoro.fa tsy mba fantatry ny siansa hoe inona ny lokony sa fantany ? Ny lokony ve mangabe sa volomparasy sa grenadbe ?Ary ny sofiny oh ny an’ voalavo,totozy sa be sofina oh ny an’ éléphant ,nisy takolobabony oh ny akoho na sangany ve?
25. soanja ( 04/10/2007 08:05)
Miala any vao nolazaina ampahibemaso tsy ela ny dinosoro razan'i ganagana.
Mazotoa mikaroka fa tsy misakana ny finoana akory izany.
Afaka mifangaro tsara ny siansa sy ny fanahy!:-*:-*


26. 100tinl ( 04/10/2007 08:36)
Izaho aloha NISY Andriamanitra manana ny fahefana rehetra NAHARY AHY fa tsy évolution nifandimby anarivorivo taona, na koa nanana razambe gidro tany alohabe tany.
27. tsaramaso ( 04/10/2007 08:39)
matin'ny safodrano lesy ny dinozoro fa tsy omby tao anatin'ny sambon'i Masindahy Noe a !!!!!! hahahahahahaaa !!!!
28. ikaretsaka ( 04/10/2007 11:10)
raha jerena amin'ny lafiny teolojika sy siantifika dia mitombina ny an'i tsarabory sy voanjomaso hoe possible matin'ny safodrano izy an!

rijadolly: mety color blind (ilay jamba mahiratra fa noir et blanc no hitany) ny olombelona y@ izany ka sarotra ny manavaka ny maintso @ violet:wink:
29. ikaretsaka ( 04/10/2007 11:13)
henoko koe hoe raha lazaina fa misy hifandraisany @ dinozoro ny tanalahy, dia mety miovaova loko ohatran'ny tanalahy io biby io
30. tsaramaso ( 04/10/2007 14:24)
haahahahahaah !!!! ikarebory sy voanjotsaka le !!!!!!!!
iza no milaza an'lah fa le kozin'i tsaramaso io le ???!!!!!! hahahahaahaha !!!!!
31. tsaramaso ( 04/10/2007 14:25)
iiiiiiiiiii, tsy voasoratra le marina !!!!!!
32. naughtyboy ( 04/10/2007 16:15)
:-D:-Dnareo mitsam map:-D
33. niryna ( 04/10/2007 17:16)
fijo:

hono hoaho,ianreo mpino ve mino fa nisy ny dinosoro,ny neoandertaly, sns,sa dia tsy mino io vokatry ny asa fikarohana nataon'ny paleontology sy ny geology sns???

Tsy misy hidiran'ny mpino sy tsy mpino ny zava-misy.Mandehana mandeha any amin'ny museum dia ahita ireo biby maro karazany hianao,Na indray andro manontolo aza tsy ampy =))

34. fijo ( 04/10/2007 20:10)
ka raha mino ianareo fa mpikaroka nahita zavatra efa taloha be ireny,nahoana ianareo no manda raha vao voakitika ny niandohan'ny olombelona???eo le olana kely.sa hoe raha ny biby hafa no anaovana fikarohan adia ekenay,fa raha ny olombelona dia baiboly de vita?????
ika,tena marina,le tsy mafy horina mora misavoana vao resahina le finoana kely ao aminy.
35. rabilabila ( 04/10/2007 20:21)
na koa nanana razambe gidro tany alohabe tany.


Exemple parfait de "paralogisme"ou "l'art de la fourberie mentaleet de la manipulation"

I darwin dia tsy nilaza mihitsy fa ny olona dia avy amin'ny rajako na gidro .

Ny "créationnistes" no namoaka io hi-deformer-na ny propos n'i Darwin ,mba ho izay no hifantoka ao an-tsain'ny olombelona fa tsy ilay vokam-pikarohana nataony .

Misaotra.

36. mbaliana ( 05/10/2007 09:30)
ka mikaroka anie izany e,efa misy le fikarohana.io tsy laviko.ary aza hadino koa ,fa vokatry ny tsy fahalalana ny aorian'ny fahafatesana,sy ny tahotra momba izay koa no hinoanareo
iza no mahalala ny aorian'ny fahafatesana ry Fijo? ny ahy ny fantako dia ny fiadanan'ny FANAHY NO HITA ANY... fa izany fiadanana zany anefa dieny zao no hanamboarana azy...fiadanana ve dia atahorana? ka raha matahotra ianao dia ianao ihany no mahalala fa nisy ny tsy nety nataonao... raha tsy mino ianao dia tsy mivaky loha amin'izany.
nahoana ianareo no manda raha vao voakitika ny niandohan'ny olombelona???eo le olana kely.sa hoe raha ny biby hafa no anaovana fikarohan adia ekenay,fa raha ny olombelona dia baiboly de vita?????

asa aloha fa hatramin'izao aho dia mbola tsy nahita sciences naturelles hoe tena zao sy zao no niandohan'ny olombelona... mbola suppositions, possibilités daholo...
fa ny haiko fotsiny aloha dia nisy ny évolutions sy ny adaptations ny natures, ny zavamanana aina rehetra eo amin'ny toerana iainana...moa nisy ny maty teny antenanten-dalana tapitra tamingana
37. gasynamana ( 05/10/2007 12:56)
Raha vao nahita ilay sujet fotsiny aho dia efa nahita fa diso hevitra be ilay olona nametraka azy. Ny antony dia izao:

1 - Ny zavatra hita sy azo tsapaina dia tsy ilaina finoana intsony ny fiekena ny fahamarinany.

2 - Ny anjaran'ny siansa dia ny manome fanazavana mikasika ireo zavatra azo tsapaina sy hita ihany, ka raha io no ianteherana dia tapany ihany no hany fantatra amin'ny zava-misy, ary dia mitsokobana sahala amin'i fijo.

3 - Ny tsy hita no ilaina finoana.

4 - Marina izay voalazan'i mbaliana io ambony io, ary hamafisiko fa petra-kevitra ihany no nataon'ireo mpikaroka hatramin'izao fa mbola tsy nisy na dia iray aza sahy nanamafy marina hoe: izao no niandohan'ny olona na ny zava-manan'aina rehetra.

5 - Raha raisina tsirairay ireo petra-kevitra ireo dia tsy misy na dia iray aza afaka manda ny fisian'Andriamanitra, niandohan'ny misy rehetra.
38. naughtyboy ( 05/10/2007 13:30)
matotra ko zany fanazavana zany:wink:
39. mbaliana ( 05/10/2007 20:12)
:lol::lol:
40. rabilabila ( 05/10/2007 20:28)
4
- Marina izay voalazan'i mbaliana io ambony io, ary hamafisiko fa petra-kevitra ihany no nataon'ireo mpikaroka hatramin'izao fa mbola tsy nisy na dia iray aza sahy nanamafy marina hoe: izao no niandohan'ny olona na ny zava-manan'aina rehetra.


Mais ils n'ont jamais prétendu ça!!!Samihafa ny hoe :miezaka ny hahafantatra sy ny manao affirmation.



Raha raisina tsirairay ireo petra-kevitra ireo dia tsy misy na dia iray aza afaka manda ny fisian'Andriamanitra, niandohan'ny misy rehetra
.

Ary tsy misy afaka manaporofo ny fisiany koa ianareo .
Araky ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy olany izany ,tsy ny hanaporofo no tsy fisiany no mahatonga ny siansa .Ny mety hampalahelo azy fotsiny angamba ary iadiany mandrankariva dia ny fihizingizinanareo ho "mpitàna ny fahamarinana" nefa ny valim-pikarohana rehetra ( na arkeolojika , na paleontolojika , na cosmologie ,na biologie ,na anthropologie ) dia mifanipaka amin'ilay " livre revélé" .Sinon!!Bof!Bof!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1915