Matoa misy ny sekta dia

61. fijo ( 05/10/2007 21:46)
izay wa no tsara,saingy raha mbola misy ny manambany ny tsy mpino dia tsy manaiky izy
62. ikaretsaka ( 06/10/2007 12:18)
soanja:

Amiko olona efa te hisarka ve dia ho giazana?
Raha te handeha izy avela handeha fa aza tazomina zany mihitsy.
Tadidio foana fa "finoana" no resahina eto tsinona fa tsy hoe vady na sipa na zavatra hafa. Ireo aza rah te handeha koa tokony tsy tazomina.

Ny finoana dia zavatra tsy azo tsapain-tanana fa natao harahina sy ekena. Koa raha tsy manaiky ny olona iray na te hampiseho izay fahefana sns tiany haseho amin'ny mahaolombelona azy dia aleo izy hanao izay fa isika manompo ny tandrify antsika ihany amin'ny fo madio sady mitia ireto nisaraka tamintsika ihany. Mivavaha ho azy!


Dia eo ianao Razoky no diso, raha hoe kristianina, dia fiangonana iray ihany no nataon'ilay Rangahy nanorina azy, iray ihany no nataony mpitarika! Raha samihafa fihevitra aza Rapaoly sy Rapiera dia obedient t@ Rapiera foana Rapaoly.
Izay ilay hoe ilaina ny obedience, hierarchy sns..
tantaran'ny zaza mpandany fa tsy hoe tsy mahasaraka... (ny anay moa io dia hoe ray be famindram-po, inoanay ilay hoe avela mandeha any dia rehefa tonga saina, dia iny fa miverina dia raisina foana)

fa ny manitikitika ahy manko dia hoe samy manaiky an'i Kristy ho Tompo sy mpamonjy avokoa , samy te hitory ny Evanjely, samy midradradradra fa ny vain-dohan-draharaha dia ny fanavotana ny fanahy!
eo aho manaiky!
Fa ny tsy azoko dia ilay fandavana ny hiaraka amina toerana 1 ohatra dia samy miara manambara ny fiekem-pinoany eo. Fa eo dia efa samihafa. samy manana ny heviny manokana: adinony ilay maha hoe "ratsambatan'i kristy ny fiangonana"!

Raha toa ka vatana 1 ihany i Kristy, dia tokony ho iray ihany koa ny Ratsambatany fa tsy mipitsika etsy sy eroa!
tsy hoe etsy ny kitrokeliny dia etsy ny ratsantanany dia aroa ny ankihiben-tongony!

Asa fa fijeriko iny!


63. soanja ( 07/10/2007 01:43)
Ikaretsaka zandriko o>
Zah anie ka tsy miteny hoe ndeha re ianareo misaraha sy manaova sekta sns fa miteny aho hoe reha misy ny sekta dia misy ny antony ka tsy ifanomezantsiny izany.

Satriko ny ho IRAY NY FIANGONANA!
Satriko ho Iray fo Isika rehetra!
Satriko ho hifampitantana ny mitovy finoana!
Satriko hiasa ao amintsika rehetra tsy ankanavaka Andriamanitra!:-*:-*:-*:-*:-*
64. ikaretsaka ( 07/10/2007 03:37)
ka izay.. rehefa iray ange tokony iray tokoa fa tsy manao pretexte fotsiny e..

satriko dia satriko koa ny ho iray..

fa raha raisina hoe vatana 1 dia mba tokony ho fiangonana iray
tsy vitan'ny hoe hoe "Ratsambatan'i Jesoa ihany" ity ka.. Jesoa ihany ity fa rantsatanany dia ity Jesoa ihany fa hohon-tanany dia ity jesoa ihany fa akihiben-tongony, vokatry ny revirevin'ny olombelona!

samy Jesoa ihany tokoa fa inoako fa tsy tiany izany matoa izy nivavaka mba hahatonga ilay raha ho iray ao aminy! huh?

Ny ntaolo aza tsy tia nampisaraka ny vatana sy ny taolambalo sns... dia isika sy i Jesoa indray ve?

Fijeriko ihany iny!
65. soanja ( 07/10/2007 15:13)
Raha zany anie ry Ika de manao adin'ny be marenina ise e! Io no fitambarana io no heverin'Ise fa marina, izy mihevitra fa io itambarana io misy diso. De aleony misintaka. De mitabataba i Ika nefa amiko mety energy holaniana zany satria ry zareo efa lasa.

Ny fisian'ireo sekta no tokony ataontsika hisokafan'ny masontsika akaiky ny hoe ahoana ny finoako? Mitombina tsara mifanaraka amiko sa tsia?
66. ikaretsaka ( 07/10/2007 16:22)
ka ny ahy ange ry soanje raisiko tsotra fotsiny e.

-Izy tenany (Jesoa) niangavy sy ny nivavaka mba ho iray: sa tsy izany?

-Izy no niteny hoe vatany sy ratsambatana 1 ihany isika sy nanendry olona 1 hiandraikitra ny "ondriny"!

Io fitambarana io no heverin'Ise fa marina, izy mihevitra fa io itambarana io misy diso. De aleony misintaka.


-Tsy izaho mihitsy no nihevitra an'io hoe marina ka .. fa "Izy"! (io ambony io)

fa ilay mihevitra ilay izy hoe misy diso sy misintaka, iny kosa tsy haiko iny na hevitr'iza na iza!fa mino anefa aho fa tsy "Izy"
dia raha misy miteny fa misy raha tsy mety ao, tokony ho ao ihany izy no manavao ilay heveriny tsy mety fa tsy entina ary ny "ondry sasany" dia mamorona vala.. soi disant hoe "cooperative" n'ilay voalohany ihany!

ary miova sy mivoatra foana anie io lazaina foana hoe tsy mety io e, mba "hampety"azy! dia any manao imput fa tsy mandeha mitsipozipozy ary, dia voan'ny fakam-panahy dia lasa zavatra hafa no ifantohan'ilay mpitarika ny misintaka (cas mateti-pitranga io)
67. soanja ( 07/10/2007 20:56)
Asa re ry Ika fa mety ny fandraisany io "IZY" io mihitsy no mifanalavitra amin'ny fandraisanao azy.

Mino aho fa raha nisy ny system na Grievance dia efa nanao izy izay vao nisaraka. Fa matoa misaraka hoa ny olona na antokon'olona sns ka nanangana ilay atao hoe Sekta tsy dia azoazonareo loatra. Na lany haika izy dia io no hitany fa mahasambatra ny azy amin'ny fikatsahana an'Andriamanitra, na izy mihitsy no efa manana programa ambadika toy ny voalzan'i Boubounezy ka hamitaka olona sy hananararaotra olona.

Izany rehetra izany anefa ry Havako dia amin'ny alalan'ny asa ataony no hitsarana azy amin'izany.
So far aloha tompoko,izay olona heverinareo na tsika na iza tsy fantatro voatonotonona teto fa sekta dia mbola hitako manao ny adidiny sy ny itondran'ny Fanahy Masina azy ary tsy mahita resaka mifanolana amin'izay tiako tanterahina na dia samy hafa aza ny stratejia.

68. Rasiligaoma ( 08/10/2007 14:30)
Afa miresaka Izy sy Azy moa ianareo mianadahy ka dia asiako an'izay ny teniko:

ilay fandraisana ilay ataonareo hoe "Izy" mihitsy no mivoana raha asianareo hevitr'olombelona ko!

ny hevitra rehetra momba Azy raha vao tapohan'ny fihevitr'olombelona sy izay mahafalifaly sy azoazontsika dia efa lasa tsy ilay Izy intsony izay!
Ny heviny sy ny tanjony dia efa voasoratra tsara ao anaty baiboly ao (io voaresak'i Ika io) dia asakasak'izay nanampoka ny fijeriny manokana tamin'io teny sy heviny io, na ilay tena miaina azy araky ny tena voasoratra tanteraka ao fa tsy izay metimety aminy sy azoazo ihany.

Mafasambatra Azy hoy ianao: donc ilay olombelona izany no mibahana eto fa tsy Andriamanitra intsony! dia asa hoe ny hevitr'iza no important rehefa resa-pivavahana: izay tianao sa izay tian'Andriamanitra!
69. rinja ( 08/10/2007 16:03)
mba ho iray anie izy rehetra.
Ny toerana hivavahana fotsiny ange no misaratsaraka fa tsy ny finoany an'i Kristy e ! Samy mino ireo ka na samihafa fiangonana sy tokontany sy toeran-kafa malaladalaka azo ivavahana aza dia afaka miray fo miray saina miray vavaka satria i Kristy tokana no inoana. Ataoko angamba fa mazava ihany izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7914