Matoa misy ny sekta dia

21. Fiffi ( 30/09/2007 19:35)
zah kalou de mamaky sy manaraka fotsiny zay lazainareo eto....(mahavariana)
22. soanja ( 30/09/2007 22:24)
Simp> Amiko mety ny fanontaniako satria ianao ihany de efa namaly izay hevitrao momba izany tery amboalohany.

Tsy nametraka azy toy ny tadiavinao azy aho, satria fantatro ny fomba famalintsika eto.

Apetraho anie io fanontanianao io fa mino aho fa tsy ahazo valiny toy io valiny voalohany ny anao sy ny an'Ika io aho e.

Ny hevitro tambadik'ilay fanontaniana no nasesiko taty aoriana. Iny ianao tsy voatery hamaky akory anie e. Iny efa mety hira efa henonao foana raha avy aty amiko. :-*:-*:-*
23. soanja ( 30/09/2007 22:47)
ikaretsaka:

soanja> ny aty @ podium izany, fa ny ao ambadiky ny curtain hita @ asany eny ihany!
Ny fijereko azy dia ny asa vitany ihany, raha mahasoa na manasoa ny madinika sy ny mpiangona AMIN'NY LAFINY REHETRA fa tsy ny ARA-PANAHY FOTSINY dia izay dia tsy mety.
Amiko manko ny finoana ..."tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any, fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra..."


Namaste ^:^^:^^:^
Tadidio foana anefa fa tsy mitovy ny fomba fijerin'olombelona ny atao hoe fiainana, finoana sns sns ka dia ny manaja izay asehony eo no adidintsika raha mbola mitazona ny mahafinoana tsy manelingelina ny hafa izy ireo. :-*:-*:-*



24. xxx ( 01/10/2007 14:39)
o ry zareo a. marina dooly ny voalaza, fa rehefa mahay mifanaja isika rehetra samy kristiana, de hirindra tsara ny zavatra rehetra eto amin'ity tany fandalovantsika ity. Vakio ao amin'ny Romana14 de ho hitanao ao ny tantara rehetra efa taloha. bizz
25. ikaretsaka ( 01/10/2007 16:20)
nga misy tsy mifanaja moa eo? samy milaza ny heviny fotsiny
26. rinja ( 01/10/2007 16:29)
tena mba hiditra kosa aho eto fa tsy mandry ny eritreritra.
Voalohany, ny anaram-^piangonana iny samy manana ny azy na fiangonana ao anaty FFKM io na lazaina fa sekta. Tsy mikaonty io eo anatrehan'Atra. Ianao, ianao io sy any anaty fonao io no ilain'atra fa tsy maha renim-piangonana na sekta akory. N'aiza no hiangonan'ny roa na telo amin'ny anarako dia eo afovoany aho. Ka raha miantso an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjiny izy ireo dia izay no ilain-Janahary fa tsy hoe sekta ianona ka tsy mila mihaino an'i anona aho. Tsy izay le izy
Faharoa, raha mampetipety anao ny tsy miditra sekta dia tazomy ny anao fa tsy olana izany. Aleo ny olombelona hafa toa anao hisafidy izay mampetipety azy.
Fahatelo, tsy vao izao ange no nisy ity resaka sekta ity fa efa hatramin'ny andron'i JK e ! Asa na tadidinareo i JK lasa niditra fiangonana de nifampitadiavin'ny dadany sy ny mamany. Soa aloha fa tsy mbola nisy mpangala-jaza sy mpangalatra taova tamin'izany ka ombay mitady i Kristy, de tany an-Tempoly ilekely no tazana. Rehefa lehibebe dia notezeran'ny zokiolona diso mahalala ny tenin'Atra Izy ka namory vahoaka teny amoron-drano rehetra teny. Tsy efa filazana sahady ve izany fa sekta ny fiangonana notarihan'i Kristy satria tsy niditra rindrina efatra tahaka ny mahazatra ny fiangonana milaza fa tsy sekta izy fa ankalamanjana foana no manao vavaka na zavatra hafa. De diso ve izany le zanak'Atra satria nahavory vahoaka izy?. rangitra ny tao ampiangonana fa kely mahery fiavy i Kristy.
Raha fehezina ireo dia tsy olana na avy aiza ianao na avy aiza fa rehefa mino fotsiny ny vatatenanao io fa i Kristy no maty ho anao nanavotra anao teny ambony hazofijaliana dia izay no zavadehibe fa tsy ny anara-piangonana entina na misy anao akory. Avelao koa ny hafa hisafidy izay fiangonana tiany e! Azt ny azy raha very amin'izany. tsy misy manana ny marina raha mbola fiangonana fa miezaka kosa maakaiky ny marina.
Samy zanak'Atra aby na iza na iza ka mankato fa telo izay iray Izy.
Tsy olana na sabotsy ianao no mivavaka na alahady. Rehefa hoe kristiana de kristiana na inona dogma ampiasaina sy hazominy.
Tena tsy izy kosa ilay sekta raha famporisihana ny mpino ao aminy haningotra ny ainy mandritra ny fivavahana ilay fiangonana satria tsy tra mihitsy hitaona anao hanala ny ainao. An'Atra ny aina fa tsy an'ny olombelona. Fahotana mahafaty izay amiko.
Farany, na firy na firy fiangonana eto Madagasikara sy maneran-tany dia aoka hifankatia ny mpino kristiana fa tsy hifanenjika. Mba jereo ange ny silamo e ! Mitovy hevitra foana ary tsy hifandrafy izany. Ho ambakan'izany ve ny Kristiana ? Ao anaty Baiboly tsy misy mihitsy hoe izay mivavaka amin'ny fiangonana tahaka izao dia tsy ho voavonjy fa mifindrà haingana atsy amin'ilay iray atsy.
Zava-masina ny fivavahana ka aza mandoto azy isika.
27. bosista ( 01/10/2007 18:46)
ka le sasany koa eto misy sarotiny be mihoatra an'Andriamnitra,mila ny azy foana no asandrany fa izy no fototra fa ny ankoatrany dia sekta ka tsy tokony harahina,
marina io voalazan'i rinja io hoy ny tompo hoe raha misy roa na telo miangona amin'ny anarako dia ho eo afovoany aho...na sekta izy na tsy sekta!
efa impiry no ambara eto fa tsy ny anaram-piangonana no ahavoavonjy anao,sinon tokony ho fjkm daholo isika malagasy ,satria ho antsika eto madagasikara dia io no fiangonan'i jesoa kristy eto madagasikara,fa ny tsy haiko kosa dia hoe misy koa ve ny fiangonan'i jesoa eto amerika,italia,france,portugal sns......de raha amerika de hoe jesus christ's church in america!:-D
28. ikaretsaka ( 01/10/2007 19:52)
misy ry bosista an.. misy an'izany american church of christ izany eto..
euh... maharary anareo moa raha ataoko hoe sekta izany!

Raha niteny i Jesoa hoe raha misy olona 2 na telo, jereo aloha ilay izy fa angamba t@ apostoly izy no niteny an'io raha tsy diso aho e?:wink:

raha manao comparative religion manko dia hita koa hoe misy antony bedebe izy matoa nanendry olona 1 , nivavaka mba hampiray azy rehetra
(tantara lava ne ny nanendreny io apostoly 1 io sy nanomezany fahefana azy sy ny nivavahany ho an'ny mpanaraka azy miaraka amin'io apostoly io mba hampiray azy ao aminy @ alalan'io olona io... fa tsy andininy 1 monja ohatran'io notsimponin'i bosista io)!
29. simplex ( 01/10/2007 21:35)

soanja,

ok ok,

misy demokrasia ve eo @ finoana? :)
30. ikaretsaka ( 01/10/2007 23:55)
arakarak'ilay fiangonana aleha io ra simplex a
31. soanja ( 01/10/2007 23:56)
rinja:

tena mba hiditra kosa aho eto fa tsy mandry ny eritreritra.
Voalohany, ny anaram-^piangonana iny samy manana ny azy na fiangonana ao anaty FFKM io na lazaina fa sekta. Tsy mikaonty io eo anatrehan'Atra. Ianao, ianao io sy any anaty fonao io no ilain'atra fa tsy maha renim-piangonana na sekta akory. N'aiza no hiangonan'ny roa na telo amin'ny anarako dia eo afovoany aho. Ka raha miantso an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjiny izy ireo dia izay no ilain-Janahary fa tsy hoe sekta ianona ka tsy mila mihaino an'i anona aho. Tsy izay le izy
Faharoa, raha mampetipety anao ny tsy miditra sekta dia tazomy ny anao fa tsy olana izany. Aleo ny olombelona hafa toa anao hisafidy izay mampetipety azy.
Fahatelo, tsy vao izao ange no nisy ity resaka sekta ity fa efa hatramin'ny andron'i JK e ! Asa na tadidinareo i JK lasa niditra fiangonana de nifampitadiavin'ny dadany sy ny mamany. Soa aloha fa tsy mbola nisy mpangala-jaza sy mpangalatra taova tamin'izany ka ombay mitady i Kristy, de tany an-Tempoly ilekely no tazana. Rehefa lehibebe dia notezeran'ny zokiolona diso mahalala ny tenin'Atra Izy ka namory vahoaka teny amoron-drano rehetra teny. Tsy efa filazana sahady ve izany fa sekta ny fiangonana notarihan'i Kristy satria tsy niditra rindrina efatra tahaka ny mahazatra ny fiangonana milaza fa tsy sekta izy fa ankalamanjana foana no manao vavaka na zavatra hafa. De diso ve izany le zanak'Atra satria nahavory vahoaka izy?. rangitra ny tao ampiangonana fa kely mahery fiavy i Kristy.
Raha fehezina ireo dia tsy olana na avy aiza ianao na avy aiza fa rehefa mino fotsiny ny vatatenanao io fa i Kristy no maty ho anao nanavotra anao teny ambony hazofijaliana dia izay no zavadehibe fa tsy ny anara-piangonana entina na misy anao akory. Avelao koa ny hafa hisafidy izay fiangonana tiany e! Azt ny azy raha very amin'izany. tsy misy manana ny marina raha mbola fiangonana fa miezaka kosa maakaiky ny marina.
Samy zanak'Atra aby na iza na iza ka mankato fa telo izay iray Izy.
Tsy olana na sabotsy ianao no mivavaka na alahady. Rehefa hoe kristiana de kristiana na inona dogma ampiasaina sy hazominy.
Tena tsy izy kosa ilay sekta raha famporisihana ny mpino ao aminy haningotra ny ainy mandritra ny fivavahana ilay fiangonana satria tsy tra mihitsy hitaona anao hanala ny ainao. An'Atra ny aina fa tsy an'ny olombelona. Fahotana mahafaty izay amiko.
Farany, na firy na firy fiangonana eto Madagasikara sy maneran-tany dia aoka hifankatia ny mpino kristiana fa tsy hifanenjika. Mba jereo ange ny silamo e ! Mitovy hevitra foana ary tsy hifandrafy izany. Ho ambakan'izany ve ny Kristiana ? Ao anaty Baiboly tsy misy mihitsy hoe izay mivavaka amin'ny fiangonana tahaka izao dia tsy ho voavonjy fa mifindrà haingana atsy amin'ilay iray atsy.
Zava-masina ny fivavahana ka aza mandoto azy isika.


Misaotra an'i Rinja amin'ny hevitra.
Misy zavatra iray tiako ahitsy fotsiny Rinja raha tsy mahadiso an.
Na ry zareo samy Silamo koa dia misy ny sekta ary misy dia tena misy ny mpifandrafy sy mifamono tokoa.
Indraindray aza milaza mihitsy izy mpirafy hoe aleony mamita ny fiainan'ity mitovy finoana aminy ity toy izay mamono ny tsy mitovy aminy raha samy hamono no resahiko. Mampalahelo be tokoa.
Raha sitrakao de azoko omena anao ny andinindiny momba an'io refa malalaka zah.




32. ikaretsaka ( 02/10/2007 00:03)
namaste soanja..(ary enao hoa lasa alohako foana rehefa misy hevitra tiako ahitsy e)
33. soanja ( 02/10/2007 00:34)
ikaretsaka:

namaste soanja..(ary enao hoa lasa alohako foana rehefa misy hevitra tiako ahitsy e)


namaste Ika! Ka ianao anie lazaonao manao toko sapile de zah anefa efa nahavita anle OMMM de zah foana lasa prem de ianao dez. :-*:-*:-*:-*


34. tsaramaso ( 02/10/2007 13:16)
haahahahaha!!!!! oadray ireto teny maro tsy ilaozan'ota le !!!!!!! tsssssssssss !!!!!

@soanja : voatery ho ratsy ary ve ny tsy sekta ??!!!! haahhaha !!!!
35. soanja ( 02/10/2007 15:32)
tsaramaso:

haahahahaha!!!!! oadray ireto teny maro tsy ilaozan'ota le !!!!!!! tsssssssssss !!!!!

@soanja : voatery ho ratsy ary ve ny tsy sekta ??!!!! haahhaha !!!!


@ tsaramaso, nisy teny nolazaiko ve teo hoe ratsy ny tsy sekta ary manja ny sekta?:-*:-*:-*


36. simplex ( 02/10/2007 21:12)
Ika:
arakarak'ilay fiangonana aleha io ra simplex a
hazavao kely we :P
37. xxx ( 02/10/2007 21:21)
hazavao kely we

Ao amin'ny fiangonana Katolika (ny Katolika Romana ohatra) dia rafitra hierarsika no misy ao raha ny fahalalako azy fa tsy demokratika ! Misy ny Papa etc. Amin'ny fiangonana hafa kosa tsy izay.

Amiko manokana isan'ny mampiroborobo ny sectes koa ny rafitra eo anivon'ny fiangonana. Ampitahao amin'ny habobaky ny antoko politika ao Mada ; misy antoko mpanohitra kely marobe, nefa samy mpanohitra ihany ony ! Dia izay koa ny toe-tsaina entina any ampiangonana. Miantsoantso mantsy izy ireny fa Kristianina ka iray ihany, nefa efa hitam-poko hitam-pirenana fa misaratsaraka mahasondriana.
38. tsaramaso ( 02/10/2007 21:48)
@soanja : tsy valiana rehefa manontany an !!!!! tssssssssssss

@xxx : aiza le demokrasia e ????!! tssssss !!!! fanatsarana ny katolika sy fanaratsiana ny sekta fotsiny no efa mibosesika loatra le !!!!! tssssssss !!!!! trollissimo !!!!! hahahahahhaha
39. simplex ( 02/10/2007 22:24)

xxx,
rafitra hierarsika @ fiheverana fisian'ny fahadisoana no anisan'ny antony mampisy ny secta. Zany hoe stable ny hierarsika fa ra toa ka hadisoana @ rafitra hierarsika dia toy ny jamba mifampitantana.

fomba/rafitra/firehi-kevitra 1 ihany ve no azo anompoana an'A/tra ? na marina na diso? na mpanota na tsy mpanota? ahoana marina


tsaramaso:
tssssss !!!! fanatsarana ny katolika sy fanaratsiana ny sekta fotsiny no efa mibosesika loatra le !!!!! tssssssss !!!!! trollissimo !!!!! hahahahahhaha
mitovy ihany nareo izany kou :) mifamadika fotsiny ny toerana :P
40. fijo ( 02/10/2007 22:49)
ny sekta dia mihevitra fa io "je sais tout "io.jereo anie ao amin'ny loahevitra nataoko ho e"inona no antony"de misy valiny ao:
gasynamana 29/09/2007 00.43.10
1)mahalala izay lazain'ny tsirairay.
aminy dia mahalala izay lazain'ny rehetra izy,fa ny heviny kosa tsy hain'ny olona.izay le toetra manokana ahafantarana azy hoe sekta
ny sekta anie tsy voetry ho ratsy tokoa ry soanja e,saingy manova zavatra ka tsy mety
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9347