Matoa misy ny sekta dia

1. soanja ( 29/09/2007 20:09)
- Satria betsaka ny fanontaniana napetraka na hevitra tsy mitombona natsofoky ny fiangonana tsotra na main stream tsy voavaly na tsy nojerena akaiky momba ny fiainana ara-panahy n'ireto namorona sekta.

Raha betsaka ny tazo dia mila jerena hoe inona no moka maniditsidina mahatonga izany. Aiza ny lobolobo sy ny loto mpanakotrika ilay atody moka?

Tsy voatery ho lasa ratsy ny sekta. Ny Kristianina taloha dia sekta niala tamin'ny finoana Judaisme.

Aleoko sekta toy izay hiala amin'ny Kristy tanteraka.

novalian'i rinja ny 08/10/2007 16:03
2. Papoose ( 29/09/2007 20:17)
ka le karazana v sekta zany " sekta Kristiainina" sy "sekta sekta" v?
3. simplex ( 29/09/2007 20:21)
soanja:
- Satria betsaka ny fanontaniana napetraka na hevitra tsy mitombona natsofoky ny fiangonana tsotra na main stream tsy voavaly na tsy nojerena akaiky momba ny fiainana ara-panahy n'ireto namorona sekta.
k izay indrindra le izy kou, tsy mitombona araka ny hevitr'iza? i Kristy ve?
Ra io manko no zohiana dia mihatsara hatrany araky ny isian'ny sekta misokatra ny fahitan-javatra. Izany hoe tokony hifindra @ secta vao nivoaka farany ny mpino rehetra :)

Kanefa voahitsy tokoa ve ilay noheverina fa tsy mitombona? otran'ny mitombo otran'ny ananana manko ilay izy? voatery tsy maintsy niala tao @ fiangonana reniny ve vao afaka nanitsy izay heverina ho diso sa tsy nahavita nandresy lahatra ny be sy ny maro tao @ fiangonana niandohana? :P

soanja:
Aleoko sekta toy izay hiala amin'ny Kristy tanteraka.
Tena zavatra tsy hinoana an'i Kristy intsony ve ilay hita fa tsy mitombina tao @ fiangonana niandohana? Ra zavatra goavana be toy izany ve dia tsy hahavita handresy lahatra ny mpitondra tao @ fiangonana niandohana hoe ny antony hinoana an'i Kristy ange no disoanareo e :D

PS: tokony tany @ dinik'i fijo ity no navaly tany fa tsy natao vaovao...
4. pissoa ( 29/09/2007 20:28)
- Satria betsaka ny fanontaniana napetraka na hevitra tsy mitombona natsofoky ny fiangonana tsotra na main stream tsy voavaly na tsy nojerena akaiky momba ny fiainana ara-panahy n'ireto namorona sekta.

Ilay hoe fanontaniana tsy voavaly : Raha ny fahitako manokana nefa, ny ankabeazan'ireo voasokajy ho secte amin'izao nefa dia karazan'olona "je sais tout" be amin'ny finoana. Eto amin'ny forum fotsiny ohatra dia efa taratra ny "fandisoana" ankitsirano ny hafa, ny fanaovana dinika mikasika ny finoan'ny hafa (dridrangilo mihitsy) sns ! Noho izany heveriko fa tsy resaka fanontaniana tsy voavaly izany no mahatonga ny sectes.

Ny hoe hevitra tsy mitombina : cf simplex
5. ikaretsaka ( 29/09/2007 20:52)
matoa misy ny secte dia:
1) misy olona anankiray na maromaro tsy faly, na sorena @ ilay "nialany": aloha.. ka nanao ny azy manokana sy nihevitra ny tenany fa ny azy no marina!
io ilay "je sais tout" ho'zy pissoa

2) misy ilay olona na andian'olona manao ilay hoe izay hoe "ze revireviny sy metimety @ fiainany ihany no alaina, fa izay hafahafa dia apetraka any na odiana fanina". Tsapany fa sarotra ny manao izany raha mikambana izy (ohatran'y mpivady ihany io) dia aleony lasa niridana!

HS: fa ny mahagaga ahy @ sekta"kristianina"
3) ny Kristianina tany amboalohany,raha niala tamin'ny Jiosy ka nolazaina hoe "sekta" dia tsy nanda ny maha sekta azy. Tsy nanao izy ireny hoe Jiosy ihany izahay fa misy fomba jiosy tsy arahanay... fa sahy nijoro mazava tsara ireny hoe izahay tsy jiosy fa Kristianina . Fa ny amin'izao kosa tsy misy sahy hiteny mihitsy hoe tsy kristianina izay.. fa mody hoe.. zahay kristianina ka! saingy tsy manao izao.... fotsiny!

4) ao koa ilay personal interest fotsiny koa: ny hahazoana vola voninahitra , ny halaza, ny hanaborona mpiangona , ny hamotika azy... ny "mpiangona mino de mino fa manao be ho an'i kristy:^) kanjo ny paosin'ilay pasitera no feno

5) Ao koa ilay mamakimaky baiboly sy tonga inspiraka tao angabone sady nandsatsaka no namaky baiboly tao dia iny fa te hanao toy ny zavatra sendra voavakiny tao.. ohatran'ilay avy mijery vidaka Bruce Lee sy Van Dame taloha dia mihevitra ny tenany ho mafy be
6. cutie ( 29/09/2007 21:33)
) Ao koa ilay mamakimaky baiboly sy tonga inspiraka tao angabone sady nandsatsaka no namaky baiboly tao dia iny fa te hanao toy ny zavatra sendra voavakiny tao.. ohatran'ilay avy mijery vidaka Bruce Lee sy Van Dame taloha dia mihevitra ny tenany ho mafy be

:-D:-D:-D:-D:-D
7. soanja ( 30/09/2007 00:25)
simplex:

soanja:
- Satria betsaka ny fanontaniana napetraka na hevitra tsy mitombona natsofoky ny fiangonana tsotra na main stream tsy voavaly na tsy nojerena akaiky momba ny fiainana ara-panahy n'ireto namorona sekta.
k izay indrindra le izy kou, tsy mitombona araka ny hevitr'iza? i Kristy ve?
Ra io manko no zohiana dia mihatsara hatrany araky ny isian'ny sekta misokatra ny fahitan-javatra. Izany hoe tokony hifindra @ secta vao nivoaka farany ny mpino rehetra :)

Kanefa voahitsy tokoa ve ilay noheverina fa tsy mitombona? otran'ny mitombo otran'ny ananana manko ilay izy? voatery tsy maintsy niala tao @ fiangonana reniny ve vao afaka nanitsy izay heverina ho diso sa tsy nahavita nandresy lahatra ny be sy ny maro tao @ fiangonana niandohana? :P

soanja:
Aleoko sekta toy izay hiala amin'ny Kristy tanteraka.
Tena zavatra tsy hinoana an'i Kristy intsony ve ilay hita fa tsy mitombina tao @ fiangonana niandohana? Ra zavatra goavana be toy izany ve dia tsy hahavita handresy lahatra ny mpitondra tao @ fiangonana niandohana hoe ny antony hinoana an'i Kristy ange no disoanareo e :D

PS: tokony tany @ dinik'i fijo ity no navaly tany fa tsy natao vaovao...

Tsy namaly tao amin'i dinik'i Fijo aho satria zah tsy sekta, ny fanontaniany anefa mankany amin'izay sekta.

Fa nametraka io hevitra io aho satria mahatsapa aho fa misy fanivazimbana ny sekta eto ka mamaly avy amin'ny fomba fijeriny aho hoe matoa izy nanangana azy de misy ny antony ary matoa nisaraka izy , zany hoe raha nanao divorsa dia tena matomboka aminy iny hevitra nahatonga azy hisaraka iny koa hajao ny momba azy ireo.

Amiko aleko lavitra mahita finoana zato amby arivo mifandray amin'i Kristy na dia samy manana ny fomba fijeriny . Toa izay mahita fiainana tsy misy finoana aza.
Tsy voatery hahatsapa ho hilamina daholo mantsy ny olona iray ao anaty fiangonana na fomba fivavahana iray. Aleo izy haleotena hanana ny mahaizy azy saingy manompon'i Jesoa toa ny rehetra.
Raha tianao ny olona iray dia omeo fahaleovan-tena izy na omeo fahefana hamoaka izay mahatena izy azy ary hampita hafatra amin'ny fomba itiavany azy. Fa tsy hoe raha nisaraka izy de lazaina fa be hevitra na ratsy na manao akory angaha.
Tsy misy zavatra tapitrohatra izany eto an-tany. Ilay tapitr'ohatra efa nandalo ary lasana. Ny asany sy ny fahasoavany no nijanona ao anatintsika ary manova sy manavao ary manome hery antsika hamindra fitiavana ho amin'ny hafa ary ho fantsom-pitahiana ho an'ny hafa.
Raha modely tsara isika dia izay no zava-dehibe. Manantena koa isika fa ho modely tsara ry zareo. Enga anie!
Ny hoe namaly ny fanontaniany na hoe nampitombina azy ve ny fisarahana tamin'ny ilay fiangonana reniny dia tsy isika no hitsara izany fa Ilay Andriamanitra tompointsika no hanome hasina izany raha tena amin'ny fony tokoa no nahatsapany fa ilainy ny misintaka.
Ny fikatsahana an'Andriamanitra dia tsy manam-petra ary tsy vaofetran'ny soratra na lalana mipetraka na fiangonana. Velaro sy ampitomboy ary itaro na akaro amin'izay araka izay azonao atao ny fanekena ny hafa, ny manaja ny hafa raha toa ka mbola manaja anao izy ireo.
Na milaza azy izy fa Know-It-All dia tsy maninona izany. Toetran'olombelona izany ary tsy misy ny tongalafatra.
Ataovy fitaratra mamirapiratra manintona ho an'ny hafa ny finoana fa izay ihany no hitako mety hitarika ny hafa handroso hiara-manompo an'Andriamanitra aminao.
Ho tahian'Ilay Avo indrindra anie isika rehetra ary ny fitiavany hanenika ny tontolon'ny seraserantsika! Amen!

8. ikaretsaka ( 30/09/2007 02:00)
Amiko aleko lavitra mahita finoana zato amby arivo mifandray amin'i Kristy na dia samy manana ny fomba fijeriny . Toa izay mahita fiainana tsy misy finoana aza.

amiko aloha 1 ihany ny fijery e..
raha manontany anao aho hoe misy ve?
ny valiny expectevako de hoe na misy na tsisy.
fa tsy hoe le misy tsisy, de le tsisy misy!

Ny hoe namaly ny fanontaniany na hoe nampitombina azy ve ny fisarahana tamin'ny ilay fiangonana reniny dia tsy isika no hitsara izany fa Ilay Andriamanitra tompointsika no hanome hasina izany raha tena amin'ny fony tokoa no nahatsapany fa ilainy ny misintaka.

amiko manokana dia matoa Izy nivavaka hoe mba ho iray, dia 1 no notadiaviny fa tsy bedebe

raha tianao ny olona iray dia omeo fahaleovan-tena izy na omeo fahefana hamoaka izay mahatena izy azy ary hampita hafatra amin'ny fomba itiavany azy. Fa tsy hoe raha nisaraka izy de lazaina fa be hevitra na ratsy na manao akory angaha.

namaste
fa na ny mamoaka fahaleovantena sy te hamoaka izay maha tena azy izy, misy ethics tsy maintsy arahana koa ka, ohatra ny hoe manao trano ianao (miala tsiny fa any no asako 1 ankoatran'ny fivavahana:D) , na comlpel sy style hafa mihitsy aza ilay izy, dia miasa eo @ fijery tokana foana hoe misy tafo, misy rindrina, misy gorodona, azo honenanana fa tsy "the house accordin to me" de ny tafo lasa fototra!
toy izany kao ohatra raha tomobilina
9. soanja ( 30/09/2007 02:09)
Ika > Ekeko anie izany ry Ika saingy zah mino fa tsy hoe akory ka mifanalavitra be na mifanipaka ambony sy ambany toy ny 69 ny ilay finoantsika raha samy milaza azy ho Kristianina e.
Mino aho fa samy ireto avy no ifamatorantsika ho Kristianina:
Finoana, fanantenana ary fitiavana. Ary i farany io no lehibe indrindra! Ary samy io Baiboly i aby ro source ifaharana amin'izany. Ny fomba fijerena azy sy andraisana azy samihafa na ny hevitra fampitana izany finoana izany fotsiny no mahasamihafa.

Mino aho fa tsy hilaza ny sekta kristianina ho jentilisa aho na hoe ireto tsy rahalahy na anabavy. Nefa asa anefa isika olombelona tsy voafetra ny famoronan-kevitra ao anatintsika vokatry ny saina.

Tsy haiko kosa aloha izay sekta hafa tsy Kristianina na izay hafa tsy voatonona. Raha mbola mifikitra amin'ny fifankatiavana ny fanompoana iray de hanaja izany aho.
10. ikaretsaka ( 30/09/2007 02:16)
Mino aho fa samy ireto avy no ifamatorantsika ho Kristianina:
Finoana, fanantenana ary fitiavana. Ary i farany io no lehibe indrindra!

ny an'i fijo kao toa izany ko.:-D
fa tsy haiko i fijo na Xtiana na ts'izy

Ny fomba fijerena azy sy andraisana azy samihafa na ny hevitra fampitana izany finoana izany fotsiny no mahasamihafa.

ekena!
fa raha vao samihafa koa ilay izy, aleoko ilay fijery nampianarina toy izay fijery efa derivee aloha e:wink:
tsy haiko.. it's just my opinion
11. soanja ( 30/09/2007 02:37)
ikaretsaka:

Ny Fijo aloha dia ny fahitako azy raha izay heviny hatramin'izay dia ilay voalohany io dia FOANA Iny finoana) na zero fa ilay faharoa sy fahatelo no betsaka aminy. Izay no iasantsika mafy eto de ny hanampiana ilay ranadahintsika hanana io voalohany io.

Manaja tanteraka ny fomba fitiavanao/fandraisanao ny finoana anefa aho satria ny ahy dia hafa ny hijerevako azy hoe raha mivavaka aho ka manoro ahy ny fanahy masina hanao zavatra mbola tsy noheveriko atao na tsy voasoritra taloha nefa manome mazava ny lalana dia iny i Soanja no lasa satria mahatoky ny fitaritan'i Fanahy Masina aho.
Raha mbola miaraka amin'i Kristy isika dia tsy very. Tsy izay rehetra mivezivezy na mitady ketsa na miodinkodina akory na niala ka nanangana tanana hafa akory no very amiko. Ary mety tsy hisy akory ara ny anie ny hoe VERY e! samy manao izay mety amin'ny fomba iainany aby isika rehetra koa de tsara ianao Ranadahy fa aligna ny andro! :-*:-*:-*:-*

12. ikaretsaka ( 30/09/2007 02:45)
ny an'i fijo le fahatelo no tena asongadiny be ko.. fa tsa haiko hoe @ fomba ahoana, fa azokazoko verka ihany, raha fandriana ny azy no alitara!

fa za koa raha miaraka @ kristy dia miaraka @ kristy araka ny naorin'i kristy fa tsy miaraka @ derivee sy ny nanori-tena tao aminy ...
lasa sadasada izany ko!
13. soanja ( 30/09/2007 02:57)
Ny ahy koa aloha le fahatelo no zavadehibe sy asongadiko satria mbola samy eto antany aloha isika jiaby izao. Izay any an-danitra aleo ho an'ny lanitra. Izy zanahary mahay azy!

Raha zah no manao na manangana ny hoe sekta dia satria tsy manaiky ny fanaovana tsinotsinona ity fiainana nomanin'Atra sy nomeny ho antsika ity aho. Izao tontolo izao dia natokan'Atra ho antsika ary anjarantsika ny manatsara sy manasoa ary miezaka mikarkara azy sy ny ao anatiny rehetra!
Manomboka ety an-tany ny paradisa!
14. ikaretsaka ( 30/09/2007 12:25)
Soanja: fa misy ny manao sekte dia mieritreritra izany mihitsy, saingy tsy izany no ataony dia lasa faneson'ny olona sisa

fa ny azo amehezana azy izany dia rehefa hoe secte izay dia niala t@ zavatra efa misy, ary matetika fahasorenana tao @ ilay zavatra efa misy no nahatonga azy
15. boubounezy ( 30/09/2007 12:27)
soanja ny anah zao ny fandraisako azy wé matou misy ny secta, d lé olona namorona azy efa malala fa bdb ny oull dondrona azony fetsifetsena anaraka azy erany tany. za alou tsy azo mora @ zany é!:lol:
16. ikaretsaka ( 30/09/2007 12:36)
=)) boubonezy ity an!
izay koa antony 1
17. soanja ( 30/09/2007 13:30)
ikaretsaka:

Soanja: fa misy ny manao sekte dia mieritreritra izany mihitsy, saingy tsy izany no ataony dia lasa faneson'ny olona sisa

fa ny azo amehezana azy izany dia rehefa hoe secte izay dia niala t@ zavatra efa misy, ary matetika fahasorenana tao @ ilay zavatra efa misy no nahatonga azy

Ika> mahita sekta be de be aho aty ary matetika miara mivavaka amin'ireo indraindray. Manao ny tandrify azy izy ireo ary manao tokoa. Rehafa committed de committed e!
Saingy ny olombelona hoy aho dia be siasia fa izay ilay natiorantsika. Tsy misy an'izany tongalafatra zany eto. Ny tenako no resahiko voalohany.
Mandainga izay milaza fa tsy nisy loharanom-pahasorenana nisy tamin'ireo fiangonana reniny nialany. Amiko aloha dia izay ataony any tsa manahy fa raha mbola manompo an'Andriamanitra izy e. Izay te hisaraka mahazo misaraka. Tsy tokony hisy ny sakantsakana sy ny fitiavana hangeja ilay olona nefa ny fanahiny te hitady ny marina aminy. Izay ataony any koa azy ny azy satria tsy anjarantsika ny mitsara. I JK ihany no lakilen'ity fiainana famonjena . Io no atrehantsika dia milamina isika fa aza manahy ny an'ny hafa.

FA RAHA TOA KOSA MISY FAMONOANA ZAZA NA FAMONOANA OLONA NA FIVAROTANA OLONA SNS MITRANGA AO AMIN'IZANY SEKTA IZANY HENONAO NA HITANAO. DIA AZA MISALASALA MAMONJY NY MANAM-PAHEFANA AKAIKY ANAO!

18. ikaretsaka ( 30/09/2007 18:03)
soanja> ny aty @ podium izany, fa ny ao ambadiky ny curtain hita @ asany eny ihany!
Ny fijereko azy dia ny asa vitany ihany, raha mahasoa na manasoa ny madinika sy ny mpiangona AMIN'NY LAFINY REHETRA fa tsy ny ARA-PANAHY FOTSINY dia izay dia tsy mety.
Amiko manko ny finoana ..."tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any, fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra..."
19. boubounezy ( 30/09/2007 18:21)
karetsaka aza mezanao za an!!:-D:-D
20. simplex ( 30/09/2007 19:12)
soanja,

Ilay orientation an'ny dinikao mintsy izany no tsy nazava tsara. Tsara kokoa ra natao hoe "maninona no mankahala secte isika"... tsy haiko e :P

Ny @ ilay hoe omeo fahefana hamoaka izay mahatena izy azy ary hampita hafatra amin'ny fomba itiavany azy, tsisy maharatsy an'izany ange e. Fa ny tsy mety fotsiny ra nisitaka t@ alahelo izy na hoe lasa tsy nifankahazo t@'ilay nialany. Toy ny mande manambady tsy mahazo tsodrano ihany izany.

Tsy hoe hangataka tsodrano any @ fiangonana nialany akory izy fa tokony ilay hoe fifankatiavana, izay didy lehibe indrindra, no nojerena voalohany.
Moa koa, ra tena ny hanatona an'Atra marina ny tanjona, tsy izay olana kely etsy sy eroa no nde hanakana @ izany. Satria ve tsy mifanaraka @ hevitr'i Rabe d handao an'i Kristy?

Fa za tsy mankahala secte zany an :D matetika manja ny sipa any :°):@

ps: tadidindriko ve le noteneniko t@ eri-taona iny? le hoe ataovy fohifohy ny resaka :-P ozy hoe misy "redundancies"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3157