Ny zavadehibe dia izay hinoanao.
1. soanja
(
26/09/2007 16:02)
NY ZAVADEHIBE DIA IZAY HINOANAO
Misy finoana toy ny zaridaina anaty fefy. Izay manilikilika ary mahatsapa fa nomena fiangarana manokana.
Misy finoana izay mitatra sy mitondra amin'ny lalana malalaka sy mahatsiaro ontsa amin'ny fahorian'ny hafa.
Misy finoana toy ny masoandro mibaliaka, mitso-drano ny ankizy ao anaty hafaliana sy hafanana.
Misy finoana mampisaraka, milaza ny ireo ho voavonjy sy ny tsy voavojy, namana sy ny fahavalo.
Misy ny finoana manambatra ny rehetra ho mpirahalahy sy mpianakavy, izay mampamiratra amin'ny fo madio ny tsy fitoviana ho hatsarana ifandraisana.
Misy ny finoana manditsoka, manidy ny fahefan'ny hafa hanaraka ny torolalan'ny olona iray.
Misy ny finoana toy ny vavahady misokatra manoloana valanjery hiriariavana sy hofantarina ary hianarana.
Misy ny finoana mandemy ny mahaolombelona. Manesotra sy manitsaka ny fitomboan'ny fanovozam-pahalalalana ho an'ny hafa.
Misy ny finoana mikolokolo ny maha- Izy ny olona iray, mamporisika sy manome hery ilay olona hivelatra ka hanovo ny tsara indrindra ao aminy.
Misy finoana makiana toy ny vato, mihenjana toy ny faty, tsy afa manoatra manoloana ny fiovan'ny fotoana sy ny fiainana.
Misy ireo finoana malefaka afaka aforitra toy ny zozoro, misondrotra hatrany amin'ny faniriny mifandraika amin'ny fiainany. " Sophia Lyons Fahs
Fidio izay mifandraika aminao amin'ireo fa misy eto an-tany daholo ireo.
Ho an-dRabilabila, ny finoako dia toy ny vavahady manoloana valanjery hiriariavana sy ho fantarina.
Yes, I was born to be an adventurer on a spiritual journey to discover who I am as a human being. This journey has no limit nor borders as long as Love prevails!

novalian'i rabilabila ny 11/10/2007 21:41
3. soanja
(
26/09/2007 16:11)
Valanjery = wide vistas. Dikateniko io fa azonao soloina zavatra hafa raha tianao.
4. Fiffi
(
26/09/2007 16:42)
heu.....raha fitinina zany de ny finoana an'olona iray...ohatra zah zao an ! de ny finoako an'Andriamanitra Tokana....de ireo voalazan'soanja rehetra ireo de voafitiny daholo.....
5. fijo
(
26/09/2007 19:35)
misaotra ry soanja,ny finoana krispijo koa dia finoana malalaka sy mivelatra hoan'ny rehetra
6. cutie
(
26/09/2007 19:39)
Misy ny finoana mikolokolo ny maha- Izy ny olona iray, mamporisika sy manome hery ilay olona hivelatra ka hanovo ny tsara indrindra ao aminy
io ny finoana tiako :lol::lol::lol:
10. LazaDaddy
(
26/09/2007 23:47)
soanja:Tsia, ny zava-dehibe dia ny maha marina ilay inoanao.
NY ZAVADEHIBE DIA IZAY HINOANAO
soanja:izay no tsy maha zava-dehibe azy satria izay "tian'ny saintsika ihany". hoy i Jesoa.
Fidio izay mifandraika aminao amin'ireo fa misy eto an-tany daholo ireo.
11. soanja
(
27/09/2007 01:14)
LazaDaddy:
soanja:Tsia, ny zava-dehibe dia ny maha marina ilay inoanao.
NY ZAVADEHIBE DIA IZAY HINOANAOsoanja:izay no tsy maha zava-dehibe azy satria izay "tian'ny saintsika ihany". hoy i Jesoa.
Fidio izay mifandraika aminao amin'ireo fa misy eto an-tany daholo ireo.
Inona moa no ny marina? Inona no mana-pakevitra fa marina sy ekenao ny zavatra iray na ny hevitra iray? Ny saina.
Dia avy amin'io ny hisafidinanao ny finoana.
Efa manadihady ihany ny olona iray vao ahita ny Fahamarinana. Eo ampikarohana ny Fahamarinana izy dia ahita mety Fahasoavana.
Raisiko ohatra ny olona teraka tao anaty finoana mpamono zazavavy mbola virjiny natao sorona. Nampisy hasiny an'iny ny rehetra manodidina azy taloha. Taty afara anefa dia foana izany. Nihamatotra sy nandinika ny olona.
Tamin'ny mbola kely aho tsy nanan-tsafidy satria i dada sy mama no manapakevitra ny hinoako. Amin'izao olon-dehibe dia afaka mandanjalanja, ary eo aho no misafidy. Misampana ny lalana eo na hanaraka an'i dada sy mama na hanaraka lalana hafa. Izay marina ao anatin'ny saiko no ekeko ho FAHAMARINANA ary nisafidy aho fa i Jesoa izany.
Tsy noterena aho ery tsy novozonana.
Asakasak'izay manaika sasana atidoha amin'izao fotoana anefa! Izay no nanomezako io lohateny io. Mitombina tsara amiko io ary tsy voatery ho mitombina aminao akory koa. :-*:-*:-*:-*:-*
12. LazaDaddy
(
27/09/2007 03:22)
azafady soanja fa tsy izay heverin'ny saina ho marina no tena marina a. "Marina" araka ny famaritan'ny saina fotsiny izany fa tsy voatery ho marina. Ilay Fahamarinana mantsy dia tokana ihany fa tsy miovaova araka ny fisainan'ny olona sy ny "circonstance" akory sanatria.
15. Rafotsy
(
27/09/2007 07:33)
Zah indray dia mba nijery ilay " Sophia Lyons Fahs " tao @ google ! Feno azy ao saingy nody maina fa aminy teny anglais daholo ary tsy angadind-Rafotsy io :(!
Ny fahamarinana kalou samy milaza fa ny azy no marina , ary raha nahazoana soa dia normal raha zaraina @ namana tiana ilay izy ! Anjarany tsirairay no mitady izay mahasoa azy ! Ny any azoko lazaina fotsiny , fa hatraimny nanekeko fa i Jesosy no mpanavotra ahy ary izy no fidiko hitondra ny fianako , matetika na mafy aza ny onjan'ilay fiainana , izaho manokana tsy mitady intsony fa ampy ahy izy ary mahafeno ny fianako manontolo !

16. fahamarinana
(
27/09/2007 08:16)
Rafotsy:
Ny any azoko lazaina fotsiny , fa hatraimny nanekeko fa i Jesosy no mpanavotra ahy ary izy no fidiko hitondra ny fianako , matetika na mafy aza ny onjan'ilay fiainana , izaho manokana tsy mitady intsony fa ampy ahy izy ary mahafeno ny fianako manontolo !
:arrow:=D=D Mitovy hevitra tanteraka amin'ny Rafotsy aho aho eto ,:-*(l)
17. xxx
(
27/09/2007 09:56)
LazaDaddy:
azafady soanja fa tsy izay heverin'ny saina ho marina no tena marina a. "Marina" araka ny famaritan'ny saina fotsiny izany fa tsy voatery ho marina. Ilay Fahamarinana mantsy dia tokana ihany fa tsy miovaova araka ny fisainan'ny olona sy ny "circonstance" akory sanatria.
Science exacte ve izany ny finoana ka iray ihany ny marina ary rehefa marina dia marina?
18. tywa68
(
27/09/2007 10:27)
Soanja : mazàna ny olona nahita ny lalany tsy mivaky loha @ fanadalàna ataon'ny sasany. Ary io zany ny fahamarinana hitany.
Tsy voatery marina anefa io satria tsy misy porofo hiraisana, ka eken'ny rehetra manamarina azy !
Ary zany no antony mampisaraka ny mpino, satria samy manana ny marina hitany na novakiany. Dia avy eo mihevitra fa nahita an'ilay tena izy, dia tsy mamela ny hafa ho very, fa miantso azy hanaraka an'ilay zava-tsoa hita.
Ny finoana izany samy manana ny fandraisany azy, ary samy manana ny fahamarinany. Ary zava-dehibe tokoa ny finoanao, satria faly sy sambatra ianao miaina an'izany ao @ i Jesoa (zay hifikiranao mandrakariva satria ny porofo omeny anao dia ampy hanohizanao ny lalanao).:-*
fijo sy cutie : efa nisy membres nanome vola ve ? na fanomezana hafa :-D:lol: Ny finoana manko tsy vidiam-bola fa ny secte ihany no manao izany.
xxx : tsy science ny finoana ary io indrindra no maha-sarotra azy. Fahasoavana nomen'i Tompo anao ny finoanao. Ny RAD nanoro lalana, fa rehefa tsy mitady sy mandalina dia tsy mahita, ary mora taritin'ny mpanasa ati-doha.

19. soanja
(
27/09/2007 12:29)
tywa68:
Soanja : mazàna ny olona nahita ny lalany tsy mivaky loha @ fanadalàna ataon'ny sasany. Ary io zany ny fahamarinana hitany.
Tsy voatery marina anefa io satria tsy misy porofo hiraisana, ka eken'ny rehetra manamarina azy !
Ary zany no antony mampisaraka ny mpino, satria samy manana ny marina hitany na novakiany. Dia avy eo mihevitra fa nahita an'ilay tena izy, dia tsy mamela ny hafa ho very, fa miantso azy hanaraka an'ilay zava-tsoa hita.
Ny finoana izany samy manana ny fandraisany azy, ary samy manana ny fahamarinany. Ary zava-dehibe tokoa ny finoanao, satria faly sy sambatra ianao miaina an'izany ao @ i Jesoa (zay hifikiranao mandrakariva satria ny porofo omeny anao dia ampy hanohizanao ny lalanao).:-*
Izay indrindra no nahatonga io lohateny io.
Ny safidinao ve no heverinao fa Fahamarinana?
Jereo akaiky ary ny ao anatin'io safidinao io satria ao anatin'io zavatra inoanao dia misy an'izao sy izao ohatra.
Mizara telo ny mahaolombelona antsika: Ny vatana, ny saina ary ny fanahy.
Rehefa resaka finoana dia ampiasao ny FANAHY!
Ny tiako ahatongavana dia isika olombelona dia mila mifandray amin'ilay AFO ao anaty, io ilay fanahy. Io aty fanahy io no hitarika sy hanome lalana antsika hitondra any amin'ny FAHAMARINANA. Amin'ny alalan'ny vavaka, meditation sns no ahafahana mifandray amin'io.
Io no ampifandray antsika amin'Andriamanitra ilay Avo indrindra. Io no hitsilo ny diantsika HANOVO NY TSARA/MAHASOA KOKOA EO AMIN'NY FIAINANA. Rehefa miroborobo io dia ahita fahasoavana ny manodidina anao ary indrindra ny tenanao satria ho avy ANDRIAMANITRA hiasa eo aminao. Ho avy hitoetra ao aminao Andriamanitra ary ianao hizara izany fahasoavany izany amin'ny hafa KOA.
KOA TADIAVO/FOHAZY/AMPIROBOROBOY ILAY FANAHY AO ANATINAO FA IZY HANORO LALANA ANAO NY FAHAMARINANA, IZAY HOSAFIDINAO HARAHINA AMIN'ITY FIAINANA ITY!
Tsoaka raisiko izany dia fampidirana sy famakafakana io lohateniko ery ambony io fa ity farany no TSOAKA. Misaotra nanaraka. :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
20. ikaretsaka
(
27/09/2007 14:42)
soanja:
Ny safidinao ve no heverinao fa Fahamarinana?
amiko:
tsy ny safidiko no no voatery fahamarinana, izany no mahatonga ahy manao remise en question sy examen spirituelle foana, ary mandalina bebe kokoa an'io, mba hahatonga ahy ho convaincu tanteraka..
Mila mitady porofo foana @ mahamarina io safidiko io aho na tsy ho hitako aza izany mandra pahafatiko, fa sitrany ahay mba hitako handresen-dahatra ny tenako raha marina tokoa na tsia io safidiko io!
ary @ fo madio, hatramin'izao dia sarotra amiko ny mieboebo fa io no fahamarinana tanteraka... bola betsaka manko no tsy haiko, dia mila mandfalina sy mivelatra amin'ireny aho, dia manao remise en question foana foana.
saingy hatramin'izao dia mbola voaporofoko @ fandinihina sy ny fandalinana fa marina amiko ilay nosafidiako
Mizara telo ny mahaolombelona antsika: Ny vatana, ny saina ary ny fanahy.
Rehefa resaka finoana dia ampiasao ny FANAHY!
raha mino fe mino fotsiny dia resaka fanahy (spirituelle) fa raha handalina kosa dia saina sy fanahy miaraka aby