Raha mivoha dia afaka miditra,raha mihidy tsy afaka intsony.

1. niryna ( 23/09/2007 06:25)
Raha mivoha ny varavarana dia tsy afaka hisy hanidy na iray aza,raha hidin'Atra kosa ny varavarana dia tsy misy afaka hamoha izany.
Kristy no varavarana .
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
7 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:
19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.

20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apok 3:19-20

répondu par niryna le 02/10/2007 05:42
2. niryna ( 23/09/2007 06:32)
Apok 3:2,3,8,10
2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro

3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.

8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany hianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.

10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
3. Rasiligaoma ( 23/09/2007 11:58)
tsy haiko na kisendrasendra na tsia fa tany @ Lamesa vao teo
ALAHADY FAHA 25 MANDAVAN-TAONA
Hira fidirana: O Nivoha ny varavaran'ny lanitra..
4. niryna ( 23/09/2007 17:41)
Rasiligaoma:

tsy haiko na kisendrasendra na tsia fa tany @ Lamesa vao teo
ALAHADY FAHA 25 MANDAVAN-TAONA
Hira fidirana: O Nivoha ny varavaran'ny lanitra..


misy tokoa ny kisendrasendra ary tena marina io hoe mivoha ny varavaran'ny lanitra io.Mahazo miditra daholo izay te-hiditra.Rehefa mihidy ilay varavarana dia tsy afaka mivoha intsony.
5. simplex ( 23/09/2007 17:57)
raha ampidirina ao anaty afo dia mirehitra, raha alefa ao anaty rano dia tsy mirehitra intsony :)

6 http://fr.wikipedia.org/wiki/Tautologie

2 http://fr.wikipedia.org/wiki/Proposition_contrapos%C3%A9e

(l)simp
6. pissoa ( 23/09/2007 18:07)
iny njay no tsy hitako :-D:-D:-D:-D:-D
7. Fiffi ( 23/09/2007 19:33)
[quote=simplex]
raha ampidirina ao anaty afo dia mirehitra, raha alefa ao anaty rano dia tsy mirehitra intsony :)/quote]:-D:-D mahita lazaina mintss toi an !


8. ikaretsaka ( 23/09/2007 19:40)
toa mbola mivoha ko. any @ Md Piera ny lakile
9. Fiffi ( 23/09/2007 19:43)
ohatran'le hira hoe :
oh mivoha....ny varavaran'lanitra aaaa..
eo hanatrehan'Tompo oooo.....
10. ikaretsaka ( 23/09/2007 19:58)
Fiffi:
ohatran'le hira hoe :
oh mivoha....ny varavaran'lanitra aaaa..
eo hanatrehan'Tompo oooo.....
i
io tokoa angamba ny hira tian'i Rasily holazaina teo fa ianao nanome sopapa kely izay vao nitamberina tato an-doha..:-D
11. Fiffi ( 23/09/2007 20:48)
"niryna":
raha hidin'Atra kosa ny varavarana dia tsy misy afaka hamoha izany.
satria efa fantatra fa Izy Irery hiany no manana ny lakilé.....nefa Andriamanitra ve manidy varavarana an'olona mangetaheta ? :roll:
12. niryna ( 24/09/2007 00:39)
niryna:

Raha mivoha ny varavarana dia tsy afaka hisy hanidy na iray aza,raha hidin'Atra kosa ny varavarana dia tsy misy afaka hamoha izany.
Kristy no varavarana .

Tadidinareo ilay tantaran'i Noa? Nasian'Atra nanao sambo ngezabe izy ary dia nivoha ny varavarana ho an'izy mianakavy ary Atra no namoha azy ka rehefa tonga ny fotoana fandrimpahany ny olon-dratsy rehetra dia ny tondra-drano izany,tsy afaka niditra tao anaty sambo ny olona taty ivelany,satria Atra no nanidy ny varavarana.
Noa izany dia azo tarafina an'i kristy,izay mandray ny teniny dia ahazo famonjena,izay tsy mandray ny teniny dia izy no hijaly satria tsy misy na iray aza afaka hamonjy antsika ho any amin'Atra.
Mila mitandrina isika fa misy mamily ny tenin'Atra,ny satana koa dia mahay ny tenin'Atra.Fantaro tsara izay hinoantsika(Atra Ray,Atra Zanaka ary ny Fanahy Masina)

13. niryna ( 24/09/2007 00:48)
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.

Isika rehetra izay mino sy mitazona ny finoantsika an'i Kristy hatrany izany dia ho soratany ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarantsika.Tandremo fa mahery ny satana satria taniny ity ka tiany ho potraka isika.Halaviro hoy ny tenin'Atra ny fanahy ratsy ary dia hanalavitra antsika koa izy.

7 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:

Izay foasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana dia hanana fiainana mandrakizay.Ny kristiana izay ataony fanoharana toy ny fiangonan'ny Filadelfia izany dia ireo izay kristiana manana finoana sy famonjena avy amin'i Kristy.Atra nanome azy ireo fanekena fa ho arovany amin'ny andro fitsarana.
14. niryna ( 24/09/2007 00:55)
19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.

Tia antsika Atra ary ny porofo dia ny nanomezany ny Zanany Lahitokana mba hamonjy antsika.
Teny mamy ary hisaorantsika an'Atra andro aman'alina izany fitiavany lehibe antsika izany.

15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao,[ fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

18 Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy.
Jaona 3:15-18


15. niryna ( 24/09/2007 01:11)
20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.


Miandry antsika rehetra i Kristy,tsy mitady na inona na inona Izy fa ny fo torotoro,feno fifaliana fa mandray azy ao am-po no tadiaviny.Raha mbola tsy nahatsiaro fifaliana izay tsy voavidinao na ohatrinona izany na ohatrinona.Manandrama,manatona Azy,mangataha aminy izay tianao ataony aminao,omeo tantanany ny fiainanao.
niryna:
Vavaka ho an'ireo izay vonona ny anome ny fiainany ho an'i kristy.
Tompo o ity aho mpanomponao,tsy mendrika akory ny hiantso ny anaranao.Fantatro fa any aminao ny fanalahidin'ny varavarana,raha mivoha izany varavarana izany ka mandondona aho dia ho voahinao tokoa.Mamindra fo amiko,mamela ny fahotako rehetra(tanisaho aminy izany,hianao sy Izy irery no mahalala izany).Omeo hery aho Kristy hino ny anaranao.Any aminao irery ihany no misy ny famonjena.Ity aho,manomboka androany dia omeko ho tantananao iray manontolo ny fiainako.Ampio aho ary izay fantatrao fa mahasoa ahy,enga anie tsy ny sitrapoko intsony no ho tanteraka fa ny sitraponao.Misaotra Tompo o.Amin'ny alalan'i Jeso Kristy no angatahiko izany Amena.

Raha te mino tokoa hianao fa manomboka androany dia omenao tantanany ny fiainanao.Hiova tsy hanao izay toetra na zavatra izay fantatrao fa tsy mety natao taloha.Androany amin'izao ora hamakianao ity dia voavonjy ny fanahinao.Manomboka izao hianao dia miara-mandova ny Tompo,lasa zanak'Atra,mpandova miaraka aminy.Tsy tokony hatahotra intsony fa lasa olom-baovao.Ny lasa rehetra efa navelan'ny Tompo ary fiainana vaovao no diavinao manomboka anio.Izay ihany,tsy mila hoe tsy maintsy mankatsy na mankaroa vao voavela sy lasa olom-baovao isika.Izay mino amin'ny fo madio no ho vonjena.
Ho Azy Irery ihany anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra.
^:^
16. niryna ( 24/09/2007 01:13)
simplex:

raha ampidirina ao anaty afo dia mirehitra, raha alefa ao anaty rano dia tsy mirehitra intsony :)

6 http://fr.wikipedia.org/wiki/Tautologie

2 http://fr.wikipedia.org/wiki/Proposition_contrapos%C3%A9e

(l)simp

Tsy azoko fa mba afaka azavainao raha tsy maha diso:D

17. niryna ( 24/09/2007 01:37)
ikaretsaka:

toa mbola mivoha ko. any @ Md Piera ny lakile


Andao hindramina ny lakile any aminy raha izany.:D

Asa hianareo raha efa nahita ny varavaran'i Jiosy? Misy marika daholo ny tranony.Tamin'ny andro nanafahana azy hiala tany Egypta.
Toy izany koa isika kristiana izay mino an'Atra avy amin'ny alalan'i kristy dia asiany fitombokase,soratany ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarantsika.

33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.

34 Fa izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.

35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tanany.

36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
Jaona 3:33-36
18. niryna ( 24/09/2007 01:47)
Toy ny fitombokase,ny marika eo amin'ny varavarana dia isika kristiana koa dia efa voavidin'ny ran'i J.K.ny otantsika,efa voasasan'ny rany ihany koa.

20 dia hoy izy: Ity no ran'ny fanekena izay nandridian'Andriamanitra anareo .

21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa.

22 Ary saiky diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalana; fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Heb 9:20-21

8 Ary nalain'i Mosesy ny ra ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany. Eks. 24. 8

19. niryna ( 24/09/2007 01:49)
Fiffi:

ohatran'le hira hoe :
oh mivoha....ny varavaran'lanitra aaaa..
eo hanatrehan'Tompo oooo.....

ie, io mihitsy izy io izay vao nolazain'i rasily teo io.:D

20. UB40 ( 24/09/2007 01:53)
8O8O8O AMEN 8O8O8O


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0624