Raha mivoha dia afaka miditra,raha mihidy tsy afaka intsony.
41. niryna
(
01/10/2007 04:20)
fijo:
raha hisy tokoa moa le varavarana.
Ilay izy misy ka fa tsy ny rehetra no ho tafiditra any.Indraindray anefa misy varavarana mihidy iray ary iny varavarana mihidy iny no hampihova ny fiainanao ka hisy varavarana vaovao hisokatra ho anao indray.Matoa ilay izy nidiny dia tsy tsara ho anao ilay izy.Na matoa ilay izy nidiny dia misy lalana tsaratsara miandry anao ao.Aminay kristiana na inona varavarana hidiny dia fantatray fa mahasoa anay iny ka na mihidy aza ilay izy satria tsy mahatsara anay dia hidiny ary omeny varavarana vaovao iray indray izahay.Tsy kivy izahay fa ao anatin'izany varavarana mihidy izany izahay no miantso azy(mety ho fahoriana, fahafatesan'ny havana,vady nandao,zanaka maditra sns,) toa tsy mety misokatra ny varavarana,toa miantso azy foana izahay fa tsy mamaly izy.Ny teny izy anefa dia tiany izahay hanatona azy be be kokoa ka hiantehitra azy hatrany na inona onjan'ity tany ity.Rehefa mahafantatra izany izahay fa tsy manana aleha intsony fa Izy no fara fanantenana dia misokatra ho azy ny varavarana vaovao ho anay.
Ity indray aho fa hitsimpona ra fijo,ary mifanaraka ny varavarana nataoko sujet fa tsy araka izay eritreretanao hoe tsimponina fotsiny :roll:
MATIO 7
7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.
8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana
Hianao koa fijo dia afaka mamoa ny varavaran'ny fonao ho an'i Kristy fa efa miandry anao foana izy.
42. ikaretsaka
(
02/10/2007 00:07)
Ilay izy misy ka fa tsy ny rehetra no ho tafiditra any.
fa izay tian'ilay mpamopha varavarana manana ilay lakle ihany ve?:wink:
43. niryna
(
02/10/2007 05:42)
ikaretsaka:
Ilay izy misy ka fa tsy ny rehetra no ho tafiditra any.
fa izay tian'ilay mpamopha varavarana manana ilay lakle ihany ve?:wink:
tsia ,izay manatona azy dia mivoha ny varavarana ka.
