Raha mivoha dia afaka miditra,raha mihidy tsy afaka intsony.
21. niryna
(
24/09/2007 02:13)
Fiffi:
[quote="niryna"]raha hidin'Atra kosa ny varavarana dia tsy misy afaka hamoha izany.
Mbola omeny chance izany isika ny hibebaka,hanatona azy,hametraka ny fiainantsika aminy dieny mbola velona fa rehefa tonga ny fotoana sanatria andehanantsika dia izay voasoratra dia voasoratra,tsy afaka ny hamela heloka olona intsony,ilay velona no mbola afaka mangataka famelana na mamela fa ilay maty dia izay no vita:mihidy ny varavarana.Hatreo ny zavatra rehetra vitany tety an-tany na tsara na ratsy.(io koa izany no hilazany ny varavarana mihidy):cry:
fiffi:
satria efa fantatra fa Izy Irery hiany no manana ny lakilé.....nefa Andriamanitra ve manidy varavarana an'olona mangetaheta ? :roll:
Eny,Mivoha ny varavarana ho an'izay mangetaheta ny teniny.
Indraindray tokoa anie mieritreritra ny hoe tsy hianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo.Raha ny sitrapontsika izany dia tsy te-hanatona azy isika,saingy efa fantany ny olona mangetaheta azy ary dia omeny rano ka tsy mety hangetaheta intsony.Ny tenin'Atra izany rano omeny antsika izany.
Rano izy satria tsy velona ny fiainantsika raha tsy misy rano,afaka tsy mihinan-kanina andro maromaro isika fa tsy afaka ny hivelona tsy misy rano.
Hoy kristy tamin'ny satana hoe tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny ihany koa.
Ny fanahintsika no mangetaheta ny tenin'Atra dia izay no mahatonga antsika hisotro ilay rano tsy mety ritra dieny mbola nomeny hery hanaraka azy.
Toy ny zavatra rehetra,kolokoloina,tondrahana hamoha be be kokoa,na inona izany na inona.Ataovy fanoharana ny fitiavana,ny fambolena voninkazo.Raha tsy tondrahana amin'ny rano sy havaina asiana zezika,omena masoandro dia tsy ho vanona fa mety mitsipozopozo ary mety ho faty mihitsy.Toy izany koa ny fitiavana,mila koloina,mila mifankahafantatra,mila mahalala ny tian'ny iray sy ny tsy tiany ka tsy atao mba hialana ny ady,miezaka ny mifandray sy mitady ny marimaritra hiraisana,sns.Mamy sy miredareda ilay izy ary dia Atra no atao eo afovoan'izany fitiavana izany mba hanampy antsika.Manokatra ny varavarana ho antsika Izy ary dia miditra tokoa isika ka tsy hisy na iray aza hanidy ny fitiavantsika Azy.Ny satana tsy afaka hanala ny fitiavantsika amin'Atra,eny fa na ny fahafatesana aza hoy ny teny dia tsy afaka ny anala antsika ny fitiavan'Atra antsika sy ny fitiavantsika aminy.Tsy tian'ny satana izany ka izany no indraindray omeny fitsapana antsika.
22. ikaretsaka
(
24/09/2007 02:37)
niryna:
namaly ilay nolazaiko hoe:
toa mbola mivoha ko. any @ Md Piera ny lakile
Andao hindramina ny lakile any aminy raha izany.:D
Tsy indramina fa vohainy i niryna raha te hiditra ka (matio 16:19)
Mibebaha ( miaike heloka dia mandehana mikonfesy)
@ andriamanitra tsy manome "indrakindrana izany"
:wink:
23. niryna
(
24/09/2007 15:20)
ikaretsaka:

Andriamanitra irery no manana ny fanalahidy,izy irery ihany no hanafaka na tsia.Ie,mibebaka aho,mangataka famelana ireo izay manana fankahalana na manohitra ny tenin'Atra foana.Fantatro aho fa miahaino ahy izy,mivoha midanadana ny lanitra ho ahy sy ireo izay te-hihaino ny tenin'Atra.Ahoana tokoa moa no andehanana any raha tsy tia ny teniny?
24. ikaretsaka
(
24/09/2007 16:20)
ko naninona no nomeny an'i piera.. raha io voalaza amin'ny baiboly io ry niryna?:roll:
tia ny teniny tokoa aho.. ary tenin'ilay Tompoko io! sady voasoratra8)

25. niryna
(
25/09/2007 04:52)
ika a>Ka iza aloha ilay varavarana e?
Moa tsy i kristy no tiany ho lazaina eto?
Tadidio anie ilay tondra-drano tamin'ny andron'i Noa e
Moa tsy efa nomena fotona nampitandremana ireo olona nanao ratsy,nivoha ny varavarana hidirany tao anaty sambo kanefa tsy nisy niditra ny olona.Tsy nisy orana talohan'izany fotoana izany ka dia tsy nino ny olona hoe ho avy ny tondra-drano.
Toy izany koa ireo izay tsy mety mino ny filazantsara.
Efa niteny Kristy fa "Izaho no fiainana sy fahamarinana ,izay manatona ahy dia tsy ho very fa hanana fiainana mandrakizay."
23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. Jao 5:23-24

26. niryna
(
25/09/2007 04:57)
Fiffi:
"niryna":satria efa fantatra fa Izy Irery hiany no manana ny lakilé.....nefa Andriamanitra ve manidy varavarana an'olona mangetaheta ? :roll:
raha hidin'Atra kosa ny varavarana dia tsy misy afaka hamoha izany.
Fiffi a> ity misy fanazavana mikasika ilay hoe mangetaheta ny olona.Nomeny fotoana izany isika ny hanatona an'i Kristy,rehefa tonga ny fotoana hiverenany dia izay mino Azy ihany no hiaraka aminy(hanana fiainana mandrakizay)Izay ilay endrika iray hoe mihidy ny varavarana(tsy mandray an'izay tsy mino an'i Kristy intsony Izy rehefa tonga ny fotona.Kristy eto no lazaina fa varavarana.
10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Mat 25:10
Mpampakatra eto dia i kristy
27. niryna
(
25/09/2007 05:09)
Ity fanoharana nataon'i Kristy ity no hilazany fa mivoha ny varavarana ho an'izay vonona handray Azy.
1 Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
2 Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;
4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.
5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.
6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indry ny mpampakatra! mivoaha mba hitsena azy.
7 Dia nitsangana ireo virijina rehetra ireo, ka samy namboatra ny fanalany.
8 Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.
10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.
12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro hianareo.
13 Koa amin'izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.[ Mat 25:1-13
Io izany no misy fanazavana hilazana ny varavarana dia i kristy,rehefa tonga ny fotoana fampakaram-bady dia i kristy izany.Ireo izay nanomana ny tenany hanatona azy ihany no alainy fa ireo izay variana kosa dia mihidy ny varavarana toy ireo vehivavy dimy adala(tsy nivonona ny andray an'i Kristy)ary dia nilaza izy fa tsy mahafantatra azy ireo.

28. niryna
(
25/09/2007 05:17)
14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany;
15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray-samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy?
17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18 Fa ilay nandray ny izay kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy: indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.
22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay nanahafanao;
25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany
28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
Ary ity talenta ity izay ohariny amin'ny fanjakan'ny lanitra ihany koa dia nomeny hery isika rehetra hijery izay talenta sy fahalalana mba hampitombo ny voninahiny,mba hamonjena ny namana izay te-hiditra ny varavarana dia i Kristy izany.Talenta dia entina ilazaina izay hery sy fahalalana manokana nomen'ny Tompo anao hiderana ny anarany(mihira,mitendry zava-maneno,mampianatra ny soratra masina,manome izay fohy hanasoavana ny fiangonana).Raha tsy mampiasa izany isika dia izay kely ananantsika indray no alainy amintsika.
Mazotoa daholo ary fa mbola mivoha midanadana ny varavarana ho an'izay mitady Azy.:D

29. ikaretsaka
(
25/09/2007 14:07)
raha hidin'Atra kosa ny varavarana dia tsy misy afaka hamoha izany.
ko ef ahoe tsy andriamanitra no tompon'ny lakile.. fa izy no tompon'ny varavarana sy ny trano
raha tsy vohain'ny gardien anao ianao dia azonao atao ny mamaky ny varavarana na ny mampiasa ny lakile anao manokana: raha ianao no tompon'ny trano
fa raha tsy anao ny trano ka manao izany ianao dia voasazy!
toy izany koa Atra
30. niryna
(
26/09/2007 06:31)

Ika a ,ary hianao izany anie toa manana lakle natao kopy angaha?
Kristy no manana ny laklen'ny fidirana mankany amin'ny famonjena,Tsy misy na iray aza afaka miditra raha tsy mankany aminy.
Izay no mahatonga ny varavarana mivoha ho antsika,afaka miditra daholo izay mino sy mifona aminy.
7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.
8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana Mat 7:7
Io no fanazavana fa izay rehetra manatona an'i Kristy dia hovaliany.Matoa izy tsy mamaly dia mety diso fangataka ilay olona na tsy any amin'ny no mangataka.
9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. I Jaona 1:9 Iza no mamela ny fahotantsika? Atra,Kristy. Izy izany no hitarainana sy angatahana famelan-keloka,mivoha ho antsika ny varavana,ary miandry antsika izy fa any amin'ny ny fanalahidy hamohany antsika.
9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Rom 8:9-10
Raha tsy mino an'i kristy ny olona dia tsy hisy Fanahy Masina hiaraka aminy mihitsy,izay no antony hanambarana azy ny fanatonany an'i Kristy izay varavarana mankany amin'ny famonjena.Mivoha ny varavarana ka mbola miandry ny rehetra izay tsy nandray an'i Kristy tao am-pony izy
31. Rasiligaoma
(
26/09/2007 11:31)
dia ahoana tokoa aloha ry niryna ilay ao amin'ny matio 16 momban'io?
niteny mazava kosa i Kristy e. marina ny an'i Ika fa i Piera kosa no mpiandry varavarana e! voalaza mazava fa:
17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. (Matio 16, 17-19)
I Jesoa Kristy no niteny an'io fa tsy i Paoly an!
Voavonjy ianao (mbola isalasalana) fa raha mihidy ny varavaran'ny lanitra .. dia haninona?

32. fijo
(
26/09/2007 20:19)
aiza moa io varavarana voalaza eto io????de iza marina no hanidy azy???
33. niryna
(
27/09/2007 17:09)
Rasiligaoma:
dia ahoana tokoa aloha ry niryna ilay ao amin'ny matio 16 momban'io?
niteny mazava kosa i Kristy e. marina ny an'i Ika fa i Piera kosa no mpiandry varavarana e! voalaza mazava fa:
17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. (Matio 16, 17-19)
I Jesoa Kristy no niteny an'io fa tsy i Paoly an!
Voavonjy ianao (mbola isalasalana) fa raha mihidy ny varavaran'ny lanitra .. dia haninona?
Misaotra anao,Petera izany nomen'i Kristy fahalalany hitory ny tenin'Atra sy ireo mpianany hitory fa velona i Kristy.Izay ilay fanalahidy nomeny an'i Petera.(ao amin'ny Asa 2:14-26)io fanalahidy io no nampiharin'i Kristy.Inona izany? Tonga ny fanahy masina ary nanome azy ireo hery hitoriteny sy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra.
Mbola nomeny antsika ihany koa io,ka
34. niryna
(
27/09/2007 17:17)
Rasiligaoma:
dia ahoana tokoa aloha ry niryna ilay ao amin'ny matio 16 momban'io?
niteny mazava kosa i Kristy e. marina ny an'i Ika fa i Piera kosa no mpiandry varavarana e! voalaza mazava fa:
17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona zanak'i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. 18 Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. (Matio 16, 17-19)
I Jesoa Kristy no niteny an'io fa tsy i Paoly an!
Voavonjy ianao (mbola isalasalana) fa raha mihidy ny varavaran'ny lanitra .. dia haninona?
Jesosy kristy no vato fehizoro,Petera no vatolampy nantsangan'i Kristy ho vavolombelona mafy orona amin'ny finoana an'i Kristy ary dia nomeny fahefana feno izy hanao izany.Ny kristiana koa dia mbola nomeny hery ho tonga zanak'Atra ka izay mino azy hanao ny asany ary mihoatra noho izany koa no ataony.(fitoriana ny tenin'Atra manerana izao tontolo izao ao anaty internet-web sy ny sisa)
35. ikaretsaka
(
27/09/2007 17:23)
Izay zany! dia aza manambanimbany an'i Petera izany sao tsy vohainy trano eo ka lasa very maina ny asa fitoriana
37. niryna
(
28/09/2007 06:27)
ikaretsaka:
Izay zany! dia aza manambanimbany an'i Petera izany sao tsy vohainy trano eo ka lasa very maina ny asa fitoriana
Angaha i Petera manana fanalahidy?Tsy Kristy irery no manana ny fanalahidy.Izy nilaza fa Son of living God i Jeso no nahatonga azy niteny hoe izay fehezinao ety an-tany dia fehezinao any an-danintra.
Vakio tsara ny baiboly,hay moa hianao tsy tia kou:oops:
Izy no nomen'i kristy fahefana hitoriteny voalohany,izay no hevin'io fa tsy afaka ny hamoa varavarana izy fa tsy manana fanalahidy.
Noho ny fanahy masina nanoro azy,dia nahazo tso-drano izy ary dia izy no nanorona ny fiangonana.
Peter=vato kely pebblee fa tsy ho mitovy an'i Kristy izy.
Peter izany no atao hoe tsangambato hanorenana ny fiangonana.Fa i kristy no vato fehizoro.
38. ikaretsaka
(
28/09/2007 19:48)
mamaky ihany aho ko
Peter=cephas=petros=rock=vatolampy! (asaivo mianatra Grika sy arameanina sy hebrio pasteranareo, na ianao mihitsy no mandehana)
samihafa ny vatokely sy vatolampy ry niryna..
asa raha i niryna no tsy mamaky tsara ka
Piera no 'foundation', i kristy no 'building'
Tsy haiko hoe inona ihany (na inona fotsiny) no nianaranao, ny manavaka izany avy aza tsy fantatrao

Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra. (matio 16,19)
Piera no 'foundation', i kristy no 'building'
Tsy haiko hoe inona ihany (na inona fotsiny) no nianaranao, ny manavaka izany avy aza tsy fantatrao
39. fijo
(
28/09/2007 20:50)
io le fomba fandikana io.na le fomba fahitana zavatra.atao izay ahitana zavatra mifanaraka amin'ny ao an tsaina
40. ikaretsaka
(
29/09/2007 19:28)
izay.. rehefa ilay zatra tsy mba mandinika fa de ze nafahana ihany de io no atao sisa ko!
lasa be doika tsy misy poorofo
lasa be doika tsy misy poorofo