azo ekena ho kristianina ve?

1. fijo ( 20/09/2007 21:59)
misy ny namana kritianina ato,izany hoe mino an'i jesoa ho mesia,nefa tsy manaiky an'i jesoa ho andriamanitra fa zanany.
aminareo kristiania,ekenareo ve fa kristianina ireo sa ahoana???
2. pissoa ( 20/09/2007 22:05)
kristianina silamo ngambany :-D:-D:-D
3. ikaretsaka ( 20/09/2007 22:06)
nisy fiteniko izay tato, izya voatery noferako ny fampiasana azy fa tsy tantin'ny sasany hono nefa marina:
Kristianintianim-poana!

ireo manao ilay hoe izay revireveny momba ilay kristianisma ihany no raidraisinny sy tsimpotsimponiny, fa izya mety handratra na tsy azoazony na hanahirana dia na lavina na modiana fanina
4. tsaramaso ( 20/09/2007 22:29)
fijo:
misy ny namana kritianina ato,izany hoe mino an'i jesoa ho mesia,nefa tsy manaiky an'i jesoa ho andriamanitra fa zanany.
kôzy ve ?!! tena tsy ekeny marina tokoa mihitsy ??!!! tssssssss

ikaretsaka:

Kristianintianim-poana!

ireo manao ilay hoe izay revireveny momba ilay kristianisma ihany no raidraisinny sy tsimpotsimponiny, fa izya mety handratra na tsy azoazony na hanahirana dia na lavina na modiana fanina

ikaretsaka ohatra ??!!!!!
5. hery ( 20/09/2007 22:33)
Tsy katolika izany :^)
6. ikaretsaka ( 20/09/2007 22:40)
hery..haha

tsaramaso> za ve miteny hoe "ireo" dia izaho tafiditra ao anatiny? gaga ihany aho
samihafa kosa angamba ny dikan'ny hoe "ireo" sy ny "izahay" (na ny @ ilay teny fotsiny aza) fa tsy hitan'ny masonao o?

na hitan'ny "maso tsara" ihany fa ilay "toe-tsaina" tsy de ao tsara dia nandingana fotsiny fa faly hitsefotra fa tsy nandinika
7. tsaramaso ( 20/09/2007 22:42)
ikaretsaka zany tsy ohatra ??!!!
8. ikaretsaka ( 20/09/2007 22:48)
I tsaramaso ohatra...:wink:
9. tsaramaso ( 20/09/2007 22:53)
tsaramaso:

ikaretsaka zany tsy ohatra ??!!!



10. hery ( 20/09/2007 22:54)
Tsy haratsiana akory ny nahatonga ahy niteny hoe "Tsy katolika izany"... fa tahaka ny lazaiko hatrany hatrany hoe tsy fantatro izay finoan'ny hafa.

Ny ahy no fantatro. Ary ny finoan'ny Fiangonako dia miteny hoe Jesoa dia Andriamanitra Zanaka.
11. salmo1 ( 20/09/2007 23:19)
fijo:
misy ny namana kritianina ato


(Ilay namana kristianina no tiako resahina kely.)

Ny olona iray milaza fa Kristianina, mande mivavaka isan'andro mba ho hitany olona sasany, na tia ho derainy sasany... dia mino aho fa tsy havonjy azy izany na dia milaza fa Kristianina aza izy.

Ny sasany kosa tsy ti ho deraina oe Kristianina, fa dia miafina amin'ny tsara hataony. Mino any Jesosy Kristy ao ampony rehetra sady matahoatra an'Andriamanitra no manatanteraka ny didiny.

Izany oe: ny maha Kristianina, protesta, katolika sns... dia tsy havonjy anao. Fa ny tena mahavonjy anao dia ny fifandraisanao tsara sy marina t@ Jesosy Kristy.

12. patrick2002 ( 20/09/2007 23:28)
Fijo: Tena ampiadian'ialahy lesy zahay le ,tena dada nareo athé ireto kah :-D:-D:-D
Ao aza fa hitarogna ao :D
Ny kristianina dia izay rehetra manaiky ny fampianarana nataon'i kristy izay voalaza ao @ testameta vaovao ,mazava iny hatreo ,noho ny fanadihadihana , sy ny fahalalana izay nataon'ny olombelona anefa dia mizara ny hevitra .
ny sasany miteny fa zanak'Andriamanitra dia Andriamanitra izay no fampianarana azony ,ny sasany miteny fa zanak'andriamanitra dia tsy Andriamanitra , satria tokana i Andriamanitra ,ka iza indray no nipetrahany kristy teo akaikiny raha niakatra tany andanitra izy ary nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra izay no fampianarana azoko.:D:D:D
Ka raha izaho no anontanianao dia tsy anjarako no hitsara fa Andriamanitra irery ihany no tompony fitsarana fa izy no mahalala ny marina ^:^^:^
13. cutie ( 21/09/2007 02:57)
Izany oe: ny maha Kristianina, protesta, katolika sns... dia tsy havonjy anao. Fa ny tena mahavonjy anao dia ny fifandraisanao tsara sy marina t@ Jesosy Kristy.

=D=D=D=D

fijo
fantatro alou we in no atao kristiana:lol:
14. ikaretsaka ( 21/09/2007 03:17)
zany oe: ny maha Kristianina, protesta, katolika sns... dia tsy havonjy anao. Fa ny tena mahavonjy anao dia ny fifandraisanao tsara sy marina t@ Jesosy Kristy.

misy mahamarina azy..misy mahadiso azy
tokony mba fantatra kosa hoe aiza ny voninkazo, aiza izy no naniry, ahoana ny fomba fikarakarana azy. fa tsy vitan'ny hoe voninkazo io de voninkazo de manitra de malazo de ariana
toy izany koa ny finoana mba fantarina hoe avy aiza sy aiza sy ahoana @ fomba ahoana, fa tsy hoe azo ny voninkazo (jesosy) dia screw the rest!
15. cutie ( 21/09/2007 03:24)
Efa lazaina i Ika fa tsy misy idiran'ny anaram-piangonana ny maha kristiana an'le oul :lol:
16. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:14)
misy mahamarina an'i ika kosa e..
tokony jerena sy dinihina ny finoana momba an'i kristy, sy hoer ahoana ny fanolokokoana ilay finoana io, dia ny fiangonana no manampy anao amin'izay fandinihina sy fanolokoloina izay.
Izaho koa ry cutie dia mitovy amin'ny Ika amin'io ka: tsy hoe io ny rano dia afaka hetaheta aho dia izay fotsiny, fa jereko hoe taiza ity rano dia avy aiza dia notovoizina taiza, dia ahoana ny fomba mety hataoko mba hazoako rano ohatran'izay.
fa tsy hoe rano io dia sotroiko amin'izao! sao ranon-javatra hafa eo ka any an-tenda vao tsaroana ko!
17. cutie ( 21/09/2007 05:20)
toy izany koa ny finoana mba fantarina hoe avy aiza sy aiza sy ahoana @ fomba ahoana, fa tsy hoe azo ny voninkazo (jesosy) dia screw the rest!

tsy tonga zany de tonga ho azy eo le finoana a :-D
18. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:26)
ko raha tsy magie izy ity r'ianona ko!
Ny hoe "mino" aza tsy tonga ho azy tao aminao raha tsy nisy olona nitondra ko!
19. cutie ( 21/09/2007 05:29)
iza no mpanelanelana?
tsy mino ny miracle nga i rasily:-D
20. cutie ( 21/09/2007 05:34)
Ny hoe "mino" aza tsy tonga ho azy tao aminao raha tsy nisy olona nitondra ko!

olona iza?
ny mpitory ve sa mompera?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4572