azo ekena ho kristianina ve?

21. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:36)
rehefa olona r'ianona fa ianona ko!
22. cutie ( 21/09/2007 05:36)
avy ndray za sy ny fanontaniako alou fa bear with me rasily a :lol:
de raha lazaina fa oul no nitondra an'le finoana, ahoana no ahalalanao fa tena finoana marina no nentiny :roll:
23. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:43)
ny remise en question an'ny tenanao isaky ny mihetsika, rehefa misy olona mitondra finoana vaovao ho anao indray.
Alohan'ny hitsaratsarana be fotsiny tsy manadihady akory
24. cutie ( 21/09/2007 05:46)
. Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 21-09-2007 07:36:04
Lohateny : Re : azo ekena ho kristianina ve?
rehefa olona r'ianona fa ianona ko!

n'iza n'iza ve e:lol:
25. Rasiligaoma ( 21/09/2007 05:50)
ie ko! na solafa na patron na gardien na pasitera na mompera na mpamafa tokontanim-piangonana!

F'angaha voatery ilay olona manao akanjo fotsifotsy iny ihany no mitondra finoana ao aminao!
26. cutie ( 21/09/2007 05:53)
F'angaha voatery ilay olona manao akanjo fotsifotsy iny ihany no mitondra finoana ao aminao!

reny hono no ray aman-dreny aram-panahy koa:lol:
27. inhbrab ( 21/09/2007 06:03)
fijo:

misy ny namana kritianina ato,izany hoe mino an'i jesoa ho mesia,nefa tsy manaiky an'i jesoa ho andriamanitra fa zanany.
aminareo kristiania,ekenareo ve fa kristianina ireo sa ahoana???

matoa izy tsy mino an'i Jesosy ho Andriamanitra dia tsy hitany ny voasoratra ao amin'ny baiboly na tsy azony ny voasoratra ao amin'ny baiboly na hafa mihitsy ny lazainy fa baiboly!!!
Ny atao hoe Kristianina dia mpanaradia an'i Kristy, i Kristy anefa no milaza mivantana fa "Izaho sy ny Ray dia iray ihany...". Ka raha tsy inoany ny lazain'i Kristy, tsy tena kristianina tanteraka zany izy!!!

28. Rasiligaoma ( 21/09/2007 06:04)
ben! ny ahy aloha i dadanay sy ny solafanay sy ny mpitaiza ahy no nampianatra ahy ny momba izany jesosy jesosy izany vao ny sekoly alahady sy ry masera e!

dia ilay gardien-nay komorianina izay no nanoro ahy izany allah allah izany!

Dia ilay bandy mpanamoly be tao amin'ny elakelatrano mankany aminay izay no nanoro ahy izany Jah Jah izany.

Dia nony nanao SN sy Zandarma dia ireny dahalo tratra ireny no nanoro ahy izany ody gasy izany!

Dia nandeha indray ny TTS sy ny Kongofo: dia ilay bandy mpanao Kongofo izay no nanoro ahy hoe misy pouvoir pouvoir izany rehefa manao meditation! ny vidaka film dakadaka koa nanome courage

Dia nanao remise en question aho: dia hitako tao ilay hiran'ny Tarika ny ainga hoe "hafa ihany ilay voalohany"

fa izany tsy mahasakana ahy hanao remise en question foana foana foana rehefa misy zava-baovao hitako a
29. cutie ( 21/09/2007 06:07)
Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 21-09-2007 08:04:16

mahafinaritra e :lol:
misaotra nizara:lol:
30. xxx ( 21/09/2007 07:00)
fijo:

misy ny namana kritianina ato,izany hoe mino an'i jesoa ho mesia,nefa tsy manaiky an'i jesoa ho andriamanitra fa zanany.
aminareo kristiania,ekenareo ve fa kristianina ireo sa ahoana???

Conviction personnelle ny hoe kristiana na tsia , tsy anjaran'ny ety ivelany no mitsara na kristiana ny olona iray na tsia, izy tenany ihany no mahatsapa sy manaiky fa kristiana na tsia
31. Mandefitra ( 21/09/2007 07:10)
ty ny tenin'Andriamanitra manamarina fa tena Andriamanitra Jesosy:
Jaona 14:
8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko;
32. Mandefitra ( 21/09/2007 07:31)
Ty ko teny mampitovy lanja tanteraka an"Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Zanany:
Apokalypsy 5:13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny dia reko samy nanao hoe: Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
33. Kwasi ( 21/09/2007 13:38)
fijo:
misy ny namana kritianina ato,izany hoe mino an'i jesoa ho mesia,nefa tsy manaiky an'i jesoa ho andriamanitra fa zanany.
aminareo kristiania,ekenareo ve fa kristianina ireo sa ahoana???

Rehefa manaraka ny fampianaran'i Kristy izy dia kristianina amiko.

Mety hoe tsy manaraka ny trinite izy.
Na mety ny tiany hotenenina dia hoe Jehovah tsy egal Jesosy.

Fa izany hoe efa lasa ady hevitry ny moana sy ny marenina moa ity resaka fivavahana ity, ka raha vao misy malentendu, na teny tsy mifankahazo fotsiny dia lasa impasse ny resaka.
34. ikaretsaka ( 21/09/2007 16:10)
ny silamo izany kristianina fa misy fampianaran'i kristy arahiny, raha azoko tsara ny lazain'i kwasi!

nyhotako fa mahafaritra azy manko dia ilay hoe "..Fa i Jesoa dia Tompo, efa niditra ny voninahitr"andriamanitra 1, sy le nanao azy hoe "Tompoko sy Andriamanitro"
35. fijo ( 21/09/2007 19:44)
patrick an,tsy mampiady aho letsy,fa mahatsapa fivoarana eo amin'ny le fandraisana ny hoe kristianina.raha za aloha no kristianian dia tsy nanaiky koa aho hoe izy no andriamanitra.satria hoy le vavaka "...niakatra any an danitra,ary nipetraka eo ankavana'andriamanitra iray tsy toha....."raha olona mipetraka "eo akavanana" ve,efa voatendry tsara hoe eo ankvanana fa tsy ampofoina na hoe ao aminy.de mbola hoe izy ihany??????sa mila dinika le izy???
raha hoe ny kristianina dia izay manaiky ny baiboly sy manaraka an'i jesoa,dia miala tsiny aminareo mpino aho,fa sady mnaraka izay voalzan'i baiboly io,no mino an'i jesoa.
36. fijo ( 21/09/2007 19:49)
tsy mapiady letsy ry patrick fa mahatsapa fivoaran'ny toetsaina fandraiaa le kristianina an,
hoy le vavaka mantsy."...niakatra hoany an danitra,ary nipetraka teo ankavanan'ndriamanitra iray tsy toha..."efa voafaritra izany fa tsy tao aminy izy fa teo ankavanany,noho izany tsy azo ekena ho olona iray ny eo amin'ny teboka X sy ny eo ankavanany.
37. fijo ( 21/09/2007 19:51)
manaraka ny baiboly io,satria ny baiboy milaza fa "nipetraka teo ankavana'nadriaanitra lery"noho izany tsy iray ry zareo.
ary manaraka an'i esoa ireo satria mino zy fa jesoa no kristy
38. naughtyboy ( 21/09/2007 19:53)
tsy manapaka resaka ah ry zalah,fa tohanako tsara ny koziny salmo fantany ny inoany..tsisy anzany oe sady ekena no tsy ekena,1 no tanjona resahiny tsisy valiny 2,fifandraisanao mazava @ le Inoanao :wink:tsisy diso maitsy
39. fijo ( 21/09/2007 20:08)
ka eto resaka fandikana ilay voalaza anie no tsy hitovozanareo e
40. naughtyboy ( 21/09/2007 20:24)
ka izay lay inoany tsy voatery itovizany @ hafa mintsy ,azy sy ilay inoany manokana iny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3336