Tsara ny lohan'Andevo

21. mbaliana ( 21/09/2007 08:18)
Mbola misy mampiasa an'izany andevo zany anga any Dago????

hery> tena tsy takatry ny saiko ny tianao lazaina fa mba azavao kely azafady raha tsy mahadiso......

Herimiafina sy cutie > araky ny fahazoako ny tantara dia ny firenena manontolo ve no lasa andevon'le firenena mpananjanaka? fa toa tsy misy an'izany intsony zao koa.. lasa departement le izy.. sa haona moa?
22. meva2 ( 21/09/2007 08:52)

Misy ny olona TSARA TOETRA
Misy ny olona RATSY TOETRA.

Izay no karazan\'olombelona @ fahitako azy. Izany akory tsy midika fa fanaperana ireo tsara toetra, fa kosa mitandro hatrany hanao ny mahasoa azy sy ny manodidina azy.

Avy eo ny sokajy, saranga, fihaviana, loko sns...tsy safidy fa nomena.

23. Jeankely ( 21/09/2007 09:15)
Rehefa tezitra lazaina ny marina ve lohan'Andevo sa ahoana?
24. vahiny2004 ( 21/09/2007 11:57)
Herimiafina:

Mitovy ve ny atao hoe andevo sy colonisé azafady? :roll:



andevo=esclave
colonisé=voazanaka

dikanteny madio ireo (sens propre) ka asa raha esclave=colonisé :?:
25. tsaramaso ( 21/09/2007 12:36)
na mitovy hevitra zany na tsy mitovy tsy manova ny zava-nisy e !!!!!!
26. Jeankely ( 21/09/2007 13:34)
Ataovy loha-Tsaramaso terena dia mipoaka=))=))=))
27. xxx ( 21/09/2007 14:44)
LazaDaddy:
Tsy marina izany satria raha nosokafana ny sekoly teto Madagasikara dia ny zanak'Andevo no nalefa nianatra fa tsy ny zanak'Andriana.
t@ andron'i Radama dia efa nisy ny sekoly an. T@ zany mbola tsy nande nianatra ny andevo.
Na t@ andron'ny fanjanahan-tany aza, mbola betsaka kokoa ny zanak'andriana nahita fianarana noho ny hoe ny zanak'andevo... Ry Ratsimamanga sy ry Ramahatra mianakavy ireny zao ohatra ary jerijereo ny manodidina anareo any fa ny ankamaroan'ny zanak'andriana saika lasa alavitra doly @ fianarana...
Tsy izany loatra no tiako hahatongavana anefa fa ilay resaka culture teneniko teo. Jereo tsara fa raha "cultive" na hoe samy intello ny RAD dia betsaka mintsy ny chance ho toy izay ny zanany... Izay no tsy ampy teo @ communaute andevo, t@ zany andro izany.

Marina koa aloha fa t@ nanomboka repoblika i Madagasikara dia niezaka ny nanitsy an'zany hoe saranga izany ary betsaka mintsy ny zanak'andevo (taloha) nianatra. Fa mbola marina ve ilay hoe:
LazaDaddy:
- Mahay manaja ny lehibe
- Miasa tsy mikilavaka
- Tsy mila tambin-karama fa mahay mionona @ izay misy
- Mahay manetry tena, tsy manambanimbany olona
- Velona amin'ny hatsembohany

manao an'zany daholo ve ny zanak'andevo rehetra @ zao fotoana izao?

ary manao an'ilay hoe
LazaDaddy:
- Manambanimbany olona (andevo) ho toy ny biby
- Be rehareha
- Mihatsaravelatsihy
- Mitsetsitra ny hatsembohan'ny andevony

daholo ve ny zanak'andriana rehetra?

tsara le hevitra tiana hambara fa diso contexte wa ilay resaka andriana/andevo ;-)

28. Herimiafina ( 21/09/2007 16:22)
Amiko ny andevo misy foana, ary tsy niova izany, fa ny mpanandevo no miovaova, ao ny vola, ao ny voninahitra, sns. :-D
29. ikaretsaka ( 21/09/2007 17:04)
herimiafina =D

tsy haiko na lohan'inona na lohan'inona ireto:
-rehefa eo i pata dia miasa fa rehefa tsy eo pata dia foara be ao am-piasana!

- ilay fisainana hoe "voatery fa tsy terena" dia lasa tsy amim-pitiavana no anaovana ilay asa fa hoe satria tsy maintsy atao

-ilay mandroso ilay arguments foana hoe "aiza ny momba anay madinika" , de lasa voafetra amin'io foana ny sainy fa tsy mba nandinika any amin'ilay hoe "matoa izahay atao an'izao na esorina eto dia mba misy antony hafa fa tsy izay foana"

fa marina ny an'i hery hoe lasa labvitra mihitsy ny fiheveranareo ny zavatra tsara sy ratsy
30. boubounezy ( 21/09/2007 17:25)
efa nilozantsika ny fanavdevozana vatana fa ny fanandévoana saina ty zao no tena malaza!!! zany wé mety maika nidina ambany b zany tsika ra zao resaka zao no jereko. efa samy andevo (colonisés)dôly fa tokony saina mba atao mampa andrina atsika réoull é!@zay ny andevo yokony ho andriana sy ny andriana tokony ho andévo lasa andriana dôly zany é!:-D:-D
31. naughtyboy ( 21/09/2007 20:21)
=D=Dekeko ny ampahany @ koziny boubounezy,fanjanahana aratsaina daoly ny maha andevo sy andrina fa ny misaina ametraka ny tenany @ reo sokajy ero de safidy:b
32. Jeankely ( 22/09/2007 02:34)
Ho an'ilay manao xxx milaza hoe tamin'ny andron'i Radama dia efa nisy fianarana dia ahitsiko hoe TAMIN'I RADAMA VAO NISY SOMBIM-PIANARANA. Jereo ny taona nisian'ny Université amin'ny tany ivelany. Rehefa niresaka tao amin'ny RNM i Dr RATSIMAMANGA dia nilaza fa nampahoriana ny taranak'andriana nalaina ny fananany ary betsaka no lasa nahatra. Misy ireo lasa alavitra notanosainao ireo ary misy ny vizanabe araka ny voalazan'i Dr RATSIMAMANGA. Ny communauté andevo izany tsy misy angamba ao Madagasikara ao na tsy azoko ny tiana ambara. Ny fikambananan'ny taranak'Andriana misy fa tsy misy fikambanan'ny taranak'Andevo raha araka ny fantatro nefa tsy haiko izay miseho any amin'izao. Mifandray amin'io resak'i Dr RATSIMAMANGA io na ny resaka PADESM aza araka ny firesakin'ny zanak'andriana. AMIN'IZAO FOTOANA IZAO NY POLITIKA TSY MANDEHA AMIN'NY TOKONY HO LALANY NO MANANDEVO NY VAHOAKA REHETRA. Ny mpanana mitaraina fa voasakantsakana ny zavatra ataony ary misy ny mahazo avara-patana ka manimba ny fidiram-bolany. Ny mahantra moa tsy resahina fa na karaman'ny olona anjera tetezana aza dia manao nefa miverina aminy ihany avy eo.
33. xxx ( 22/09/2007 09:52)
Jeankely:
Ho an'ilay manao xxx milaza hoe tamin'ny andron'i Radama dia efa nisy fianarana dia ahitsiko hoe TAMIN'I RADAMA VAO NISY SOMBIM-PIANARANA.
Marina fa mba jereo kely aloha ny zavatra novaliako t@ io e :)

Jeankely:
Rehefa niresaka tao amin'ny RNM i Dr RATSIMAMANGA dia nilaza fa nampahoriana ny taranak'andriana nalaina ny fananany ary betsaka no lasa nahatra. Misy ireo lasa alavitra notanosainao ireo ary misy ny vizanabe araka ny voalazan'i Dr RATSIMAMANGA.
Mety marina ihany koa fa, averiko indray, ny antony nisian'ilay hoe "lohan'andevo" no tena resahiko eto. Ary aza adino ilay noteneniko hoe:
za:
Tsy izany loatra no tiako hahatongavana anefa fa ilay resaka culture teneniko teo. Jereo tsara fa raha "cultive" na hoe samy intello ny RAD dia betsaka mintsy ny chance ho toy izay ny zanany... Izay no tsy ampy teo @ communaute andevo, t@ zany andro izany.
;-)
Jeankely:
Ny communauté andevo izany tsy misy angamba ao Madagasikara ao na tsy azoko ny tiana ambara. Ny fikambananan'ny taranak'Andriana misy fa tsy misy fikambanan'ny taranak'Andevo raha araka ny fantatro nefa tsy haiko izay miseho any amin'izao. Mifandray amin'io resak'i Dr RATSIMAMANGA io na ny resaka PADESM aza araka ny firesakin'ny zanak'andriana. AMIN'IZAO FOTOANA IZAO NY POLITIKA TSY MANDEHA AMIN'NY TOKONY HO LALANY NO MANANDEVO NY VAHOAKA REHETRA. Ny mpanana mitaraina fa voasakantsakana ny zavatra ataony ary misy ny mahazo avara-patana ka manimba ny fidiram-bolany. Ny mahantra moa tsy resahina fa na karaman'ny olona anjera tetezana aza dia manao nefa miverina aminy ihany avy eo.
HS :°) diso fanatika loatra @ resaka politika ela :);-):-P


ps:
* tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny, tsy haiko na oviana i Ratsimamanga no henon'la t@ RNM fa t@ za mbola tsy teraka akory dia efa Professeur izy, ie Pr. Ratsimamanga, nuance!! ;-):b:b
* ary tena ankafizin'la mintsy itony resaka andrian/andevo itony an :roll: sao dia mba te hanao an'ilay voalazan'i LazaDaddy faharoa io aza ela ity :-w:°):lol::@
* miala tsiny raha toa ka tsy mety ilay manao elah.
34. naughtyboy ( 22/09/2007 12:29)
:-$nuance toko..:-D
xxx misy idirany politika ihany io rafimpitondrana arapiarahamonina(infrastrucure socio-politique)
t@ androny reo mpanjaka masimandidy sy manapaka
tsy saranga fotsiny fa rafitra sosialy nifehy ny fanjakana,fa lasa fiteny taty aorina nony tonga ny fanjanahatany
35. Herimiafina ( 22/09/2007 17:04)
Vakio tsara daholo aloha ny cours HISTOIRE DES INSTITUTIONS dia hazava aminareo io resaka io.

Fa raha averiko amin'ilay hoe lohan'Andevo dia ity misy teny vahiny iray mifandray aminy ary heno matetika raha any ameriak avaratra any ianareo: F** Thirld world Mind, Hafoheziny hoe FTWM. :-D
36. naughtyboy ( 22/09/2007 19:14)
herimiafina,fa inona alou le contexte le third world mind any amerika avaratra zany,ara toekarena v sa fiarahamonina sa sokajin'oul aetry tsotra zao .azavao kely oe fa tsy azoko tsara ny efa enoko de third world citizen(Oh mponina sasany ao afrika,reo firenena hafa ao azia na ao atsinanany eropa)
ny andevo sy andriana mbo fantatro tany dago ary nisy ko ny hova sns..
fomba fihevitry sasany moa refa zv ratsiratsy rehetra de lazaina fa andevo daoly no nahatonga an'iny fa ny tsara de andrina na andriandrianina,zay niova taorinany fanjanahantany de vazah ndray no lasa andriana ,ka ny andevo(reo antsoina oe working force) zany ra tena zohina araky ny vanimpotoana de reo voazioga aratsaina sy arapiarahamonina,ary ny andriana tsy miova reo tompony fahefana sy harena
37. Herimiafina ( 22/09/2007 19:35)
naughtyboy:

herimiafina,fa inona alou le contexte le third world mind any amerika avaratra zany,ara toekarena v sa fiarahamonina sa sokajin'oul aetry tsotra zao .


Ny ahy io remarka fotsiny kah! Resaka racisme amin'ny fihanaky ny immigrants sy ny invaders mexikana izy io dia rehefa misy zavatra tsy manjary na tsy mety dia atsipy amin'ny mpiavy foana.

Ohatra, rehefa gang dia tsy maintsy mainty na latino foana, dia toa izany koa rehefa tsy falifaly ry leirony noho ny ataon'ny sasany tonga dia FTWM hono e!

http://www.nsm88.org/index2.html

Siora daholo ry akama n! :^):@
38. xxx ( 22/09/2007 22:15)
naughtyboy:
fomba fihevitry sasany moa refa zv ratsiratsy rehetra de lazaina fa andevo daoly no nahatonga an'iny fa ny tsara de andrina na andriandrianina,
otran'ny tsara ihany ilay lohan'Andriana raha izany an :roll:

naughtyboy:
zay niova taorinany fanjanahantany de vazah ndray no lasa andriana ,ka ny andevo(reo antsoina oe working force) zany ra tena zohina araky ny vanimpotoana de reo voazioga aratsaina sy arapiarahamonina,ary ny andriana tsy miova reo tompony fahefana sy harena
ka ilay izy ange eo @ fiaraha-monina tsy maintsy misy an'ilay hoe mpitondra sy entina foana e. Ary misy an'ilay hoe dominant/domine foana e. Na dia manana tendance hi-abuser aza ny manam-pahefana/mpitondra, na hanao tsindrio fa lavo aza ny dominant, indraindray ihany koa ilay entina/domine no no manao toetra bontolo tsy vonona ny hifampitondra mintsy fa manao toton'ombybory fotsiny. Misy ny bedoika, tsy vonona ny hitady marimaritra iraisana ary misy aza ny ratsy saina tsotra izao... Eo ihany koa anefa ireo tsy manan-tsiny ary tsy afa-manoatra.
Ka eo no ilazana hoe, tsy tokony ho lohan'andriana/andevo no hijerena ny fitondra-tena mahomby eo @ fiaraha-monina. Plutot hoe, ahoana ny hampitovy zo/saranga ny tsirairay maha moramora kokoa ny fampirindrana...

HM:
rehefa misy zavatra tsy manjary na tsy mety dia atsipy amin'ny mpiavy foana.
ka rehefa taigna schamy taigna ilay izy dia namandry "dumbass" sy ry "jackass" indray ka :)
39. soanja ( 23/09/2007 03:55)
LazaDaddy:

Raha dinihina @ fo tsy miangatra ny toetran'Andevo sy ny toetran'Andriana:

Tsara ny lohan'Andevo satria:
- Mahay manaja ny lehibe
- Miasa tsy mikilavaka
- Tsy mila tambin-karama fa mahay mionona @ izay misy
- Mahay manetry tena, tsy manambanimbany olona
- Velona amin'ny hatsembohany

Tsara lavitra ny antsoin'ny olona hoe manao "lohan'Andevo" toy izay "lohan'Andriana":
- Manambanimbany olona (andevo) ho toy ny biby
- Be rehareha
- Mihatsaravelatsihy
- Mitsetsitra ny hatsembohan'ny andevony


Raha vao manonona ireo teny hoe "lohan'ny"
sns ireo de tsy ahita fo tsy miangatra mihitsy. Satria miangatra raha vao manonona an'ireo.

Raha ny hevitro izay tsy voatery ho marina akory de hoe ireto no fo takian'Andriamanitra amintsika de mazava ny zava-drehetra.
Fa maninona no asarotintsika ny fitoriana ny fitiavan'Andriamanitra e?



40. Jeankely ( 23/09/2007 04:57)
Ho an'i xxx dia marina fa diso ny fanoratro Prof. fa tsy Dr. Fa ilay hoe ankafiziko ny resaka Andriana sy Andevo dia diso tanteraka satria tsy izao no manoratra sy mamaly be indrindra ato amin'ity loha-hevitra ity ary raha mijery tsara i xxx dia any amin'ny loha-hevitra sy dinika hafa aho no mamokovoko araka ny filazan'ny mpandray anjara sasany. Tsy haiko loatra ny tianao lazaina amin'ny izany resak'i LazaDaddy izany. Izaho dia tsy taranak'Andriana ary tsy misy tokony hisehovako ho izany satria voaporofon'i Dadabe sy Nenibe izany ka tsisy hifanafenana. Ilay hoe elakosa dia tsy fantatrao na lahy na vavy aho nefa anjaranao raha hanao ela vavy.
Ny resaka Andriana, Hova, Andevo sy ny boky niparitaka dia tantaran'ny fanjakana Andriana i Merina fa tsy tantaran'i Madagasikara iray manontolo. Aza adino fa mbola misy ny Ampanjaka ary TSY NISY NA TSY TANTERAKA AKORY IZANY RANOMASINA NO VALAM-PARIHIKO IZANY. Aza gaga fa samy nijanona ho vinanvina sahala izany na ny hoe MAdagasikara tsy mandohalika, na fahavitan-tena ara-tsakafo, na ny tohizo rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1759