Nisy olon-kafa ankoatra Azy ve?Omeo porofo raha misy

1. niryna ( 15/09/2007 03:59)
Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izyJaona 14:30

Iza ilay andriaman'izao tontolo izao io ?

Tsy manana na inona na inona ato amiko izy hoy Jesosy.:roll:,ahoana izany?

Na inona finoan'ny olona dia [u]samy mino sy manaiky daholo fa mpaminany Kristy[/u,sady messiah (Jao 4:25)?
.Ny dikany mazava tsara fa nisy Izy, maty teo ambonin'ny hazo fijaliana Izy nisolo ny fahotan'izao tontolo izao.

Efa naheno ve ianao hoe misy olona maty teo amin'ny hazofijaliana hisolo ny fahotan'ny olona na iray aza, na dia ny fireneny na ny olona izay manana finoany hafa?

Tsy misy na iray aza hoy izy mankany amin'ny ray raha tsy avy aminy.

Ary efa nanazava tsara Izy fa ho avy ny andrianan'izao tontolo izao dia ahoana, nandiso izany ny baiboly ?

Anjarantsika tsirairay no miambina ny finoany an'i Kristy.Efa nanambara koa izy fa ho avy ny mpaminany sandoka,ho avy ny ambodia hitafy hodi-janak'ondry.
Aza kivy,miambena,mivavaha.

He is real,we have peace with God,we have security in Jesus Christ,we have peace for eternal life,happiness because we have Christ a Savior

Atra velona izy,manana fiadanana isika miaraka aminy,tsy mahatohotra ny ho very isika fa miaina tsara satria mahafantatra fa izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay,manana fifaliana fa manana Azy ho Mpanavotra.Mamaly vavaka izy ary tsy mbola nivadika.Nahita experience tamin'izany ianao dia tazony ary kolokoloiny ny finoanao Azy fa tsy ho maty antoka akory hianao satria manana hianteherana,hiangotiana rehefa misy tadiavina,hiantsampazana rehefa tsy misy intsony ny fanantenana,manasitrana ny fery rehetra,ny ratra ao anaty rehetra,ny fahoriana rehetra,manana fanantenana.

Raha misy miteny hoe efa antitra ny baiboly ,ny masoandro koa efa ela no nanazava ny diantsika,maninona no tsy may isika,maninona no tsy mianjera izy.Toy izany koa ny olona izay manankina ny fiaianany amin'ATra tsy ho kivy fa manana an'ilay Ray nandefa mpanavotra antsika dia ny Zanany izany.Aza misaraka amin'ny teniny fa io no ampinga miharo antsika.Izy irery ihany no maty dia nitsanga indray ,tsy misy na iray aza ,eny Izy irery ihany.Nahita ve ianao???????

We (l)(l) you JESUS ^:^^:^

novalian'i tywa68 ny 26/09/2007 15:35
2. Rasiligaoma ( 15/09/2007 04:21)
Efa naheno ve ianao hoe misy olona maty teo amin'ny hazofijaliana hisolo ny fahotan'ny olona na iray aza, na dia ny fireneny na ny olona izay manana finoany hafa?

efa naheno guru-na secte neo chretien iray izay aho, nanao an'io hoe fantsihina amin'ny lakroa mba ho fanavotana izao tontolo izao io mihitsy ny foto-keviny..
fa ny naha samihafa azy sy i Jesosy dia nedala maty fa tsy nitsangana hatramin'izao

Sarotra be ilay izy ry niryna raha vao referena amin'ny baiboly a! ilay olona lazainao aza anie ka tsy mino akory izay ao anaty baiboly koa amin'ny fomba ahoana no hanaovanao referansy? (ny azy boky hafa no inoany)
Raha anaovany referansy any amin'ny Coran ianao na Torah, na boky misy fotok'hevitra joutse, tsy ho sarotra aminao koa ve ny hanaiky izany, dia samy hiady eo ianareo fa ianao milaza fa ny bokinao, izy milaza fa ny bokiny , no marina!

Andramo anie fa sady mahasorena no mahatezitra no mampalahelo no mampihomehy e..
ny atsy mandahatra baiboplydia ny atsy mandahatra coran!
3. Rasiligaoma ( 15/09/2007 04:26)
marihina fa izaho tsy silamo fa kristianina an.
fa mijery ilay izy ivelan'ny christianisme sy Islamisme tsy maka parti aho!
fa minoa ahy nareo fa izany no hitranga
4. niryna ( 15/09/2007 05:37)
[quote=Rasiligaoma]
Efa naheno ve ianao hoe misy olona maty teo amin'ny hazofijaliana hisolo ny fahotan'ny olona na iray aza, na dia ny fireneny na ny olona izay manana finoany hafa?

efa naheno guru-na secte neo chretien iray izay aho, nanao an'io hoe fantsihina amin'ny lakroa mba ho fanavotana izao tontolo izao io mihitsy ny foto-keviny..
fa ny naha samihafa azy sy i Jesosy dia nedala maty fa tsy nitsangana hatramin'izao [?quote]
ka io nitsangana tamin'ny maty io no tsy hitovizany amin'ny rehetra kou

Sarotra be ilay izy ry niryna raha vao referena amin'ny baiboly a! ilay olona lazainao aza anie ka tsy mino akory izay ao anaty baiboly koa amin'ny fomba ahoana no hanaovanao referansy? (ny azy boky hafa no inoany)
Raha anaovany referansy any amin'ny Coran ianao na Torah, na boky misy fotok'hevitra joutse, tsy ho sarotra aminao koa ve ny hanaiky izany, dia samy hiady eo ianareo fa ianao milaza fa ny bokinao, izy milaza fa ny bokiny , no marina!

Andramo anie fa sady mahasorena no mahatezitra no mampalahelo no mampihomehy e..
ny atsy mandahatra baiboplydia ny atsy mandahatra coran!

Toy ny manaja ny fivavahan'ny hafa ihany io ka,mitory izy dia mitory,mandray hianao dia mandray,samy manilika ny eo afovonany.Ny mahasamy hafa azy dia ny fanantenana izay mbola misy rehefa ho faty isika,fiainana ho mandrakizay na fiainana any amin'ny fahaverezana.

5. niryna ( 15/09/2007 05:37)
Rasiligaoma:

marihina fa izaho tsy silamo fa kristianina an.
fa mijery ilay izy ivelan'ny christianisme sy Islamisme tsy maka parti aho!
fa minoa ahy nareo fa izany no hitranga

Tsy maninona izany ka:D
6. mbaliana ( 15/09/2007 07:29)
dia rahoviana vao hisy ny fifankazahona eo amin'ny samy hafa finoana raha tsy miainga amin'ny echange de comprehension sy respect ... mandray ny tsara avy any amin'ny hafa ary tsy midoika handresy lahatra fa ny anao foana ny marina, rehefa tsy lanilanin'ny vavoninao ohatra ny conception iray zay hitan'ny iray fa important aminy dia mangina fa hande hitsara ny hafa (fa iza moa ianao no hitsara?)... ho toy izany koa no réaction ny andaniny rehefa ianao no mampiseho ny fomba iainanao ny finoananao...ANGAMBANY mba hiatomboka amin'izay ny fifankazahoana...marimaritra iraisana na dia tsy hitovy tanteraka aza ny fomba fijery...
7. rakaroka ( 15/09/2007 08:19)
mbaliana:

Marina izany ry Mbaliana ^:^^:^^:^
Anisan'ny mampandroso an'i Japon:" Il s'en fou pas" hoe an'ny hafa ity dia hi-rester indifférent.Ny an-drizareo rehefa hitany mahasoa azy na technologie, na filozofia, fomba fiaina sns... dia alainy, iainany.

8. gasynamana ( 15/09/2007 08:28)
Izy irery ihany no maty dia nitsanga indray ,tsy misy na iray aza ,eny Izy irery ihany.Nahita ve ianao???????

Tsy lavitra, ao anaty Baiboly ihany dia efa misy be dia be fa vakio.

Iza ilay andriaman'izao tontolo izao io ?

Be dia be io, ary na ianao aza dia mety ho andriamanitrao ihany. Ny hany marina mantsy dia Andriamanitra ka ny fitompoana tena ho marina tsy mety manana fahadisoana mihitsy dia fisoratan-tena ho andriamanitra kely.
Tsy manana na inona na inona ato amiko izy hoy Jesosy.,ahoana izany?

Diniho ny ataonao sy ny tenanao dia mazava aminao io.
Efa nanambara koa izy fa ho avy ny mpaminany sandoka,ho avy ny ambodia hitafy hodi-janak'ondry.

Mba mailo àry sao ianao koa no ho lasa ambodia na ho mpaminany sandoka. sanatria anie izany! Tsy mitsara aho fa mba misarika anao handinika misimisy kokoa fotsiny.

9. Fiffi ( 15/09/2007 08:46)
mbaliana:

dia rahoviana vao hisy ny fifankazahona eo amin'ny samy hafa finoana raha tsy miainga amin'ny echange de comprehension sy respect ... mandray ny tsara avy any amin'ny hafa ary tsy midoika handresy lahatra fa ny anao foana ny marina, rehefa tsy lanilanin'ny vavoninao ohatra ny conception iray zay hitan'ny iray fa important aminy dia mangina fa hande hitsara ny hafa (fa iza moa ianao no hitsara?)... ho toy izany koa no réaction ny andaniny rehefa ianao no mampiseho ny fomba iainanao ny finoananao...ANGAMBANY mba hiatomboka amin'izay ny fifankazahoana...marimaritra iraisana na dia tsy hitovy tanteraka aza ny fomba fijery...
^:^^:^^:^ enganié ka mba ho tanteraka zany.....

10. rabilabila ( 15/09/2007 11:07)
Ary ianao angaha ry niryna efa nahita azy nitsangana tamin'n'ny maty ??
Tsia no valiny angamba ,ny famakianao baiboly sy ny finoanao an'io boky io akory tsy porofon'ny nisian'izany zavatra nitranga izany .

Inona no atao hoe POROFO ? Any angamba ,hoy aho ,aloha no tokony hitady valiny.

Aza dia mampiasa paralogisme loatra ,fa ny fampiasàna an'izany matetika dia mariky ny tsy fandinihana sy ny famakafakàna .

Raha momba ilay resaka masoandro indray :tsy mitombona ara-tsiantifika ny resaka . Vakio ao amin'ny Josoa (rehefa napetrak'i Mosesy taminy ny fitondràna ny zanak'israely), inona no zavatra nitranga ? Najanon'i Josoa ,hono, ny masoandro . Ka raha najanon'i Josoa ny masoandro,inona no mety ho vokatr'izany scientifiquement parlant ? Ianao no asaiko mamaly azy .Dia rehefa hitanao ny valiny ,dia diniho tsara hoe "vraisemblable , raisonnable " ve ilay izy ?

Ny tiako ahatongavana dia tsotra fotsiny :Ne prennez pas comme vérité absolue ce que vous croyez ,juste par hônneteté intellectuelle ,prenez en compte les raisonnements ou les propositions des autres qu'ils soient d'une autre croyance ,AT , ou autres . Si vous ne raisonnez pas ainsi c'est que vous agissez en tant qu'intégriste intégrale et pour moi c'est une insulte à l'intelligence.
Miala tsiny raha misy manafintohina ny teniko ,fa raha ny fijeriko azy dia tsy mety handroso mihitsy ny zavatra raha misy foana ny antokon'olona mandray azy ho mpitàna ny fahamarinana ary mametraka ny tenany ho ambonin'ny hafa.
Misaotra.
11. mbaliana ( 15/09/2007 12:42)
rabilabila> marina fa tsy nisy nahita ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty...noho izany tsy misy ny POROFO azo aseho hoe ohatra nandalo tao ankadifotsy izy nanao an'izao sy zao...
Na dia voalaza tao amin'ny Baiboly aza fa niseho tamin'ny velona izy tao aorian'ny nahafatesany... mbola possible koa hoe voan'ny hallucination ry zalahy ka rehefa tonga saina dia tsy hita intsony le olona...
Io dia experience personnelle no ahafahanao miteny hoe VELONA ATO AMIKO I KRISTY...misy ny zavatra miseho aminao eo amin'ny fiainanao.. izay tsy hitanao ny antony nahatonga an'izany... dia anao ny safidy hoe nampian'Atra aho matoa nisy zao zavatra zao... ary raha ratsy no zavatra niseho taminao dia na sazy ho anao na ho fisedrana ho anao arakarakao ihany io...
Niaraka tamin'ny zandriko vavy iray zay aho tsy mbola nanana papier izy fa za no nanana tao anaty fiarakodia.. d'habitudes tsy voasakana mihitsy zahay na eny an-dalana aza... dia zatra foana...indray andro zay tsy nampoizina voasakana ary zahay polisy efa 6 dahy izy no teo... voatery niodina le direction anay nefa zahay tokony haniitsy... najanona ny fiara...zandriko vavy nivavaka mihitsy za koa nivavaka anakampo hoe ampio zahay Atra ... nalaiko ny poketrako angalako papier no tonga le polisy iray niteny hoe ialahy ity lesy dia mamorona asa tsy misy antony ...alefaso ry zareo hande fa manana ireo... dia andana hozy koa ilay iray...avo ny lanitra wa fa ohatry tsapanao hoe ni-toucher ny lanitra ianao...(tsy nisy nosakanan-dry zareo teo afa-tsy zahay roa irery.. sur zao fa en tant que etrangères no nisakanany anay)
dia vintana ve zany sa le izy 6 dahy mihitsy no te hiasa mafy dia zahay roa kely tsy misy dikany dia nalefany hande...amiko aloha nivaly ny vavakay mirahavavy e...MISY IZY HO ANAY
12. mbaliana ( 15/09/2007 12:55)
ny porofo aloha zany dia expérience personnelle...araka ny fahitako azy...
13. gasynamana ( 15/09/2007 13:43)
Ne prennez pas comme vérité absolue ce que vous croyez

Raha izay indray aloha dia tena tsy mitovy hevitra aminao mihitsy aho. Izay inoako dia inoako fa marina ary tena marina. Ny fahalalako no tsy absolu satria aho voafetra. Izay no henoko ny hafa, sy tsy hitsaharako mandalina.
Hazavaiko kely: Ny finoako hoe: misy Andriamanitra dia tena marina izay, ary na inona fanazavana omenao na ny hafa handiso an'izay dia tsy misy zava-marina mihoatra an'izay amiko. Tsy petra-kevitra noforonin'ny saina io fa zava-marina na dia minia tsy mino an'izany aza ny hafa. Toy izany koa ny fitsanganan-ko velona. Na iza hilaza fa diso izany sy hanaporofo amiko fa tsy nisy an'izany dia inoako fa marina izany satria tena marina. Tsy manery ny sasany hino an'izany aho, ary tsy manilika ny filazan'ny sasany momba an'izany. Tsy mionona fotsiny amin'izay koa anefa aho fa mandalina sady miaina izay inoako.
Ny fitazonana ny marina fantatry ny tena dia tsy midika ho fahateren-tsaina. Izay mivadibadika no tsy misy hazon-damosina. Ny tsy firaharahina sy tsy fihaino ny hafa kosa no tsy mety. Ny mihaino anefa tsy voatery hanaraka azy. Raisina izay hita fa marina, toherina amin'ny fomba mazava kosa izay hita fa diso, ary angatahana fanazavana izay tsy mazava.
14. ikaretsaka ( 15/09/2007 14:35)
mitovy fijery @ mbaliana sy i gasynamana
15. niryna ( 15/09/2007 14:36)
[quote=mbaliana]
dia rahoviana vao hisy ny fifankazahona eo amin'ny samy hafa finoana raha tsy miainga amin'ny echange de comprehension sy respect .[/qote]
marina izany teninao izany ,fa izaho angaha manohitra izay hinoan'iza na iza ,sao diso eritreritra ianao rahavako:D
.. mandray ny tsara avy any amin'ny hafa ary tsy midoika handresy lahatra fa ny anao foana ny marina, rehefa tsy lanilanin'ny vavoninao ohatra ny conception iray zay hitan'ny iray fa important aminy dia mangina fa hande hitsara ny hafa (fa iza moa ianao no hitsara?)

rehefa lanilany efa im-piry tokoa moa aho no niteny hoe raiso izay marina sy fantatrao amin'ny fiaiananao=))=))

..
16. ikaretsaka ( 15/09/2007 14:38)
Ny tiako ahatongavana dia tsotra fotsiny :Ne prennez pas comme vérité absolue ce que vous croyez ,juste par hônneteté intellectuelle ,prenez en compte les raisonnements ou les propositions des autres qu'ils soient d'une autre croyance ,AT , ou autres . Si vous ne raisonnez pas ainsi c'est que vous agissez en tant qu'intégriste intégrale et pour moi c'est une insulte à l'intelligence.
Miala tsiny raha misy manafintohina ny teniko ,fa raha ny fijeriko azy dia tsy mety handroso mihitsy ny zavatra raha misy foana ny antokon'olona mandray azy ho mpitàna ny fahamarinana ary mametraka ny tenany ho ambonin'ny hafa.
Misaotra.

Tena izany tokoa ^:^

efa eeeeela aho no namoy ny hoe raha izay tianao momba ny finoana arahinao ihany no inoanao fa izay tsy azoazonao dia odianao fanina na avelanao any, dia tsy finoana intsony no inoanao fa ny tenanao
17. niryna ( 15/09/2007 14:44)
.
ho toy izany koa no réaction ny andaniny rehefa ianao no mampiseho ny fomba iainanao ny finoananao...ANGAMBANY mba hiatomboka amin'izay ny fifankazahoana...marimaritra iraisana na dia tsy hitovy tanteraka aza ny fomba fijery...

Tsy maninona fa samy mitory,ary indrindra ny tena mampihomehy sy mampalahelo mantsy e,dia ireo tokony fa tonga ilay ekipa A hanafika ny B ka ny olona te-hino an'i kristy aza ve tsy hiverin-dalana:roll::cry::cry:
Hay moa tsy kristiana fa anarana fotsiny koa,
Iza aloha ilay andrianan'izao tontolo izao e
Mivavaka amin'ny maty?
Mivavaka amin'ny zavatra?
mivavaka amin'ny olona tsy maheno sa maso be tsy mahita?
Mivavaka amin'ny zavatra izay ho heveriny ho mahasolo an'i kristy ?
Valio ireo dia ho hitantsika

3 Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo hianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;

4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.

5 Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.

6 Ary iza no olona izay efa nanao tanimboaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.

7 Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.

8 Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.

9 Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.

10 Raha mby akaikin'izay tanàna hiadiana hianao, dia milazà fihavanana aminy.

11 Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.

12 Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.

Deotoronomy 20:3-12

18. gasynamana ( 15/09/2007 14:51)
Iza aloha ilay andrianan'izao tontolo izao e
Mivavaka amin'ny maty?
Mivavaka amin'ny zavatra?
mivavaka amin'ny olona tsy maheno sa maso be tsy mahita?
Mivavaka amin'ny zavatra izay ho heveriny ho mahasolo an'i kristy ?
Valio ireo dia ho hitantsika

Ny andriamanitra dia tsy mivavaka fa ivavahana noho izany diso ireo lazainao ireo.
19. niryna ( 15/09/2007 14:52)
Tsy maninona fa samy mitory,ary indrindra ny tena mampihomehy sy mampalahelo mantsy e,dia ireo tokony fa tonga ilay ekipa A hanafika ny B ka ny olona te-hino an'i kristy aza ve tsy hiverin-dalana
Hay moa tsy kristiana fa anarana fotsiny koa,
Iza aloha ilay andrianan'izao tontolo izao e
Mivavaka amin'ny maty?
Mivavaka amin'ny zavatra?
mivavaka amin'ny olona tsy maheno sa maso be tsy mahita?
Mivavaka amin'ny zavatra izay ho heveriny ho mahasolo an'i kristy ?
Valio ireo dia ho hitantsika

1 DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:

2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;

Sao dia diso fierietreritra isika fa na tsy mpino sy lazaina hoe misarisari-zo milaza manaraka an'i kristy aza ireo izay milaza fa mpanara-dia azy kanefa tsy manaraka ny tenin'Atra dia misy finoana mino ireo rehetra ireo,ny silamo izany,sao dia mieritreritra isika fa antsika irery io lalana io?
- Andriamanitra tokana tsy hita maso no hinoany
-Tsy manana andriamani-kafa afatsy Atra Tokana ihany
-tsy mivavaka amin'ny sarin-javatra ny ho endrika mety hanompoana hitarihana ny sain'ny vahoaka hivavaka ny zavatra tsy hita maso,tsy miteny ,tsy manana vava,tsy mamaly vavaka.
Ny dikany iza tokoa ary ilay andriamanin-kafa e:idea: mba lasa ny saiko :roll:
20. niryna ( 15/09/2007 14:55)
Fiffi:

^:^^:^^:^ enganié ka mba ho tanteraka zany.....

eny tokoa ,ny fahasoavan'ny Tompo mahery mitady vonjy ireo ondry very tokoa anie no hamonjy antsika mianakavy.
:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3488