Nisy olon-kafa ankoatra Azy ve?Omeo porofo raha misy

21. niryna ( 15/09/2007 15:10)
mbaliana:

.ANGAMBANY mba hiatomboka amin'izay ny fifankazahoana...marimaritra iraisana na dia tsy hitovy tanteraka aza ny fomba fijery...
tsy azoko ny marimaritra iraisana?
mitory ny tenin'Atra ve dia milaza hoe mivavaha amin'ny maty? sa hoe ity misy olona iray mandehana manandrana miantso azy fa izy io no miresaka amin'i kristy dia avy eo indray i kristy miresaka amin'Atra rehefa avy noresahin'ilay olona b dia tonga any amin'ny tompo dia avy eo mankany amin'Atra?=))=))
aleoko tonga dia manao hitsindalana kou ,ity aho tonga dia maheno ny valiny tsy misy mpanela,sady ny satana koa mahay manao fihetsika hilambolambo dia faly tokoa fa io fa niresaka nivantana tamiko ikala soa kay tsy ikalaso ilay izy fa satana ihany.:idea:
Ahoana tokoa re e,izao velona izao ve isika dia efa mahalala fa mankany an-danitra sa dia tsofitsofin'ny satana eo dia tsy afaka mivoaka ny vala fa faly mahita sy milabona ary mankafy izay ataon'ny satana?
Tsofitsofiny ny loha dia matory sy tsy tia maizina mamaky baiboly,tsy tia mijoro ho vavolombelo?
Inona moa no hijorona eo rehefa tsy mahita ny asa soa nomeny ny tena? Izaho koa .......
" Izay mino Ahy hoy i kristy dia hanana fiainana mandrakizay."

22. niryna ( 15/09/2007 15:25)
mbaliana:

ny porofo aloha zany dia expérience personnelle...araka ny fahitako azy...

raha tsy mahadiso aky mbaliana mba tantarao anay hoe izany experience personelle anao izany ?
io experience personelle io mantsy dia azoko lazaina hoe io no fijoroanao ho vavolombelona ho an'izao tontolo izao fa mino an'i kristy hianao raha mino azy,raha mino ny hafa moa dia tsy maninona fa omeo ihany koa ny porofo inona no hinoanao io hafa io.
Mitory aho ho an'ireo izay mihaino,sy tia manaraka an'i kristy ,tsy menatra aho ny milaza izany na dia tsy tian'ny hafa aza,manome hery Ahy izy mba tsy hatahotra na firy na firy ny fahavalo,tohizo hoy izy ny fitoriana izay mihaino tsara ,izay tsy mihaino tsy maninona fa efa fantatro ny ondriko,dia ity aho fa mbola eto ihany sady faly,finaritra,tsy tezitra izay teny tenenin'ny olona.Misy ato mihandry ny kendry tokana amin'ny fankahalana ny tenin'Atra dia iny izy amin'ny angady sy harona fa hamely koa.Mihevitra izy fa izaho no asiana:D:D toy ny rehetra izay misy fanahy manaraka azy ao aoriany na fanahy tsara dia ny FM izany ka io no miharo,miambina,mampianatra,manitsy,manadio ny fahotana,mitarika hanao ny marina sy hino ny tenin'Atra ary ny iray fm(fanahy maloto dia ny satana izany) io dia mety mahatsiaro tena ilay olona fa tsy mety ilay ataony,ilay mankahala olona,ilay tezitra lava sy tsy tiany daholo izay marina rehetra mety nomen'Atra ho an'ny olona dia ireny ilay manenjika fivavahana mino an'i kristy.
23. niryna ( 15/09/2007 15:39)
Hoy i mbaliana:

ny porofo aloha zany dia expérience personnelle..

Tadidio fa tsy ho voatery ho tsy kristiana ireo a,ary hita mivandravandra eto hatramin'izao,fa ireo izay milaza azy ho kristiana saingy manohitra ny marina.
Ny antony ve? Azy ho azy iny:mety ohatra hoe aza mijangajanga,aza mangalatra,aza mangala-badin'olona, ireo didy folo rehetra ka mety manao ny iray amin'ireo izay dia tsy tiany ho fantatra na tsy tiany ho henoina ilay fahamarinana hany ka manarona ny marina izy dia hiatakeny ilay tenin'ny olona(ohatra
.araka ny fahitako azy...hoe androany A izany miditra ato amin'ny fivavahana,rehefa avy eo aho tonga ary amin'ny resaka vehivavy na lahy miresaka vetaveta :roll::roll:
izay anie ilay izy e.
Atra anefa efa nanambara antsika fa na mena toy ny jaky aza ny fahotantsika dia ho fotsy toy ny oram-panala .Izay ilay antony iray mahatonga ny olona manohitra ny fivavahana.

Ho Azy hatrany anie ny voninahitra ary aoka isika rehetra hiambina fa mahery ny satana.:*
Dia toy ny tanora hoe i bofy koa be sermona kanefa marina ny hanatry ny ray aman-dreny (raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina).Toy izany ihany koa ny tenin'ATra ,marina daholo ary efa nomeny ny Zanany hanavotra antsika satria fantany fa tsy misy na iray aza tsy nanota.Nasainy nibebaka,miala amin'ny ratsy natao rehetra ary mianatra ny mamale heloka eny fa ny tenenao no hamelanao heloka voalohany,dia mandeha ambaratonga hatrany,tsy mora saingy raha tsy miaiky tokoa isika dia tsy mahita experience hoe miaraka amintsika i kristy." Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.

10 Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
Sal 119:9-11
:D
24. niryna ( 15/09/2007 15:55)
gasynamana:

Ne prennez pas comme vérité absolue ce que vous croyez

Raha izay indray aloha dia tena tsy mitovy hevitra aminao mihitsy aho. Izay inoako dia inoako fa marina ary tena marina. Ny fahalalako no tsy absolu satria aho voafetra. Izay no henoko ny hafa, sy tsy hitsaharako mandalina.

Averiko ny teninao,izay ihany no hihainoana ny hafa marina izany ,iza no tsy mamaky ny hafatry ny hafa,anjarantsika hoy aho no mandray izay mifanaraka ny azonao sy azokazonao.
Manaiky ny tenin'Atra sa manaiky izay azohazo sy mifanaraka amin'ny fiainako ?

Hazavaiko kely: Ny finoako hoe: misy Andriamanitra dia tena marina izay, ary na inona fanazavana omenao na ny hafa handiso an'izay dia tsy misy zava-marina mihoatra an'izay amiko. Tsy petra-kevitra noforonin'ny saina io fa zava-marina na dia minia tsy mino an'izany aza ny hafa. Toy izany koa ny fitsanganan-ko velona. Na iza hilaza fa diso izany sy hanaporofo amiko fa tsy nisy an'izany dia inoako fa marina izany satria tena marina.

=D=D^:^^:^
Tsy manery ny sasany hino an'izany aho, ary tsy manilika ny filazan'ny sasany momba an'izany. Tsy mionona fotsiny amin'izay koa anefa aho fa mandalina sady miaina izay inoako.

midera anao aho eto ary tazomy izay fahalalana nomena anao,manitikitika fotsiny ny maheno ny finoan'ny hafa,ary jereo anie ireo eritreretin'ny hafa fa tsy manaraka ny Atra-ny raha manatsikera na mivatravatra e? ireo milaza azy ho kristiana ihany no manohitra ny kristiana namany ;-) kristy ve dia ho faly amin'izany? Aiza ilay fampianarana teo aloha hoe Iray ao amin'ny Tompo,iray ao amin'ny Fanahy ,iray ao amin'ATra,ary iray ao amin'ny Batemy ?
Ity aho vao hampiasa sy hindrana kely ny tenin'ika hoe mila manetry tena .

Ny fitazonana ny marina fantatry ny tena dia tsy midika ho fahateren-tsaina. Izay mivadibadika no tsy misy hazon-damosina. Ny tsy firaharahina sy tsy fihaino ny hafa kosa no tsy mety. Ny mihaino anefa tsy voatery hanaraka azy. Raisina izay hita fa marina, toherina amin'ny fomba mazava kosa izay hita fa diso, ary angatahana fanazavana izay tsy mazava.
=D=D izay foana no hafatra hatramin'izay raiso izay mahasoa anao,ario izay tsy mifanaraka ny eritreritrao,ny marina ihany no hitsara ny tsirairay.Moa ve mahafantatra izany ny rehetra? Eny.:*


25. niryna ( 15/09/2007 16:18)
Miverina any amin'ny fanontaniana amin'izay aho fa nisy nisintona lavitra ilay sujet.
Nisy olon-kafa ve nahatona teo amin'ny hazofijaliana,niseho ny mpianany niaraka ny dian'ny tanany sy ny tongony nofatsiana?
Nisy olon-kafa ve nitsangana tamin'ny maty ka nandefa ny herin'ny fanahy masina hiaraka ireo izay mino azy?
Nisy olon-kafa ve nitsangana tamin'ny maty?
Ireo rehetra ireo mantsy dia voaporofo daholo ary izao fitoriana ny teniny izao no porofo iray satria izy nandefa ny FM hiaraka amintsika.Matoa isika izany mitory ny teniny dia misy FM avy aminy ao ahafahantsika mitantara sy midera sy mamporisika ny tsy mahalala Azy.Nahita fiovana teo amin'ny fiainana,faly manana azy,miova ny fiainana hatramin'izay niarahana azy izay,ny lasa maty efa nodiovin'ny rany,ny fiainana vaovao miaraka aminy indray no zaraina izay mbola tsy miaraka aminy.(l)(l)
26. xxx ( 15/09/2007 17:06)
Matoa isika izany mitory ny teniny dia misy FM avy aminy ao ahafahantsika mitantara sy midera sy mamporisika ny tsy mahalala Azy.

FM firy io ry nirina????
27. ikaretsaka ( 15/09/2007 17:08)
niryna:

Miverina any amin'ny fanontaniana amin'izay aho fa nisy nisintona lavitra ilay sujet.
Nisy olon-kafa ve nahatona teo amin'ny hazofijaliana,niseho ny mpianany niaraka ny dian'ny tanany sy ny tongony nofatsiana?
Nisy olon-kafa ve nitsangana tamin'ny maty ka nandefa ny herin'ny fanahy masina hiaraka ireo izay mino azy?


Io anie tsy no precisen'i niryna hatramin'ny voalohany dia izay no mahatonga ny olona hisintona lavitra e
ny anao najanonao teo @ le teo ambony hazofijaliana fa tsy notohizinao hatrany @ le fitsanganan-ko velona raha tsy izao...

jereo ny nolazainao t@ voalohany hoe:
nisy olona nanatona ny tenany teo @ hazo fijaliana ho an'izao tontolo izao ve (fa tsy nasianao hoe ..ka maty dia nitsangana fa notapahinao teo)

niryna:
Nisy olon-kafa ve nitsangana tamin'ny maty?

ie: I lazarosy, ireo natsangan'iPiera st i paoly:

fehiny: ny tiako lazaina dia hoe ie.. misy olon-kafa bedebe nanao sacrifice bedebe mihitsy ho famonjena ireo izay tiany ary namono ny tenany aza
Fa saingy tsy nisy nitsangana ireny!

dia io ilay lazaiko foana hoe tsy vita zoma masina ny famonjena ary raha tsy nitsangana ny Tompo dia tsy nino azy ny olonha
28. piste ( 15/09/2007 23:59)
Hoy niryna :
ireo milaza azy ho kristiana ihany no manohitra ny kristiana namany kristy ve dia ho faly amin'izany? Aiza ilay fampianarana teo aloha hoe Iray ao amin'ny Tompo,iray ao amin'ny Fanahy ,iray ao amin'ATra,ary iray ao amin'ny Batemy ?


Asa iza tokoa re no mpanao an'io fomba tsy dia katolika loatra io.


Gasynamana sy Mbaliana : ara-dalàna ilay fanehoan-kevitra. Mety hibebaka ihany aho raha izao no mitohy kle !
29. ikaretsaka ( 16/09/2007 00:31)
piste> :wink: ary matoria @ zay e
30. niryna ( 16/09/2007 05:42)
mbaliana:

dia rahoviana vao hisy ny fifankazahona eo amin'ny samy hafa finoana raha tsy miainga amin'ny echange de comprehension sy respect ... mandray ny tsara avy any amin'ny hafa ary tsy midoika handresy lahatra fa ny anao foana ny marina, rehefa tsy lanilanin'ny vavoninao ohatra ny conception iray zay hitan'ny iray fa important aminy dia mangina fa hande hitsara ny hafa (fa iza moa ianao no hitsara?)... ho toy izany koa no réaction ny andaniny rehefa ianao no mampiseho ny fomba iainanao ny finoananao...ANGAMBANY mba hiatomboka amin'izay ny fifankazahoana...marimaritra iraisana na dia tsy hitovy tanteraka aza ny fomba fijery...
:D asa lahy fa tsy misy mitsara olona eo,fivavahana no ataoko,fitoriana an'i kristy no resahiko,izay no fantatro dia izay no toriko.Tsy misy tery io,mihaino ny hafatry ny rehetra fa tsy ho voatery hamaly na hiady na hamingavinga ny azy.Efa im-piry aho no niteny izany? Raiso izay marina,vakio fotsiny dia aleveno toy ny fahotana izay fantatrao fa tsy tianao na dia marina aza
"The truth hurts,but the truth shall set you free"
Ny marina mandratra,kanefa ny marina no hanafaka anao amin'ny fanagejan'i satana sy ny zavatra tsy tokony atao kanefa mbola kirizana atao ihany.


31. niryna ( 16/09/2007 05:52)
rakaroka:

Anisan'ny mampandroso an'i Japon:" Il s'en fou pas" hoe an'ny hafa ity dia hi-rester indifférent.Ny an-drizareo rehefa hitany mahasoa azy na technologie, na filozofia, fomba fiaina sns... dia alainy, iainany.

Ahoana tokoa re e,andao ary hivavaka any amin'ny bouddha daholo fa mila mianatra ny fivavahan'ny olona hafa izany?
Mila mahalala ny fivavahan'ny olona aho,ary fantatro hatramin'ny "Catholic Charismatic"tsy mino an'i marie sy ny saplet sy ny mivavaka an'ireny sarivongana ireny intsony,ary ny tena nahavariana ahy dia manasitrana toy ny fivavahana voalaza ao anaty baiboly izy,miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.Io anefa dia tsy hinoan'ny hafa..Miala tsiny fa tsara ny milaza ny marina saingy hisy hilaza indray izao eo hoe secta io fivavahana io,tsy manaraka ny rafitry ny anay io.Tsy maninona izany e,rehefa misy Atra fotsiny ao manazava ny sain'ny olona dia izay no tanjona.
Enga anie hianareo mba efa nahafantatra izany.Manaja ny azy aho,mahafantatra olona maro nivadika aho,nahafantatra izy fa tsy misy ny afo fandiovana,Nisy nanoro vilana mantsy ka nanome andininy tao amin'ny baiboly :idea:Heveriny fa tsy hijery izay fanazavany angamba ny olona.:cry: Hay dika vilana fotsiny,olona any am-pigadrana koa lazaina hoe toy io ny afo fandiovana.
Mila mandinika sy mailo tsara daholo isika rehetra

32. niryna ( 16/09/2007 05:55)
gasynamana:

Izy irery ihany no maty dia nitsanga indray ,tsy misy na iray aza ,eny Izy irery ihany.Nahita ve ianao???????

Tsy lavitra, ao anaty Baiboly ihany dia efa misy be dia be fa vakio.


=D marina izana ary Izy no nanangana azy ireo.Ny fanontaniako dia hoe amin'izao fotoana hiainantsika izao ve efa naheno hianao hoe,nofatsihana teo amin'ny hazofijaliana,maty telo andro dia avy eo nitsanga tamin'ny maty ilay olona ?


33. niryna ( 16/09/2007 06:03)
gasynamana:

Izy irery ihany no maty dia nitsanga indray ,tsy misy na iray aza ,eny Izy irery ihany.Nahita ve ianao???????

Tsy lavitra, ao anaty Baiboly ihany dia efa misy be dia be fa vakio.

Iza ilay andriaman'izao tontolo izao io ?

Be dia be io, ary na ianao aza dia mety ho andriamanitrao ihany. Ny hany marina mantsy dia Andriamanitra ka ny fitompoana tena ho marina tsy mety manana fahadisoana mihitsy dia fisoratan-tena ho andriamanitra kely.
Tsy manana na inona na inona ato amiko izy hoy Jesosy.,ahoana izany?

Diniho ny ataonao sy ny tenanao dia mazava aminao io.
Efa nanambara koa izy fa ho avy ny mpaminany sandoka,ho avy ny ambodia hitafy hodi-janak'ondry.

Mba mailo àry sao ianao koa no ho lasa ambodia na ho mpaminany sandoka. sanatria anie izany! Tsy mitsara aho fa mba misarika anao handinika misimisy kokoa fotsiny.




marina tokoa izany,mila mandinika tokoa isika,Mino an'Atra ve aho e.Inona no ahalalako fa mino Azy aho?
Manaraka ny didiny.Nomeny didy vaovao aho tiava ny namana tahaka ny tenanao,tsy tia namana aho,tsy manaraka ny didiny aho izany.
Mankahala namana aho tsy tia namana ihany izany,tsy manaraka ny didiny koa izany aho.
Manenjika na manana fankahalana olona aho izay tsy fantatro fa mifandray ahy ato anaty sera fotsiny kanefa tsy tiako bika tsy tiako tarehy efa nopahopaiko,efa nataoko daholo izao teny sy fankahalana azy rehetra izao kanefa izy tsy mba namaly fa nivavaka ahy fotsiny no nataony,manaraka ny sitrapon'Atra ve aho,tsia.Tsy nanaraka ny didiny ihany koa aho izany.
34. niryna ( 16/09/2007 06:13)
gasynamana:

Mba mailo àry sao ianao koa no ho lasa ambodia na ho mpaminany sandoka. sanatria anie izany! Tsy mitsara aho fa mba misarika anao handinika misimisy kokoa fotsiny.



1 Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra hianao ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.

2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
Rom 2:1-2

Satana tsy mijanona ao anaty trano madio,misodisody eny ivelany izy ka raha vao maloto ny trano dia miverina izy ary lasa avo fito eny ny heriny.14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
Mamela anao aho mitsaratsara foana tsy maninona izany ka Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Mat 6:14
:*:*
35. niryna ( 16/09/2007 06:23)

Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy
Jaona 14:30


"Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho;"

Efa nampilaza antsika ny zavatra rehetra kristy,ny mitandrina ny didiny,ny zavatra mety hitranga tao aorian'ny nahafatesany ary dia nitranga daholo izany.

"fa avy ny andrianan'izao tontolo izao,"

izay rehetra tompoina akoatr'i Kristy dia izy daholo:vola,harena,fananana,tsangambato tsy miteny,zavatra ampiasaina hisarihana ny sain'ny olona hanantonana an'Atra izay tsy miteny,tsy mahavita fahagagana,ny sampy,ny sarivongana izay herin'ny satana rehetra,izay mifanohitra ny tenin'Atra hoe :1

Dianilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:

2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;


ambava homana am-po mieritreritra,ny marina mandratra kanefa ny marina koa eo aloha hananatra fa tsy ao aoriana handratra.




36. niryna ( 16/09/2007 06:27)
Mbola manamporofo izany ihany koa ny soratra masina fa misy tokoa ny atra kely hivavahan'ny olona:
1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4 Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:

5 Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:

7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Sal 115:1-8
37. niryna ( 16/09/2007 06:33)
Dia mbola manamafy ihany koa Atra :
1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka amin'ny ota;

2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.

3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-taoka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
1 Pet 4:1-3
38. niryna ( 16/09/2007 06:44)
[quote=gasynamana]
Iza aloha ilay andrianan'izao tontolo izao e

Io no fanontaniako,

Mivavaka amin'ny maty?
Mivavaka amin'ny zavatra?
mivavaka amin'ny olona tsy maheno sa maso be tsy mahita?
Mivavaka amin'ny zavatra izay ho heveriny ho mahasolo an'i kristy ?

ireo no karazan'atr'izao tontolo izao.Satria Atra efa tsy manaiky ny olona ny hivavaka amin'ireo.


Ny andriamanitra dia tsy mivavaka fa ivavahana noho izany diso ireo lazainao ireo.

izany indrindra mantsy,koa maninona no manangana zavatra hafa ny olona?io no andriamanin'izao tontolo izao lazain'i kristy.Raha Kristy irery mantsy no hinoany dia tsy hiteny izany Izy.Matoa izy miteny dia efa nisy ary mbola misy hatramin'izao.
Enga anie ka hanara-dia aza amin'izay ny olona satria efa nomena antsika ny fanalahidin'ny fahalalana.Ka tsy afaka ny hiteny intsony isika hoe tsy nahalala.
Soa ihany Izy fa mamela antsika ary na im-piry aza isika no tsy manaraka ny teniny rehefa mahatsiaro ka mibebaka dia avelana heloka foana.

5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Eks 20:5-6

39. niryna ( 16/09/2007 06:51)
rabilabila:

Ary ianao angaha ry niryna efa nahita azy nitsangana tamin'n'ny maty ??
Tsia no valiny angamba ,ny famakianao baiboly sy ny finoanao an'io boky io akory tsy porofon'ny nisian'izany zavatra nitranga izany .

Manana porofo aho ka,tsy menatra aho ny mijoro ho vavolombelona na dia sakanana foana aza,manana fifaliana aho fa manana azy.Ato am-poko Izy ary efa nandray Azy tato am-poko aho.Tsy ho voavidiko vola ny soa nataony tamiko sy ny fianakaviako manontolo.
Omeko porofo hianao akoatry ny tantarako?'
Manasitra ny marary izy,sitrana ny zaobaviko izay voan'ny cancer nandritra ny dimy taona izay.Cancer homa-miadana fa izy no atao hoe ( cancer survivor)tsy menatra izahay no mizara izany ato.Enga anie ka hisy hamaky ity fa amin'ny andro izay hamakianao an'ity ka mbola tsy nandray an'i Kristy tao am-ponao hianao,raiso izy,matokia azy ary mivavaha aminy fa omeny anao izay hirian'ny fonao.Matokia.Only you have to do is "Believe"


40. niryna ( 16/09/2007 06:56)
rabilabila:

Miala tsiny raha misy manafintohina ny teniko ,fa raha ny fijeriko azy dia tsy mety handroso mihitsy ny zavatra raha misy foana ny antokon'olona mandray azy ho mpitàna ny fahamarinana ary mametraka ny tenany ho ambonin'ny hafa.
Misaotra.

samy nomena free will daholo ny rehetra.Mamboly katsaka hianao,dia manantena ny hamokatra katsaka fa tsy tsaramaso:D Kristy no toriko,mamaky ny finoan'ny hafa aho ,tsy azo terena ny hanaraka ny finoany indrindra fa mifanohitra ny hafatr'i kristy.
Mitsara hianao hevitrao io fa tsy ahy.Tazomy ary alaivo izay tsara ario miaraka amin'ny fahotana izay ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0582