Tsy ho an'ny kristianina irery ny Serasera.org

1. hery ( 13/09/2007 13:30)
Mamintina ny zavatra tiako holazaina ilay lohateny.

Nahita resaka momba ny silamo nalefan'i ann aho ato. Dia toa sakana sns no nanjo azy. Koa tiako hamafisina fa tsy natao ho an'ny Kristianina irery ny serasera.org. Afaka miteny eto daholo na tsy kristianina sy tsy mpino akory aza.

Natao ho an'ny karazan'olona rehetra izy ity... rehefa manaraka ny fitsipika fotsiny.

Misaotra.
novalian'i fijo ny 19/09/2007 21:14
2. Jeankely ( 13/09/2007 13:35)
Misaotra anao. Tsy mety ny mananihany ary be ny tany Silamo nahavita be sy lasa lavitra noho ny vitan-tsiaka ka tsy tsara ny mifananihany. Miteraka zavatra ratsy koa ny mifanambany. Tsy misoratra ho tany Christiana izany i Madagasikara na Christian aza no maro anisa. Aoka mba samy hifanaja. Tsy nitarika ny hafa hivadika Silamo koa izy fa niaraba ny namany fotsiny.
3. piste ( 13/09/2007 13:54)
Dia mba mibebaha @ izay isika Kristianina handray sy hanaiky ny hafa, fa tsy tokny ho tery saina loatra.
4. Belle ( 13/09/2007 14:10)
Marina ankitiny tsy vandy!
5. salmo1 ( 13/09/2007 14:24)
piste:
Dia mba mibebaha @ izay isika Kristianina handray sy hanaiky ny hafa, fa tsy tokny ho tery saina loatra


Ny azo-tsika hatao dia mivavaka ho azy, satria tsy fantany izay nataony na ny antaontsika. Isika olom-belona dia namono ny zanak'Andriamanitra teo ambony hazo fijaliana... dia navelany ny helokitsika... satri i Jesosy dia mpamindra-fo, marina tsy mba tahaka olona sasany.

Ny tiany Hery lazaina angamba dia; ny Kristianne mba hanaja ny silamo. Tsia, amin'ny maha olom-belona azy dia hajainay, fa amin'ny finoany kosa dia sanatria velively. Raha manaja anay izy dia hajainay ihany koa, izaho mbola tsy nahita fifanajana nataony tamiko.

- Hanakorotanana sy hanatsiratsirana olona ve ny finoana, izany tsy fifanajana amiko.

Izany ve dia tsara hoy ianareo:?:

ôtrany marina ihany ny any Tsaramaso, fa na dia izany aza aoka mba tsy hanavakavaka lôtra isika Kristiann.
6. Veloo ( 13/09/2007 14:29)
piste [ Valio ] 13-09-2007 15:54:53
Lohateny : Re : Tsy ho an'ny kristianina irery ny Serasera.org
Dia mba mibebaha @ izay isika Kristianina handray sy hanaiky ny hafa, fa tsy tokny ho tery saina loatra.

mafy lotra aloha ilay valin-teny e

Fa izao a.

matoa isika (aleo ataoko oe isika rehetra mihitsy) tsy manaiky ny hafa dia tsy tena Kristiana ka... satria Jesosy dia tian'ny rehetra tsisy hakanavaka. Tsy mbola manara-dia an'i Kristy.
Miala mihezaka mihitsy isika mba ho tahaka an'i Kristy isika izay Kristiana

Belle [ Valio ] 13-09-2007 16:10:13
Lohateny : Re : Tsy ho an'ny kristianina irery ny Serasera.org
Marina ankitiny tsy vandy!

mbola tsy aiko ndray iny teny iny kle :-*:-*:-*
7. cutie ( 13/09/2007 14:32)
mbola tsy aiko ndray iny teny iny kle

veloo io njay njy fa tsy mahay teny gasy :-D
Marina ankitiny tsy vandy

tena marina no dikan'io :lol:
8. Fiffi ( 13/09/2007 14:35)
hery:

Koa tiako hamafisina fa tsy natao ho an'ny Kristianina irery ny serasera.org. Afaka miteny eto daholo na tsy kristianina sy tsy mpino akory aza.
marina izany....zah kalou de anisan'namaly hoe "8O" satria hatram-zay zao zah vao nahita olona milaza hoe:
"ann":
ilay Atra tsy toha
ny silamo...


9. Fiffi ( 13/09/2007 14:37)
nga tsy hoe "allah" na ohatran'zany ?
10. Veloo ( 13/09/2007 14:58)
cutie hihihih
misaotra aky a, soa ihany aho fa manana anjy hihihih:-*:-*:-*:-*:-*:-*
11. hery ( 13/09/2007 15:28)
Fiffi> Allah = Andriamanitra kah.
12. ikaretsaka ( 13/09/2007 16:04)
Hery> misaotra anao.. betsaka manko ny mihevitra an'io
vao hoe finoana =jesoa kristy sy baiboly sy be fahotana sy ny ny "Kristianina ihany no marina" foana no tonga dia masaka an-doha!
13. Fiffi ( 13/09/2007 16:13)
Allah=Andriamanitra......tena vao2 amiko io an ! noheveriko hoe milaza ry zareo hoe "Allah" justement mba hihavahany am kristiana....(fa ny dikany no mitovy ?)
14. ikaretsaka ( 13/09/2007 16:15)
ie.. samy hoe "Ilay nahary izao tontolo izao, ka mendik'haja suy voninahitra" daholo ny concept =ny ange e
na allah na Yaveh na Jehova na Andriananahary na zanahary na ...
15. kiranil ( 13/09/2007 16:18)
Miarahaba daholo,

Izao no hevitro: Tsara lavitra ny mitia olona noho ny mankahala azy.

Raha tena te hanao ny sitrapon'Andriamanitra izay nanoratra ny teniny ao amin'ny Soratra Masina sy te hanara-dia an'i Jesosy Kristy tokoa, dia izao no nampianariny::

"Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.

Efa renareo fa voalaza hoe: "Tiava ny namanao", ary mankahalà ny fahavalonao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.


Matio toko faha 5. http://baiboly.org/toko.asp?boky=Matio&Toko=5

Misaotra.
16. ikaretsaka ( 13/09/2007 16:20)
tongasoa indray ny kiranil

izay mantsy
17. rakaroka ( 13/09/2007 16:45)
Midera ny "ouverture d'ésprit"n-drahery tokoa , ka na ilay Jesoa iny aza anie nifanerasera t@ jentilisa,
ny tsy an-kanavaka e!
18. ikaretsaka ( 13/09/2007 16:47)
izay manko
19. niryna ( 13/09/2007 17:15)
Tsy an'ny kristiana saingy rehefa tsy mifanaraka ny hevitrareo dia vonoinareo foana ny hafatra na tsy tonga
20. ikaretsaka ( 13/09/2007 17:19)
mety Andriamanitra no namono ny hevitra ry niryna a:wink:
io mitsaratsara olona io foana anie ka tsy mety e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2351