Tsy ho an'ny kristianina irery ny Serasera.org

21. rijadolly ( 13/09/2007 17:39)
Fanampiny fotsiny ny ahy.Na ny Kristianina na ny silamo dia samy mihezaka mandresy lahatra ny olona avokoa.Ka ny hevitra fandresen-dahatra ny ahitana azy na tsara na ratsy.ary ny zavatra tsara ho fantatra dia ny hevi-diso ambaran'ny finoana hafa mba hampihorina kokoa ny finoanao.
22. hery ( 13/09/2007 18:07)
niryna> Raha izay tiako ihany no napetraka teto dia tsy nisy hafatrao navela hivoaka mihitsy teto na 1 aza :-)

Misy "boky" izay mantsy hoe tiavo na dia ny fahavalonao aza :-)

23. cutie ( 13/09/2007 18:15)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 13-09-2007 19:19:46
Lohateny : Re : Tsy ho an'ny kristianina irery ny Serasera.org
mety Andriamanitra no namono ny hevitra ry niryna a
io mitsaratsara olona io foana anie ka tsy mety e

:-D:-D:-D:-D
zany ve de mitombona:-D
24. ikaretsaka ( 13/09/2007 18:29)
ko izy no mpanao izany ko..
ny ahy aza mbola asiako mety..
fa ny azy rehefa tsy mazava tonga de condamnena ho "Heri" ny maizina (azafady letsy hery an)
25. cutie ( 13/09/2007 18:32)
tsy arako njay zany :-D
26. pissoa ( 13/09/2007 19:39)
niryna:

Tsy an'ny kristiana saingy rehefa tsy mifanaraka ny hevitrareo dia vonoinareo foana ny hafatra na tsy tonga


niryna nga moa tsy Kristianina ? :°)
27. diamondra27 ( 13/09/2007 19:47)
de mitady ny boudisma sy ny sisa koa zany e!

Zen :wink:
28. cutie ( 13/09/2007 20:02)
raha mba misy mahalala ny boudisme sao mba mahaliana :)
29. salmo1 ( 13/09/2007 20:47)
hery:
Allah = Andriamanitra kah.
Aoka hazava tsara!!!

Andriamanitra dia Andriamanitra, iray ihany..(Dios=Dios).
Ary Alah dia alah fa tsy Andriamanitra.
30. pissoa ( 13/09/2007 20:49)
^^:-D:-D:-D

Tahaka ny hoe i Salmo1 dia Salmo1 fa tsy Salmo ^^
31. ikaretsaka ( 13/09/2007 21:33)
salmo> mila mianatra theology aloha ialahy alohan'ny hitenitenenana foana ka..

na any amin'ialahy aza dia misy ny Dieu, Dios, A/tra, Seigneur, eternel, jehova Senor, God, Zanahary

dia any @ Arabo (arabo hoa fa tsy silamo an!) dia Allah no iantsoany azy.. na kristianina izy na silamo. Raha mivavaka any @ Kristianina ialahy ka tany Arabo dia manao Allah tsara mihitsy ry zareo!

Ohatran'ilay manao Jehovah ihany io.. na propestant (kristianina) na temoins de jehovah(tsy kristianina), samy andriamanitra no tiany lazaina @ io
32. salmo1 ( 13/09/2007 22:33)
Ikaretsaka Tsia.

Misy ny Pasteur evangelika manaiky ny Gay, ny Lesbiane, mifoka sigara, mamo lava sns... Ny zavatra lazainy Baiboly dia mifanohitra ny hataony Pasteur sasany.

Noho izany: Izaho tsy mila mianatra theology na karazam-pinoana. Fa rehefa manaiky any Jesosy anto am-(l)ko aho dia tsara izay amiko.
Tsy famonjena ahy ny fianarana theology ¿sa mavonjy ny fianarana theology?
33. salmo1 ( 13/09/2007 22:36)
Andriamanitra = Andriamanitra

EKSODOSY. 20; 3. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
34. piste ( 13/09/2007 23:35)
Mbola be ny zavatra tokony hianaranao ry Salmo1. Ary mba misokafa fa aza tery loatra ao @ Kristianisma fotsiny. Manontania Arabo na Indonezianina kristianina hoe : inona no anaran fiantsoanareo an`Andriamnitra RAY rah tsy Allah ihany ?
Tsy nampianarana antsika Kristianina izay mifanavakavaka izay.
35. kiranil ( 14/09/2007 00:16)
1. Jehovah Andriamanitra tsy mitovy amin\'ny Allah. Amin\'ny silamo Allah tsy manana zanaka velively. Ary Jesosy Kristy dia tsy Andriamanitra amin-ry zareo.

2. Jesosy Kristy nilaza fa Izy no ilay zanak\'Andriamanitra nidina tety an-tany hamonjy ny olona ho afaka amin\'ny fahotany. Ary ny filazana an\'io indrindra no antony namonon\'i Jiosy Azy.

3. Fehiny: Ireo maro mbola tsy mino fa Jesosy Kristy no ilay Andriamanitra nidina tety an-tany nanolotra ny ainy hamonjy ny olona dia Antikristy ( ao anatin\'izany ny jiosy, silamo, sns...).
II jaona 1:7

Mpifahavalo ireo kanefa Jesosy mampianatra ny fitiavana eny na dia ny fahavalo aza...

36. ikaretsaka ( 14/09/2007 01:29)
salmo1:

Andriamanitra = Andriamanitra

EKSODOSY. 20; 3. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.


ny andriamanitra lazainy eto anie salmo tsy Andriamanitry ny kristianina irery ihany fa sady an'ny jiosy koa, dia an'ny silamo koa
ireo fivavahana 3 ireo dia nipoitra t@ Abrahama avokoa,
37. Ragadona ( 14/09/2007 01:32)
Diso daholo reo lazainareo ireo saingy tsy haiko ny manazava ny marina
38. ikaretsaka ( 14/09/2007 01:38)
salmo1:

Ikaretsaka Tsia.

, mifoka sigara, mamo lava sns... Ny zavatra lazainy Baiboly dia mifanohitra ny hataony Pasteur sasany.

Aiza ao anaty baiboly no misy hoe tsy azo atao ny mifoka sigara kay ry salmo?

Noho izany: Izaho tsy mila mianatra theology na karazam-pinoana. Fa rehefa manaiky any Jesosy anto am-(l)ko aho dia tsara izay amiko.
Tsy famonjena ahy ny fianarana theology

ny finoana ry salmo inclusive fa tsy exclusive a.. I jesosy aza niantra sy nanampy ny samihafa finoana aminy (ny samaritanina, ny jentilisa...)

[/quote]
¿sa mavonjy ny fianarana theology?
[/quote]
tsy mahavonjy fa kosa .anampy bebe kokoa @ mampa lalina sy miorim-paka kokoa ny finoana. manjary fantatrao tokoa ny inoanao fa tsy hoe nasaina mino ianao dia izay fotsiny! Rehefa mino ihany dia tsara ny mandalina hoe fa maninona aho no mino, fa tsy mihanona fotsiny

39. Jeankely ( 14/09/2007 02:50)
Tantara lava ny fifanenjehin'ny Christian sy Silamo. Ny Malagasy mahay mifandray aman'olona samihafa ary malalaka. Aoka samy hifanaja fa tsy zakanao raha ny ratsy sy fifanenjehina no voizina. Samy sahirana ka mahaiza mametra ity vava sao hidiran'angano. Ny atao hoe fahotana mahafaty tsy mitovy. Ity vazivazy ity mba asio fetra fa tsy toerana iray ihany no mety halehanao.
40. majesty ( 14/09/2007 05:02)
hery:ka le hevitr'ilay atao hoe finoana mihitsy no tsy fantany dia izay no mahatonga azy hiteniteny foana.Amin'ny olona sasany mantsy rehefa miteny hoe finoana dia midika avy hatrany hoe Kristiana izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5277