Nataon'i Mosesy 40 andro,40 alina? Vitanao ve 2- 3 na +?

1. niryna ( 09/09/2007 06:38)
Ahoana no nahavitan'i Mosesy tsy nihinan-kanina 40 andro sy 40 alina?

Ny "fifadian-kanina" na "fasting"

Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo hianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.

Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra co anatrehan'i Jehovah hianareo

Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo hianareo: ho lalàna mandrakizay izany
Lev 16:29-31

Efa nifadi-hanina ve ianao dia ahoana?
Tantarao hoe izay fomba ataonao ? Firy andro no faharetany zakanao?

(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/09/2007 17:02
2. niryna ( 09/09/2007 06:44)
Ilay fifadian-kanina ve misy hifandraisany amin'ny karemy?
Mifadi-hanina izany amiko dia manokana andro hiresahana an'Atra,mivavaka,mamaky baiboly,mihaino hiramasina,sy toriteny.Rano fotsiny no sotroina ary tsy mihinana na mitelina vetintsakafo na zavatra hafa.Ary matetika koa dia misy zavatra tianao ho resahina aminy na mangataka zavatra Azy ianao,na inona na inona izany.
Ahoana no fieritreretanareo azy?

3. xxx ( 09/09/2007 07:40)

Ho an'ny katolika ny karemy dia fotoana natokana mba hihaonana bebe kokoa amin'Andriamanitra. Izay no tena zava-dehibe. Noho izany dia tsy fotoana hifadiana mba hinanam-be izy avy eo. Izany hoe: tsy fotoana hifadiana an'izao sy izao fotsiny fa fanomezana toerana misimisy kokoa an'Andriamanitra eo amin'ny tena, fampanjakana azy misimisy kokoa...

Hanjaka ao am-pontsika anie Kristy. Amen!
4. tywa68 ( 09/09/2007 08:19)
Hanampiako ny voalazan'i xxx dia manao karemy ny katolika zany hoe mihinana sakafo mahia (tsy misy hena) 40 andro alohan'ny paka ho fahatsiarovana ny nakàna fanahy an'i Tompo tany an'efitra :

http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/4

http://baiboly.katolika.org/boky/Marka/1

http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/4

natokana hibebehana io fotoana io, fifonana ary fiombonana @ rehetra = natao hamerenana an-tsaina fa ny sakafo-panahy no tena ilaintsika, ary afaka mamela ny sakafo mafilotra fanaontsika isika ho fanamarihana izany fotoana izany, ary fiomanana @ fankalazàna ny paka.


5. tywa68 ( 09/09/2007 08:21)
Arak'ilay fiteny hoe tempolin'Atra ny tena dia tsy mieritreritra ny hanimba an'izany @ tsy fihinanana, zany hoe tsy ho vitako io nataon'i Mosesy io :-D:-D
6. ikaretsaka ( 09/09/2007 11:36)
Efa nifadi-hanina ve ianao dia ahoana?

Efa fatao isaky ny karemy , Ferana ho sakafo mahia.. sy vary atsasaky ny fihinanao isan'andro(cf Tywa) T'sisy Lunch
Tantarao hoe izay fomba ataonao ?

io ambony io +isaky ny zoma isan'kerinandro mandrindra ny karemy(paoma fotsiny)
Sakafo maivana Firy andro no faharetany zakanao?

miezaka mamita 40 andro araka izay azo atao

fa bye bye sakafo mafilotra! sakafom-panahy no tena ilaina,(fandraisana komonio matetika)
7. dadie ( 09/09/2007 13:31)
Efa nifadi-hanina ve ianao dia ahoana?

za alo d efa nanao io ary 1 andro no nataoko ,nivavaka sy ireo voalazn'i niryna ireo oe rano fotsiny no nosotroina sns
ny oe naona no vitanjareo ny 40 andro satria efa voky arampanahy izy ireo
8. Zina ( 10/09/2007 00:44)
oy i tywa68

natokana hibebehana io fotoana io, fifonana ary fiombonana @ rehetra = natao hamerenana an-tsaina fa ny sakafo-panahy no tena ilaintsika, ary afaka mamela ny sakafo mafilotra fanaontsika isika ho fanamarihana izany fotoana izany, ary fiomanana @ fankalazàna ny paka.
.

Marina izany fa misy zavatra hafa koa ny antony hanaovana ny fifandia-kanina.
1- rehefa misy decision tena itanao fa important dia io amiko no ataoko, mangataka fanampiana avy any amin'Andriamanitra (ohatra fotsiny rehefa manao examen... etc...)
2- ny tenan-tsika dia indraindray mila repos amin'ny sakafo mazefatra izay nohanina... no sady tsara koa rehefa manao regime mihezaka mampahia tena...
fa izanay rehetra izany dia mila ny finoana izay avy any am-po fa ho tanteraka.
9. piste ( 10/09/2007 03:52)
Hanampiako an`izay> Dia tsara ho fantatra aloha fa tsy tanjona( na but) velively ny fifadian-kanina fa moyen na fomba entina hamolahan-tena hanomezana anjara toerana misimisy kokoa an`Andriamanitra eo @ fiainantsika. Ka miakina @ tsirairay io fa tsy voatery hanenjika izay nataon`i Jesoa hoe 40 andro.
Raha ny Karemy manokana no asian-teny dia misy zavatra telo no tanjona @ izany( ankoatry ny maha-fiomanana @ Paka azy) :
- Fibanjinana an`i Mistery ny Hazofijaliana( fanamafisana ny temps de priere )
- Fibebahana : misy toetra ratsy tianao hialana
- Fitodihana @ hafa indrindra ireo tena sahirana
10. todisoa2 ( 10/09/2007 08:50)
Ny fanontaniana mba nanaitra ahy fotsiny dia ity: '' tena ilaina ve ny fifadian-kanina? Inona no tanjona tiana hotratrarina raha mifady hanina ny olona iray?:lol:
11. sonwin ( 10/09/2007 08:59)
grève de la faim
12. simplex ( 10/09/2007 10:48)

nyrina,
nga Mosesy le ni-fast 40 andro fa tsy i Jesoa ? :P

Ny fahitako an'io alou d teorika be fa tsy tena mety e.
* asa ra efa nahita fianakaviana silamo enao. @ zao zao ramadan, d mifady hanina ry zareo mandritra ny masoandro eo. Tsy misotro na rano aza. Mino ve enao fa ra noana be d ho tafaresaka bebe kokoa @ A/tra?
Refa mi-break an'le fast ry zareo, "Iftah meal" zay no anarany, fa tena kaly be mintsy zany an. Donc, novaina fotsiny le regime hoe tsy mikaly @ atoandro fa akambana @ alina sy maraina doly zany.

* Ho an'ny kato/kristianina sasan-tsasany. voalohany alou efa mahantra ny gasy donc tsy sacrifice tsony le izy fa d hoe ny omaly tsy miova sisa. Faharoa hoan'le manan-katao. Matetika ny sakafo atoandro d maivana foana. Fa ny alina no tena saogany. Tsisy zavatra miova mintsy zany eo. Refa zoma ndray, hoe mifady hena ze afaka. Vao mia koa sakafo lafo vidy noho ny hena no hanina, jereo tsara ireny pizza veg ireny lafobe, crevette/trondro lafobe... ce ki fait q, vao mia mandany vola le ol nefa hoe tokony hiafy.

* Ny zavatra hitako tsara izao, ataon'ny fiangonana sasan-tsasany le manao rakitra hoan'ny karemy. Hoe vola a part mintsy no arotsaka atao ezaka hoan'ny fiangonana/mahantra...
13. hery ( 10/09/2007 10:48)
sonwin> =))

Misy koa io
14. ikaretsaka ( 10/09/2007 13:47)
Simp:-D
*fa misy olona le tena reefa nona be aloha dia tena mahatsiaro tena ho tafaresaka bedebe @ A/tra e. Za efa mba tratran'izany fa ny ahy indray tsy heo karemy na ramadan fa resaka sendra tsy nahita kaly fotsiny nefa nila ni battre be t@ desert..
* le @ zoma mifady hena, zay mahalafo ny vidina trondro izay indrindra no hitanao hoe manao ezaka (sacreifice) ianao @ herinandro mba hahatakakatra azy ko! lasa izany indray ny fivadiny @ izao. fa raha any @ Cote kosa , le any dia mora lavitra ny trondro, fa lafo ny legumes, dia ny legumes indray ko.

raha tsotsorina dia Le sacrifice sy fandavantena no mikaoty e, ny ahy any ny andraisako azy... Ohatra hoe manatombo ventsa isak'herinandro ny vola lany raha mividy tsonjo, dia mba mikarataka sy misakr mihitsy mba hahavitana izany
15. booboo ( 10/09/2007 14:16)
Arak'ilay fiteny hoe tempolin'Atra ny tena dia tsy mieritreritra ny hanimba an'izany @ tsy fihinanana, zany hoe tsy ho vitako io nataon'i Mosesy io


zà kounkou :°)...indrindra moa fa tsisy hena ! ay ay ay :^)
16. tywa68 ( 10/09/2007 14:31)
booboo : ka zay anie ny maha sacrifice azy e :-D:-D fa tsy hoe hanao noana be kosa aloha e :lol:
17. niryna ( 11/09/2007 04:43)
xxx:


Ho an'ny katolika ny karemy dia fotoana natokana mba hihaonana bebe kokoa amin'Andriamanitra. Izay no tena zava-dehibe. Noho izany dia tsy fotoana hifadiana mba hinanam-be izy avy eo. Izany hoe: tsy fotoana hifadiana an'izao sy izao fotsiny fa fanomezana toerana misimisy kokoa an'Andriamanitra eo amin'ny tena, fampanjakana azy misimisy kokoa...

Hanjaka ao am-pontsika anie Kristy. Amen!

Tsy azoko ny tianao ho tenenina hoe tsy fotoana hifadana mba hinanam-be

18. niryna ( 11/09/2007 04:44)
tywa68:

Hanampiako ny voalazan'i xxx dia manao karemy ny katolika zany hoe mihinana sakafo mahia (tsy misy hena) 40 andro alohan'ny paka ho fahatsiarovana ny nakàna fanahy an'i Tompo tany an'efitra :

http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/4

http://baiboly.katolika.org/boky/Marka/1

http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/4

natokana hibebehana io fotoana io, fifonana ary fiombonana @ rehetra = natao hamerenana an-tsaina fa ny sakafo-panahy no tena ilaintsika, ary afaka mamela ny sakafo mafilotra fanaontsika isika ho fanamarihana izany fotoana izany, ary fiomanana @ fankalazàna ny paka.






misaotra anao nanazava :D
19. niryna ( 11/09/2007 04:53)
tywa68:

Arak'ilay fiteny hoe tempolin'Atra ny tena dia tsy mieritreritra ny hanimba an'izany @ tsy fihinanana, zany hoe tsy ho vitako io nataon'i Mosesy io :-D:-D

marina izany.

20. niryna ( 11/09/2007 05:01)
ikaretsaka:

Efa nifadi-hanina ve ianao dia ahoana?

Efa fatao isaky ny karemy , Ferana ho sakafo mahia.. sy vary atsasaky ny fihinanao isan'andro(cf Tywa) T'sisy Lunch
Tantarao hoe izay fomba ataonao ?

io ambony io +isaky ny zoma isan'kerinandro mandrindra ny karemy(paoma fotsiny)
Sakafo maivana Firy andro no faharetany zakanao?

miezaka mamita 40 andro araka izay azo atao

fa bye bye sakafo mafilotra! sakafom-panahy no tena ilaina,(fandraisana komonio matetika)

misaotra ika,serieux ve izany hoe paoma fotsiny izany?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4575