Nataon'i Mosesy 40 andro,40 alina? Vitanao ve 2- 3 na +?

21. niryna ( 11/09/2007 05:09)
dadie:

Efa nifadi-hanina ve ianao dia ahoana?

za alo d efa nanao io ary 1 andro no nataoko ,nivavaka sy ireo voalazn'i niryna ireo oe rano fotsiny no nosotroina sns
ny oe naona no vitanjareo ny 40 andro satria efa voky arampanahy izy ireo

misy mahavita dimy andro tsy mihinan-kanina (tsy misotro rano hono izy fa kely fotsiny satria hono ny rano mahatonga ilay te-ihinana sakafo.Saingy tsy dia tsara ilay izy raha fifadian-kanina tsy misy rano satria mila rano ny vatana(mety velona ao anaty fotoana lava ny olona raha misotro rano fotsiny fa tsy mihinan-kanina saingy miteraka tsy fahampian-drano raha tsy mihinan-kanina no tsy misotro rano).
H.S kely ity nisy miaramila very tany anaty akata ka tsy hita nandritra ny iray volana,tany anaty rano no nipetraka rehefa maraina fa matahotra ny fahavalo ary izay biby kely teny an-tsaha teny no nohaniny nandritra izay volana iray izay.(nohaniny manta sy velona :roll:)

22. niryna ( 11/09/2007 05:21)
Zina:

oy i tywa68

natokana hibebehana io fotoana io, fifonana ary fiombonana @ rehetra = natao hamerenana an-tsaina fa ny sakafo-panahy no tena ilaintsika, ary afaka mamela ny sakafo mafilotra fanaontsika isika ho fanamarihana izany fotoana izany, ary fiomanana @ fankalazàna ny paka.
.

Marina izany fa misy zavatra hafa koa ny antony hanaovana ny fifandia-kanina.
1- rehefa misy decision tena itanao fa important dia io amiko no ataoko, mangataka fanampiana avy any amin'Andriamanitra (ohatra fotsiny rehefa manao examen... etc...)
2- ny tenan-tsika dia indraindray mila repos amin'ny sakafo mazefatra izay nohanina... no sady tsara koa rehefa manao regime mihezaka mampahia tena...
fa izanay rehetra izany dia mila ny finoana izay avy any am-po fa ho tanteraka.



Misaotra anareo,misaotra aky zina a.Isika kristiana izany dia tokony hanao anio raha afaka.Ny ahy dia rehefa tsy miasa aho no manao azy.
Tsy mihinan-kanina,tsy misotro ranon-javatra(jus,eny fa na fanafody aza tsy hohaniko raha sendra mila mihinana ohatra,sy toy ny vitamine sy ny calcium izany.
Ny tena mampa-gaga dia amin'io andro io misy fakam-panahy hafa kely :x izay tsy am-poizina.
Ohatra hoe mahandro sakafo mafilotra ny ao an-trano,dia ny tena mbola vao mifoha dia efa misy sakafo manitra be eo ambonin'ny latabatra.
Misy koa ny hoe mandeha eny amin'ny mpivarotra dia misy mizara biscuit misy zavatra kely eo amboniny,dia iny ianao maka ka andeha handrapaka vao mahatsiaro.:wink:
Ny cereal mipetraka eo isan'andro tsy hitanao hoe toa matsiro,amin'iny andro iny anefa toa matsiro izany ny fijery azy.:roll: Asa ianareo raha mba voan'ny fakam-panahy toa izany :twisted:
23. majesty ( 11/09/2007 05:21)
niryna:Sao dia i Jesosy no tianao ho lazaina dia lasa hoe i Mosesy(Jesosy ihany no nifady hanina 40 andro sy 40 alina,ary avy eo izy ilay nalain'i Satana fanahy).
tywa68:ny karemy raha ny fahazoako azy fony aho mbola tao anatiny dia tsy hoe tsy mifady hanina tanteraka fa ny hena fotsiny no tsy hohanina ary tsy hoe isan'andro mialoha ny paska fa isaka zoma,ho fahatsiarovana an'ilay zoma namoizan'ny Tompo ny ainy.
Ika:nialohan'ny nanaovan'i Jesosy ny asany teto an-tany dia natombony t@ fifadian-kanina ilay izy,amin'ireo mpanao arts martiaux dia nadikan-ndry zareo ho fanaovana meditation izy io mialohan'ny hanaovana zavatra iray.
24. Rasiligaoma ( 11/09/2007 05:32)
niryna:

misaotra ika,serieux ve izany hoe paoma fotsiny izany?

mitovy zahay sy Ika amin'ilay voankazo fotsiny no hanina rehefa zoma. Fa ny ahy izay hitako eo kosa fa tsy hoe paoma.

fa vita rehefa mamehy tena ka!
Fa tena marina koa ilay hoe mahatsiaro akaiky kokoa an'A/tra rehefa noana ka, amelana toerana kely ao anatin'ny tena mba ho an'A/tra e:-D



25. niryna ( 11/09/2007 05:38)
piste:

Hanampiako an`izay> Dia tsara ho fantatra aloha fa tsy tanjona( na but) velively ny fifadian-kanina fa moyen na fomba entina hamolahan-tena hanomezana anjara toerana misimisy kokoa an`Andriamanitra eo @ fiainantsika. Ka miakina @ tsirairay io fa tsy voatery hanenjika izay nataon`i Jesoa hoe 40 andro.
Raha ny Karemy manokana no asian-teny dia misy zavatra telo no tanjona @ izany( ankoatry ny maha-fiomanana @ Paka azy) :
- Fibanjinana an`i Mistery ny Hazofijaliana( fanamafisana ny temps de priere )
- Fibebahana : misy toetra ratsy tianao hialana
- Fitodihana @ hafa indrindra ireo tena sahirana

misaotra anao nizara :*
Ny kristiana izany dia tokony anao an'io eny fa na dia indray andro fotsiny ihany aza.Toy ny mivavaka,mamaky baiboly,miezaka ny mitadidy ny soratra masina.
- ho fahafantarana fa mbola ho avy i Kristy: Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.( Mat
9:15)

-Ho fanajana an'Atra: ary efa mpitondratena tokony ho efa amby valopolo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina. Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema(Lk 2:37-38 )
-Ho fanetre-tena:Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.(Sal 69:9-10)

26. niryna ( 11/09/2007 05:40)
todisoa2:

Ny fanontaniana mba nanaitra ahy fotsiny dia ity: '' tena ilaina ve ny fifadian-kanina? Inona no tanjona tiana hotratrarina raha mifady hanina ny olona iray?:lol:

Io misy fanazavana kely azoko omena anao.

ho fahafantarana fa mbola ho avy i Kristy: Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.( Mat
9:15)

-Ho fanajana an'Atra: ary efa mpitondratena tokony ho efa amby valopolo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina. Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema(Lk 2:37-38 )
-Ho fanetre-tena:Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.(Sal 69:9-10)
27. Rasiligaoma ( 11/09/2007 05:46)
niryna>mba hevitro: dia rehefa manao karemy ny katolika no manao, amin'izay mora ny calcul sy misy fahafoizan-tena kokoa!
fa ilay hoe rehefa week end manko dia karazan'ny manambara hoe rehefa ilay miala sasatra no manao, dia tsy misy fiantraikany loatra sy tsy dia tena tsapa.
Ilay an'i dadie koa manao karazana Andriamanitra rehefa misy patsa: hoe rehefa misy cas desesperee izany vao mifady hanina..

HS an'i niryna sy ilay resaka miaramila: rehefa mipetraka any anaty ala ianao, dia misy fotoana koa mihinana izay hitanao ao miaraka amin'ilay olona tompon-tany, hanina daholo na fakan'izao hazo rehetra izao na izao bibikely izao. Instinct de survie izany amniko fa tsy misy fiantraikany loatra!
Misy fotoana ireny Antatroy any amintsika ireny dia Ravin-tsilo sy voan-tsilo sy lamonty sy fakafakan-javatra sy ranon'ando no haniny sy sotroiny ... misy amin'ireny anefa tsy mahalala an'A/tra akory, fa na mihinana , na maty!
28. niryna ( 11/09/2007 05:53)
todisoa2:

Ny fanontaniana mba nanaitra ahy fotsiny dia ity: '' tena ilaina ve ny fifadian-kanina? Inona no tanjona tiana hotratrarina raha mifady hanina ny olona iray?:lol:

Dia mbola azoko ho tohizana ihany koa.
Tena ilaina ilay izy .
Mosesey,Elijah dia nifady sakafo 40 andro sy alina.Nisy fanahin'Atra tao amin-dry zareo nahatonga azy nahavita izany.


Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Sora­ty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.

Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo. Eks 34:27-28

9 Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala ety hianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny làlana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.

13 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.

14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy hianao.

15 Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tànako roa.

16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily hianareo niala tamin'ny làlana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.

17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tànako roa ho vakivaky teo imasonareo.

18 Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy. Deot:9:9,12-18
29. niryna ( 11/09/2007 06:02)
simplex:


nyrina,
nga Mosesy le ni-fast 40 andro fa tsy i Jesoa ? :P

Ny fahitako an'io alou d teorika be fa tsy tena mety e.
* asa ra efa nahita fianakaviana silamo enao. @ zao zao ramadan, d mifady hanina ry zareo mandritra ny masoandro eo. Tsy misotro na rano aza. Mino ve enao fa ra noana be d ho tafaresaka bebe kokoa @ A/tra?
Refa mi-break an'le fast ry zareo, "Iftah meal" zay no anarany, fa tena kaly be mintsy zany an. Donc, novaina fotsiny le regime hoe tsy mikaly @ atoandro fa akambana @ alina sy maraina doly zany.

* Ho an'ny kato/kristianina sasan-tsasany. voalohany alou efa mahantra ny gasy donc tsy sacrifice tsony le izy fa d hoe ny omaly tsy miova sisa. Faharoa hoan'le manan-katao. Matetika ny sakafo atoandro d maivana foana. Fa ny alina no tena saogany. Tsisy zavatra miova mintsy zany eo. Refa zoma ndray, hoe mifady hena ze afaka. Vao mia koa sakafo lafo vidy noho ny hena no hanina, jereo tsara ireny pizza veg ireny lafobe, crevette/trondro lafobe... ce ki fait q, vao mia mandany vola le ol nefa hoe tokony hiafy.

* Ny zavatra hitako tsara izao, ataon'ny fiangonana sasan-tsasany le manao rakitra hoan'ny karemy. Hoe vola a part mintsy no arotsaka atao ezaka hoan'ny fiangonana/mahantra...



ie, Jesosy nalain'ny devoly fanahy tao aorian'ny nanaovana Batisa azy ary teo no nanomboka ny asany.
Ireo efa nolazain'ny namana ireo ilay izy
Nalainy devoly fanahy izy tamin'ny mofo: Mat 4:4 ary dia niteny Izy fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny tenin'Atra
Nalainy fanahy koa izy ny hianjera eny an-tendrombohitra raha tena zanak'Atra Deot 6:16 dia namaly indray izy hoe aza maka fanahy an'i Jehovah ATrao.
Nasehon'ny satana azy daholo indray izao rehetra izao ary nasainy niankohoka taminy,dia namaly indray izy hoe Jehovah Atra irery ihany no hiankohanao
Ary kristy dia nampiasa ny tenin'Atra foana:Efa voasoratra:arrow:hery iray lehibe ho antsika ny hampiasa ny tenin'Atra eo anoloanan'ny satana mitady hamingana sy handripaka ary maka fanahy.

30. Rasiligaoma ( 11/09/2007 06:13)
niryna> i Jesosy nozahain'i'i satana tamin'ny soratra masina dia namaly tamin'ny soratra masina ka..
fa tsy nampiasa ny tenin'Andriamanitra voasoratra izy satria efa Andriamanitra izy no miteny dia! ny teny lazainy efa Tenin'Andriamanitra!
Nuances nuances...
31. niryna ( 11/09/2007 06:18)
Ity ary ny soratra milaza fa Mosesy koa dia nifady hanina 40 andro sy 40 alina.(in-droa:arrow: tahaka ilay nataoko teo aloha hoy izy) Ny tsy hitovizany izy sy Jesosy dia Jesosy nalain'ny devoly fanahy,izany hoe navelan'ATra nalainy fanahy izy.Tsy tompon'ny tenany izany ny devoly an, fa maka fanahy toy isika olona alainy fanahy.:lol:
Deot 9:9,12,14,16,1718
Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,

12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala ety hianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny làlana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.


14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy hianao.

16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily hianareo niala tamin'ny làlana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo.

17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tànako roa ho vakivaky teo imasonareo.

18 Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra,
izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
32. niryna ( 11/09/2007 06:23)
tywa68:

booboo : ka zay anie ny maha sacrifice azy e :-D:-D fa tsy hoe hanao noana be kosa aloha e :lol:


Manandrama tywa68 an.Ohatra hoe amin'ny 5:30- 6:00 pm h ianao no mihinan-kanina farany dia rahampitso amin'io ora io indray. Tsy vitan'ny hoe nahazo hery aram-panahy ihany fa ny kibo koa lasa:D tsy mahazo mangala-pihinana fa manjary tsy mifady an.Misy olona hono tsy mitelina na ny rorany azy,io indray aloha dia tsy haiko an.
33. niryna ( 11/09/2007 06:42)
majesty:

niryna:Sao dia i Jesosy no tianao ho lazaina dia lasa hoe i Mosesy(Jesosy ihany no nifady hanina 40 andro sy 40 alina,ary avy eo izy ilay nalain'i Satana fanahy).
Io ambany io ny fanazavana

Ika:nialohan'ny nanaovan'i Jesosy ny asany teto an-tany dia natombony t@ fifadian-kanina ilay izy,amin'ireo mpanao arts martiaux dia nadikan-ndry zareo ho fanaovana meditation izy io mialohan'ny hanaovana zavatra iray.

Majesty a > misaotra,io efa nomeko io ny tantaran'i Mosesy ka.Marina izany fa Jesosy nalain'ny satana fanahy.Niaritra ny mafy izy,ary amin'ny maha-zanak'Atra azy sy talohany handraisany anjara eo amin'ny fanaovany ny fahagagana sy ny fitoriany no nalainy fanahy izy.

Mosesy indray dia niresaka nivatana tamin'Atra ary nisy zavatra nampanaoviny azy.

Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah.

Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinanaEks 34:5-6

Voalohany dia ny fanoratana ny didy folo tamin'ilay vato fisaka:
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Sora­ty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.
Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
Eks 34:27-28


Ny faharoa dia ny fifonany ny Israely izay niala tany Egypta ka nanao atra hafa,ary dia nampitandrina azy na niresaka taminy ATra fa haringany ny olona ka Mosesy izany no nifona tamin'ATra.

Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tànako roa ho vakivaky teo imasonareo.

Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
Deot 9:17-18
34. niryna ( 11/09/2007 06:47)
Rasiligaoma:

[quote=niryna]
misaotra ika,serieux ve izany hoe paoma fotsiny izany?

mitovy zahay sy Ika amin'ilay voankazo fotsiny no hanina rehefa zoma. Fa ny ahy izay hitako eo kosa fa tsy hoe paoma.

fa vita rehefa mamehy tena ka!
Fa tena marina koa ilay hoe mahatsiaro akaiky kokoa an'A/tra rehefa noana ka, amelana toerana kely ao anatin'ny tena mba ho an'A/tra e:-D
Tsra ilay izy rasily a fa ilay hoe tsy tokony ihinana mihitsy koa maninona no mihinana paoma indray?
Na vit na fanafody aza tsy ho hanina.Atra tsinona afaka manasitra ary rehefa mino tokoa ianao dia tsy maninona akory raha mandingana tsy mihinana ilay fanafody ohatra raha ohatra ka mihinana.

Ny ahy no hitako koa aloha dia toa romotra be satana rehefa avy eo,lasa misy olona manome anao fanafitohina fotsiny izao,izaho indray dia tsy tezitra fa mihomehy.Olona eny am-panidinana anie izany e:D


35. niryna ( 11/09/2007 07:11)
simplex:


nyrina,
nga Mosesy le ni-fast 40 andro fa tsy i Jesoa ? :P

Ny fahitako an'io alou d teorika be fa tsy tena mety e.
* asa ra efa nahita fianakaviana silamo enao. @ zao zao ramadan, d mifady hanina ry zareo mandritra ny masoandro eo. Tsy misotro na rano aza. Mino ve enao fa ra noana be d ho tafaresaka bebe kokoa @ A/tra?
Refa mi-break an'le fast ry zareo, "Iftah meal" zay no anarany, fa tena kaly be mintsy zany an. Donc, novaina fotsiny le regime hoe tsy mikaly @ atoandro fa akambana @ alina sy maraina doly zany.

* Ho an'ny kato/kristianina sasan-tsasany. voalohany alou efa mahantra ny gasy donc tsy sacrifice tsony le izy fa d hoe ny omaly tsy miova sisa. Faharoa hoan'le manan-katao. Matetika ny sakafo atoandro d maivana foana. Fa ny alina no tena saogany. Tsisy zavatra miova mintsy zany eo. Refa zoma ndray, hoe mifady hena ze afaka. Vao mia koa sakafo lafo vidy noho ny hena no hanina, jereo tsara ireny pizza veg ireny lafobe, crevette/trondro lafobe... ce ki fait q, vao mia mandany vola le ol nefa hoe tokony hiafy.

* Ny zavatra hitako tsara izao, ataon'ny fiangonana sasan-tsasany le manao rakitra hoan'ny karemy. Hoe vola a part mintsy no arotsaka atao ezaka hoan'ny fiangonana/mahantra...



Tsara kosa izany ezaky ny fiangonana izany.Io ezaka mifady io dia miankina ny tsirairay.Toy ny fiteny ,manandrama dia ho hitanao.Ity azo andramana fa tsy ny rehetra akory dia mila manandrakandrana amin'ny tsy misy dikany(oops,ny tanora no tiako ho tenenina )
Izaho aloha efa nanao ary tamin'ny voalohany dia tena mazana,nanandrana nifady sakafo aho roa andro fa somary mazana be ilay izy,ny famantaranandro foana no sasatra nojerena.Ny indray andro izany vitako fa roa miezaka ihany aho.
Eny mila manolotena an'Atra isika,lasa mialalina ilay izy izany,mahery koa ny satana fa tsy tiany ilay izy ka na ny sakafo rehetra izay jerenao toa matsiro daholo (shame on me :roll:)
Mosesy noresahin'Atra mivatana ary dia nifady hanina izy io ambony voalazako io.
Noresahin'ATra indray fa manana atra hafa ny Israely ka ho haripany daholo ary dia Mosesy no nifona tamin'ATra ary dia nifady hanina indray izy (40 andro ,40 alina)
36. tywa68 ( 11/09/2007 11:09)
niryna : tsy manandrana ny zavatra mety hanimba ny tempolin'Atra aho e ! mifady izany amiko manao fanolora-tena hihafy (ary raha azo atao isanandro moa vao maika tsara) mizara ny kely an-tanana, mitsinjo ny madinika, fa tsy variana mameno kibo satria manam-bola hilaofana isan'andro.

Fa tsy hoe i Mosesy nahavita 40 andro sy alina, dia hanenjika an'izany !

Soa fa tsy ny halavan'ilay fifadian-kanina no hahazoana ny fanjakan'ny lanitra fa d efa veloma raha izay !:lol:

Aleo ihany samy manao ny azy fa samy manana ny toe-batany koa (raha hahabe faka-panahy dia adaboy).

Azo hiafiana ny vary sy laoka, ary vitan'ny paoma ny journée fa raha iny isan'andro dia efa zavatra hafa ny tanjona.

Ilay fanafody kosa na mino ohatran'inona aza dia raisiko na vitamines io na compléments satria matoa nomen'Atra fahaizana @izany ny olombelona dia nomeny alalana hampiasa koa, satria mahasoa izany.

37. ikaretsaka ( 11/09/2007 12:00)
ny Tokony tsy hihinana mihitsy di tsy raisina ara-bakiteny, ny hahavelona sy hitsimbina ny aina no atao.
ny Tempolin'Andriamanitra dia heo raha tsy miasa aza dia tsy midika kosa fa tsy karakaraina.."mba fafana ny vovoka, soloina ny Labozia...
sao koa manko haolo eo ka mirodana ho azy eo dia vao mainka tsy hita izay maha tempoly azy
i mosesy dia ambony ny "Mystique" ao aminy.
tywa (rehefa Zoma mandritra ny karemy hoa.. sy Zoma masina)
38. fijo ( 11/09/2007 22:35)
ô ry ika an,raha ny var antsasaky ny fihinako mety mbola mahavoky be ny sasany kle.
za koa aloha efa nanao io karemy io e,fa ny ahy fanandramana fotsiny fa tsy nisy finoana,ary tena hoatry ny nanadio tena tokoa aloha,satria naheno salama koka aho tamin'io.saingy vao nihinana avy eo dia vita matavy indray.
fa izao e,aza de arahana arabakiteny ry niryna izay hita ao anaty baiboly ao,fa misy fanitarana kely anie ao e.ny filozofian'ilay voalaza jerena fa aza raisina be toa io.
ny filozofian'io dia hoe ,miala kely amin'ny mahazatra isan'nadro"40 andro"mba hanakekezana kokoa ilay inoana,mety vavaka be io,mety fandinihan tena io,azo atao asa fanampiana ny afa koa,izay tianao e.ary mba mandefitra mianatr miaina toy ny tsy fanao
39. ikaretsaka ( 11/09/2007 22:57)
izay mihitsy
40. tywa68 ( 12/09/2007 04:11)
Ika : :lol:
Fijo : =D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2465