Ny fiangonana sy ny Famonjena,tsy mitovy ireo!!

1. niryna ( 07/09/2007 07:06)
Maninona no manontany ny fiangonana foana ny olona rehefa misy zavatra tsy hitovizana?

Ny fiangonana na Religion : dia namboarin'ny olona hanatonana an'Atra ( Religion: what man made to reach out God)

Ny famonjena indray na salvation: dia nataon'Atra mba hanatonan'ny olona an'Atra dia avy amin'ny Zanany Lahitokana Kristy Jesosy na Jesoa izany.

Tsy ny fiangonana izany no tokony ho hindraindraina, rehefa misy hevitra tsy mitovy dia tonga dia fantatra foana hoe ireo ilay kato na ireo ilay protes na ireo ilay mpanohitra ny tenin'Atra sns dia mifanjohy eny hatrany eny fa na diso aza ny lazain'ilay iray:roll: na tsy manonona anarana aza ilay olona dia fantatra foana.
Toa lasa tsy mandalina ny fivavahana dia ny finoana an'i Kristy izany ilay izy,lasa misy manao valy boraingina dia hovaina ny sujet dia lasa mivily any an-kafa ilay izy.
Tsy io ve ry ireto no tokony ho tanjona atao dia ny ahazoan'ny tsirairay famonjena?

Hianareo ve tsy mahatsampa izany?

Amiko fanomezana maimaipoana ho an'izay mandray an'i Kristy ho Mpamonjy azy :arrow: tsy ny fiangonana izany no tokony asiana resaka raha izany.Asa aloha e

Inona ary izany no tokony ataontsika raha izany?
Averiko indray fa tsy ny fiangonana mihitsy no hanavotra antsika fa ny finoana an'i Kristy .

Misaotra antsika rehetra amin'ny fiarahana mikaroka ny marina hatrany.Ny tenin'Atra no ahitana ny marina ka izay voasoratra ao dia voasoratra fa tsy hoe arakaraky ny toetr'andro.
(l)niryna
novalian'i tywa68 ny 16/09/2007 19:38
2. hery ( 07/09/2007 07:40)
Ho an'ny tsy kristianina angamba io filazan'i niryna io :-)

Io ilay lazaiko foana hoe farito aloha ny domaine vao miteny.

Ho an'ny Kristianina (ou plutot ho an'ny Katolika) dia i Kristy no nanorina ny Fiangonana.

Tsy niasa irery i Kristy fa nifidy Apostoly (indrisy ve? :-) )
Tsy novitainy daholo koa ny asa (azony natao ny nanao mazi mazi dia vita batisa daholo ny olona rehetra)... fa hoy izy hoe Mandehana... ataovy mpianatro ny olona rehetra.

Natsangany ho mpitory ny famonjena ny Fiangonana... koa tombony ho an'ny mpitady famonjena ny manatona ny Fiangonana.

Ho anay Kristianina aloha izay... fa asa ny anareo.
3. lapino ( 07/09/2007 11:38)
Azo raisina ve ny tenin'i Hery hoe tsy kristiana izay tsy katolika ? :roll:
4. ikaretsaka ( 07/09/2007 11:47)
dia ratsambatany ny fiangonana koa, (ao anaty baiboly io)! ary koa lazaina hoe vadin'i Kristy.(ao anaty baiboly koa izay)

Raha mamonjy ny zanakao ve ny vadinao dia ianao tsy namonjy azy ramose irery?

Ho'zy ilay Frera jesuites izay (Fazzio) momba io ratsambatan'i Kristy io hoe

"rehefa mamono baolina ialahy dia ny lohan'ialahy no miteny hoe ary ty no alatsako, dia dakan'ialahy na atsipin'ialahy any ilay izy,dia maty, amin'izay dia iza no nahafaty ilay baolina.. ny loha sa ny tongotra?

Raha mbola nisalasala teo izahay dia hozizy hoe!
"Ialahy no nahafaty ny baolina"
Dia toy izany koa ny fandehan'io

Ho anay aloha izany an...
5. kalina80 ( 07/09/2007 12:35)
Mitovy hevitra tanteraka @ niryna aho.Tsy ny anaram-piangonana mihitsy no jeren'ny Tompo na ny fomba2 ao @ le fiangonana.Ny fo manaiky sy mandray ani Jesosy kristy ho Tompon'ny fiainana no zava-dehibe.
Tsy hanadina antsika velively ny Tompo rehefa any andanitra hoe ianao v kato sa protestan sa inona?

tokony atao an-tsaina mandrakariva fa ny salut dia personnel.Tsy miankina @n'olona fa miankina aminao sy ny Tompo ihany.Ary amiko dia ny FAMONJENA na SALUT ihany no basen'ny finoana.
Aza manankim-po @ fiangonana fa ho very eo.
6. hery ( 07/09/2007 14:27)
lapino> Eny, izay Katolika (ny protestanta koa Katolika fa nojereko ny Credo-ny), no kristianina.

kalina80> Ka tsy kato na protestan mihitsy no atao hoe Fiangonana... karazam-piangonana ireny. Tsy hanontany anao mihitsy ny Tompo hoe Kato ve ianao sa Protestan ve ianao. Fa ny anontaniany dia hoe "Niaina tao anaty fitiavana ve ianao".

Personnel tokoa ny salut. Fa tombony fotsiny ny an'izay niaina tao anatin'ny Fiangonana (izany hoe natao batisa, niaina ny fitiavana tao anatin'ny ankohonan'ny fiangonana).

Ny mahadiso anareo angamba raha vao resaka hoe fiangonana dia tonga dia hoe Protesta na Katolika :-)

Dia averiko indray ilay nolazaiko tetsy ambony. Ilaina ny Fiangonana, raha tsy izany tsy nanorina izany i Jesoa.

Tsy mitovy ny Famonjena sy ny Fiangonana, tsy ao anatin'ny Fiangonana ihany no hahitana famonjena, fa ny Fiangonana dia tombony ho an'izay mitady famonjena.

kalina80:

Ary amiko dia ny FAMONJENA na SALUT ihany no basen'ny finoana.

Tsy base indray angaha ny Tenin'Andriamanitra?
7. kalina80 ( 07/09/2007 15:04)
hery:

Tsy base indray angaha ny Tenin'Andriamanitra

Important ny fidirana anaty fiangonana satria io no iorenan'ny finoana @ alalan'ny tenin'Atra sy ny batisa sy ny fomba2 rehetra.
Basen'ny finoana tokoa ny tenin'Atra fa na mahay ny tenin'Atra toy inona ary ianao ka tsy mi-appliqué azy eo @ fiainanao dia inona no dikany?

8. ikaretsaka ( 07/09/2007 18:13)
kalina80:

Mitovy hevitra tanteraka @ niryna aho.Tsy ny anaram-piangonana mihitsy no jeren'ny Tompo na ny fomba2 ao @ le fiangonana.Ny fo manaiky sy mandray ani Jesosy kristy ho Tompon'ny fiainana no zava-dehibe.
Tsy hanadina antsika velively ny Tompo rehefa any andanitra hoe ianao v kato sa protestan sa inona?

tokony atao an-tsaina mandrakariva fa ny salut dia personnel.Tsy miankina @n'olona fa miankina aminao sy ny Tompo ihany.Ary amiko dia ny FAMONJENA na SALUT ihany no basen'ny finoana.
Aza manankim-po @ fiangonana fa ho very eo.

misy antony kosa ny fiangonana matoa naoriny sy nolazainy ho "rantsam-batany" sy "Andefimandriny" e

Ao raha
9. ikaretsaka ( 07/09/2007 18:15)
hery:
Ny mahadiso anareo angamba raha vao resaka hoe fiangonana dia tonga dia hoe Protesta na Katolika

Dia averiko indray ilay nolazaiko tetsy ambony. Ilaina ny Fiangonana, raha tsy izany tsy nanorina izany i Jesoa.

Tsy mitovy ny Famonjena sy ny Fiangonana, tsy ao anatin'ny Fiangonana ihany no hahitana famonjena, fa ny Fiangonana dia tombony ho an'izay mitady famonjena
.

Miombona hevitra
10. Veloo ( 07/09/2007 18:30)
Mpandefa : hery [ Valio ] 07-09-2007 16:27:51
Lohateny : Re : Ny fiangonana sy ny Famonjena,tsy mitovy ireo!!
lapino> Eny, izay Katolika (ny protestanta koa Katolika fa nojereko ny Credo-ny), no kristianina.

8O8O
11. cutie ( 07/09/2007 18:39)
veloo
tonga soa njy :-*
Voalaza teo :
Mpandefa : hery [ Valio ] 07-09-2007 16:27:51
Lohateny : Re : Ny fiangonana sy ny Famonjena,tsy mitovy ireo!!
lapino> Eny, izay Katolika (ny protestanta koa Katolika fa nojereko ny Credo-ny), no kristianina.

ze mpanara dia an'i kristy rehetra no kristiana.
Tafiditra ao daholo na katolika na protestante , na ny finoana sasany
raha esorina le fiangoanana:lol:
12. ikaretsaka ( 07/09/2007 19:13)
well mbola mila jerena ny maha kristianina na kristianintianim-poana ko..
misy fiteny izay manao hoe tsy izay miantso hoe Tompoko tompoko,no.... fa izay...
13. cutie ( 07/09/2007 19:18)
Ikaretsaka ve no hijery an'zany :-D
14. ikaretsaka ( 07/09/2007 19:23)
ny"fandinihin-tenany" sy ny conscience-ny ka
15. cutie ( 07/09/2007 19:29)
hay moa zay le teny filamatra :)
de refa nandinin-tena i Ika de kristiana sa tsia :D
16. Veloo ( 07/09/2007 19:31)

Mpandefa : cutie [ Valio ] 07-09-2007 20:39:57
Lohateny : Re : Ny fiangonana sy ny Famonjena,tsy mitovy ireo!!
veloo
tonga soa njy

Voalaza teo :
Voalaza teo :
Mpandefa : hery [ Valio ] 07-09-2007 16:27:51
Lohateny : Re : Ny fiangonana sy ny Famonjena,tsy mitovy ireo!!
lapino> Eny, izay Katolika (ny protestanta koa Katolika fa nojereko ny Credo-ny), no kristianina.

ze mpanara dia an'i kristy rehetra no kristiana.
Tafiditra ao daholo na katolika na protestante , na ny finoana sasany
raha esorina le fiangoanana

tsay, tsay tsay cutie. Mahay mihitsy anie ndry zany retsy a marina mihitsy io lazain-dry io ka
tonga soa ko injy hihihihih

:-*:-*:-*

17. ikaretsaka ( 07/09/2007 19:43)
fa zao fotsiny no ataovy ao an-doha..
raha tsy nilaina ny fiangonana, tsy nivaky la tete sy nandany fotoana nanorina an'izany i kristy fa niteny fotsiny hoe inoy aho de eoa basy!

fa matoa izy nisahirana sy nanao izany... ao raha!
18. cutie ( 07/09/2007 19:46)
tsy mamaly ny fanontaniako zany :D
sa nyrina no valian'i Ika @ io:roll:
19. cutie ( 07/09/2007 19:50)
veloo:-*:-*:-*:-*
za efa tonga efa ela ka :lol:
20. Veloo ( 07/09/2007 19:52)
cutie hihihih
bisou ne njy retsy a...:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0935