Fijangajangana
61. fenomanantsoa
(
14/09/2007 14:19)
todisoa2:
ahoana ny fijangajangana sy ny fiainana kristiana. Niresaka tamina pastora ity olona iray. Nanontany ny amin'ny fijanjgajangana ity izy. Rehefa nandeha ny dinidinika dia niafara tamina hevin-teny ny fanontaniany: ''ny @lay tenin'i Jesosy, hoy izy no somary anontaniako tena indraindray. Hoy mantsy Izy hoe na dia mijery vehivavy fotsiny hianareo (lehilahy) dia efa mila azy sahady. Ka raha mahita vehivavy tsara bika hianao ka mahateny hoe:'' mba tsara zalahy sipa iny!.'' Fijangajangana ve zay Pastora? '' Raha ny hevitro manokana, mbola tsy fijangajangana io raha tsy efa manam-paniriana hila azy hianao, izany hoe mijanona eo @ fankasitrahana fotsiny ilay izy, fa tsy mbola faniriana. Ary ny evitrao mba ahoana?.
1- I Todisoa2 ve no pasitera sa ahoana fa toa misy conversation n'olona iray tamina pasteur foana ny lohahevitra arosony. Mino aho fa miombonkevitra amiko ny mpiserasera rehetra.
2- Izao no izy r'ise a! Ny fahitana vehivavy tsara raha tafatopimaso eny aminy ny lehilahy iray dia tsy fahotana satria ny maso natao hijerena ny manodidina.
Ny fitenenana hoe "tsara iny sipa iny" dia mety ho efa fahotana sahady raha toa ka ny fitia te hila azy no ilazana izany (ary mazana io no zava-misy raha vao ny lehilahy tahaka anay no milaza izany).
Tsy fahotana kosa anefa ilay izy raha "fiderana an'Andriamanitra amin'ny fahendreny ka namoronana zavatra tsara hameno ny tany" araka ny voalazan'i Karetsaka (nefa kosa atao amin'ny fo madio tsy misy eritreritra ambadika fa ny azy mantsy toa hafahafa ko:?::?::?:)
3- Tena fahotana tanteraka ilay izy raha toa ka averinao atopy any aminy ny masonao mba tena hijery sy "hankafy ity bika sy endrika kanto" (Efa nanandran-tsira ianao izay fa tsy nianona tamin'ny fofony fotsiny.
Vita Tompoko:wink::wink:
