Fijangajangana

21. piste ( 05/09/2007 22:25)
Tsara ilay torohevitra fa ny manatanteraka azy angamba mbola mila ezaka be. Asa aloha ...
22. ikaretsaka ( 05/09/2007 23:15)
karako:

Vao novakiako an-gazety androany. Nosamborin'ny polisy ilay lehilahy 35 taona fa notaterin'ny ankizivavy mpianatra 16 taona tany @ polisy hoe misy lehilahy eo akaikin'ny arrêt bus akaikin'ilay sekoly ianarany, izay mipetraka mijery ireo zazavavy mpianatra eo no sady "manotra tena" (azonareo angamba ny tiako ho lazaina). Tonga teo tokoa moa ny polisy dia tratra ambodiomby (tsy ara-bakiteny) ilay lehilahy ary niaiky.
Inona no nahatonga izany ? Zavatra 2 no hitako :
1- ny fitafin'ny vehivavy aty tena zara raha mitafy rehefa mafana ny andro. Ary tena mila famolahan-tena ny tsy mijery an-dry zareo.
2- ilay lehilahy koa dia tena naka fahafinaretana t@ izay. Sady NITOHY NIJERY izy (niverimberina teo @ ilay toerana mihitsy)no "manotra tena".
Vakio http://www.mediamatinquebec.com dia jereo ny daty 05 sept 2007


efa fihetsima mateti-pitranga io aty... hihihi raha vao misy sipa manja eo akaikiny ilay rangahy antitra mainty hoditra irenyt le any @ metro ireny dia efa manotra tena ry zalahy
23. ikaretsaka ( 05/09/2007 23:17)
fa io tokoa tsy nofaritan'i Jesoa hoe lehilahy manao ahoana na vehivavy manao ahoana.. ny efa manambady ve sa ny mpitovo ve sa...
24. cutie ( 06/09/2007 00:00)
efa fihetsima mateti-pitranga io aty... hihihi raha vao misy sipa manja eo akaikiny ilay rangahy antitra mainty hoditra irenyt le any @ metro ireny dia efa manotra tena ry zalahy

mba mahitahita koa nareo zany :-D
25. cutie ( 06/09/2007 00:01)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 06-09-2007 01:17:49
Lohateny : Re : Fijangajangana
fa io tokoa tsy nofaritan'i Jesoa hoe lehilahy manao ahoana na vehivavy manao ahoana.. ny efa manambady ve sa ny mpitovo ve sa...

no manin :roll:
26. LazaDaddy ( 06/09/2007 00:16)
ikaretsaka:
fa io tokoa tsy nofaritan'i Jesoa hoe lehilahy manao ahoana na vehivavy manao ahoana.. ny efa manambady ve sa ny mpitovo ve sa...
Aza fatra-piady varotra fa ekeo @ fo tsotra ny Teniny
Jesosy:
Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
27. cutie ( 06/09/2007 00:17)
izay rehetra

:-D:-D:-D:-D
tandremo aza zany ry laza a :-D
28. ikaretsaka ( 06/09/2007 00:39)
ka tsy fantatra ko.. nga ekena sy inoana fotsiny.. inona no tiany lazaina @ ilay izay rehetra?
minomino foana manko raha manaikinaiky fotsiny
29. cutie ( 06/09/2007 01:12)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 06-09-2007 02:39:26
Lohateny : Re : Fijangajangana
ka tsy fantatra ko.. nga ekena sy inoana fotsiny.. inona no tiany lazaina @ ilay izay rehetra?
minomino foana manko raha manaikinaiky fotsiny

izy tenany koa tafiditra ao :-D
30. ikaretsaka ( 06/09/2007 01:49)
ah ok...
31. ari.malala ( 06/09/2007 07:06)
ny fahazoako azy dia na ny manambady na ny tsy manamady vafaritra ao antin'io teny io daolo. Dia mitovy tsy misy valaka @ fanazavan'i mimich ny fampianarnaa azoko momba io resaka fijangajangana io.
32. tywa68 ( 06/09/2007 07:16)
Mitovy @ mimich sy ari.malala koa ny hevitro :wink:

33. niryna ( 06/09/2007 07:22)
ikaretsaka:

Amiko tsy dia fiteny loatra ny hoe tsara zalahy iny sipa iny.
fa ataovy hoe: " misaotra anao Andriamanitra fa sady nomenao maso sy saina nahita ny hatsaran'ny zava-boarinao t@ alalan'iny sipa iny"



:roll::arrow:lust izany ika a:D
34. volana1 ( 06/09/2007 07:47)
FA raha ny vadiny ary no jereny maharitra ka iriny dia mbola fijangajangana ve izany ? raha ny vady no anaovana izay tiana atao rehetra dia fijangajangana ve ? sarotra ihany ny mamaritra azy, mila mandinika fa tsy manaiky be fahatany.

Faharoa : ny tenan'ny olombelona dia namboarin'andrimanitra ary nisy faritra nataony mahita fahafinaretana, inona no antony nanaovany izany ?

Fahatelo : raha ny mpivady no mitady fahafinaretana miaraka amin'olon-kafa dia mbola fijangajanagana ve izany ?

Azafady fa fanontaniana manitikitika ireo, mba mila valiny matotra fa tsy fanabatiana, ary miangavy anareo hieritreritra lalina.
35. nirinkosoa ( 06/09/2007 08:38)
koa ny vady ange efa tena iray miaraka @nao e! donc tsy mijangajanga ianao izany,
tsy haiko aloha fa tany @boalohany raha ny fijeriko azy d toa hoe ny hamenoana ny tany no antony nanaovan'Atra ilay faritra nataony(hiterahana zany e!) fa ny sain-tsika ol no miitatra foana ka nanjary lasa nitady fahafinaretana
oe mpivady ve d miaraka @ olona roa samy hafa ndray? ===fijangajangana beu!!!! zany raha izay

ny hitako fa azo atao rehefa mahita ol tsara dia miteny fotsiny oe tsara ianao nefa marina tokoa ange fa ny maso hono adala ka tsy maintsy lasa ny eritreritra e!
36. xxx ( 06/09/2007 09:03)
volana1:


Fahatelo : raha ny mpivady no mitady fahafinaretana miaraka amin'olon-kafa dia mbola fijangajanagana ve izany ?




Na tsy azoko , na hafahafa be izany fanontanianao izany . Hoe lasa olona 3 na 4 ve nareo no miara-mitady fahafinaretana :?:
37. volana1 ( 06/09/2007 12:05)
xxx : mety ho izany, na hoe koa mety hoe ifanarahan'ilay mpivady , tsy mifamitaka fa tena mifankafantatra, dia ahoana ?
38. ari.malala ( 06/09/2007 12:26)
volana1:

FA raha ny vadiny ary no jereny maharitra ka iriny dia mbola fijangajangana ve izany ? raha ny vady no anaovana izay tiana atao rehetra dia fijangajangana ve ? sarotra ihany ny mamaritra azy, mila mandinika fa tsy manaiky be fahatany.
tsia tsy mijangajanga raha ny vadiny no iriny sy nanaovany izay filàny rehetra (ka manaja ny mahaolona kosa nefa alo raha araka ny hevitro e) satria efa voalazan'ny tenin'Andriamanitra hoe "handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana @ vadiny ary ho nofo iray iany izy roroa"

volana1:
Faharoa : ny tenan'ny olombelona dia namboarin'andrimanitra ary nisy faritra nataony mahita fahafinaretana, inona no antony nanaovany izany ?
na ny maso koa aza anie maita fahafinaretana e, refa mijery ny hakanton'ny zavaboary dia mahita fahafinaretana :) sa ny sexe ve no tianao teneina? efa voasoratra iany koa ny hoe "mamenoa ny tany"

volana1:
Fahatelo : raha ny mpivady no mitady fahafinaretana miaraka amin'olon-kafa dia mbola fijangajanagana ve izany ?


Eny tena fijangajangana na dia ifanarahan'ny mpivady aza! satria "tany am-boalohany izay nahary ny olona dia nanao azy ho lahy iray sy vavy iray iany"

HEvitro ana manokana ireo, (ca n'engage que moi zany):P
39. tywa68 ( 06/09/2007 12:26)
xxx : tena mahagaga hoe olona mpivady mbola hitady any an-kafa ary mifanaraka !!! hafa kely ilay fitiavana eo @io mpivady io zany !

Amiko aloha d rehefa tsy am-pitiavana marina ny hanaovana ny atao rehetra d efa tsy lasa e ! indrindra moa fa hoe mifanaraka dia mitady fahafinaretana miaraka @ hafa, mijangajanga mihitsy sa manao asa soa koa zany ry volana1 :-D:-D
40. xxx ( 06/09/2007 12:41)
volana1:

xxx : mety ho izany, na hoe koa mety hoe ifanarahan'ilay mpivady , tsy mifamitaka fa tena mifankafantatra, dia ahoana ?



izay vao tena hafahafa :?: na @ maha olona fosiny aza toa tsy mety ny saiko

ny fahazoako ny tenin'Aa aloha dia izao e, ny firaisana tsy dans le cadre n'ny fanambadiana dia ratsy : avant le mariage, mihodina na dia consentant aza ny ankilany, miaraka @ couple hafa

Raha ohatra ka hoe ianareo roa no mitady ny fomba rehetra hahitanareo 2 fahafinaretana (boky, position ..) dia mety fa raha vao misy tierce personne dia tsy mety

Eto aho mieritreritra ny film porno sy X tampoka , ireny koa izany moa mazava ho azy fa tsy izy (ilay fanaovana azy), fa ilay hoe mampiasa ireny film ireny mba hahitan'ilay couple fahafinaretana ary ve dia azo atao ? Angamba tsia ny valiny e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4967