Fijangajangana

1. todisoa2 ( 05/09/2007 13:53)
ahoana ny fijangajangana sy ny fiainana kristiana. Niresaka tamina pastora ity olona iray. Nanontany ny amin'ny fijanjgajangana ity izy. Rehefa nandeha ny dinidinika dia niafara tamina hevin-teny ny fanontaniany: ''ny @lay tenin'i Jesosy, hoy izy no somary anontaniako tena indraindray. Hoy mantsy Izy hoe na dia mijery vehivavy fotsiny hianareo (lehilahy) dia efa mila azy sahady. Ka raha mahita vehivavy tsara bika hianao ka mahateny hoe:'' mba tsara zalahy sipa iny!.'' Fijangajangana ve zay Pastora? '' Raha ny hevitro manokana, mbola tsy fijangajangana io raha tsy efa manam-paniriana hila azy hianao, izany hoe mijanona eo @ fankasitrahana fotsiny ilay izy, fa tsy mbola faniriana. Ary ny evitrao mba ahoana?.
novalian'i prime ny 17/09/2007 08:23
2. ari.malala ( 05/09/2007 14:02)
todisoa2, tsy haiko na tsy mahazo resaka ianao na aona, fa mazava tsara mintsy ny tenin'i Jesoa momba an'io, tsy hoe mijery fotsiny fa miitatra hatrany @ fanirina no noteneniny. (Ialako tsiny fa tsy mahay toko sy andininy aho, na ny nanoratra ny Evanjely misy an'io resaka io aza ts tadidiko fa mba tadidiko tsra kosa hoe) "izay rehetra hijery vehivavy, ka naniry azy tao am-pony dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady."
3. ari.malala ( 05/09/2007 14:13)
:oops::oops:rehefa nikaroka aho dia nahita ilay izy iany e, ity ny toko sy ny andininy misy ilay tenin'i Jesoa:
Matio 5:
27 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga. 28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
4. ikaretsaka ( 05/09/2007 14:20)
raha efa manambady io sa?
dia ny vehivavy tsy quoi ve raha mijery sy maniry lehilahy? (io manko tsy voasoratra)
5. ikaretsaka ( 05/09/2007 14:22)
Amiko tsy dia fiteny loatra ny hoe tsara zalahy iny sipa iny.
fa ataovy hoe: " misaotra anao Andriamanitra fa sady nomenao maso sy saina nahita ny hatsaran'ny zava-boarinao t@ alalan'iny sipa iny"
6. ravakamalala ( 05/09/2007 14:48)
amiko mitovy ihany ireo fa ny ilai faharoa fotsiny mfisaorana!
iampy
Fa ny tokony hahasamihafa azy dia izay ao andohanao rehefa mahita an ilay vaiavy ianao, faly mijery mba ho fahafinaretan ny maso fotsiny ve sa mitsiriritra, manana eritreritra hafahafa mihitsy?
7. ravakamalala ( 05/09/2007 14:50)
ilay hafatr 'i Ikaretsaka io anaovako fanamarihana io.
8. ikaretsaka ( 05/09/2007 14:55)
mba manisy sira aho t@ io fa miala tsiny @ izay tohina e

Fa ny tokony hahasamihafa azy dia izay ao andohanao rehefa mahita an ilay vaiavy ianao, faly mijery mba ho fahafinaretan ny maso fotsiny ve sa mitsiriritra, manana eritreritra hafahafa mihitsy?

fa raha tsy manana eritreritra hafa kosa ianao, na lahy io na vavy dia tsy hitako ny olana..

fa mba fanontaniana kely ity: isika izany nijangajanga aby t@ ilay fotoana nifampikoty t@ sipantsika, vadintsika? t@ le taloooooha elabe iny e!
9. mimich ( 05/09/2007 14:59)
Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga. 28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady

raha ny fanazavana azoko aloha dia izao hono no dikan'io:
tsy ny hoe mijery ka miteny am-bava fotsiny hoe "tsara" na "mahafinaritra " iry oll iry zany, tsy any no mipetraka ilay fijangajangana , fa rehefa manao tantara kely ao an-tsaina ao hoe , tsara iry oll iry zany , raha iny zao no azoko an , na miaraka amikoa n!! !de entiko ary ary , de ataoko an'izao an!!!sns, le mi- fantasme zany angamba ve no ilazana azy) izay ilay fijangajangana ao am-po.
ka asa raha mety hahavaly ny fanontaniana manitikitika anareo
10. ikaretsaka ( 05/09/2007 15:03)
Izay mantsy hoe...misaotra mimich
11. karako ( 05/09/2007 15:04)
Miombon-kevitra @ todisoa2 ihany aho. Tadidio koa anefa ny tantaran'i Davida mpanjaka izay nahatonga azy hanao heloka bevava. Nijery ilay vehivavy nandro izy dia nitarika faniriana ho azy izay. Dia lasa nitatra be ilay izy satria lasa nijangajanga izy, dia namono olona avy eo. Ataoko fa raha NAHITA izy fa misy vehivavy mandro io. Dia niala teo avy hatrany fa tsy NIJERY dia tsy tafiditra tao @ ota. tadidintsika koa ny tantaran'i Josefa. Ilay nadalain'i "la femme de mon patron". Ny nataony dia NANDOSITRA avy hatrany. Niala.
Ka mila mitandrina izany @ ilay hoe MIJERY. Sao milaza ny tenanao ho mafy be dia hoe izaho ange mijery fotsiny e. Maso mijery tsy mitondra mody. Dia raha amiko izany dia aleo manao ezaka tsy mijery (mandinika) indrindra raha hitanao fa hiteraka sain-dratsy ho anao ilay izy. Ahodino ny loha dia ialao. Sarotra fa izay ilay manaraka an'i Jesoa kooo
12. ravakamalala ( 05/09/2007 15:14)
Ahodino ny loha dia ialao. Sarotra fa izay ilay manaraka an'i Jesoa kooo


io mitovy amin ilay hoe raha mampanota anao ny tananao dia tapaho, sa ahoana moa? 8O

[size=9px]ikaretsaka > za tsy tohina e! :-*[/size]
13. karako ( 05/09/2007 15:58)
ieu
14. ikaretsaka ( 05/09/2007 15:59)
ilay fomba fijerena ilay vehivavy izany: raha raisintsika ny teny latinina (io teny io koa moa no anisan'ny notazonina izya elabe izay) dia izao no lazain'io landininy io
ego autem dico vobis quoniam omnis qui viderit mulierem ad concupiscendum eam iam moechatus est eam in corde suo
Izany heo raha mijery tsy maninona fa taha maniry ao am-po hoe tsy maintsy zaozao zao za sy iny sipa/bandy iny, no bedy!

[size=10px]ravaka>ok:-[/size]*
15. karako ( 05/09/2007 16:02)
ka ilay mijery elabe sy mandinika iny mitarika fitsiriritana, dia mitarika mitarika ... raha tsy tapaka ara-potoana.
16. ikaretsaka ( 05/09/2007 16:04)
dia izay"fahaizana manapaka azy izay" no ilaina exercice be
17. bosista ( 05/09/2007 18:00)
ny fanirina io tsy zvtr amboarina fa tonga hoa azy, tsy haiko na tokony hamoaka lalana mihintsiny kosa angambany we tsy azon'ny vehivavy atao ny mivezivezy amin'ny toerana misy lehilahy satria ny maso koa manko adaladala izay indray2,ka raha vao mifankahita eo manko de izay...
18. ikaretsaka ( 05/09/2007 18:48)
efa nanao izany ihany ny sekoly katolika taloha.. fa aveo azony fa .. rehefa eo @ ilay agen'ny miala sakana iny dia somary hanahirana ihany dia naleony nalamina..
fa aty @ classes primaire sy secondaire dia betsaka no mbola manao izany an!
samihafa ny sekolin'ny boay kely sy ny sipa kely
19. karako ( 05/09/2007 20:44)
Vao novakiako an-gazety androany. Nosamborin'ny polisy ilay lehilahy 35 taona fa notaterin'ny ankizivavy mpianatra 16 taona tany @ polisy hoe misy lehilahy eo akaikin'ny arrĂȘt bus akaikin'ilay sekoly ianarany, izay mipetraka mijery ireo zazavavy mpianatra eo no sady "manotra tena" (azonareo angamba ny tiako ho lazaina). Tonga teo tokoa moa ny polisy dia tratra ambodiomby (tsy ara-bakiteny) ilay lehilahy ary niaiky.
Inona no nahatonga izany ? Zavatra 2 no hitako :
1- ny fitafin'ny vehivavy aty tena zara raha mitafy rehefa mafana ny andro. Ary tena mila famolahan-tena ny tsy mijery an-dry zareo.
2- ilay lehilahy koa dia tena naka fahafinaretana t@ izay. Sady NITOHY NIJERY izy (niverimberina teo @ ilay toerana mihitsy)no "manotra tena".
Vakio http://www.mediamatinquebec.com dia jereo ny daty 05 sept 2007
20. pissoa ( 05/09/2007 21:16)
ikaretsaka:

Amiko tsy dia fiteny loatra ny hoe tsara zalahy iny sipa iny.
fa ataovy hoe: " misaotra anao Andriamanitra fa sady nomenao maso sy saina nahita ny hatsaran'ny zava-boarinao t@ alalan'iny sipa iny"


:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3301