Fijangajangana

41. mandrindra ( 06/09/2007 13:13)
tsy haiko aloha izay hiantsona sy hilazana azy fa izaho dia mijery ary mbola hijery foana rehefa misy sipa manja. dia mbola hanohy ny fizarana fitiavana foana konkou aho satria hoy ny sasany izay hoe ny fitiavana no lehibe indrindra.

fomba fijery ny ahy fa tsy hoe mitarika aho akory hoe araho ny diako. izay no fiainako dia izay no lazaiko fa tsy mody miafina hoe tsy mety ny izao sy ny izao, kanefa manao rehefa mieritreritra ho tsisy maphita.
42. volana1 ( 06/09/2007 13:56)
mandrindra < io toe-tsainao io no tiako hananana , nefanoho ny fitaizana kristiana nitondrana ahy dia manenjika ny eritreritro, indraindray nefa hitako fa rehefa mazava ny saiko dia tsy maninona izany, mbola tena miasa saina ny amin'izany aho

ari.malala, tywa68, xxx < variana mantsy aho fa misy tokoa nyzavatra ohatr'izany, raha ny fahazoako ny hevitrareo dia raha mijery film x zany mpivady dia mijangajanga sy manota no dikany ? sarotra ihany iy ty ka ! misaotra amin'ny valinteny aloha e !
43. xxx ( 06/09/2007 14:22)
volana1, mandrindra >>> samy manana izay handraisany azy aloha e, fa cadré tsara ilay discussion eto : fiainana kristiana
44. ikaretsaka ( 06/09/2007 14:28)
ny conscience no mitondra an'io ko..
Rehefa marary fanahy sy mahatsapa tena ka manao ilay
Tompo o tsy mendrika ny hidiranao ato amiko aho...
45. mandrindra ( 06/09/2007 14:37)
volana1, nisafidy ary naka soridalana ho arahina aho, dia izay no ataoko.

xxx, fanehoankevitra ny ahy, ary mazava tsara angamba fa tsy manitsy na mandrara an'izatsy sy izaroa aho.

ika, ny conscience-ko dia madio mangarahara ka noho izany tsy maharary ny fanahiko.
46. fijo ( 06/09/2007 21:08)
de tsy hitsiriritra ve izany?efa manohitra ny maha olona mihintsy anie ity resaka fivavahana ity raha izao e,izany hoe izay tsara rehetra eto an tany dia hialao fa loza daholo.fa avelao izahay tsy mpino no hanao azy
47. Rasiligaoma ( 06/09/2007 21:35)
de ahoana tokoa hoa ingahy pasy t@ izy nikoty ny vadiny? raha nanota izy ka tsy nikonfesy
dia azo inoana ihany ve?
48. dailynews ( 07/09/2007 00:14)
todisoa2:

ahoana ny fijangajangana sy ny fiainana kristiana. Niresaka tamina pastora ity olona iray. Nanontany ny amin'ny fijanjgajangana ity izy. Rehefa nandeha ny dinidinika dia niafara tamina hevin-teny ny fanontaniany: ''ny @lay tenin'i Jesosy, hoy izy no somary anontaniako tena indraindray. Hoy mantsy Izy hoe na dia mijery vehivavy fotsiny hianareo (lehilahy) dia efa mila azy sahady. Ka raha mahita vehivavy tsara bika hianao ka mahateny hoe:'' mba tsara zalahy sipa iny!.'' Fijangajangana ve zay Pastora? '' Raha ny hevitro manokana, mbola tsy fijangajangana io raha tsy efa manam-paniriana hila azy hianao, izany hoe mijanona eo @ fankasitrahana fotsiny ilay izy, fa tsy mbola faniriana. Ary ny evitrao mba ahoana?.


rehefa mijery ka mila azy no mijangajanga. fa ny mijery hoe tsara tarehy ny olona iray dia tahaka ny mijery voninkazo ihany hoe tsara tarehy izy izany. mitovy amin ny hevitrao ihany raha ny fahitako azy.


49. cutie ( 07/09/2007 03:13)
Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 06-09-2007 23:35:23
Lohateny : Re : Fijangajangana
de ahoana tokoa hoa ingahy pasy t@ izy nikoty ny vadiny? raha nanota izy ka tsy nikonfesy
dia azo inoana ihany ve?

tsy nanota izy :lol:
50. ari.malala ( 07/09/2007 06:36)
volana1, ny mijery film x ny mpivady anie ataoko ts fahotana kosa angamba e, ts haiko alony e! fa raha hoe misy couple eo, mpivady aradalàna nefa mbola mila olon-kafa indray hanaovana firaisana no fijangajangana satria izay ilay hoe lehilahy iray sy vehivavy iray iany, arak ny hevitro...
51. volana1 ( 07/09/2007 06:57)
mandrindra < te-hiezaka hadio conscience aho, tiako ilay teo-tsainao, misaotra betsaka.
52. xxx ( 07/09/2007 08:02)
mandrindra:

volana1, nisafidy ary naka soridalana ho arahina aho, dia izay no ataoko.

xxx, fanehoankevitra ny ahy, ary mazava tsara angamba fa tsy manitsy na mandrara an'izatsy sy izaroa aho.

ika, ny conscience-ko dia madio mangarahara ka noho izany tsy maharary ny fanahiko.


tsy manome tsiny an'iza n'iza ny zavatra lazaiko ka, ni recadrer ilay discussion fotsiny aho hoe " fijangajangana sy finoana kristiana " . Tout est relatif hoy i Einstein izay, hafa koa ny fandehan'ny discussion raha repère hafa no nooresahina (@ maha nofo fotsiny ohatra)
53. xxx ( 07/09/2007 09:48)
volana1:

mandrindra < io toe-tsainao io no tiako hananana , nefanoho ny fitaizana kristiana nitondrana ahy dia manenjika ny eritreritro, indraindray nefa hitako fa rehefa mazava ny saiko dia tsy maninona izany, mbola tena miasa saina ny amin'izany aho


Ka tsy miteraka olana be ho anao ve izany ? Tapaho ny hevitra fa mbola tsy tara e, adidin'ny ray aman-dreny ny nanoro lalana anao t@ ianao mbola kely fa tsy voatery hanaraka izay natorony ianao rehefa lehibe ka mahita fa iry no mandresy lahatra anao


54. Kwasi ( 08/09/2007 02:03)
Ary raha nahita sipa manjabe teny an-dalana ohatra dia avy eo ni fantasme t@ iny tany an-trano, dia mbola azo lazaina fa hoe mijangajanga ve. Nefa ilay olona aza efa tsy hita intsony. Sa atao hoe adala ndray @ zay cas izay?:roll::roll::roll:
55. todisoa2 ( 10/09/2007 08:44)
ari.malala:

volana1, ny mijery film x ny mpivady anie ataoko ts fahotana kosa angamba e, ts haiko alony e! fa raha hoe misy couple eo, mpivady aradalàna nefa mbola mila olon-kafa indray hanaovana firaisana no fijangajangana satria izay ilay hoe lehilahy iray sy vehivavy iray iany, arak ny hevitro...



D aôna izany le famaritana ny hoe fijangajangana en tant que:'' Fanaovana ny ataon'ny mpivady ivelan'ny cercle '' mpivady''. Amiko aloha fahotana ny fijeren'ny mpivady film X satria fitadiavana fahafinaretana (fanaon'ny mpivady) ivelan'ny sehatra maha-mpivady
56. piste ( 10/09/2007 17:52)
Tsy voatery ho fijangajangana. Ny sainao mijery azy ihany no mitondra an`io.
Raha hitanao kosa fa mitondra anao any @ fakam-panahy dia ialao.
57. prime ( 11/09/2007 11:04)
"Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana." Jakoba 1:15

Raha ny lazain'ny soratra masina dia, raha vao mijery ka misy fanirina, na fitsiriritana, na filàna dia efa teraka ny ota izany hoe efa tonga ny ota ary etoana izany dia efa hoe fijangajangàna izany... raha vao manitatra mihoatra an'izay dia vao maika aza loza fa miteraka fahafatesana na ahoana fanatanterahana ilay tohiny eo na ahoana...

Hoy ny evanjelistra lehibe iray (Billy Graham),"...ny jerinao voalohany (1er regard)dia "normal" satria nanaitra avy hatrany ny masonao na ianao mihitsy ilay tranga na ilay zavatra na ilay olona, fa ilay jerinao faharoa (2ème regard) efa ota mivaingana maneho ny filàna ao anatinao...
58. piste ( 11/09/2007 16:02)
Ka ilay fijery tsy voatery hiafara @ fitsiriritana mihitsy. Hoy Ika ery ambony, mety hampidera an`Andriamanitra ny fahitana ny hankaton`ny zava-boaariny.
Raha resaka film X dia tsy voatery ho vetaveta akory izay mijery an`io. Ao ny mitady appetit sexuel dia mijery an`io( indrindra ireny bainina2 ireny), ao ny mi-etudier ny fonctionnement ny systeme nerveux na cardiaque ny olombelona mandritry ny acte iny, sns.
Ka io arakaraka ny esprit hitondrana azy ihany no maha-fahotana ana tsia azy.
Fa raha hitanao fotsiny tsy mety aminao dia hialao.
59. prime ( 14/09/2007 10:26)
piste> ka na handainga aza hoe tsy misy fitsiriritana hoy Billy Graham izay, ny fijerenao fanindroany rehefa nihodina ny masonao taorian'ny nijerenao voalohany no milaza ny tena ao anatinao...

ny amin'ny resaka film x d tena fahavetavetàna eo imason'Andriamanitra satria famelomana feno ilay filàna ara-nofo na ahoana na ahoana ialàna azy hoe fikarohana no atao, fandinihana sns...
ka tsy misy film x aza Andriamanitra mampitandrina ny zanany ny amin'ny filàna sy ny fakam-panahy velarin'ny satàna etsy sy eroa...
60. fenomanantsoa ( 14/09/2007 14:04)
karako:

Vao novakiako an-gazety androany. Nosamborin'ny polisy ilay lehilahy 35 taona fa notaterin'ny ankizivavy mpianatra 16 taona tany @ polisy hoe misy lehilahy eo akaikin'ny arrêt bus akaikin'ilay sekoly ianarany, izay mipetraka mijery ireo zazavavy mpianatra eo no sady "manotra tena" (azonareo angamba ny tiako ho lazaina). Tonga teo tokoa moa ny polisy dia tratra ambodiomby (tsy ara-bakiteny) ilay lehilahy ary niaiky.
Inona no nahatonga izany ? Zavatra 2 no hitako :
1- ny fitafin'ny vehivavy aty tena zara raha mitafy rehefa mafana ny andro. Ary tena mila famolahan-tena ny tsy mijery an-dry zareo.
2- ilay lehilahy koa dia tena naka fahafinaretana t@ izay. Sady NITOHY NIJERY izy (niverimberina teo @ ilay toerana mihitsy)no "manotra tena".
Vakio http://www.mediamatinquebec.com dia jereo ny daty 05 sept 2007


Tohanako aloha fa efa tena mihoatra ny tokony ho izy ny ankizivavy (misy ramatoa aza) amin'ity fitafiana tapaka ity ka mahatonga fitsiriritana araka ny voalazanao. Rehefa any anaty taxi-be moa ka raha handeha hivoaka ny hipetraka ny eo alohanao dia efa tsy hay intsony:roll::roll::roll:tsy hitanao hoe aiza no hatopy ny maso fa ianao indray no menatr'olona amin'ilay string kely tsy mahatafy henatra miseho manontolo satria ny pataloha miborotsaka hatreny amin'ny antsasaky ny fitombenana.

Na izany aza tafahoatra kosa ny an'ity razoky ity:x:x:x:x. Efa aretina kosa ny azy fa aiza de hanotra tena eny imasom-bahoaka kosa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084