afaka manantona voyant(e) ve ny mpino kristianina?

1. bosista ( 31/08/2007 11:47)
manaona daoly,
mba saika manontany zah we: amintsika kristianina ,ahoana ny resaka voyance,voyant(e) ireny?mba afaka manantona azy ireny ve ny mpino kristianina sa tsia?tsy raran'ny finoana sy fiangonana ve izy ireny sa ahoana, satria naman'ny sikidy ihany manko izy ireny fa sikidy efa mandroso!
2. tsaramaso ( 31/08/2007 14:14)
andraso ndray aloha jerena ilay miseho azy ho kristiana malala-tsaina ireny hoe !!! sa ahoana ry bosista ??
3. ikaretsaka ( 31/08/2007 14:21)
apetraho aloha ny definition an'ilay voyante heverinao hoe?
Tsara kokoa raha mba misy examples..

ny ahy manko dia hoe
mpaminany ve? (ireo izay ni predicte ny hiavian'ny Mesia ohatra) , sa ireo izay ny teny fa t@ 2000 ve ny fara andro sns?

sa ireo ilay miteny hoe: "lahy moa ilay zaodahinareo izay"? "Rano moa no manondraka ny tanimbarinareo izay"?
4. xxx ( 31/08/2007 14:47)
Ny maha kristianina amiko dia manaiky ny sitrapon'Atra rehetra eo @ fiainana.Manaiky azy hanao surprise .Inona intsony ny surprise ataony eo raha efa ezahinao ho fantatra izay tiany hatao.Misy ny prophête na h@zao aza ka ireny no any kristianina.Tsy voatery mahafantatra ny ho avinao anefa izy fa Atra no mametraka izay tokony ho teneniny na tsia.

Ny devoly dia mahafantatra ny projet an'Atra eo @ fiainantsika ka izany no mahatonga azy anao ny zvtr rehetra tsy hahanteraka ny sitrapon'Atra.

Conclusion: Rha mahatsapa tena ho Kristianina tsara ianao dia ekeo ny tenin'Atra izay manao hoe :" Manana lalàna ho nareo aho dia lalàna hitondra anareo @ fiadanana fa tsy ho any@ loza".
Dia ny tsara dia maniky ny lalan'Atra izay tsy voatery ho fantatra eny amboalohany akory satria hoy ny teniny koa manao hoe: " Ny zvtr rehetra dian nataoo hiara hiasa ho anizay tia an'Atra"
dia mahereza fa ny fiainantsika tsy vila voyante fa mila ani JESOSY
5. pissoa ( 31/08/2007 15:00)
ikaretsaka:

apetraho aloha ny definition an'ilay voyante heverinao hoe?
Tsara kokoa raha mba misy examples..

ny ahy manko dia hoe
mpaminany ve? (ireo izay ni predicte ny hiavian'ny Mesia ohatra) , sa ireo izay ny teny fa t@ 2000 ve ny fara andro sns?

sa ireo ilay miteny hoe: "lahy moa ilay zaodahinareo izay"? "Rano moa no manondraka ny tanimbarinareo izay"?

eny tkoa ?
=))=))=))

6. tywa68 ( 31/08/2007 15:49)
zà aloha d tsy matoky afatsy ny ao Ambony e, ka gaga @ ilay fanontanian'i bosista !
7. ikaretsaka ( 31/08/2007 16:02)
Inona intsony ny surprise ataony eo raha efa ezahinao ho fantatra izay tiany hatao.

angaha izao Andriamanitra izao mpanao surprise?
Iza ary no mampanatena hoe ataoko an'izao sy izao ianao ko (Abrahama natao ho maro taranaka, ohatra, na izy t@ izaia hoe izaho Tompo ny homba anao?
8. hery ( 31/08/2007 16:12)
Dia inona koa ilay hoe manatona?

- Afaka manatona ny voyants ny Kristianina mitory sy mampibebaka (raha mila fibebahana izy)
- Afaka manatona ny voyants raha toa ka hanontany azy hoe aiza no toeran'Andriamanitra eo aminao
(- Afaka manatona voyants raha toa ka hivarotra vam aminy) oups

Ny tiako hahatongavana dia hoe tsy hoe rehefa mandeha any amin'ny voyants ny olona dia hisikidy izay. Mety ilaina tsra mihitsy ny miresaka amin'ireny olona ireny. TANDREMO ANEFA... mila olona nandalina sy mafy finoana tsara ianao raha toa ka kristianina kanefa hitory any.

Sa inona no tokony handehanana any @ voyants?
9. tsaramaso ( 31/08/2007 16:48)
ikaretsaka:
apetraho aloha ny definition an'ilay voyante heverinao hoe?

hery:
Dia inona koa ilay hoe manatona?

hahaha !!!!!! otran'ny mila averina apetraka ny fanontanian'i bosista zany fa voatsingoloka !!!!
10. ikaretsaka ( 31/08/2007 16:53)
averenio apetraka dia azavainy misimisy kokoa
11. pissoa ( 31/08/2007 17:19)
ary efa namaly angaha le miseho azy ho malala-tsaina ry tsaramaso ? :-D:-D:-D
12. mandrindra ( 31/08/2007 17:27)
ny tsy mahita no tokony hanantona voyant
13. piste ( 31/08/2007 20:41)
Miombon-kevitra @ mandrindra. Amiko olona tsy manana fahatokisana eo @ fiainana izany manatona Voyante izany.
14. dadie ( 31/08/2007 21:00)
tsika gasy kosany betsaka ra manao zavatra oatra trano ,hamono lamba sns d mijery fona e ,ka asa na misy idiran'ny finoana io na aona ,za koa mangovitra mamaly so bedin'i tsaramaso eo :-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 31/08/2007 21:49)
ny resaka voyante ange izany ry dadie e..
raha ireny mijery andro sns ireny dia zavatra hafa ka
ilay trano aloha fa any manko ny specialite-ko
resaka astrology izany, hahaizana mi positionner ny tranonao par rapport @ zavaboahary (masoandro sy ny kintana, volana) satria ireny dia anisan'ny facteurs mitondra ny rivotra sy ny hazavana na resaka vue fotsiny aza... ao anatin'ny tranonao!

ny hoe "Miakandrefam-baravarana" ohatra anie tsy hoe fomba fa ny antony dia hoe mba hi captena ilay masoandro mody iny... mba manafana ny trano, alohan'ny handrehetana afo hanafana indray sady handrahoana hanina, alohan'ny hitafiana lamba mafana rehefa matory e!

Ny mamono lamba sy ny didimpoitra koa torak'izay ihany:
-Atao ririnina satria sady tsy de be orana ka hifotetafotetaka ao anaty fotaka ao aby ny olona, no tsy mafana, ka velona ny bibikely isan-karazany (moka ,lalitra) hihihinana sy hikasikasika ny kotokelin'ny zaza!

fa ny gasy moa tiatia io manitanitatra io dia io honohono io de io fadifady io, fa tsy mijery foana matetika ny tena antony fia vokatr'izay dia lasa izay kao no raisin'ny fivavahana...
tsy azon'ny vazaha mpitondra fivavaha ilay antony dia no condamneny vokatr'io "nitakitarina" io (satria tsy fantany ilay antony tena antony fa ilay honohono sy fanitarana no nibahana, dia nanohy izay condemnation izay aby ireo tsy nanontany hoe ahoana marina!
16. fijo ( 31/08/2007 21:57)
tsy itako mihintsy ny olana raha manantona mpanandro na mpahita.fa raha voambaka any moa,io na kristiaina na tsy voa aby izay misolafaka
17. dadie ( 31/08/2007 22:12)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 31-08-2007 23:49:39
Lohateny : Re : afaka manantona voyant(e) ve ny mpino kristianina?
ny resaka voyante ange izany ry dadie e..

mijery fona ny voyante anie zany e :roll:
18. fijo ( 31/08/2007 22:15)
mankanesa de anontanio azy ny ahazoana loto,de izy asaina manao aloha
19. dadie ( 31/08/2007 22:16)
fanga mo tsy voyant no fiteny ny mpanandro any dago
20. fijo ( 31/08/2007 22:21)
azo antsoina toa izay koa izy ka.
fa ny mahagaga ahy dia izao.nahoana no avy dia lazaina foana hoe "asan'ny maizina,na devoly "ny resaka fanandroana??????io anie resaka astra e,astrology ireny,ary arabo no nampianatra antsiak gasy an'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0683