afaka manantona voyant(e) ve ny mpino kristianina?

21. piste ( 01/09/2007 04:56)
Personnellement, manahiran-tsaina ahy ilay manatona voyante na mpisikidy. Eny na dia mijery Horoscope satria, ilay ho lasa dependant @ iny no tsy raikitra.
Opinion-ko manokana io an.
22. ikaretsaka ( 01/09/2007 05:10)
ilay connaissance tsy maninona , fa ilay dependent no tsy mety.
amiko io toy ny meteo ihany e... fantatrao fa ho avy ny orana androany dia omanina ny elo, fa tsy hoe ho avy ny orana androany dia ianao no hi panique sy hi condamner meteo.
23. niryna ( 01/09/2007 05:40)
Anontanio ika fa izy no mahalala ny fijerevany ny kristal .

Ahoana ity ry ika fa notsimponiko tao anaty baiboliko?
Salamo 115:1-9
Tompo o ,aza izahay ,aza izahay no omenao voninahitra ,fa ny ananaranao ihany.Noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.Nahoana ny jentilisa no manao hoe Aiza izay Andriamaniny?
Nefa any an-danitra Andriamanintsika.
Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny asan'ny tanan'olona.
Manam-bava izy fa tsy miteny;
Mana-maso izy ,fa tsy mahita,
Manan-tsofina izy ,fa tsy mandre
Manan-tongotra izy ,fa tsy mandeha
Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Ry Israely o,matokia an'i Tompo;hery sy ampinga Izy
24. ikaretsaka ( 01/09/2007 05:44)
dia io efa naveriko io ambony io ny dikany fa ianao moa tsy hay na mason-koditrao na ny inona no mamaky! (tsy tezitra aho manao an'io fa mba manao remarque fotsiny an dia aoka koa ianao tsy ho tohina)
25. niryna ( 01/09/2007 15:00)
piste:

Personnellement, manahiran-tsaina ahy ilay manatona voyante na mpisikidy. Eny na dia mijery Horoscope satria, ilay ho lasa dependant @ iny no tsy raikitra.
Opinion-ko manokana io an.

" idols do not requre the need of obedient that God of Israel demands."
Ireo zavatra izay lazaina fa herin'ny maizina(na fanompoantsampy,famakiantanana, fijerevana horoscope,famakiana kristal,fandehanana any amin'ny mpisikidy,sns,izay fantatry ny olona hoe tsy avy amin'Atra dia tsy mba mitaky fanekena izay tadiavin'Atra ataon'ny zanaky ny Israely.)
Izany hoe Atra dia efa nampahafatatra ny tokony ataontsika na ny tsy tokony. Satana no mamporisika hoe tsy maninona lety izany fa ataovy a.Efa nasehony hatramin'ny voalohany io vao namboarin'Atra Adama sy Eva. Ary dia mbola mitohy foana ny tolony handrimbaka sy hamotika ny asa-tanan'Atra hatramin'izao.
Omeny fahagagana izay manaraka sy mino azy(satana) fa ilay andro iray no tsy zaka(fahatesana no tambin'ny ota):arrow:very any amin'ny afobe ny fanahin'izay tsy mino sy tsy manaraka ny zavatra efa noraran'ny teny ao anaty baiboly satria efa nampahafantarina azy mialoha izany.

26. ikaretsaka ( 01/09/2007 15:44)
samihafa ny Idols sy ny Famakiantanana sy horoscope sy fijerena kristaly sy ny karatra sy ny meteo sns...

Ny idols dia worshipevana!

Fa ny horoscope sy ny kristaly sy ny karatra sy ny meteo jerena fotsiny atao guide..

sa i Niryna mivavaka @ ndra vince?=))
27. ikaretsaka ( 01/09/2007 15:45)
na hoe handeha plage @ andro cyclone?
28. bosista ( 02/09/2007 11:56)
le voyant tiako ho lazaina dia ireny hita manao publicite betsaka amin'ny television sns ireny ,sahala an-dry mareva oh raha eto mada,
hay le olana zany tsy le hoe vaton-tsikidy amin'ny maha-sikidy azy fa ny fijerena na ny fitsikilovana ny tsy ambaratelon'A/TRA raha fahazoako ny resaka eto?
tsy tsara izany ny mahafantatra mialoha,nefa ny fahafantarana mialoha anie ka mety ahafahana misoroka,izay tsara kokoa nohon'ny mitsabo,de ahoana?
29. ikaretsaka ( 02/09/2007 12:33)
Raha manana hery voaporofo izy fa tsy mifople , amiko manko ny fahafatarana ilay hery sy ny fanaporofoana sy fanadihadiana azy aloha no jereko alohan'ny hijerena hoe herin'ny maizina ity!
tsy azoko manko ny tian'i bosista tongavana @ ilay hoe Tsiambarantelon'A/tra. sy ny tena hidirany amin'ity
hazavaiko ny "faha zoko" azy

Ny meteo manko izao ohatra milaza mialoha sy mahafantatra mialoha hoe misy cyclone any dia ho avy sy hiditra an-tanety ary ananona ohatra!
na ho Tsara ny andro na hanorana androany!
Ireny koe izao manko tsy mijery barometre @ maha barometre azy, na satelite @ maha satelite azy.. dia ahoana!

30. ikaretsaka ( 02/09/2007 12:37)
dia noho izany: mahazo mijery meteo ve ny kristianina?
31. xxx ( 03/09/2007 01:23)
ikaretsaka:

dia noho izany: mahazo mijery meteo ve ny kristianina?


Mampisavoritaka sain'olona ianao.Androany manaraha an'Atra ,rahampitso mandehana mandeha any amin'ny mpamaky karatra:roll:
32. ikaretsaka ( 03/09/2007 02:05)
fa i niryna ve aloha mijery meteo sa tsy mijery e! maninonatsy ny fanontanako no valiana?
sa milaza ny marina indray aho mijery dia menatra indray hilaza hoe ..ieeee!
dia ivereno vakiana ny tiako ahatongavana

aho:
ilay connaissance tsy maninona , fa ilay dependent no tsy mety.
amiko io toy ny meteo ihany e... fantatrao fa ho avy ny orana androany dia omanina ny elo, fa tsy hoe ho avy ny orana androany dia ianao no hi panique sy hi condamner meteo.


za ihany:
angaha izao Andriamanitra izao mpanao surprise?
Iza ary no mampanatena hoe ataoko an'izao sy izao ianao ko (Abrahama natao ho maro taranaka, ohatra, na izy t@ izaia hoe izaho Tompo ny homba anao?


izaho ihany:
apetraho aloha ny definition an'ilay voyante heverinao hoe?
Tsara kokoa raha mba misy examples..

ny ahy manko dia hoe
mpaminany ve? (ireo izay ni predicte ny hiavian'ny Mesia ohatra) , sa ireo izay ny teny fa t@ 2000 ve ny fara andro sns?

sa ireo ilay miteny hoe: "lahy moa ilay zaodahinareo izay"? "Rano moa no manondraka ny tanimbarinareo izay"?

33. niryna ( 03/09/2007 02:26)
Ika inona koa no hidiran'ny meteo amin'izany?
Io olona teneniny io ny fahazoako azy dia ireo "tarrot,mpamaky tanana,mpijery karatra sns.."Ireo olona milaza mahafantatra zavatra.Eny tena mahalala tokoa izy fa tsy fantatsika fa ny satana dia mijery antsika andro aman'alina.Ataovy hoe maka tape recorder izy na cassette fakam-peo.Fantany daholo ny momba antsika,fantany daholo ny zavatra mety mahatezitra antsika na tsy tian-tsika,fantany,eny fantany.Alefany fotsiny io dia miverina daholo ny lasa rehetra.Mahafantatra ny efa lasa rehetra izy fa saingy tsy mahalala ny ho avintsika.Kristy aza miteny hoe tsy mahafantatra ny ahatongavany.
Aza manaiky ho rebireben'ny olona izay fitaovana fankany vola fotsiny ary ianao mahalala izany fa mora badoana ny olona rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava.Eny e,misy fivavahana minomino an'io ka izay indray tsy azoko hiadian-kevitra.

Firifiry ny fiangonana tratra,ary firifiry ny fianarana mikatona vokatry ny fitadiavam-bola ka mandeha daholo ny fitoriana vokatry ny herin'ny satana? Ny tiako ho tenenina dia firy ny fiangonana manao fanangonan-karena maneho ny asan'i kristy kanefa herin'ny maizina no ampiasainy? Efa nahita ireny olona manoratra ny mahazo ny olona sitranina ireny ianao? Manana feo kely ilay mpitondra ary dia mody miantso ny anaran'ilay olona marary.Ilay namany lavitra anefa no mandefa ny hafatra ary dia mody miantso ny anaran'ilay olona dia tohizo fa mahalala izany tsara ianao...

Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy ,dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.Fa ny nofo manohitra ny Fanahy,ary ny Fanahy manohitra ny nofo,ary mifanohitra izy roroa,mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. Gal 5:16-17
34. LazaDaddy ( 03/09/2007 02:46)
ikaretsaka:
Fa ny horoscope sy ny kristaly sy ny karatra ... atao guide..
izany ve ilay antsoinao hoe "finoana orizinaly naorin'i Jesoa"?
35. xxx ( 03/09/2007 03:25)
LazaDaddy:

ikaretsaka:
Fa ny horoscope sy ny kristaly sy ny karatra ... atao guide..
izany ve ilay antsoinao hoe "finoana orizinaly naorin'i Jesoa"?



:roll:=D Izaho mba gaga kou,manoro vilana fotsiny izy dia misy mino azy koa
36. ikaretsaka ( 03/09/2007 03:47)
Laza sy i XXX:
aho eo ambony :
lay connaissance tsy maninona , fa ilay dependent no tsy mety.
amiko io toy ny meteo ihany e... fantatrao fa ho avy ny orana androany dia omanina ny elo, fa tsy hoe ho avy ny orana androany dia ianao no hi panique sy hi condamner meteo satria androannisy zavtra nokasainao hatao ohatra.
37. ikaretsaka ( 03/09/2007 03:50)
dia mamaly ilay fanontaniana: ie... finoana tsy fanatika izany, finoana tsy miantsaraivelantsihy tsy tahaka ny an'i laza hoe mijery meteo dia lazaina hoe tsy mijery nefa lainga,

na hoe mijery sy mampitodika ny trano miankandrefana, satria io voalazako io ambony io no antony...

fa tsy ilay mi condamner fahatany fahatany hoe rehefa hery tsy hay ny manazava azy dia herin'ny maizina...

tsy finoana mivoana any an-danitra any izany. ry "kristianintsianim-ppoana"
38. pissoa ( 03/09/2007 23:38)
bosista:

le voyant tiako ho lazaina dia ireny hita manao publicite betsaka amin'ny television sns ireny ,sahala an-dry mareva oh raha eto mada,
hay le olana zany tsy le hoe vaton-tsikidy amin'ny maha-sikidy azy fa ny fijerena na ny fitsikilovana ny tsy ambaratelon'A/TRA raha fahazoako ny resaka eto?
tsy tsara izany ny mahafantatra mialoha,nefa ny fahafantarana mialoha anie ka mety ahafahana misoroka,izay tsara kokoa nohon'ny mitsabo,de ahoana?

Tsy haiko zany mareva :oops: fa raha ny fahalalako aloha toa ny fahafatesana ihany no notenenin'i Kristy hoe ny Ray ihany no mahalala izany e ! Dia miverina amin'ny fanontanian'i Ika isika hoe Inona ilay voyant :-D:-D:-D

Ikaretsaka:
apetraho aloha ny definition an'ilay voyante heverinao hoe?
Tsara kokoa raha mba misy examples..

ny ahy manko dia hoe
mpaminany ve? (ireo izay ni predicte ny hiavian'ny Mesia ohatra) , sa ireo izay ny teny fa t@ 2000 ve ny fara andro sns?

sa ireo ilay miteny hoe: "lahy moa ilay zaodahinareo izay"? "Rano moa no manondraka ny tanimbarinareo izay"?

Ankasitrahan'Andriamanitra ny mba hitsinjovantsika vody andro merika ... fitsinjovana ny aina koa angamba izany ! Saingy ny hifikirana amin'ny zavatra ety an-tany ka hanaovana azy ho andriamanitra kely no tsy ankasitrahan'Andriamanitra.

Na tokony ho ankasitrahan'Andriamanitra aza nefa ny hitsinjovana ny ampitso ... dia mety tsy mifanaraka amin'ny sitrapony ny fomba hitsinjovantsika azy ! Noho izany amiko, rehefa tsy mahay dia manadihady ny ataon'ilay "voyant" aloha. Betsaka ohatra no tsy mahafantatra fa misy hifandraisany ony ny volana eny ambony sy ny seve amin'ny hazo maniry ( :?::?::?: ), ka rehefa mijery volana ny olona hanapaka hazo dia ... mpisikidy ozizy ny tsy mahalala. Misy koa nefa ny tena manao "masina ouz" !

Noho izany, izaho raha tsy mandeha any amin'ny voyant dia tsy hoe asan-devoly, fa hoe tsy haiko ny ataony koa ... sao manaonao foana any ! Izay fotsiny ! Raha omeny ahy ndray ny fanazavana be amin'ny voyance-ny dia na za aza mety hirotsaka voyante ihany rehefa tsy hitako ze olana :-D:-D:-D
39. ikaretsaka ( 03/09/2007 23:52)
misaotra an'i pissoa nandravona ilay hevitra tiantsika dahy ambara.
miombon-kevitra amin'io
40. fijo ( 04/09/2007 22:15)
izay tokoa,ny fahalalana anana'ny mpanandro dia tsy itako izay maharatsy azy.
fa ny minomino foana ireny manao pub be ireny koa ,mitandrema,fa raha milaza ve izy fa mandoha 50€ de omeny an'ialahy ny tarehimarika ahazo loto.ny 50€ any ampaosinao aza mahamaika azy ny haka azy,ko raha hainy io tsy efa ela no nataony????asio fandinihana kely fotsiny dia tsy hino ireny izay te hino.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097