Misy soso-kevitra ity ka mba ampio aho azafady e!!

1. niryna ( 24/08/2007 07:21)
Mitady namana hiaraha-mivavaka ny namana na havana sns izay manana olana eo amin'ny fiainana ka mila vonjy.

Ity misy soso-kevitra kely mety mahasoa antsika rehetra.

Mifampahery isika rehetra ato ka raha misy mahita hevitra hoe misy namana mila hivavahana( na inona izany na inona olana eo aminy)misy fomba ve afaka manokatra izany isika atao hivavahana fotsiny ary misy namana ve hirotsaka hanampy ahy hiara-mivavaka ny namantsika?

Alefaso ary ny adi-hevitra ho dinihantsika eto.

Raha sendra ady sarotra ianao amin'izao fotoana hanoratako izao dia manana fanamtenana fa na inona no angatahinao aminy ka amin'ny finoana dia ataony tanteraka izany,tsy hamela anao ho irery Izy,ary tsy hanome zavatra tsy ho zakanao Izy.Ny angatahiny aminao fotsiny dia ny hanantonanao Azy tanteraka.Mahereza.
(l)niryna
novalian'i adidy ny 08/09/2007 09:37
2. fahamarinana ( 24/08/2007 07:51)
:arrow:Ohatra hoe atao hoe cellule de prière zany no tian'ny nirina? Za mankasitraka kah,suis partante!!(l)
3. andry12 ( 24/08/2007 08:27)
za ko torak` izany je suis partante.efa ela za no nitady oul na site hahafahako miresaka @ oul momba ny ara-pivavahana fa d miandry anareo zany o
4. ikaretsaka ( 24/08/2007 11:30)
mankahery sy mitondra teny fampaherezana, ny fanazavana sy ny torohevitra alefa iany
fa mivavaka ho azy samirery koa no important
.
io ilay hoe tsy ny fitatatana ato akory fa teneno fotsiny hoe ra anona sy ra anona mila vavaka, hay izay dia samy manolotra ny vavaka-ny any

ny antony manko dia samy manan any fomba fivavahany ny tsirairay ka vao mainka hanahirana eo indray fa lasa ny cellule dia misy hanao vavaka sy hangataka ilay izy miaraka @ olomasina ohatra an.. na misy silamo koa mba te hivavaka dia hafa mihitsy ny hitondrany azy.
dia hisy indray ny tsy hanaiky dia lasa idray ny polemique.

fa ny mba tsipy hevitro dia atao heo hivavaka ho an-Drakoto oatra fa izao ny olana mahazo azy, dia sady omena courage Rakoto no samy manokana sy manao ezaka hivavaka ho an-dRakoto ohatra rehefa mivavaka alohan'ny hatory

5. fahamarinana ( 24/08/2007 12:21)
:arrow:ika:marina koa zay hevitrao zay,fa mety amiko daholo e na mivavaka any antranony any na eto fa zay mety amin'ny rehetra e!(l)
6. deric ( 24/08/2007 13:39)
Amiko dia tsy olana ny mahita izay ilan'ny hafa eto ka angatahany vavaka; izany hoe minkina aminy ihany izany raha afaka mamboraka izany eto izy, marihina aloha fa tsy dia afaka hivavaka avokoa izay mahira rehetra, fa tsy maintsy misy mandray izany ka hiombona amin'ilay manana olana ka hitondra izany anatreh'i Jesosy; tsy hivavaka eto amin'ny site anefa fa mba devoir de maison le izy.
Ka raha mifankafantatra kosa ka mety hifanakaiky ihany ny toerana onenana, dia mety ho azo atao ihany ny mifanantona hiara-mivavaka sy hifampahery.
7. rakaroka ( 24/08/2007 14:49)
:-w:-w:-w Mmmmmm hevitra tsara tokoa ny mifampitondra amim-bavaka izany: Asa azo atao ve ohatra ny mifanohana amim-bavaka mba "ahato" ny fandrosoan'ny tsi1/1 eo @ zavatra imasoany na kasainy?...
Nisy namana tato tokoa ry reto, tsy lazaiko aloha ny ps fa dia sahirana tokoa izy "hamita ny fianarany "informatika" efa eo am-panomanana ny "thèse-ny" izy izao, dia "blem" hono fa misy vola tokony omena ny prof mikarakara ny "thèse" , ny ikarakarana izany rahateo,
mila manofa salle sns!
Dia "entiko" eto lé "situation" mbô hiandrandrana ny vavaka avy @ namana!
Misaotra!:wink:

8. niryna ( 24/08/2007 18:46)
fahamarinana:

:arrow:Ohatra hoe atao hoe cellule de prière zany no tian'ny nirina? Za mankasitraka kah,suis partante!!(l)

Ie,izay no mba faniriako sy etahetako.:D

9. niryna ( 24/08/2007 18:48)
andry12:

za ko torak` izany je suis partante.efa ela za no nitady oul na site hahafahako miresaka @ oul momba ny ara-pivavahana fa d miandry anareo zany o

dia andao aza isika hitady hevitra raha izany :D,inona no tokony atao.Eny fa na dia miresaka na mifanampy ny namana fotsiny ihany aza dia efa zava-dehibe.Angatahina ny Tompo ny hanome antsika izay tokony ho atao.

10. niryna ( 24/08/2007 18:56)
ikaretsaka:

mankahery sy mitondra teny fampaherezana, ny fanazavana sy ny torohevitra alefa iany
fa mivavaka ho azy samirery koa no important

Ka izay ilay tadiaviko sy mba hiriko.

io ilay hoe tsy ny fitatatana ato akory fa teneno fotsiny hoe ra anona sy ra anona mila vavaka, hay izay dia samy manolotra ny vavaka-ny any

mitatata ahoana e.aiza ika izany,andao hiaraka aminay.:D

ny antony manko dia samy manan any fomba fivavahany ny tsirairay ka vao mainka hanahirana eo indray fa lasa ny cellule dia misy hanao vavaka sy hangataka ilay izy miaraka @ olomasina ohatra an.. na misy silamo koa mba te hivavaka dia hafa mihitsy ny hitondrany azy.
dia hisy indray ny tsy hanaiky dia lasa idray ny polemique.

Ny mahasamy hafa azy dia hiaraha mahalala fa saingy raha misy olona roa na telo no mangataka zavatra amin'ny anaran'i Kristy dia eo afovoany Izy.Raha misy olona manana olana dia mety hanahirana ny hitantara izany eto koa raha mba misy namana afaka hitantarainy na tsy mahavaha aza, dia manamaivana ny fangirifirina sy ny fahoriana.Mino an'izany aho ary efa ela aho no nanao izany.

fa ny mba tsipy hevitro dia atao heo hivavaka ho an-Drakoto oatra fa izao ny olana mahazo azy, dia sady omena courage Rakoto no samy manokana sy manao ezaka hivavaka ho an-dRakoto ohatra rehefa mivavaka alohan'ny hatory
ie io izao dia marina ary mino koa aho fa maro ny namana mitovy io hevitra io na izaho ihany koa aza dia efa manana lisitra ny olona hivavahako sy miaraka hivavahanay.Izay no mba tiako hizaraina azy eto raha mety.

Ho an'Atra irery hatrany anie ny voninahitra.

11. niryna ( 24/08/2007 18:57)
fahamarinana:

:arrow:ika:marina koa zay hevitrao zay,fa mety amiko daholo e na mivavaka any antranony any na eto fa zay mety amin'ny rehetra e!(l)

Izaho koa miombokevitra amin'i fahamarinana

12. niryna ( 24/08/2007 18:59)
deric:

Amiko dia tsy olana ny mahita izay ilan'ny hafa eto ka angatahany vavaka; izany hoe minkina aminy ihany izany raha afaka mamboraka izany eto izy, marihina aloha fa tsy dia afaka hivavaka avokoa izay mahira rehetra, fa tsy maintsy misy mandray izany ka hiombona amin'ilay manana olana ka hitondra izany anatreh'i Jesosy; tsy hivavaka eto amin'ny site anefa fa mba devoir de maison le izy.
Ka raha mifankafantatra kosa ka mety hifanakaiky ihany ny toerana onenana, dia mety ho azo atao ihany ny mifanantona hiara-mivavaka sy hifampahery.

Mety koa izay teninao izay:D
13. niryna ( 24/08/2007 19:13)
rakaroka:

:-w:-w:-w Mmmmmm hevitra tsara tokoa ny mifampitondra amim-bavaka izany: Asa azo atao ve ohatra ny mifanohana amim-bavaka mba "ahato" ny fandrosoan'ny tsi1/1 eo @ zavatra imasoany na kasainy?...
Nisy namana tato tokoa ry reto, tsy lazaiko aloha ny ps fa dia sahirana tokoa izy "hamita ny fianarany "informatika" efa eo am-panomanana ny "thèse-ny" izy izao, dia "blem" hono fa misy vola tokony omena ny prof mikarakara ny "thèse" , ny ikarakarana izany rahateo,
mila manofa salle sns!
Dia "entiko" eto lé "situation" mbô hiandrandrana ny vavaka avy @ namana!
Misaotra!:wink:

Misaotra rakorako nizara izany tamin'ny namana.
Ny hafatra tokony omenao azy dia ny aza mitsahatra ny mivavaka ary miresaka ny Tompo ny olana misy eo aminy.Manomboka izao izy no asio mivavaka ka hatramin'izay fotoana hiafaran'ny these-ny(oops tsy mba manana accent izahay:cry::D).Tena mamaly vavaka Atra ary izaho no sahy mijoro vavolombelona izany ho antsika rehetra eto.
Alefaso any aminy ny hafatra raha tsy mahadiso,raha ohatra moa izy ka tsy mino dia ianao no mivavaka ho azy hatrany fa Atra mamaly vavaka sy mihaino izay mitady Azy,eny fa na dia mbola tsy nangataka aza isika dia efa fantany ny mahasoa antsika tsirai2 avy.

Tompo o,misaotra anao hatrany izahay fa mbola afaka nidera sy nankalaza ny anaranao.Omeo hery ity naman'i rakorako mba ho tody soa aman-tsara amin'izay tanjona rehetra ho tratrariny.Ampio izy Tompo o mba hanana fanantenana sy hiankina ny fiainany eo aminao.Tsy mahavita na inona na inona izahay raha ny eritreritra fotsiny no ataonay.Hianao anefa efa nanome toky fa na inona na inona no angatahanay amin'ny anaranao dia omenao anay izany raha mino anao tokoa izahay.
Misaotra indrindra Tompo o,amin'ny anaranao ilay Kristy mahery no angatahanay izany vavaka izany.Amena

14. Kwasi ( 24/08/2007 19:45)
Tsara mihitsy iny hevitry niryna iny.

Ho anay angamba aloha dia tsy afaka ny hoe mankany antrano e.

Isika manko izao eto @ serasera internet ka raha ny hevitro dia ity: manokatra forum iray na sujet iray hoe cellule de priere.
Dia manoratra ao ireo izay mangataka fampaherezana sy fiombonambavaka. Hazavainy ao tsara izany indrindra hoe inona marina no tena ilainy. Tsy maninona na pseudo xxx aza no ampiasainy fa mba lazaina ny anarana (prenom) fa manjary tsy hay hoe vavaka ho an'iza no ho atao.
Dia mamaritra ora isika (na ianao izay mpitarika) hoe @ XX h Temps universel dia hiara hivavaka ho andRakoto isika. Ora GMT no omena dia mba samy mampifanandrify an'io @ ora any @ misy antsika tsirairay avy any. Dia @ izay manko tonga dia miaraka @ fotoana iray ny vavaka.

Fa mety ho experience tsarabe io.
Dia rehefa nahazo valim-bavaka ilay namana dia mba angatahina hanao feedback mba ho fifampaherezana ho antsika rehetra koa e.

Izay no sosonkevitro.
15. xxx ( 24/08/2007 20:09)
Maba aza hadino ny mivavaka ho an'ny firenentsika isaky ny mivavaka ianareo.

Azo atao ny miombom-bavaka, mifanome ora sy fotoana samy manao ze mety any an-tranony.
16. fijo ( 24/08/2007 20:34)
de mahazotoa ary nareo izay mazoto e
17. Kwasi ( 25/08/2007 04:10)
Anaovana fotoana manokana toi rehefa raikitra io e.:D:D
18. Mitah ( 25/08/2007 04:18)
Kwasi:

Tsara mihitsy iny hevitry niryna iny.

Ho anay angamba aloha dia tsy afaka ny hoe mankany antrano e.

Isika manko izao eto @ serasera internet ka raha ny hevitro dia ity: manokatra forum iray na sujet iray hoe cellule de priere.
Dia manoratra ao ireo izay mangataka fampaherezana sy fiombonambavaka. Hazavainy ao tsara izany indrindra hoe inona marina no tena ilainy. Tsy maninona na pseudo xxx aza no ampiasainy fa mba lazaina ny anarana (prenom) fa manjary tsy hay hoe vavaka ho an'iza no ho atao.
Dia mamaritra ora isika (na ianao izay mpitarika) hoe @ XX h Temps universel dia hiara hivavaka ho andRakoto isika. Ora GMT no omena dia mba samy mampifanandrify an'io @ ora any @ misy antsika tsirairay avy any. Dia @ izay manko tonga dia miaraka @ fotoana iray ny vavaka.

Fa mety ho experience tsarabe io.
Dia rehefa nahazo valim-bavaka ilay namana dia mba angatahina hanao feedback mba ho fifampaherezana ho antsika rehetra koa e.

Izay no sosonkevitro.

Mitovy ny hevitrao koa aho.
19. ikaretsaka ( 27/08/2007 03:29)
tsy voatery miaraka @ ora kao ka.. satria @ izay misy ny matory misy ny mifoha :wink: dia iza no atao hiari-tory di aiza no hatao hifoha?
Atao mandritra ny 9 andro ohatra... ohatran'ireny karazana Novena na Neuvaine ireny! dia samy manao ny azy.
dia milaza ny probleme-ny dia mivavaka ho azy @ izay mahamety azy, fa garder-na ny neuvaine!
20. niryna ( 27/08/2007 05:28)

Ka andao aza tairina e,vonona ve ianao hanokatra site iray.Mety ho hisy hijoro vavolombelona ao dia eo no olana aminao sa tsy maninona anao intsony:D:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2342