Misy soso-kevitra ity ka mba ampio aho azafady e!!
21. adidy
(
27/08/2007 07:42)
Misaotra anareo namana eto!
Za mangataka vavaka ho an'ny fianakaviako izay mandalo fotoan-tsarotra any Madagasikara @ izao fotoana izao! Tsy mitsahatra mivavaka aho ary mahatoky fa na eo aza ny tafio-drivotra dia eo foana ny Tompo! Ny tena mahavariana ahy dia matetika izay zavatra ataoko izao dia mifanojo foana @ hira ilaiko, manokatra ny RVZG aza aho mbola tojo ny Velomy aho Tompo, hay teo foana i Kristy, Aza avela hahalala.Misaotra

22. fahamarinana
(
27/08/2007 13:36)
:arrow:Jesosy o,dia apetrakay eo ampelatananao ny fanirianay rehetra eto izay maniry hiaraka hiombom-bavaka hoa an'ireo zay mitady sy mila izany,Tompo o,faniriana fontsiny no anay fa Ianao no mahatanteraka izany raha mifanaraka amin'ny sitraponao sy amin'ny fotoana tianao ahantanterahany.Arotsahy aminay ny Fanahy Masinao ka ho Izy irery no hitarika sy hitondra anay ary hanome anay ny teny rehetra hivoaka ny vavanay na ao anaty eritreritray hanampina ireo namanay mila izany.
Aza atao diso anjara Jesosy o ny namanay izay ao anatin'ny fahasahiranana na ara-bola na ara-tsaina,fantatrao fa efa atomotra ny rentrée dia tonga amin'izany ny fikarakaràna ny papier-séjour,ny vola atao inscription,ny vola ho enti-manana ny fianarana.Tsarovy manokana ny naman'i rakaroka fa efa eo ampamaranana ny fianarana izy ary mila vola ho enti-manana ny amin'izany.Aza atao diso anjara izy Tompo o,ampio,ampaherezo ary ho eo anilany mandarakariva Ianao mandritra ny fotoampianarany.
Tsy adinonay koa ny fianakavian'ny adidy any m/car izay mandalo fotoan-tsarotra amin'izao fotoana izao.Mombà azy Jesosy o,Ianao lay Zoky be fitia ianteheranay amin'ny andro mora na sarotra,tsy mbola nanary anay fa eo anilanay mandrakariva.Hombao ny fahasoavanao izy ireo,ampy mizara ny fahasoavanao Tompo o!,mamindrà fo aminy raha nisy tsy nety nataony ka tsy nifanaraka tamin'ny sitraponao.Mamelà ny helony ary ombao ny Fanahy Masinao izy ireo hitarika azy amin'izay rehetra ho ataony.Dia amin'ny anaranao masina no angatahinay izany.Amen.(l)
Mahereza ao amin'ny Tompo daholo e!!!

23. ikaretsaka
(
27/08/2007 14:55)
niryna:
Ka andao aza tairina e,vonona ve ianao hanokatra site iray.Mety ho hisy hijoro vavolombelona ao dia eo no olana aminao sa tsy maninona anao intsony:D:D
Ka ny anay le manao ohatran'i Mere teresa kao "vavaka=tolona fa tsy sento"
raha sentosento sy fizahozahoana hoe zahay manao izao sy izao na tahaka izao de toy izao dia tsy manao loatra aho.
http://katolika.org/content/view/85/37/lang,mg/
25. adidy
(
27/08/2007 18:07)
Misaotra ireo izay mahatsiaro o!
Tsy misy fizahozahoana na sentosento kosa eo e! Za manokana aloha dia variana satria mila vavaka dia gaga aho fa tojo an'ity lohahevitra ity! Dia faly e!

26. ikaretsaka
(
27/08/2007 18:10)
izay mihitsy no evitena ko
ilay vao hoe nanaona i A ry reto dia :(:(:( be daholo dai Andriamanitra o:(:(:( aby!:roll:

27. niryna
(
28/08/2007 05:26)
adidy:
Misaotra anareo namana eto!
Za mangataka vavaka ho an'ny fianakaviako izay mandalo fotoan-tsarotra any Madagasikara @ izao fotoana izao! Tsy mitsahatra mivavaka aho ary mahatoky fa na eo aza ny tafio-drivotra dia eo foana ny Tompo! Ny tena mahavariana ahy dia matetika izay zavatra ataoko izao dia mifanojo foana @ hira ilaiko, manokatra ny RVZG aza aho mbola tojo ny Velomy aho Tompo, hay teo foana i Kristy, Aza avela hahalala.Misaotra
Misaotra anao nizara izany amin'ireto namana rehetra eto.Eny mandalo fitsampana daholo isika rehetra amin'ny fiainana ary ao anaty mangidy no ahitana ny mamy.Mahereza ary aza mitsahatra ny misaotra Azy sy midera ny anarany na amin'inona na amin'ny firy.
Tompo o,misaotra anao izahay fa mbola nomenao tombon'andro ka afaka midera sy mankalaza ny anaranao mandrakariva,misaotra anao ihany koa noho ny fanomezanao ity fandaharana ity ka nahatonga anay rehetra nizara,nianatra,nidera,nankalaza ary tsy itsahatra nisaotra ny Anaranao y.Tahio adidy sy ireo fianakaviana any an-tanindrazana,minoa fotsiny ihany hoy ianao dia hovonjeko ianao sy ny ankohonanao.Enga anie ry Tompo o! mba hirotsaka amin'ireo fianakaviana ny fahasoavanao ary tsy andaho azy ireo Ianao na amin'ny fotoan-tsarotra na amin'ny fahoriana ary na amin'ny fifaliana.Ampitombohy amin'izy ireo mandrakariva ny fahasoavanao ary enga anie ilay tanana mahery no hanarona sy hiaro azy ireo amin'ny tafio-drivotra izay mamely.
Amin'ny alalan'i Kristy ,ilay Tompo mahery indrindra no angatahinay izany vavaka izany.Amena.
29. niryna
(
28/08/2007 05:29)
fahamarinana:
:arrow:Jesosy o,dia apetrakay eo ampelatananao ny fanirianay rehetra eto izay maniry hiaraka hiombom-bavaka hoa an'ireo zay mitady sy mila izany,Tompo o,faniriana fontsiny no anay fa Ianao no mahatanteraka izany raha mifanaraka amin'ny sitraponao sy amin'ny fotoana tianao ahantanterahany.Arotsahy aminay ny Fanahy Masinao ka ho Izy irery no hitarika sy hitondra anay ary hanome anay ny teny rehetra hivoaka ny vavanay na ao anaty eritreritray hanampina ireo namanay mila izany.
Aza atao diso anjara Jesosy o ny namanay izay ao anatin'ny fahasahiranana na ara-bola na ara-tsaina,fantatrao fa efa atomotra ny rentrée dia tonga amin'izany ny fikarakaràna ny papier-séjour,ny vola atao inscription,ny vola ho enti-manana ny fianarana.Tsarovy manokana ny naman'i rakaroka fa efa eo ampamaranana ny fianarana izy ary mila vola ho enti-manana ny amin'izany.Aza atao diso anjara izy Tompo o,ampio,ampaherezo ary ho eo anilany mandarakariva Ianao mandritra ny fotoampianarany.
Tsy adinonay koa ny fianakavian'ny adidy any m/car izay mandalo fotoan-tsarotra amin'izao fotoana izao.Mombà azy Jesosy o,Ianao lay Zoky be fitia ianteheranay amin'ny andro mora na sarotra,tsy mbola nanary anay fa eo anilanay mandrakariva.Hombao ny fahasoavanao izy ireo,ampy mizara ny fahasoavanao Tompo o!,mamindrà fo aminy raha nisy tsy nety nataony ka tsy nifanaraka tamin'ny sitraponao.Mamelà ny helony ary ombao ny Fanahy Masinao izy ireo hitarika azy amin'izay rehetra ho ataony.Dia amin'ny anaranao masina no angatahinay izany.Amen.(l)
Mahereza ao amin'ny Tompo daholo e!!!
^:^^:^
30. niryna
(
28/08/2007 05:48)
ikaretsaka:
Ranombavaky ny mpino
Miaiky isika fa zanak'Andriamanitra ka tokony hifankatia toy ny mpiray tampo. Entanin'izany fifankatiavana izany ndeha hangataka Aminy izay rehetra ilaintsika sy ny namantsika tsy an-kanavaka.
Io izao dia efa voalazan-tsika mandrakariva eto,dia io no tiako ho tenenina aminao koa.
31. niryna
(
28/08/2007 05:50)
ikaretsaka:
[quote=niryna]
Ka andao aza tairina e,vonona ve ianao hanokatra site iray.Mety ho hisy hijoro vavolombelona ao dia eo no olana aminao sa tsy maninona anao intsony:D:D
Ka ny anay le manao ohatran'i Mere teresa kao "vavaka=tolona fa tsy sento"
Fa aminao angaha raha mitarika ny namana hivavaka dia mizahozaho izany,tsy mba izaho no niteny an'io :roll:,tsy azoko ny manao izao sy toy izao.Dia ahoana izany no hitorianao ny filazantsara?
raha sentosento sy fizahozahoana hoe zahay manao izao sy izao na tahaka izao de toy izao dia tsy manao loatra aho.
Hoy ilay rangahy izay hoe ,miasa aho dia miasa ,dia angoniko fa tsy mila mizara ny olona aho.Raha nomen'ny Tompo hery isika,dia afaka mizara izany hery izany ihany koa,ny mitory ny tenin'Atra dia hafa mifanohitra ny hoe hangony hatrany,amin'ity indray mizara izay kely hananao.Tsy manana ho zaraina dia mandray indray.Tsy vola na harena izany fa ny fahasoavana nomen'ny Tompo ho antsika tsirairay avy.
Raha iray ihany no hivavahantsika dia ataoko fa tsy misy olana:arrow:mivavaka amin'i Kristy:arrow:mino azy fa any amin'ny no ahitana famonjena.Io no tanjona.Toy ny olona hoe mivavaka rehefa midera an'Atra tokoa ka mitodi-doha any amin'ny mibebaka,mifona dia mivavaka ireo olona izay mila vonjy na amin'inona na inona.Raha misy roa na telo no mivory amin'ny anaran'i Kristy ka mangataka zavatra iray amin'ny anarany dia eo afovoany Izy.Raha isika mpinama eto no mivavaka ny namana iray hatrany "ny vavaky ny maro mahataka-danitra.Tonga daholo ny anjelin'Atra sy ny Fanahy Masina hiaro,hanampy,hitarika,hitondra antsika ary hampianatra antsika hivavaka.
Mahay mivavaka daholo isika rehetra ary mino an'izany aho,raha manana finoana an'i Kristy dia afaka mivavaka daholo.Ahoana?Toy isika manoratra ato izao,miresaka ny namana,dia afaka miresaka amin'Atra koa isika:arrow:io no atao hoe mivavaka amin'Atra.:D
32. niryna
(
28/08/2007 05:56)
ikaretsaka:
tairo @ izay ny toko saple atolotra ho an'ny fianakavian'i adidy ary
Arahaba ry Maria. . .
Mitady vavaka izy ka alefaso aza ny anao.
33. ikaretsaka
(
28/08/2007 05:59)
ko za efa mitarika toko saple fa ianao tsy miaraka manao amiko akory ko!:roll:
34. bobone
(
28/08/2007 14:18)
Niryna! misaotra anao nanome hevitra tsara ary tena ilaina tokoa izany mifampitondra ambavaka izany ! mankasitraka be dia be e! fa io marina ny tenin'i XXX fa mety daholo na any an_trano io na @ ora firy fa mba manana soso-kevitra zaho raha mety aminareo e! manondro ora iray izay maha any an-trano ny rehetra de @ iny no miaraka mivavaka isika rehetra!
exp samy ao an-trano @ 10h alina @ iny samy mitondra ambavaka ny ankizy e! sa tsy mety @ sasany?
hatao izay hifanarahana e!
Misaotra an'ny Rakaroka nilaza ny olan'ny sasany e! de entina ambavaka izany kah!

35. fahamarinana
(
28/08/2007 15:22)
bobone:
Misaotra an'ny Rakaroka nilaza ny olan'ny sasany e! de entina ambavaka izany kah!
:arrow:naman'ny rakaroka dia i adidy koa tsy adinoina an (l)
36. niryna
(
28/08/2007 16:35)
bobone:
Niryna! misaotra anao nanome hevitra tsara ary tena ilaina tokoa izany mifampitondra ambavaka izany ! mankasitraka be dia be e! fa io marina ny tenin'i XXX fa mety daholo na any an_trano io na @ ora firy fa mba manana soso-kevitra zaho raha mety aminareo e! manondro ora iray izay maha any an-trano ny rehetra de @ iny no miaraka mivavaka isika rehetra!
exp samy ao an-trano @ 10h alina @ iny samy mitondra ambavaka ny ankizy e! sa tsy mety @ sasany?
hatao izay hifanarahana e!
Misaotra an'ny Rakaroka nilaza ny olan'ny sasany e! de entina ambavaka izany kah!
bjr aky bobone a,tsy misy fisaorana ka amiko ny tarigetrako dia ny mampiasa ny fivavahana amin'ny fiainana,ampiharina amin'ny fiainana andavanandro.Tsy misy zavatra tongatonga foana raha tsy miezaka mampiasa izany isika.Nampiatra izany tamin'ny fiainako aho ary nahitako ny marina sy Atra mamaly vavaka dia mba tiako ho zaraina antsika rehetra koa.Tsy mora fa mila ezaky ny tsirairay
37. xxx
(
29/08/2007 04:39)
Raha mety koa niryna dia afaka mitantara koa ny ankizy izay nahazo fahasoavana fa tsy ny misy olana ihany.Izaho koa te-hiaraka aminao,ary misaotra nampahery anay hatrany,satriko aza hamaky ny zavatra alefanao foana fa tena lalina be ilay izy ary tena azo hoentina amin'ny fiainana.Misaotra betsaka ary mivavaka ho anao hatrany aho mba omen'ny Ray aminao ny Fanahy Masina hanoro lalana anao sy hanazava ny sainay .:*:*
Fahasoavana nahazo ahy:Tsy ho lazaiko ny anarany ,tsy nisalasala aho nanoratra ho azy ary dia niafara tamin'ny vavaka ny resakay.Tsy notantaraiko azy daholo izay olana nisy fa naheno ilay fisaorako sy ilay fitarainako izy ary dia nanontany ahy ny adiresiko ka dia nampiany izahay mianakavy kely.Misaotra betsaka nampianatra ahy nino sy nanankina ny fiainako tokoa araka ny teninao foana.Ilay olona nitady sy nikatsaka an'ny Tompo tao anaty andro sarotra,nampianarinao hoe mamaly vavaka Andriamanitra fa aza mitsahatra ary dia nataoko izany ka novaliany tokoa aho.Misaotra niryna a. .^:^^:^

38. ikaretsaka
(
29/08/2007 04:47)
fa ny fahasoavana nety t@ ndrakoto ange tsy nety t@ ndrabe dia ny azon'i paoly tsy mitovy @ barnabe e!
39. niryna
(
29/08/2007 16:46)
xxx:
Raha mety koa niryna dia afaka mitantara koa ny ankizy izay nahazo fahasoavana fa tsy ny misy olana ihany.Izaho koa te-hiaraka aminao,ary misaotra nampahery anay hatrany,satriko aza hamaky ny zavatra alefanao foana fa tena lalina be ilay izy ary tena azo hoentina amin'ny fiainana.Misaotra betsaka ary mivavaka ho anao hatrany aho mba omen'ny Ray aminao ny Fanahy Masina hanoro lalana anao sy hanazava ny sainay .:*:*
Fahasoavana nahazo ahy:Tsy ho lazaiko ny anarany ,tsy nisalasala aho nanoratra ho azy ary dia niafara tamin'ny vavaka ny resakay.Tsy notantaraiko azy daholo izay olana nisy fa naheno ilay fisaorako sy ilay fitarainako izy ary dia nanontany ahy ny adiresiko ka dia nampiany izahay mianakavy kely.Misaotra betsaka nampianatra ahy nino sy nanankina ny fiainako tokoa araka ny teninao foana.Ilay olona nitady sy nikatsaka an'ny Tompo tao anaty andro sarotra,nampianarinao hoe mamaly vavaka Andriamanitra fa aza mitsahatra ary dia nataoko izany ka novaliany tokoa aho.Misaotra niryna a. .^:^^:^
Misaotra xxx an.Fampaherezana hatrany no tena tanjona ahatongavana amin'izany finoana an'i Kristy izany.Tsy mora kanefa raha tsy manandrana izany fiarahana miaina aminy izany tokoa isika dia tsy ahita vokantsoa.
Enin-taona lasa izay no nahenoina hoe voan'ny cancer ny zaobaviko.Niantso ny fianakaviana tany dago aho ary nafarako daholo ry zareo ny hitrotro am-bavaka ny marary,ny vady aman-janany koa dia toy izany,ny naman'ireo zanany avy,ny mpiara-miasa amin'ilay ramatoa ary indrindra indrandra ny mpiara-mivavaka.Nitondrako solo-volo izy fa ritra tanteraka ny volony.Mahay zavatra Atra,mamaly vavaka izy,matetika ny olona voan'ny cancer dia lasa mivadika ny texture-ny volona kanefa noho ny hitako izy dia niverina tsy nisy nahafantatra azy raha olona mbola tsy nahita azy hoe ity olona ity dia sola tsy nisy volo.Ny tena nisaorako an'ny Tompo dia ny volona lasa lava ary niverina tamin'ilay volony taloha ihany.Midera anao aho ry Tompo noho ny fahagagana maro tsy takatry ny sainay ataonao aminay.=D=D(l)(l)
Misaotra anao manokana aho ary mbola tsy mitsahatra ny mijoro ho vavolombelonao fa Atra velona sy mahery ianao,Atry ny velona fa tsy an'ny maty,Atra mamaly vavaka ho an'izay tena manankina sy miankina ny fiainany aminao.Misaotra anao ihany koa aho fa mbola afaka miaraka amin'ny vady aman-janany hatramin'izao ity havanay,fianakaviana tsy foinay ny andao anay,mbola nomenao tombon'andro izy hiderana ny anaranao.Misaotra Tompo o,amin'ny anaranao mahery ilay Mpanjakan'ny mpanjaka Kristy no angatahiko izany vavaka izany.Amen^:^
40. ikaretsaka
(
29/08/2007 17:05)
fa ny tsy azoko amin'ny fomba fivavaky ny sasany:
dia tsy maintsy le sentosento foana no apoitra? manao hoeee zao andriamanitra oooooo hmmmmmmm Andriamanitra o! ataovy an zao re andriamanitra oooooo! omeo izao reeeee andriamanitra ooooo eeeeeeeee Jereo zahay eeeeeeee!
Nefa ny vavaka "tolona fa tsy sento"