miavona ve ny gasy eto frantsa

1. epsedo ( 06/08/2007 16:32)
hmmmm tsapa otrany hoe to miavona hono ko. nefa ve mba manana fikambanana ve ny gasy eto fratsa : ohatra hoe fikambanany sinoa eto madagascar :-*:-*
novalian'i RAKVOL ny 13/04/2008 05:52
2. fasaly ( 06/08/2007 16:49)
ôhhh! tara be toi ry epsedo fa efa noresahana teto imbetsaka io fa misy tokoa ny miavona ny gasy indrindra ao paris efa nantao resaka dridrangilo teto foana:-D
3. diamondra27 ( 06/08/2007 17:05)
ye miavona zahay, mifampijery fotsiny refa mihaona de samy lasa
4. Fiffi ( 06/08/2007 17:21)
heu.....aza atao bemiray kosa le hoe miavona an ! ny gasy fantatro rehetra aty tsy misy miavona zany...zany no nahatonga anaha nanana namana bdb....afatsy......:arrow: :roll:
5. puket ( 06/08/2007 17:42)
Zay aty alou tsy miavona e ...hihihi...aty ngamba no gasy miray hina njinja...surtout ra mpianatra...sy tsy mpianatsa...hihihi
6. rasil ( 06/08/2007 18:07)
Nisy fety hoe RSM izay taty amerika. Araka ny maha-fety gasy azy moa dia gasy daholo ny ankamaroan'ny olona. Ary tsy nifankahalala. Mba vohi-pihaonana ilay izy, ary ny andehanana any mba hifanerasera amin'ny gasy. Nahafinaritra ny olona sasany fa tonga dia miresaka tsara.
Fa betsaka koa anefa ny miavona, ny mitsara ivelany, ... Misy arahabainao fa sendra nifanojo fijery izao dia tsy mamaly. Tsy izaho irery no tratran'izany fa na olona tsy mbola hitako akory fa sendra niresaka tamiko aza tratran'izany.

Ka na aiza na aiza, tsy maintsy misy foana ny miavona.
7. fasaly ( 06/08/2007 18:44)
puket:

Zay aty alou tsy miavona e ...hihihi...aty ngamba no gasy miray hina njinja...surtout ra mpianatra...sy tsy mpianatsa...hihihi

fa aiza no misy an'i toi:wink::-P any marseille ve:roll::-D any aloha toa miray hina be e!

8. Fiffi ( 06/08/2007 19:25)
rasil:
Ka na aiza na aiza, tsy maintsy misy foana ny miavona.
misy fa aza atao dans le même sac kosa hoa !


9. lapino ( 06/08/2007 23:42)
Betsaka ny gasin'i Frantsa no miavona, fa tsy izy rehetra. Misy aza no tena misy haratsiam-panahy amin'ny gasy tsotra mihitsy.

Kanefa ahoanao inona moa izay miavona any ? Betsaka koa ny gasy cool
10. Herimiafina ( 07/08/2007 01:16)
Misy foana ny olona miavona n'aiza n'izao fa tsy quoi mihintsy io satria tsy manampy na manala voambary iray ao anaty vilianao.
Na dia izany aza anefa tsy hoe miavona i ra-anona dia iavonako ihany koa, raha hitanao fa ratsy ny nataony dia aza valiana ratsy sy manova toetra fa tohizo hatrany ny revinao dia izay! :^):@
11. Fiffi ( 07/08/2007 05:54)
Herimiafina:

Na dia izany aza anefa tsy hoe miavona i ra-anona dia iavonako ihany koa, raha hitanao fa ratsy ny nataony dia aza valiana ratsy sy manova toetra fa tohizo hatrany ny revinao dia izay! :^):@
f'ita.....raha mifanena am olona miavona kalou zah de vao maika hitsikiko an ! :)


12. Lov ( 07/08/2007 08:54)
Efa nandeha tamin'ny RFI vao vetivety mihitsy fa ny mponina paris mihitsy ny "moins accueillante" eran'izao tontolo izao; nefa izaho koa mahita fa tsy azo atao iray sobika. Ny toerana nisy anay taty afrika aza, fianakaviana telo dia samy maka ho azy.
13. hery ( 07/08/2007 09:03)
Ary ny gasy eny Analakely? :-p

Raha misy gasy tsy fantatrao mifanena aminao eny Analakely dia andramo arahabaina fotsiny ange e.
14. mim ( 07/08/2007 09:16)
diamondra27:

ye miavona zahay, mifampijery fotsiny refa mihaona de samy lasa
ary diamondra27 miséo ho mpananatra b eto nefa ay zany lé toetrany lé!


15. diamondra27 ( 07/08/2007 10:48)
mim::D, la mpananatra ngah midika we miarahaba ny rehetra ze hita

ndana enao miakatra ao paris de miarahabà vazah mifanena aminao de ataovy bonjour! raha tsy enao ndray no lazainy fa misy voa kely

mim: f'angah tena mihaino ny conseil-ko rehetra enao?
Tsy maintsy asiana kely aloha ny fampiresahana


Zao no tena marina e!

refa mifanena @ gasy de mifampijery de otran'ny misy courant zany mamporisika anao hiarahaba na tsia, de indraindray zany de miarahaba indraindray mifampijery de refa lasa le olona de mifampitodika
Ny sasany zany moa tsy te-hahalala refa mifanena any @ supermarché fa tsy koi zany

Efa nolazaiko fa ny gasy ao paris ao mipetraka en collocation de tsy tiany ny hampiantrano ny GVT satria mahita ny fahasahiranana , de zay no mahatonga azy hitàna anao aty @ fidirana fa tsy miakatra
Ohatra hoe: raha ao @ paris 18ème zao olona 7adultes zaza iray mipetraka @ 13m², fiainany doly zany fa tsy idirana satria tsy maintsy manao izany aloha ry areo mba hahazoany vola alefa any dago

Ny sasany ndray tsy misakafo fa chips sy otran'izany no hanina de manangombola de andehanana any dago mba hi-gestiavana we : zany zahay fa avy any an-dafy , de manao valamaty any @ havany any

fa ny tena nahasoisotra ahy indray mande de nisy gasy vavy iray zay tao paris tao, nande tnanao vacances tany dago , de niseho nilay be fa we: dokotera sns misa n, zany no valamatiny tany @ zokiko satria promo t@ vadinjokiko , de avy eo anefa nony tonga taty france de nifampiresaka tamiko le sipa , de inona hoy nareo , za ndray no anontaniany hoe: sao mahita asa ho azy hono za, tena tssss efa nampidiriko niasa izy vao henoko le feo , de avy eo kala tsy nahenoana vaovao intsony, je m'en fou fa mba mampalahelo ny toy izany
de raha mifanena amiko ve ny olona tahaka izany de ahoana ?tambatambazana sa hanaovana morale sa atao inona?
16. diamondra27 ( 07/08/2007 10:53)
epsedo,mim: ze miavona de avelao any fa ze tsy miavona resahina e!
17. sitlo ( 07/08/2007 11:04)


Izaho aloha misy olona ao Frantsa tena tiako be, tsy miavona mihitsy.

muahhhhhhhhhh
18. mim ( 07/08/2007 12:07)
diamondra27:

Ny sasany ndray tsy misakafo fa chips sy otran'izany no hanina de manangombola de andehanana any dago mba hi-gestiavana we : zany zahay fa avy any an-dafy , de manao valamaty any @ havany any
sao d adala aza ty radiamondra27 lé!zany ngamba no ataonareo sy ny havanareo?@ fomba ahoana no afantaran-radiamondra27 anizany lé?fanaratsiana ny gasy indray zao lé!


19. mim ( 07/08/2007 12:11)
ra manambola nareo d tairo ampio ry zareo hisakafohanany é!
20. diamondra27 ( 07/08/2007 13:07)
mim: avelao @ adalako aho raha za mba mampitandrina sy milaza ny zava-misy indray no mahazo loza, sa zany no atao hoe: "ny marina rehetra tsy filaza avokoa?"
tsy fanaratsiana ireo ry mim fa filazàna ny zava-misy a!
raha tsy mahatanty mihaino sy mahita ny zava-misy ianao de tsy maninona fa ny antony itenenako an'ireo de mba tiako fantatry ny gasy any dago fa tsy mora ny fiainana aty, fa tokony hiatrika ny zava-misy sy fantany ny fiainana an-dafy vao mikasa ny ho aty an-dafy fa tsy hoe: paradisa an-tany araka ny revirevy.

Raha nanonona anaran'olona aho de manaratsy le olona izay.

Fantatry ny rehetra zany resaka mitsitsy zany aty, sy hoe tsy mora ny mahazo trano fa ep ampiandrasana ny tranonao de aleo aloha miara-monina manao collocation fa tsy refa miteny ny olona de we manaratsy, de ahoana zany avela hitonatonana aty doly ny gasy de handraingiraingy aty ve? Tsy aleo mba fantany ny zava-misy de avy eo izy mieritreritra na ho avy na tsia?

resaka avona no dinika fa aleo sao de lasa HS e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4868