Nampanantena izy kanjo.. Satana sy demony ary devoly?

1. niryna ( 18/07/2007 05:22)
Napetrak'ity ray teo amin'ny fikorisana ity zanany lahy ka lasa izy tery ambany hitaty azy.Mandehana hoy izy fa ho tatazako ialahy,nomeny fanantenana ity zanany.Ity zaza lahy dia nino an-drainy ary faly sady nanana finiavana ery ny hikorisa.Nony tonga teny amin'ny farany anefa dia nanantena ity zaza fa hiantsampy eo an-tananan-drainy kanjo ity ray ,tsy manana fo,niala ary dia nianjera,naratra,ary mety ho naratra hatramin'ny fon'ity zaza mihitsy aza.Ny rainy niteraka azy no nivadika taminy,very ilay fanantenana nomeny.
Mitovy io ray io koa ny asan'ny devoly izay mampanantena zavatra tsara ho an'ireo izay mihaino azy ka any amin'ny farany dia fahafatesana no tambiny.

Inona no atao hoe satana, demony ary devoly?

Ahoana no fomba ataon'izy ireo handratrana na anjonoana antsika amin'ny fiainana?

Moa ve izay zavatra ratsy rehetra dia heverina foana fa avy aminy?

Ary manana fahefana ve izy hanala ny ain-tsika?

Ireo olona izay am-piasainy dia misy milaza fa tsy mahafantatra hoe ataony fitaovana,mino an'izany ve ianao?

Misaotra antsika rehetra nandray anjara:*:*

(l)niryna
novalian'i niryna ny 08/08/2007 05:45
2. bobone ( 18/07/2007 06:37)
Niryna: tsy tia ny zanany kosa izany rangahy izany efa nanome fanatenana fa hoe tatazany de avy eo mivadika efa tsy rariny iny
* Satana =devoly=devoly itovy ihany ireo amiko fa ny fanoratana azy ihany ho samy hafa
: io de anjely faran\'izany tsara terehy tao an-danitra ary be fialonana t@ Atra ! te hitovy an\'Atra ! de nazeran\'Atra avy tany an-danitra izy ho ety an-tany!
ao @ baiboly ao misy teny hoe Lozanareo ry tany sy ranomasina fa nazera aty aminareo ny devoly
ary raha azoko tsara de tonga teto izany ny devoly handrigana ary mahao izay fomba rehetra hanakanana ny olombelona hanompo an\'Atra de nataony tsy mifankatia ny olona ! miady lahy! mifandrafy ny mpiraitampo , ny tsy fisiana ao an-tokantrano !!!izany hoe hitsofohany ny fiainan\'ny olombelona @ ankolafiny rehetra

* Tsy voatery hoe ny ratsy rehetra de avy aminy e! fa misy hataon\'Atra \' ny tenin\'ny Joba fony izy voatsapa ! hoe: tsy ny soa ihany no azontsika avy amin\'Atra fa ny ratsy koa aza nefa ratsy mitondra fanavaozana, miotndra nenina ka miteraka fibebahana izany an! mitondra fitiavana koa
* tsy manana ny fahefany izy hanala ny ain-tsika fa Atra ihany satria izy no tompon\'ny aina fa azy irery ny fahefana \" izy no manome ary izy ihany koa no maka\"
* misy ny olona aloha tsy mahafantatra e! fa arakarany ihany io ! satria mbola ao anatin\'ny andron\'ny tsy fahalalana izy de manararaotra be ny devoly managoly azy ! fa izany no ilana ny mpitory ny Filazantsara hampahafantatra azy ny tena marina ny @ fisian\'ny devoly ny zavatra hataony @ le olona ary ny vahaolana ho entinao aminy!
fa misy indray efa fantany izao fa tsy mety ny hataony de mbola misisika ihany ary loza ny hiafarany fa tsy maintsy voadona mafy !na marary na misy zavatra mahazo azy de eo vao miantso vonjy ary isaorana ny tompo raha mbola afaka mibebaka izy fa reha tsy afaka de loza mandrakizay no miandry azy!
3. rhina ( 18/07/2007 10:17)
d ty tatara ty ko ve zany d lazainareo fa devoly no miasa ao @ leola:
t@ gazety ty an efa ela²:
nisy Ray mpianakavina iray nanolana ny zanany telo vavy
tsy mino za hoe devoly zany fa le Ray mintsy no tsy te hahalala fa sarobidy n zanaka d eto no ilazako fa tsy ny zanaka no mahavery ray amandreny fany ray amandreny no maha very zanaka
4. ikaretsaka ( 18/07/2007 12:48)
Inona no atao hoe satana, demony ary devoly?

izay hery rehetra , mangeja anao ka mahatonga anao tsy mahatsapa ny maha ianao anao, mahatonga anao tsy mandinin-tena,mahatonga anao hanaonao foana, mahatonga anao manaiky be fahatany satria voalambolambon'ilay hery! ka tsy afaka mandinika lalina intsony!
ilay hery eto dia miseho @ endika maro!

Tsetsatsetsa tsy aritra!
i Masina Maria no anisan'ny nahay niady t@ io indrindra: izy no "nandinika foana izay zavatra rehetra niseho tao am-pony"

Ahoana no fomba ataon'izy ireo handratrana na anjonoana antsika amin'ny fiainana?

ny fampanatenana poakaty, ny fandambolamboana mahatonga anao tsy hisaina, tsy handanjalanja fa mora roboka ao amin'ilay demagogie ataony (ilay mody lazainy hoe misy an'izao sy izao ity fiainana ity .. isika toy izao e,, vakivakio aloha itony e.. ndao mba hiaraka aminay fa any aminay no tena hmmm, dia mahita ilay vavolombelona rehetra eo dia roboka tokoa)
ampiasainy amin'io na ny tenin'ny soratra masina aza.. ary na ny Tompo aza nampiasainy an'io fika io! saingy izy nahay nandinika sy nandalina!

Ary manana fahefana ve izy hanala ny ain-tsika?

ny fahefana tsy ananany , fa ny manala kosa hainy dia hainy, karazana illegal sy clandestin io izany e...

tsy i satana irery no mpanao an'io fa izay mihevitra ny tenany ho manana fahefana sy inspired teo ampitoerana teo

tambatambazany sy lambolamboiny eo dia very ny maha ianao anao, afaka manao izay tiany atao.. tsy tonga saina intsony dia na ohatra aza asainy mamono tena dia iny fa manao, satria izay no voalazany!

Ireo olona izay am-piasainy dia misy milaza fa tsy mahafantatra hoe ataony fitaovana,mino an'izany ve ianao?

betsaka tokoa, dia ny ahafantarana azy dia tsy misy afa tsy ny fandinihin-tena.. ny renise en question ny momba anao lalandava, ary ny fahatongavan-tsaina rehefa anarina fa tsy ny stubbornness
5. diamondra27 ( 18/07/2007 14:08)
ny atao hoe: satana, devoly, demony dia fahavalon'Atra

Tsy mitovy ireo fa samy manana ny asany avy. TANDREMO.
Efa nomeko teto io fa jereo any @ archives

bobone: misaotra nizara :-*
6. ari.malala ( 18/07/2007 14:27)
amiko iray iany ny satana devvoly sy ny demony fa ny filazana azy fts no samy hafa...
7. boraingy ( 18/07/2007 14:29)
Mila mitandrina isika amin'izao fotoana izao satria betsaka tokoa ny hevitra mandroboka, indrindra ny interpretation ny Tenin'Andriamanitra ataon'ny olona maro. Isika tsirairay no iantefan'ny hafatra sy fitondran-tena tiana hampitaina ao anaty Baiboly koa mila isika mitrandraka izany ary miaina araka ny toro-hevitra omen'Andriamanitra tokoa fa tsy mamorona antsanga tsy aman'orana amin'ny interpretation raisina etsy sy eroa. Misy zavatra tsotra dia tsotra ao amin'ny hafatr'Andriamanitra ao ary isika dia mila mitana izany dia tapitra hatreo ny adi-hevitra sy famoaboasana etsy sy eroa.

Ny tena mampivilivily ny olona ankehitriny dia io tsy fananana fahatokisana ny fahamarinana io. Ao ireo izay tena mbola lasa manontany hevitra etsy sy eroa, ny mitady hoe aiza ary iza no fiangonana marina, ao no mbola manontany tena hoe aiza Andriamanitra ary misy ve Izy? Toy inona no endriny sy ny sisa...

Mila mazava ao amin'ny Tompo isika mba hahazoantsika marina ny hafany sy ny anatra omeny.

Mila mamaky ny Teniny isika noho izany ary hihevitra hatrany fa zanany ka hankato izay famelomany antsika dia ny famelomam-panahy izany.

Izay no ela fa mazotoa mandray hafatra avy Aminy dia ho hitanao marina hoe iza Izy.

Samy hotahian'Andriamanitra daholo!
8. ikaretsaka ( 18/07/2007 14:31)
tsy mamaky fotsiny fa mandray sy miaina ary mizara.. avelao IZY hitoetra aminao
9. melody ( 18/07/2007 18:24)
Mpandefa : ari.malala [ Valio ] 18-07-2007 16:27:28
Lohateny : Re : Nampanantena izy kanjo.. Satana sy demony ary devoly?
amiko iray iany ny satana devvoly sy ny demony fa ny filazana azy fts no samy hafa...

miray hevitra @ ari.malala
10. ikaretsaka ( 18/07/2007 18:47)
miray hevitra @ melody sy ari.malala amin'io hoe filazana azy fotsiny no samihafa
11. cutie ( 18/07/2007 19:49)
Moa ve izay zavatra ratsy rehetra dia heverina foana fa avy aminy?
yes
Inona no atao hoe satana, demony ary devoly?

fanahy ratsy
Ary manana fahefana ve izy hanala ny ain-tsika?

Non
Ireo olona izay am-piasainy dia misy milaza fa tsy mahafantatra hoe ataony fitaovana,mino an'izany ve ianao?

Mino:lol:
12. niryna ( 19/07/2007 05:52)
bobone:

Niryna: tsy tia ny zanany kosa izany rangahy izany efa nanome fanatenana fa hoe tatazany de avy eo mivadika efa tsy rariny iny

Ka io ohatra kely io no mitovy ny fampiasan'ny satana ny olona izay manaiky ampiasainy.Omeny teny maro,asehoan'ny fahitana sy fahagagana kanjo any amin'ny farany mivadika izy.
Herin'ny maizina daholo ireo telo ireo fa misy mahasamy hafa azy ka.
Ho antsika rehetra ity.
Afaka manimba zavatra roa ao anaty fotoana iray mitovy tokoa ve ny satana?
13. bobone ( 19/07/2007 05:54)
Rehafa zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra de efa devoly izay no manjaka e!
14. niryna ( 19/07/2007 06:04)
rhina:

d ty tatara ty ko ve zany d lazainareo fa devoly no miasa ao @ leola:
t@ gazety ty an efa ela²:
nisy Ray mpianakavina iray nanolana ny zanany telo vavy
tsy mino za hoe devoly zany fa le Ray mintsy no tsy te hahalala fa sarobidy n zanaka d eto no ilazako fa tsy ny zanaka no mahavery ray amandreny fany ray amandreny no maha very zanaka

Efa noresahin'ny namana fa toy ny miaramila ny asan'ny satana,manana lehibe sy mpifehy izy ary manana miaramila maro dia maro mivezivezy eny rehetra eny.
Isika dia misy nofo sy ra,ary ao anatintsika dia misy ny fanahy,io no mijaly raha mijaly isika.Ny nofo aman-dra no mahatonga antsika hanao ratsy.
Efa naheno ianao hoe tsy izaho no namono an'io olona io fa misy mibitsika ato anatiko? Dia avy eo lazain'ny mpanavotra azy fa marary saina ilay olona sns.
Ilay ray no nanaiky nampiasan'ny devoly hamono an-janany,marina izany fa tsy ilay rangahy no namono,saingy ny tao anatiny no nanaiky narebireben'ny devoly.
Isika rehetra dia manana fisainana mijery lafy tsara na ratsy,misy ny saina no mibaiko,ary raha manana finoana isika ka manao zavatra dia mivavaka vao manao an'iny.Misy fanahy masina miresaka isika fa mety tsy mahatsapa ny sasany.
"Raha ny nofo no jerena dia tsy mahazaka izany,nefa kosa manantena paradisa any ho any.Ny nofo aman-dra antsika(filan'ny nofo )no mitarika antsika andeha any amin'ny ratsy,ny fanahintsika malahelo (mitantana .mampianatra,miaro,mitomany rehefa manao ratsy isika )saingy isika nomena safidy dia io safidy io no mitarika antsika andeha ho any amin'ny ratsy na ny tsara.

15. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:11)
niryna:
Omeny teny maro,asehoan'ny fahitana sy fahagagana kanjo any amin'ny farany mivadika izy.

be dia be koa no mahita io ilay ampanantenain'ireny mpitarika antokom-pivavahana ireny, miracle mon ami.
kanjo....

Ho antsika rehetra ity.
Afaka manimba zavatra roa ao anaty fotoana iray mitovy tokoa ve ny satana?

eny ..rehefa le voasariny sy mody toritoriany eo ianao, ilazany ny fahasitranana etsy sy eroa, dia mora miotam-po sy sondriana eo dia iny fa manao tsy ankandinika intsony dia sady very ny maha ianao anao no very ny fanahinao.. amin'iny fotoana iny!
io ilay amerenako foana ny hoe "mandiniha tena" foana aloha!
16. niryna ( 19/07/2007 06:16)
Nisy rangahy diso fanantenana tanteraka ary efa niteny izy fa hamono tena hono no ambeti-teniny Niakanjo tsara ity rangahy indray Alahady ary mbola nahita azy nivoaka ny mpiray building aminy.Nandeha niangona izahay raha sendra nividy mofo ho an' ny zanako aho dia variana,tsy nahateny ity mpivarotra fa nivandravandra be fotsiny ny masony.Efa ela vao tonga saina aho ary narahiko ilay masony mijery any ivelany sy ny tanany nanondro.Inona no nitranga hoy ianareo? Fatina lehilahy mbola tsy dia antitra firy,nanao complet miaraka amin'ny cravate nihaingo tsara no nianjera avy tany amin'ny 10 eme etage maty teo noho eo,niparitaka ny karan-doha,(hay izy io rehefa vaky dia toy ny menaka).Izay no faniriany,ny namany na ny olona nanodidina azy tsy mba nisy nanome hery azy.
Tandremo fa raha misy olona milaza izany aminareo dia tena mahavita tokoa izy.
Iza izany no nahatonga ilay rangahy namono tena?
Nisy hery ratsy ve tao anatiny namporisika azy nanala ny ainy sa izay no fara fialany eto an-tany?
Raha mba nisy olona nanome azy fanantenana sy fanampiana ve mety ho nahavita izany izy ,sa izay no lahatra?
17. niryna ( 19/07/2007 06:23)
Ny fanjakan'ATra(kingdom of God)ary ny fanjakan'ny Satana(kingdom of Satan)

* Ny fanjakan'Atra izay Atra no mitantana azy
* Ny fanjakan'ny Satana izay Satana sy ny atra kely maro no mitantana azy.
Mety ho fantatsika ve ny manavaka azy ireo?
18. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:24)
fijeriko azy io:
tsy niteny anao ny antony namonoany tena ilay rangahy io.. diso fanantenana fotsiny ny fantatrao momba azy! fanantenana inona? tsy hay izany!, ka tsy ianoa no handeha hanombatombana ny hery ratsy sy hery tsara.

amiko koa dia hoe izay izany no fara fialany eto an-tany, tamin'ny alalan'ny famonoantena no nandaharan'Andriamanitra ny "convocation" ny

tadidio fa betsaka koa ny namono tena nefa tsy maty: satria tsy izany no nandaharan'Atra ny fomba fialany eto an-tany!
19. ari.malala ( 19/07/2007 07:09)
niryna:

Efa noresahin'ny namana fa toy ny miaramila ny asan'ny satana,manana lehibe sy mpifehy izy ary manana miaramila maro dia maro mivezivezy eny rehetra eny.
hay v misy anzany e! ary androany ndray za vao nahare anzany!

niryna:

Isika dia misy nofo sy ra,ary ao anatintsika dia misy ny fanahy,io no mijaly raha mijaly isika.Ny nofo aman-dra no mahatonga antsika hanao ratsy.
Efa naheno ianao hoe tsy izaho no namono an'io olona io fa misy mibitsika ato anatiko? Dia avy eo lazain'ny mpanavotra azy fa marary saina ilay olona sns.


Izaho kosa dia miteny fa safindin'ilay olona no nanao ratsy fa tsisy anzany hoe mibitsibitsika izany! olombelona nomen'Andriamanitra saina handinika ve de tsy hahay hanavaka ny ratsy sy ny tsara! misy mibitsibitsika, ny sainy ratsy no mibitsibitsika azy ary izy tsy manana fandavantena handà ny ratsy fa naleony nanaiky! amiko tsy marary saina izany olona izany fa efa tsy misaina tsony mintsy!

niryna:
lay ray no nanaiky nampiasan'ny devoly hamono an-janany,marina izany fa tsy ilay rangahy no namono,saingy ny tao anatiny no nanaiky narebireben'ny devoly.


fa tanan'iza no niainga namono? tsy ny anilay ray v? ko tsy izy aona no namono? mety hoe norebireben'ny demony izy,iza moa no tsy rebireben'ny demony @ izao fiainana izao fa anjaranao no manohitra! efa fantatra ve fa zanaka de mbola vonoina iany?!!

niryna:

Isika rehetra dia manana fisainana mijery lafy tsara na ratsy,
de miverina amle teneniko we anjaranao no mandà tsy horesin"ny ratsy refa fantatra fa ratsy io e!

20. ikaretsaka ( 19/07/2007 17:06)
ary miodinkodina eo ihany tokoa ny tenin'i niryna hoa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1008