Nampanantena izy kanjo.. Satana sy demony ary devoly?

41. niryna ( 29/07/2007 07:01)
Ity indray ary ny tantaran'ilay nakana mpiandry nivavahana.Raha ohatra ka mahita an'ity ianao ry namako izay dia mba mijoroa vavolombelona ato satria averiko ato ilay tantara noteneninao ahy.:*:*
Nanao varotra ireto olona ary naka fanafody (tsy fantatro aloha ny anarany )fa ialako tsiny,raha misy aminareo mahalala azy dia mba teneno e.
Fanafody mampandeha varotra no nalainy ary nofenoiny ny fivarotana rehetra.Nandeha tokoa hono ny varotra ary nanambola be tokoa izy mianakavy(io ilay nampanantena,eny nahazo fampanantenana tokoa izy)kanjo nivadika ny rasa ary dia nivadika taminy ilay izy.Nifanenjehina eraky ny trano ity ramatoa ary farany nakana mpiandry.Nony tonga ny mpiandry dia izy ihany no miresaka hoe mandehana aloha ianareo mandositra sy miafina fa tonga ny mpiandry.(mipoitra amin'ny daholo ny miaramilan'ny satana rehetra ary izy irery ihany no mahita sy miresaka aminy.)
Afaka sy sitrana ihany ilay ramatoa ary nasorina sy nodorana daholo ny ody eraky ny trano.
^:^^:^^:^ Ho an'Atra irery ihany anie ny voninahitra sy ny fahefana feno rehetra ety an-tany ka hatrany an-danitra.
Izay no atao hoe aza miankohaka amin'atra hafa na ny manao sarin-javatra ,na manao andriamani-kafa noho ny Atra Raintsika
"Every knees shall bow,every tongue confess that He is Lord" Tokony andohalika Aminy(hiankohoka Aminy,hidera Aminy isika),ary hino Azy Irery,ary tokony hifona Aminy(hidera Aminy,mino Azy ,mifona aminy,mibebaka Aminy) ny vavan-tsika fa Izy Irery ihany no Atra .:D
42. niryna ( 29/07/2007 07:16)
ikaretsaka:

tantaran'i niryna io ihany: ary raha tena tsy nolazaina izy nefa njnofy ratsy dia ahoana indray ny amin'izay?

Ity resaka fanokanana fianana ho an'Andriamanitra ity anefa dia tokony ho an'ny Kristiana rehetra.


ekena, fa ny tsy azoko raha izany.. maninona no tsy isika rehetra no natsoina sy voatendry fa misy mbola tsy ao.. na ao @ tantaran'i jesoa aza.. maninona indraindray no i piera sy joany sy i Jakoba irery no voaantso.. naninona no izaia? sns snss.
nisy ihany ny fiantsoana fa tsy isika rehetra ko...raha tsy izany aho naninona no tsy lasa pasitera fa maminona ilay aka iry no lasa? naninona ilay ramatoa iny no hoe nenilava fa tsy i niryna, maninona no iny no lasa papa fa tsy i Boraingy.. sns sns...



Tsy azontsika ilay izy satria isika tsy Andriamanitra
43. ikaretsaka ( 29/07/2007 12:46)
dia izay no iangaviana amin'andriamanitra hanazava azy. . .
44. fijo ( 03/08/2007 21:52)
ny ray tsy manolobato mafan ahoan janany
45. niryna ( 04/08/2007 02:48)
fijo:

ny ray tsy manolobato mafan ahoan janany

Rehefa manaiky ampiasan'ny devoly izy dia mahavita zavatra maro
Maro ny vaovao hita: manimba ny zanany vavy ilay rangahy ary efa ela mihitsy ka farany nivoaka ny tantara satria ny zandriny indray no saika ataony,nandeha ny fitsarana ary nigadra izy.
Ny zanany ihany no nivadiany ary niterahany dimy,ahoana hoy ny mpanontany no fiantsoanao azy?Davida hoy izy fa izaho tsy miantso azy dada,fantatrao fa rainao izao izy koa maninona ianao no miteraka aminy?Tiako izy hoy ilay zanany vavy,ahoana izany no fiantsoan'ny zanakao azy?Dadabe sa dada?
Izay no asan'ny maizina mahafantatra kanefa minia mandika ny didiny(mifanozona)
Ity koa misy iray:Nanana sakaiza ilay ramatoa ary niteny ity rangahy fa tiany hono izy fa tsy mahazaka ny zanany mianadahy izy.Entin'ny fitiavan-tena ramatoa ka nariny tany anaty rano niaraka ny fiara ny zanany mianadahy.Voa mafy ,ny nantenaina nitia niala,ny zanaka nokolokoloina nafoy,ny tenany nigadra mandrapahafatiny.Izany rehetra izany dia erin'ny satana daholo,izay manaiky ampiasainy ny olona.


46. niryna ( 04/08/2007 04:10)
niryna:


Mitovy io ray io koa ny asan'ny devoly izay mampanantena zavatra tsara ho an'ireo izay mihaino azy ka any amin'ny farany dia fahafatesana no tambiny.

Mandehana araka ny Fanahy,dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.Fa ny nofo manohitra ny Fanahy ary ny Fanahy manohitra ny nofo,ary mifanohitra izy ireo mba tsy ahazoanareo manao zavatra tianareo.Gal 5:16-17

Tsy amin'ny fiainana mahazo antsika ihany no mitady lalana hamingana satana ka mandefa ny devoly miaramilany,eny fa na any am-piangonana koa aza izy dia mba manana ny mpikambana ao aminy.:roll:
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneo famantarana lehibe sy fahagagana ary raha azo atao na dia ny olomboafidy aza dia ho fitahiny. Mat 24:24

Ireo demony dia mipetraka ao anatin'ny tsy mpino matetika na ireo kristiana tsy manana finoana firy,ary mampiasa ny feony ao anatin'ilay olona izy Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe:Hianao no Zanak'Atra .Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny,satria nahalala Azy ho Kristy (Lk 4:41 )

Ireo izay manao magie sy manao fanafody mampivoaka olona toy ny mpamosavy,mamaky tanana,mijery horoscope sns,mahalala ny omaly izy fa tsy mahalala ny ho avy(hoy ilay mpiara-miasa iray izay,izay nitsakatsaka tany :cry:),ireo dia manaiky ampiasan'ny fanahin'ny devoly:(Eks 7:11,22, )

Hoy Jesosy mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo .Fa maro no ho avy amin'ny anarakao hanao hoe:izaho no Kristy,ka maro no ho voafitany.Mat 24:4-5

Koa mahery ny satana ary mamotika sy mandripaka ny tokantrano sy ny fiainan'ny tsirairay ary dia mila miambina sy mivavaka mandrakariva isika mba ahatohitra izany sy hiarovan'ny Fanahy Masina antsika koa.
Aza mety ho fitahin'ny olona akory hianareo.. 2 Tes 2:3

Koa ho antsika rehetra dia tano ny finoana,manantona an'Atra isan'andro,aza mitsahatra ny mivavaka ary mangataha aminy mba ho tompon'ny fiainanao Izy na inona ataona na inona zavatra manjo anao,aza mitsahatra ny midera sy mankalaza ny anarany,ary mivavaha isaky ny misy zavatra atao.Andramo fa mandaitra amin'ny fiainako foana io ka zaraiko anareo

Satria hoy Izy hoe :Efe 6:10,11,17-18
**Farany,mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.Tafio avokoa ny fiadian'ATra mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
**Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra,fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao,dia @ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
**Ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga izay hahazoanareo hamono ny zanatsipika mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
** Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'ATra ho sabatry ny Fanahy
** Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana
**Ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra.^:^^:^

(l)niryna
47. ikaretsaka ( 04/08/2007 04:52)
hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneo famantarana lehibe sy fahagagana ary raha azo atao na dia ny olomboafidy aza dia ho fitahiny. Mat 24:24

Mba eritreritra.
Io ve tsy ilay hoe miracle mon ami sy ilay hoe miteny @ teny tsy fantatra

Satria hoy Izy hoe :Efe 6:10,11,17-18
**Farany,mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.Tafio avokoa ny fiadian'ATra mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

eritreritra ihany koa
tsy izany ny ilaina ny anjely mpiambina sy ny sakramenta sy ny sisa...ankoatran'ny baiboly?
48. niryna ( 04/08/2007 05:19)
ikaretsaka:

hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneo famantarana lehibe sy fahagagana ary raha azo atao na dia ny olomboafidy aza dia ho fitahiny. Mat 24:24

Mba eritreritra.
Io ve tsy ilay hoe miracle mon ami sy ilay hoe miteny @ teny tsy fantatra

Satria hoy Izy hoe :Efe 6:10,11,17-18
**Farany,mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.Tafio avokoa ny fiadian'ATra mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

eritreritra ihany koa
tsy izany ny ilaina ny anjely mpiambina sy ny sakramenta sy ny sisa...ankoatran'ny baiboly?




8-) izany ve?;-)
49. ikaretsaka ( 04/08/2007 05:33)
mba eritreritra sy hevitra voasintoko tamin'ny nolazainao io ambony io ny ahy...

"ambava homana
am-po sy an-tsaina mieritreritra
am-panahy mandinin-tena sy mivavaka "

manampy ilay hevitra farany: ko tafiana avokoa ny fiadiana rehetra koa..
ny baiboly sabatra, ny sakramenta armure, ny anjely no tafika..
50. niryna ( 04/08/2007 05:42)
ikaretsaka:

mba eritreritra sy hevitra voasintoko tamin'ny nolazainao io ambony io ny ahy...

"ambava homana
am-po sy an-tsaina mieritreritra
am-panahy mandinin-tena sy mivavaka "

manampy ilay hevitra farany: ko tafiana avokoa ny fiadiana rehetra koa..
ny baiboly sabatra, ny sakramenta armure, ny anjely no tafika..

Ny anjely miaro antsika toy ny anjelin'ny satana dia miaramila maro nalefany hamotika ny fiainan'ny olona ,saingy isika mangataka amin'Atra mba hiambina antsika izy fa ny Fanahy masina no mitari-dalana antsika.Tsy azontsika atao anefa ny miankohaka ny anjely satria izy ireo ihany aza dia efa niteny izany.Ny anjelin'i Jesosy izay Izy tenany irery ihany no azontsika hiakohofana

51. ikaretsaka ( 04/08/2007 06:08)
anjely mpiambina anay: miambena ny tenanay!
52. tywa68 ( 04/08/2007 10:20)
:lol:
53. Rasiligaoma ( 06/08/2007 05:21)
asivo ry misely arakanjely Masina koa ry zalahy a:^):wink::P
54. niryna ( 08/08/2007 05:45)
Rasiligaoma:

asivo ry misely arakanjely Masina koa ry zalahy a:^):wink::P

=))

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008